FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 48
  • Ny Ady any Ukraine sy ny Fivavahana: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Ady any Ukraine sy ny Fivavahana: Inona no Lazain’ny Baiboly?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fivavahana sy ny ady
  • Tokony hanohana ny ady ve ny fivavahana kristianina?
  • Hanao ahoana no hiafaran’ny fivavahana mampirisika ny olona hiady?
  • Ny Kristianina sy ny Ady: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Feno Herintaona Ilay Ady any Ukraine: Inona no Ampanantenain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Tafihin’i Rosia i Ukraine
    Foto-kevitra Hafa
  • Fanampiana Tra-boina ao Anatin’ny Ady
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 48
Sary: 1) Patriarika Kirill any Moscou, Rosia. 2) Épiphane I (filohan’ny Eglizy Ortodoksa Iokrenianina) any Kiev, Ukraine.

MIAMBENA FOANA!

Ny Ady any Ukraine sy ny Fivavahana: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Diniho ny ataon’ny mpitondra fivavahana malaza, mifandray amin’ilay ady any Ukraine:

  • “Mangina fotsiny ny Patriarika Kirill, filohan’ny Eglizy Ortodoksa Rosianina, manoloana ny fanafihana ataon’i Rosia. ... Manao fampielezan-kevitra momba an’i Ukraine foana izy any amin’ny Eglizy, ary izany no ampiasain’i Poutine mba hanamarinana ny ady ataony.”​—EUobserver, 7 Martsa 2022.

  • “Niaro mafy an’i Rosia ny Patriarika Kirill, ... ka nilaza fa ara-drariny ny fanafihany an’i Ukraine. Lazainy fa anisan’ny ady amin’ny ota ilay ady.”​—AP News, 8 Martsa 2022.

  • “Nitso-drano ny vahoaka ‘hiady amin’ny mpanafika rosianina’ i Épiphane I any Kiev, filohan’ny Eglizy Ortodoksa Iokrenianina, tamin’ny alatsinainy. ... Nilaza koa izy hoe tsy manota izay mamono miaramila rosianina.”​—Jerusalem Post, 16 Martsa 2022.

  • “Manohana ny Tafika Iokrenianina sy ny olona rehetra miaro ny firenenay izahay [Konsilin’ny Eglizy sy ny Fikambanana Ara-pivavahana Iokrenianina (UCCRO)], ary mitso-drano sy mivavaka ho azy ireo satria miaro an’i Ukraine amin’ny mpanafika izy ireo.”​—Fanambaran’ny UCCROa tamin’ny 24 Febroary 2022.

Ahoana ny hevitrao? Tokony hampirisika ny mpivavaka mba handeha hiady ve ny fivavahana milaza fa manara-dia an’i Jesosy Kristy? Inona no lazain’ny Baiboly?

Ny fivavahana sy ny ady

Hita amin’izay nitranga hatramin’izay hoe matetika ny fivavahana no miseho ho mpampihavana nefa milefitra rehefa misy ady, na manala tsiny ny ady, na mampirisika ny olona hiady mihitsy aza. Efa ela ny Vavolombelon’i Jehovah no nampiharihary hoe mihatsaravelatsihy fotsiny ny fivavahana. Jereo, ohatra, ireto fanazavana navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireto:

  • Hazavaina ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Nandiso Fanantenana ny Kroazada” (frantsay) fa namono olona tamin’ny anaran’Andriamanitra sy Kristy ny Eglizy Katolika Romanina, ka tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’ireny olona ireny.

  • Tantaraina ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Eglizy Katolika ao Afrika” fa tsy vitan’ny fivavahana ny nanakana adim-poko sy ny fandripahana foko.

  • Hazavaina ao amin’ireto lahatsoratra ireto hoe imbetsaka ny mpitondra fivavahana katolika sy ortodoksa ary protestanta no nanohana ny andaniny sy ny ankilany rehefa misy ady: “Ny Fivavahana ve no Diso?”, “Ny Anjara Asan’ny Fivavahana Tamin’ny Ady” (frantsay), ary “Manohana ny Ady ny Fivavahana” (frantsay).

Tokony hanohana ny ady ve ny fivavahana kristianina?

Izay nampianarin’i Jesosy: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) “Tiavo foana ny fahavalonareo.”​—Matio 5:44-47.

Eritrereto izao: Tena mankatò ny didin’i Jesosy mba ho tia ny olon-kafa ve ny fivavahana iray raha mampirisika ny mpivavaka ao aminy mba handeha hiady sy hamono olona? Jereo ao amin’ireto lahatsoratra ireto ny valiny: “Ny Tena Kristianina sy ny Ady” (frantsay), “Misy Mahavita Mitia ny Fahavalony Ve?”

Izay nampianarin’i Jesosy: “Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako. Raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny mpanara-dia ahy mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho.” (Jaona 18:36) “Ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.”​—Matio 26:47-52.

Eritrereto izao: Misy antony hafa tokony hampiasan’ny Kristianina fitaovam-piadiana ve raha tsy mahazo miady izy ireo na dia mba hiarovana an’i Jesosy aza? Vakio ilay lahatsoratra hoe “Mety ve Raha Miady ny Kristianina?” dia ho hitanao hoe nanao hoatran’i Jesosy sy nanaraka an’izay nampianariny ny Kristianina voalohany.

Hanao ahoana no hiafaran’ny fivavahana mampirisika ny olona hiady?

Ampianarin’ny Baiboly hoe tsy eken’Andriamanitra ny fivavahana milaza fa misolo tena an’i Jesosy nefa tsy manaraka ny fampianarany.​—Matio 7:21-23; Titosy 1:16.

  • Asehon’ny bokin’ny Apokalypsy fa ireny fivavahana ireny no lazain’Andriamanitra hoe tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’izay “rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:21, 24) Vakio ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Babylona Lehibe?” raha tianao ho fantatra ny antony.

  • Nohazavain’i Jesosy hoe haringana daholo izay fivavahana tsy eken’Andriamanitra satria manao zavatra ratsy. Ohariny amin’ny hazo ratsy mamoa voa ratsy ireny fivavahana ireny, ka tsy maintsy ‘hokapaina sy hatsipy any anaty afo.’ (Matio 7:15-20) Vakio ilay lahatsoratra hoe “Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!” dia ho hitanao hoe ahoana no hahatanterahan’izany.

Miavaka ny Vavolombelon’i Jehovah

Mankatò ny didin’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia sy Ukraine, hoatran’ny ataon’ny Vavolombelona hafa eran-tany. Tsy manao politika izahay sady tsy mandray anjara amin’ny ady. Izany no mahatonga anay tsy manohana na mandray anjara amin’io ady any Ukraine io, na ny ady hafa. Enjehina ny sasany aminay satria tapa-kevitra hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly. (Jaona 15:19, 20; 2 Timoty 3:12) Be dia be, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah gadrain’ny fanjakana rosianina, ary ampijalijalina mihitsy aza ny sasany amin’izy ireo. Nogiazina koa ny toerana ampiasainay mba hivavahana. Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia jereo ny www.jw-russia.org.

  • Enjehina noho ny finoany ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Jereo ilay video efatra minitra hoe Tsy Mivadika ny Vavolombelon’i Jehovah any Irkoutsk na dia Mahery Setra aza Ireo Manao Bemidina raha te hahita an’izany ianao.

  • Efa ela ny Vavolombelon’i Jehovah no fantatry ny olona hoe tsy manao politika. Jereo ilay video hoe Tsy Mivadika na eo aza ny Fanenjehana, dia ho hitanao hoe tsy nanao politika mihitsy izy ireo na dia nenjehina mafy aza tany Alemaina Nazia sy ny Firaisana Sovietika teo aloha.

Jereo ny fizarana samihafa ato amin’ny tranonkalanay raha te hahalala bebe kokoa momba ny zavatra inoanay ianao, anisan’izany ny fampanantenan’ny Baiboly hoe tsy hisy ady intsony amin’ny hoavy. (Isaia 2:4; Jeremia 29:11) Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia asainay hifandray aminay.

Sary nahazoan-dalana, ankavia miankavanana: Photo by Sefa Karacan/Anadolu Agency/Getty Images; Maxym Marusenko/NurPhoto via Getty Images

a Fivavahana 15 avy amin’ny Ortodoksa, Katolika Romanina sy Grika, Protestanta, antokom-pivavahana ara-pilazantsara, ary Jiosy sy Silamo no ao amin’ny UCCRO, izany hoe ny Konsilin’ny Eglizy sy ny Fikambanana Ara-pivavahana Iokrenianina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara