FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 59
  • Ny Kristianina sy ny Ady: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Kristianina sy ny Ady: Inona no Lazain’ny Baiboly?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona marina no lazain’ny Baiboly?
  • Ahoana ny fiheveran’ny Kristianina ankehitriny ny ady?
  • Ny Ady any Ukraine sy ny Fivavahana: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • 2022: Taona Nampiady Saina sy Feno Korontana: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Tafihin’i Rosia i Ukraine
    Foto-kevitra Hafa
  • Feno Herintaona Ilay Ady any Ukraine: Inona no Ampanantenain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 59
Pretra iray mitso-drano sady mamafy rano voahasina amin’ny fiaramanidin’ny miaramila mpiady.

YURI LASHOV/AFP via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Ny Kristianina sy ny Ady: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Hita amin’ny ady any Ukraine fa mampirisika ny olona hanohana ady ny mpitondra fivavahana kristianina maro. Mariho hoe samy miandany amin’ny miaramila ao amin’ny taniny ry zareo:

  • “Tena manaja sy mankasitraka ny miaramilantsika izahay satria miaro an’ny Ukraine tanindrazany amin’ny fahavalo izy ireo. ... Mivavaka sy manohana anareo foana izahay ary any aminareo foana ny fonay.”​—Épiphane I, filohan’ny Eglizy Ortodoksa Iokrenianina any Kiev, araka ny tatitry ny The Jerusalem Post, tamin’ny 16 Martsa 2022.

  • “Mbola eo am-panafihana an’ny Ukraine i Moscou no nandamina fotoam-pivavahana ho an’ny miaramila rosianina ny filohan’ny Eglizy Ortodoksa Rosianina tamin’ny alahady. Nampirisika an’ireo miaramila izy mba hiaro ny tanindrazany ary raha resaka fiarovana tanindrazana, hono, dia ‘tsy misy hoatran’ny Rosianina.’”​—Reuters, 3 Aprily 2022.

Tokony handray anjara amin’ny ady ve ny Kristianina? Inona no lazain’ny Baiboly?

Inona marina no lazain’ny Baiboly?

Asehon’ny Baiboly hoe tsy mandray anjara amin’ny ady ny tena mpanara-dia an’i Jesosy Kristy.

  • “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.”​—Matio 26:52.

    Tena mankatò an’io tenin’i Jesosy io ve ny olona anankiray raha mankasitraka na mandray anjara amin’ny ady?

  • “Izao no didy vaovao omeko anareo: Mifankatiava ianareo, ka hoatran’ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”​—Jaona 13:34, 35.

    Mampiseho an’io fitiavana mampiavaka ny mpianatra na mpanara-dia an’i Jesosy io ve ny olona anankiray raha manohana ady?

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Mety ve Raha Miady ny Kristianina?”

Ahoana ny fiheveran’ny Kristianina ankehitriny ny ady?

Ary amin’izao, vitan’ny Kristianina ve ny tsy handray anjara amin’ny ady? Eny. Nilaza mialoha ny Baiboly fa hisy olona avy amin’ny firenena rehetra hiaina mifanaraka amin’ny fampianaran’i Jesosy, izany hoe “tsy hianatra ady intsony.” Antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” izao andro iainantsika izao, ary amin’izao izany no tanteraka.​—Isaia 2:2, 4, fanamarihana ambany pejy.

  • Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay andian-dahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana hoe “Mankasitraka ny Ady ve Andriamanitra?”

Tsy ho ela i Jehovah,a ilay “Andriamanitry ny fiadanana”, dia hampiasa an’ilay fitondram-panjakany any an-danitra mba hanafahana ny olona amin’ny “fampahoriana sy ny herisetra.”​—Filipianina 4:9; Salamo 72:14.

  • Raha tianao ho fantatra hoe ahoana no hanatanterahany an’izany, dia jereo ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Asainay ianao hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ity taona 2022 ity. “Katsaho ny Fiadanana!” no foto-kevitr’ilay izy. Hanampy anao hilamin-tsaina io fandaharana io na dia eo aza ny zavatra mampatahotra amin’izao fotoana izao. Jereo na alaivo ao amin’ny Internet io fandaharana io. Tsy voatery misoratra anarana ianao.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara