BalanceFormcreative/iStock via Getty Images Plus
Tsy dia Hanirery Loatra Ianao Raha Manampy ny Hafa: Inona no Lazain’ny Baiboly?
Olona maneran-tany amin’izao no mahatsiaro ho manirery sy hoatran’ny tsy ho afaka ny hinamana be amin’ny hafa. Misy manam-pahaizana momba ny fahasalamana mino hoe tsy dia hahatsapa hoatr’izany isika rehefa manampy ny hafa.
“Hisy dikany ny fiainanao raha manampy an’izay mila fanampiana ianao. Tsy dia hahatsiaro ho manirery na tsy manana namana koa ianao raha manao an’izany.”—Fikambanana Amerikanina Misahana ny Fahasalamana.
Atoron’ny Baiboly hoe inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa. Raha manaraka an’izay lazainy isika, dia tsy dia hahatsiaro ho manirery intsony.
Inona no azonao atao?
Miezaha ho tia manome. Mitadiava fomba hiarahana amin’ny hafa, dia tsara kokoa raha mihaona mivantana ianareo. Miezaha ho tia mizara an’izay anananao. Raha manao an’izany ianao, dia mety hankasitraka anao ilay olona, dia ho lasa mpinamana ianareo.
Torolalan’ny Baiboly: “Aoka ianareo ho zatra manome, dia mba homena koa ianareo.”—Lioka 6:38.
Ampio ny hafa. Mitadiava fomba hanampiana an’izay ao anatin’ny sarotra. Afaka mihaino sady mangoraka azy, ohatra, ianao na manao zavatra mba hanamaivanana ny fahasahiranany.
Torolalan’ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana.”—Ohabolana 17:17.
Raha tianao ho fantatra hoe inona no azonao atao mba hifandray tsara foana amin’ny hafa, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Fianakaviana sy Namana.”