Havia: Olena Yefremkina/stock.adobe.com; center: lunamarina/stock.adobe.com; havanana: Rido/stock.adobe.com
MIAMBENA FOANA!
Iza no Azonao Atokisana? Inona no Lazain’ny Baiboly?
Kivy ny olona rehefa mandiso fanantenana azy ny olona natokisany. Betsaka no tsy matokitoky intsony ny...
mpanao politika mitady ny tombontsoany manokana fa tsy mba mitsinjo ny vahoaka.
filazam-baovao mitatitra vaovao diso sy mitanila.
mpahay siansa tsy mitady izay hahasoa ny sarambabem-bahoaka.
mpitondra fivavahana midikiditra be amin’ny politika, nefa izy tokony hisolo tena an’Andriamanitra.
Ara-dalàna ny olona raha mitandrina tsara hoe iza no hametrahany ny fitokisany. Milaza mantsy ny Baiboly hoe:
“Aza mametraka ny fitokianareo amin’ny mpanapaka, na amin’ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.”—Salamo 146:3, Fandikan-teny Katolika.
Olona azonao atokisana
Resahin’ny Baiboly hoe misy olona iray azonao atokisana. Iza izany? I Jesosy Kristy. Tsy hoe olona tsara niaina efa tamin’ny ela be fotsiny izy. Notendren’Andriamanitra “ho Mpanjaka” izy, sady “tsy hifarana mihitsy ny Fanjakany.” (Lioka 1:32, 33) Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra àry izy, ary efa mitondra any an-danitra io Fanjakana io izao.—Matio 6:10.
Raha tianao ho fantatra hoe nahoana ianao no afaka matoky an’i Jesosy, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Iza no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra?” sy ilay hoe “Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?”