FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 61
  • Ahoana no Ampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah An’izay Fanomezana Voarainy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah An’izay Fanomezana Voarainy?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny sasany amin’ny zavatra ataonay
  • Avy Aiza ny Vola Ampiasainay?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • “Fanomezana An-tsitrapo ho An’i Jehovah”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Nahoana Isika no Mbola Mila Manome ho An’ilay Tompon’izao Rehetra Izao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Ahoana no Ahazoanay Vola Hamitana ny Asanay Maneran-tany?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 61
Sary maromaro mampiseho ny zavatra mifandray amin’ny fivavahana sy ny asa soa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fanomezana an-tsitrapo no anohanana an’ireny asa ireny. 1. Vavolombelon’i Jehovah manorina Efitrano Fanjakana. 2. Vavolombelon’i Jehovah iray mandray anjara amin’ny fanampiana ny tra-boina, manome rano ho an’ny vehivavy iray. 3. Vavolombelon’i Jehovah miresaka hevitra iray ao amin’ny bokikely ‘Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!’ amin’ny vehivavy iray, eny amin’ny toerana be olona.

Ahoana no Ampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah An’izay Fanomezana Voarainy?

Mampiasa ny fanomezana voarainay izahay mba hanohanana ny zavatra ataon’ny fikambananay, na zavatra mifandray amin’ny fivavahana izany na asa soa. Manao an’ireo izahay mba hanatratrarana ny tanjonay lehibe indrindra. Tsy inona izany fa ny hanampy ny olona ho lasa mpianatr’i Kristy Jesosy.—Matio 28:19, 20.

Tsy ampiasainay mba hampanan-karena olona ireny fanomezana ireny. Tsy karamaina ny anti-panahy, na ny mpiandraikitra ao aminay. Tsy karamaina hitory isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mikarama koa ireo rehetra miasa any amin’ny biraon’ny sampanay na any amin’ny foibenay, anisan’izany ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ny sasany amin’ny zavatra ataonay

  • Famoahana boky sy lahatsoratra: Mandika Baiboly sy boky ara-baiboly an-tapitrisany izahay isan-taona, ary manao pirinty sy mizara azy ireny maimaim-poana. Tsy andoavam-bola koa ny maka an’ireo zavatra avoaka ao amin’ny tranonkala jw.org sy ao amin’ny programa JW Library, ary tsy ahitana dokam-barotra natao hitadiavam-bola.

     Vavolombelon’i Jehovah iray miasa ao amin’ny fanaovana pirinty, manamarina ny hatsaran’ny Baiboly vao avy natao pirinty.
  • Fanorenana sy fikojakojana: Manorina trano tsotsotra izahay maneran-tany, mba hahafahan’ny fiangonana mivory sy midera an’Andriamanitra. Mikojakoja an’ireny trano ireny koa izahay. Manorina biraon’ny sampana sy biraon’ny fandikan-teny koa izahay, ary mikojakoja azy ireny. Mpiasa an-tsitrapo no manao ny ankamaroan’ny asa, amin’izay kely kokoa ny vola lany.

    Vavolombelon’i Jehovah iray manangana esafôdazy eo ivelan’ny trano iray natao hivavahana amin’i Jehovah.
  • Fitantanana: Fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny asa ataonay maneran-tany no anohanana ny asa atao any amin’ny foibenay, biraon’ny sampana, biraon’ny fandikan-teny, ary ny asa ataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany.

    Vavolombelon’i Jehovah iray miasa ao amin’ny birao.
  • Fitoriana: Tsy karamaina ny Vavolombelona mitory ny Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! sy mampianatra “ny tenin’Andriamanitra.” (2 Korintianina 2:17) Misy mpitory sasany omena fanampiana anefa, mba ho afaka hanokana ny ankamaroan’ny fotoanany hanaovana ny asa fitoriana, hoatran’ny nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Afaka mahazo an’izay tena ilainy eo amin’ny fiainana izy ireny amin’izay, ary afaka mipetraka amin’ny trano tsotsotra. Ampiofanina ny mpitory voafidy hanao an’izany.—Filipianina 4:16, 17; 1 Timoty 5:17-18.

    Mpivady mitory amin’ny lehilahy iray ary mampiseho video ara-baiboly aminy.
  • Fampianarana: Ny vola fanomezana voarainay no anohanana ny fivoriamben’ny faritra sy ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ataonay. Mamokatra raki-peo sy video ara-baiboly koa izahay. Mandamina sekoly hampiofanana anti-panahy sy mpitory manontolo andro koa izahay mba hahafahan’izy ireo mamita tsara ny andraikiny.

    Mpanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra, mijery video ao amin’ilay toerana malalaka hanaovana an’ilay fivoriambe.
  • Fanampiana ny tra-boina: Omenay sakafo sy rano ary trano izay tra-boina noho ny rivo-doza, ohatra, na noho ny ady. Tsy ny ‘mpiray finoana aminay’ ihany no anaovanay asa soa, fa ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah koa.—Galatianina 6:10.

    Vavolombelon’i Jehovah maromaro manangona ny fanampiana tra-boina, ao amin’ny trano iray fanatobiana entana.
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara