FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 80
  • Efa Voalahatra ve ny Fotoana Ahafatesantsika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Voalahatra ve ny Fotoana Ahafatesantsika?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Moa ve ny Hoavinao Miankina Amin’ny Lahatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mpitoriteny 3:11: “Nataon’Andriamanitra Tsara Be Daholo ny Zava-drehetra, Sady Tamin’ny Fotoanany Avy”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Misy Fotoanany ny Zava-drehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Efa Voalahatra ve ny Fiainantsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 80
Olona ampidirina ao anaty fiara mpitondra marary, ary jeren’ny mpandalo

Efa Voalahatra ve ny Fotoana Ahafatesantsika?

Valiny ara-baiboly

Tsia, tsy voalahatra mialoha ny fotoana ahafatesantsika. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe misy ny lahatra. Voalaza ao kosa fa matetika no maty ny olona satria “azon-tsampona.”—Mpitoriteny 9:11.

Fa angaha moa ny Baiboly tsy milaza hoe “ao ny andro ahafatesana”?

Milaza tokoa ny Mpitoriteny 3:2 hoe: “Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana ny nambolena.” (Fandikan-teny Protestanta) Hita avy amin’ny andinin-teny eo aloha sy ao aorian’io anefa fa miresaka zavatra fahita eo amin’ny fiainana fotsiny ny Baiboly eo. (Mpitoriteny 3:1-8) Tsy mandahatra ny fotoana ambolen’ny mpamboly Andriamanitra. Toy izany koa fa tsy mandahatra ny fotoana ahafatesantsika izy. Ny tian’ilay andininy holazaina àry dia hoe tsy tokony ho variana loatra amin’ny fiainantsika andavanandro isika, ka hanadino ny Mpamorona.—Mpitoriteny 3:11; 12:1, 13.

Afaka ny ho ela velona isika

Marina fa tsy fantatsika izay havoakan’ny ampitso. Mety ho ela velona kokoa anefa isika raha mahay mitondra ny fiainantsika. ‘Hiaro’ antsika “tsy ho azon’ny fandriky ny fahafatesana” izany. (Ohabolana 13:14) Nilaza tamin’ny Israelita koa i Mosesy fa mety “ho lava andro iainana” izy ireo raha mankatò an’Andriamanitra. (Deoteronomia 6:2) Tsy ho ela velona kosa isika raha manaonao foana na manao zavatra ratsy.—Mpitoriteny 7:17.

Tsy afa-mandositra an-dRafahafatesana anefa isika, na mitandrina toy inona aza. (Romanina 5:12) Soa ihany fa tsy ho hoatr’izany foana ny fiainana, satria mampanantena ny Baiboly hoe “tsy hisy fahafatesana intsony” indray andro any.—Apokalypsy 21:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara