FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 87
  • Iza no Atao hoe Antikristy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Atao hoe Antikristy?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Ahoana no ahafantarana ny antikristy?
  • Antikristy
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Iza no Antikristy?
    Mifohaza!—2001
  • Iza no Antikristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Fantatra ny Antikristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 87
Mpitory teny ao amin’ny televiziona

Iza no Atao hoe Antikristy?

Valiny ara-baiboly

Tsy olona iray fotsiny na fitambaran’olona na fikambanana no atao hoe antikristy satria milaza ny Baiboly fa “misy antikristy maro.” (1 Jaona 2:18) Avy amin’ny teny grika midika hoe “manohitra an’i Kristy na maka ny toerany” ny hoe “antikristy”, ary manondro ny olona manao an’ireto:

  • Mandà hoe tsy i Jesosy no Kristy (na Mesia) ary mandà hoe tsy Zanak’Andriamanitra izy.​—1 Jaona 2:22.

  • Manohitra an’i Kristy, ilay Voahosotr’Andriamanitra.​—Salamo 2:1, 2; Lioka 11:23.

  • Manao ny tenany ho Kristy.​—Matio 24:24.

  • Manenjika ny mpanara-dia an’i Kristy, satria amin’i Jesosy dia toy ny hoe atao aminy izay atao amin’ny mpanara-dia azy.​—Asan’ny Apostoly 9:5.

  • Milaza ny tenany ho Kristianina nefa tsy mpankatò lalàna na mpamitaka.​—Matio 7:22, 23; 2 Korintianina 11:13.

Izay olona manao an’ireo no atao hoe antikristy, ao amin’ny Baiboly. Antsoina hoe ‘ilay antikristy’ koa anefa izy rehetra mitambatra. (2 Jaona 7) Tamin’ny andron’ny apostoly no nisy antikristy voalohany ary mbola misy foana izy ireo hatramin’izao. Efa nilaza an’izany mialoha ny Baiboly.—1 Jaona 4:3.

Ahoana no ahafantarana ny antikristy?

  • Mampianatra hevi-diso momba an’i Jesosy izy ireo. (Matio 24:9, 11) Manohitra ny fampianaran’i Jesosy, ohatra, izay mampianatra momba ny Andriamanitra telo izay iray, na izay mampianatra hoe i Jesosy no Andriamanitra Mahery Indrindra. Nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.”—Jaona 14:28.

  • Tsy eken’ny antikristy ny zavatra nolazain’i Jesosy momba ny fomba fiasan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy mpitondra fivavahana milaza, ohatra, hoe miara-miasa amin’ny fanjakan’olombelona i Kristy. Mifanohitra amin’ity fampianaran’i Jesosy ity anefa izany: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.”—Jaona 18:36.

  • Lazain’izy ireo fa Tompony i Jesosy nefa tsy ankatoavin’izy ireo ny didiny, anisan’izany ilay hoe tokony hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.​—Matio 28:19, 20; Lioka 6:46; Asan’ny Apostoly 10:42.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara