FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 148
  • An’i Jesosy Tokoa ve Ilay Lambam-paty any Turin?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • An’i Jesosy Tokoa ve Ilay Lambam-paty any Turin?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Tokony hivavahana ve ilay lambam-paty?
  • An’i Jesosy Tokoa ve Ilay Lambam-paty any Turin?
    Mifohaza!—1999
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Moa ve Ankasitrahan’Andriamanitra ny Fankamasinana Relìka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Inona no Hanampy Anao Mandra-piandry ny Fitsanganan’ny Maty?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 148
Mitazona lamba rongony mba hamonosana an’i Jesosy

An’i Jesosy Tokoa ve Ilay Lambam-paty any Turin?

Valiny ara-baiboly

Tsy miresaka momba an’ilay lambam-paty any Turin ny Baiboly. Lamba rongony izy io ary be dia be no mieritreritra hoe izy io no namonosana an’i Jesosy Kristy tamin’izy maty. Mihevitra àry ny olona sasany fa io lamba io no anisan’ny zavatra masina indrindra ho an’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Ao amin’ny katedraly iray any Turin, any Italia, izao no misy azy io ary voaro tsara ao anaty fitoerany manokana.

Tena ilay lamba any Turin tokoa ve no namonosana an’i Jesosy, raha jerena ny tantara ao amin’ny Baiboly? Tsia.

Ireto misy lafin-javatra telo tsy mampitovy an’ilay lamba amin’izay lazain’ny Baiboly:

  1. Ilay lambam-paty: Mirefy 4,42 metatra ny lavan’izy io ary 1,13 metatra ny sakany. Misy lamba nozairina koa manaraka ny lavan’ilay izy ary mirefy 8 santimetatra ny sakany.

    Izay lazain’ny Baiboly: Tsy lamba rongony iray fotsiny no namonosana ny fatin’i Jesosy, fa fehim-paty maromaro. Lamba hafa koa no namonosana ny lohany. Rehefa nankeny am-pasana ny iray tamin’ny apostoly, taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty, dia “hitany nipetraka teo ny fehim-paty.” Milaza koa ny Baiboly hoe ‘nivalona nitokana ilay lamba natao teo amin’ny lohany fa tsy niara-nipetraka tamin’ny fehim-paty.’—Jaona 20:6, 7.

  2. Ilay lambam-paty: Misy tasy ilay izy ary lazaina fa ra avy amin’ny faty tsy nampandroina ireo tasy ireo.

    Izay lazain’ny Baiboly: Rehefa maty i Jesosy dia nokarakarain’ny mpianany “araka ny fanaon’ny Jiosy” ny fatiny. (Jaona 19:39-42) Tafiditra amin’izany ny hoe nampandroina ilay faty ary nohosorana menaka sy zava-manitra talohan’ny nandevenana azy. (Matio 26:12; Asan’ny Apostoly 9:37) Azo antoka àry fa nampandroin’ny mpianany ny fatin’i Jesosy talohan’ny namonosana azy.

  3. Ilay lambam-paty: Milaza Ny Rakipahalalana Britannica fa misy sarina lehilahy iray “mitsotra eo amin’ny antsasak’ilay lambam-paty, ary ny antsasany kosa navalona avy any amin’ny lohany mba hanarona ny vatany manontolo.”

    Izay lazain’ny Baiboly: Nifampiresaka momba ny nahafatesan’i Jesosy ny mpianany. Noresahin’izy ireo koa ny momba an’ilay fasany tsy nisy na inona na inona sy ny tenin’ireo vehivavy izay nilaza fa nahita “anjely niteny hoe velona izy.” (Lioka 24:15-24) Azo antoka àry hoe niresaka momba an’ilay lamba sy ny sary teo amin’izy io koa izy ireo raha tao amin’ny fasan’i Jesosy tokoa ilay lambam-paty. Tsy milaza an’izany anefa ny Baiboly.

Tokony hivavahana ve ilay lambam-paty?

Tsia. Mbola tsy tokony hivavahana foana ilay lamba na dia atao aza hoe tena io tokoa no namonosana an’i Jesosy. Misy toro lalan’ny Baiboly manazava ny anton’izany ireto:

  1. Tsy ilaina izany. Hoy i Jesosy: “Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Tsy mampiasa taolam-patin’ny olo-masina na sary na zavatra hafa heverina hoe masina àry ny fivavahana marina.

  2. Tsy azo atao izany. Mandrara ny fanompoan-tsampy ny Didy Folo. (Deoteronomia 5:6-10) Mandidy ny Kristianina koa ny Baiboly hoe: “Mitandrema ianareo amin’ny sampy.” (1 Jaona 5:21) Mety hisy hilaza hoe mariky ny finoany fotsiny ilay lamba fa tsy sampy. Lasa sampy anefa ny zavatra iray rehefa ivavahana.a Raha te hampifaly an’Andriamanitra àry ny olona iray dia tsy hivavaka amin-javatra mihitsy, na inona izany na inona, anisan’izany ilay lambam-paty.

Fikarohana nataon’ny mpahay siansa momba an’ilay lambam-paty

Nanandrana fomba samihafa ny mpikaroka, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, mba hahitana raha tena izy ilay lambam-paty na tsia. Tsy nahitam-bokany ny sasany tamin’izy ireny. Nisy santionany kely tamin’ilay lamba anefa nalefan’i Vatikana tany amin’ny laboratoara telo tany amin’ny tany samy hafa, tamin’ny 1988. Rehefa natao ny famaritana daty tamin’ny alalan’ny karbonina 14, dia samy nanatsoaka hevitra ireo laboratoara telo ireo hoe tamin’ny taonjato faha-13 na faha-14 ilay lambam-paty.

a Sary na famantarana na zavatra ivavahana no atao hoe sampy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara