FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/4 p. 30
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsy amin’ny fahitana”
  • Hevi-diso
  • Zavatra ilaina lehibe tsy azo avela
  • An’i Jesosy Tokoa ve Ilay Lambam-paty any Turin?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • An’i Jesosy Tokoa ve Ilay Lambam-paty any Turin?
    Mifohaza!—1999
  • Ny tena Fiangonana na Eglizy sy ny fanorenany
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny Eglizy — Fiovana sy Fisafotofotoana
    Mifohaza!—1994
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/4 p. 30

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

“Tsy amin’ny fahitana”

Nanamafy vao haingana ny fanombanana ara-tsiansa fa ny lambam-paty tany Turin dia zava-tsandoka tamin’ny taonjato faha-14. Na dia izany aza, “ny katolika dia nampirisihina hanohy hankamasina ilay lambam-paty amin’ny fiheverana azy ho toy ny fampisehoana an’i Kristy, mbola afaka hanatanteraka fahagagana ihany”, hoy ny fanambaran’ny New York Times. Nanambara ny arsevekan’i Turin, Anastasio Ballestrero, fa “tokony harovana ny fahefana tsy misy toa azy hampahatsiaro ny sarin’i Jeso Kristy”.

Inona no holazaina? Sady manaiky ny Eglizy fa ny mariky ny vatan’olona hita eo amin’ilay lambam-paty dia tsy ny an’i Jesosy, no mampirisika ny mpino katolika hanohy hihevitra azy ho toy ny hoe izy ary amin’izay, dia manao azy ho masina. Nahoana? Araka ny filazan’i Adam Otterbein, pretra katolika tompon’andraikitra ao amin’ny Fikambanan’ny Lambam-paty Masina, ny sisam-patin’ny olo-masina toy izany dia afaka manampy ny mpino hanome fanajana an’ilay asehony.

Tsy mahagaga loatra àry raha mitoetra ho zavatra mahery inoana ho an’ny Eglizy katolika ilay lambam-paty, na dia tsy marina aza. Araka ny asain’ny New York Times marihina tokoa mantsy, “ny sary vongana, ny sary, ny sarin’olo-masina vita hosodoko (...) dia ankamasinina ao amin’ny fanompoam-pivavahana katolika.

Moa ve ny Baiboly mampirisika ny fampiasana sary karazan’izany eo amin’ny fanompoam-pivavahana? Tsia dia tsia tokoa! Milaza mazava ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Mandosira ny fanompoan-tsampy.” (1 Korintiana 10:14; jereo Eksodosy 20:4-6). Ampirisihina ny kristiana hivavaka amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”, fa tsy amin’ny fanampian’ny sary na ny sisam-patin’ny olo-masina (Jaona 4:24). Ara-drariny ny nanoratan’i Paoly fa ny kristiana marina dia ‘mandeha amin’ny finoana, fa tsy amin’ny fahitana’. — 2 Korintiana 5:7.

Hevi-diso

Mifandray mivantana amin’ny fironana mihariharin’ny mpino ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana hanatsatso ireo fepetra araka ny Baiboly, dia “teolojiana amerikana mitombo isa no manohana fa mila fivoarana momba ny lahy sy ny vavy ireo Fiangonana kristiana”, hoy ny voasoratry ny Star Tribune. Io gazety any Minnesota (Etazonia) io dia mitantara ny hevitra nambaran’olona fanta-daza toa an’i John Spong, evekan’i Newark, avy amin’ny Fiangonana episkopaliana amerikana, sy James Nelson, manam-pahaizana momba ny fitondrantena ny amin’ny lahy sy ny vavy ao amin’ny Seminera fianarana teolojia tafaray any New Brighton. Araka ny voalazan’io gazety io dia mihevitra ireo teolojiana ireo sy ny hafa fa ireo Fiangonana dia tokony “hitsodrano ireo mpivady samy lehilahy mandritra ny fankalazana ara-pivavahana iray, amin’ny fanekena ny fifanekeny tsy hifankafoy sy hitoetra hifampahatoky, (...) hanome ny tsodranon’ny Fiangonana ho an’ireo olon-dehibe tanora fanahy mpifamofo izay miara-mitoetra, eny fa na dia tsy mpivady aza izy, raha tahiny mifankatia izy ireo ary nanao fifanekena”; ary “hanaiky ny hananan’ny olon-dehibe matotra fiainana momba ny lahy sy ny vavy marisika, eny fa na dia tsy mpivady aza izy, raha tahiny miantsoroka ireo andraikitra amin’izany izy”. Nahoana moa ireo teolojiana ireo no mihevitra fa ilaina ny fiovana toy izany? Milaza i Spong fa “mankasitraka ny fitondrantena maloto ny tena” raha tsy mitsodrano io karazam-piraisana io.

Ny zavatra tsy takany, dia izy sy ny hafa, raha ny marina, dia ny hoe mankasitraka ny “fitondrantena maloto” indrindra ireo Fiangonana amin’ny fitsofan-drano ny firaisana toy ireny. Mazava ny Tenin’Andriamanitra: “Ny mpijangajanga (...), ny mpaka vadin’olona (...), ny sodomita [lehilahy mandry amin’ny lehilahy, MN ] (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” Tsy hoe naharay baiko mba ‘tsy hiharoharo’ amin’ny olona toy ireny fotsiny ireo mpianatr’i Kristy, fa tokony ‘hanaisotra ilay ratsy tsy ho eo anivon’izy ireo koa izy. — 1 Korintiana 5:11, 13; 6:9-11.

Zavatra ilaina lehibe tsy azo avela

Tamin’ity taona ity, ireo fandaharana tarehi-marika nataon’ny Filan-kevitry ny Fiangonana afaka any Grande-Bretagne dia mampiharihary fihenana vaovao eo amin’ny isan’ny mpikambana avy amin’ireo antokom-pinoana 15 izay mikambana aminy. Ny Church Times, gazetin’ny Fiangonana anglikana, dia mampahafantatra fa vao voalohany izao io isa io no tafidina ambanin’ny iray tapitrisa. Inona moa no anton’izany? Na dia manamafy aza ireo Fiangonana afaka fa manana andraikitra amin’ny “ankamaroan’olona (...) izay manana zavatra ilaina lehibe tsy azo avela, dia ny fanavotana”, ilay lahatsoratra dia manamarika fa izy ireo dia “manohy manokana fotoana sy hery be loatra ho an’ny (...) raharaha ara-tsosialy”. Araka ny lazain’ny Church Times, “raha eo am-pihemorana ireo Fiangonana, dia tsy hoe satria mikororosy ny fivarotany asa fiantrana isan-taona, na hoe satria tsy manintona na iza na iza ny asa avoakan’ireo fikambanany mpanao teatira; ny antony dia satria tsy nanokana fiheverana ampy ho an’ny fanompoany, izay tsy inona fa ny fitoriana ny fanavotana, izy”.

Efa tamin’ny andron’i Jesosy no tsy nihevitra ho zava-dehibe ny fanompoan’izy ireo ny filoha ara-pivavahana. Ara-drariny ny nanamelohan’i Jesosy azy ireo noho ny nanaovany izay ‘hahafoana ny tenin’Andriamanitra’ noho ireo lovantsofiny. Nolazainy ho mpihatsaravelatsihy izy ireny, satria ‘nanaja an’Andriamanitra tamin’ny molony izy, fa ny fony kosa lavitra azy? — Marka 7:6, 7, 13.

Ny tena minisitr’i Jehovah Andriamanitra kosa dia be zotom-po amin’ny “fampianarana”. Raisiny am-po ny baikon’i Jesosy mandidy azy ireo mba ‘hanao mpianatra’ ary arahiny ny ohatry ny apostoly, izay ‘tsy nitsahatra nampianatra sy nanambara ny vaovao tsara momba an’i Kristy’. Ho an’ny kristiana marina, izany asa izany dia faran’izay zava-dehibe. — Asan’ny Apostoly 5:42, MN; 6:4; Matio 28:19, 20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara