FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwwd lahatsoratra 4
  • Ny Hoditry ny Trozona Mainty

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Hoditry ny Trozona Mainty
  • Nisy Namorona Ve?
  • Mitovitovy Aminy
  • Biby Goavam-be any An-dranomasina
    Mifohaza!—2009
  • Ny Ditin’ny Balanes
    Nisy Namorona Ve?
  • Ny Fahaizan’ny Trozon’i Cuvier Milomano any Anaty Rano Lalina
    Nisy Namorona Ve?
  • Hoditra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Nisy Namorona Ve?
ijwwd lahatsoratra 4
Trozona mainty

NISY NAMORONA VE?

Ny Hoditry ny Trozona Mainty

Sahirana be ny tompona sambo satria misy karazan’akorandriaka antsoina hoe balanes sy zavamananaina hafa miraikitra amin’ny vatan’ny sambo. Mampihena ny hafainganam-pandehan’ny sambo mantsy izy ireny ka betsaka kokoa ny solika lany. Tsy maintsy ajanona tsy miasa isaky ny taona vitsivitsy koa ilay sambo satria mila diovina. Mandinika ny zavaboary àry ny manam-pahaizana mba hitadiavana vahaolana.

Diniho izao: Hitan’ny mpikaroka hoe mahavita manadio ny hodiny ny karazana trozona mainty iray (Globicephala melas). Misy sosona marokoroko mantsy eo ambonin’ny hodiny, ka tsy afaka maka toerana eo ny zanaka balanes. Misy ranoka madity miady amin’ny ahidrano sy bakteria eny anelanelan’ireo marokoroko. Mamoaka ranoka vaovao ilay trozona isaky ny misy hoditra miala.

Mitady fomba hanadiovana ny vatan’ny sambo ny manam-pahaizana ka mandinika ny fomba fanadiovan’ny trozona ny hodiny. Loko no nampiasaina, taloha. Mamono ny biby any an-dranomasina anefa ny karazana loko tena be mpampiasa. Vao haingana àry, dia norarana ny fampiasana azy ireny. Nahita vahaolana ny manam-pahaizana: Asiana lavaka maromaro amin’ny vatan’ny sambo, dia asiana harato metaly eo amboniny. Mamoaka ranoka simika tsy manimba ny tontolo iainana ireo lavaka ireo. Lasa matevina sy madity ilay ranoka rehefa tratran’ny ranomasina, ka lasa toy ny hoe hoditr’ilay sambo. Mahatratra 0,7 milimetatra eo ho eo ilay izy. Rehefa mandeha ny fotoana dia miendaka ilay izy ary miala miaraka aminy izay biby na zavatra hafa niraikitra teo. Misy ranoka vaovao indray mandrakotra an’ilay sambo, aorian’izay.

Karazan’akorandriaka miraikitra amin’ny sambo

Mampiadam-pandeha ny sambo ilay karazan’akorandriaka antsoina hoe balanes sady sarotra esorina

Nisy andrana natao tany amin’ny laboratoara ka hita hoe lasa zara raha misy ny biby miraikitra amin’ny sambo rehefa ampiasaina io fomba fiasa io. Tena handray soa amin’izany ny orinasa mampiasa sambo. Fatiantoka be mantsy ny azy ireo rehefa ampiakarina an-tanety mba hodiovina ny sambo.

Ahoana ny hevitrao? Nivoatra miandalana ve ny hoditry ny trozona mainty, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara