FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwwd lahatsoratra 28
  • Ny Fahaizan’ny Trozon’i Cuvier Milomano any Anaty Rano Lalina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fahaizan’ny Trozon’i Cuvier Milomano any Anaty Rano Lalina
  • Nisy Namorona Ve?
  • Mitovitovy Aminy
  • Biby Goavam-be any An-dranomasina
    Mifohaza!—2009
  • Ireny fa Tonga ny Trozona!
    Mifohaza!—2015
  • Ny Vombon’ny Trozona Misy Trafo
    Mifohaza!—2013
  • Ny Hoditry ny Trozona Mainty
    Nisy Namorona Ve?
Hijery Hafa
Nisy Namorona Ve?
ijwwd lahatsoratra 28
Trozon’i Cuvier.

BluePlanetArchive/Whale Watch Azores

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Trozon’i Cuvier Milomano any Anaty Rano Lalina

Mahavita misitrika hatrany amin’ny 2 992 metatra any anaty rano ny trozon’i Cuvier, nefa mahery be ny tsindrin’ny rano any (303 bar eo ho eo). Mahavita mijanona ela be any anaty rano koa izy. Misy anankiray izao voamariky ny mpahay siansa hoe nahavita nijanona 3 ora sy 42 minitra tao anaty rano, izay vao nivoaka tetỳ ivelany mba hifoka rivotra. Biby mampinono sady mifoka rivotra ny trozon’i Cuvier. Ahoana àry no ahafahany mijanona ela be hoatr’izany any anaty rano nefa tsy mifoka rivotra, sady mahery be koa ny tsindrin’ny rano?

Sary mampiseho hoe hatraiza eo ho eo ny halalin’ny rano ilomanosan’ny biby an-dranomasina efatra. 1) Lambondriaka misy sofina: 270 metatra. 2) Trozona lava loha: 2 250 metatra. 3) Hyperoodon arctique: 2 340 metatra. 4) Trozon’i Cuvier: 2 990 metatra.

Mety miforitra ny taolan-tehezan’ny trozon’i Cuvier, dia mety mifintina ny havokavony, hoatran’ny an’ny biby an-dranomasina hafa. Hitan’ny mpikaroka koa hoe kely kokoa ny oksizenina ampiasain’ny biby an-dranomasina rehefa miadana be ny fitepon’ny fony, sady mihabetsaka ny ra mikoriana mankany amin’ny atidohany sy ny fony ary ny hozany.

Ankoatra izay, dia mitahiry oksizenina ao anatin’ny hozany ny biby an-dranomasina, amin’ny alalan’ny proteinina atao hoe myoglobine. Rehefa milomano any anaty rano lalina àry ry zareo, dia ny myoglobine no manome azy ny oksizenina ilainy. Betsaka lavitra noho ny an’ny olombelona sy ny an’ny biby an-tanety ny myoglobine ao anatin’ny hozatry ny biby an-dranomasina.

Na izany aza, dia izao no nolazain’ny mpikaroka iray momba ny trozon’i Cuvier: “Tena mahagaga hoe mahavita milomano any anaty rano faran’izay lalina ry zareo. Raha ny zavatra fantatsika amin’izao momba fiasan’ny vatan’ny biby, dia tsy haintsika hazavaina hoe ahoana no ahavitan’io trozona io milomano any amin’ny toerana lalina be any anaty rano, sady mandritra ny fotoana lava be.” Manantena ny mpahay siansa hoe ho azon-dry zareo kokoa ny fomba filomanon’ireny trozona ireny. Mety hanampy ny dokotera hanatsara ny fomba fitsaboany aretina sasany mantsy izany, anisan’izany ny aretina mifandray amin’ny havokavoka.

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny fahaizan’ny trozon’i Cuvier milomano ela be any anaty rano lalina, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara