FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwex lahatsoratra 10
  • Noheverin’ny Olona fa Pasitera Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Noheverin’ny Olona fa Pasitera Izy
  • Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahita ny Fahamarinana Tany Amin’ny Toerana Tsy Nampoizina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Nahitana Vokatra Tsara Maneran-tany ny Kalesy Fampirantiana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Maresaka Momba An’i Moyen-orient
    Mifohaza!—2015
  • Fasana Hafakely
    Mifohaza!—2000
Hijery Hafa
Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwex lahatsoratra 10
Lehilahy roa miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ary manondro ny mpandevina eo aoriana ny iray amin’izy ireo.

Noheverin’ny Olona fa Pasitera Izy

Nanao fampirantiana teo akaikin’ny toeram-pandevenana iray any Silia ry Osman mivady sy ny zanany vavy iray. Nisy mpandevina be dia be tonga, tamin’izay, niaraka tamin’ny mpitsoka mozika. Noheverin’ny olona sasany fa pasiteran’izy ireo i Osman. Nanatona azy izy ireo dia namihina azy sady niteny hoe: “Misaotra anao, pasitera, fa tonga ara-potoana ianao!”

Niezaka nanazava i Osman hoe tsy pasitera izy nefa nitabataba loatra ny olona ka tsy nisy naheno azy. Rehefa lasa kelikely nankeny amin’ilay toeram-pandevenana ny olona, dia niverina ny lehilahy sy vehivavy vitsivitsy dia niteny tamin’i Osman hoe: “Miandry anao izahay, pasitera a!”

Tsy dia heno intsony ny tabataban’ny olona tamin’izay, dia afaka nanazava i Osman hoe iza izy ary inona no nataony teo. Tezitra tamin’ilay pasiteran’izy ireo ny olona satria hoe tsy tonga akory izy. Nangataka an’i Osman izy ireo avy eo mba hiaraka aminy sy hilaza teny mampahery avy ao amin’ny Baiboly. Nanaiky i Osman.

Nanontany ny mombamomba an’ilay maty i Osman teny an-dalana ho eny am-pasana ary nieritreritra andinin-teny vitsivitsy azony resahina. Rehefa tonga izy ireo, dia nampahafantatra ny tenany i Osman sady nanazava hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ary mitory ny vaovao tsara amin’ny olona.

Namaky ny Apokalypsy 21:3, 4 sy ny Jaona 5:28, 29 i Osman, dia nohazavainy hoe tsy fikasan’Andriamanitra mihitsy ny hahafatesan’ny olona. Nilaza izy avy eo hoe tsy ho ela Andriamanitra dia hanangana ny maty ary afaka ny hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireny. Be dia be ny olona namihina an’i Osman, rehefa tapitra ny teniny, sady nisaotra azy nitondra “vaovao tsara avy amin’i Jehovah.” Niverina teny amin’ilay fampirantiana izy avy eo.

Nisy mpandevina vitsivitsy nankeny amin-dry Osman, taorian’ilay fandevenana, dia nametraka fanontaniana maromaro momba ny Baiboly. Niresaka ela be teo izy ireo, ary efa ho ny boky rehetra teo amin’ilay fampirantiana no nalain’izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara