FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwwd lahatsoratra 14
  • Ny Ditin’ny Myxine

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Ditin’ny Myxine
  • Nisy Namorona Ve?
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Ditin’ny Lailosy
    Nisy Namorona Ve?
  • Kofehy Atao Tenany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanenomana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Inona ny Karazan-damba Fahiny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Nisy Namorona Ve?
ijwwd lahatsoratra 14
Myxine any amin’ny fanambanin’ny ranomasina.

NISY NAMORONA VE?

Ny Ditin’ny Myxine

Efa ela ny mpahay siansa no variana tamin’ny dity avoakan’ny myxine, biby iray any an-dranomasina. Nahoana? Satria amin’ny zavatra elastika vokarin’ny zavamananaina, dia io dity io no voalaza hoe malefaka indrindra.

Diniho izao: Mitovitovy amin’ny amalona ny myxine fa any amin’ny fanambanin’ny ranomasina no misy azy. Mamoaka dity izy rehefa hitany hoe misy biby mitady hihinana azy. Fihary manokana ao amin’ny vatany no mamokatra an’io dity io. Karazana proteinina maromaro no ao anatin’ilay dity, anisan’izany ny proteinina toy ny kofehy madinika an’arivony. Avadik’ireo proteinina ireo ho ranoka madity ny rano manodidina an’ilay myxine. Io dity io no manampina ny taovam-pisefoan’izay biby mitady hihinana an’ilay myxine. Aloan’ilay biby haingana àry ilay myxine ary lasa mandositra ilay biby.

Mahavariana ny ditin’ny myxine. Manify kely ireo proteinina toy ny kofehy ao amin’ilay izy satria ampahazaton’ny singam-bolo iray ny hanifin’ny tsirairay aminy. Avo folo henin’ny nylon anefa ny hamafiny. Rehefa avoaka ao anaty rano, any an-dranomasina, ireo proteinina toy ny kofehy sy ireo karazana proteinina hafa, dia lasa toy ny hoe harato malefaka kely ilay izy. Mahavita mihazona rano avo 26 000 henin’ny havesarany ireo proteinina toy ny harato ireo. Efa ho ny 100 isan-jaton’io dity io, raha ny marina, no rano.

Te haka tahaka ny ditin’ny myxine ny mpahay siansa fa mbola tsy nahavita. Nilaza ny mpikaroka iray hoe be pitsiny loatra ny fomba amokaran’ilay biby an’ilay dity. Mieritreritra ny hanamboatra an’ilay proteinina toy ny kofehy anefa ny mpahay siansa, ka bakteria no hampiasainy. Te hanamboatra zavatra maivana, tsy mora tapaka, elastika, ary mora levona izy ireo. Raha mahavita manamboatra proteinina toy ny kofehy izy ireo dia ho azo anamboarana lamba izany, na anamboarana zavatra hafa ampiasaina amin’ny fitsaboana. Betsaka, raha ny marina, no azo ampiasana azy.

Ahoana ny hevitrao? Nivoatra miandalana ve ny dity mahavariana avoakan’ny myxine sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara