FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwwd lahatsoratra 30
  • Mahavariana ny Fanidin’ny Voana Beroberoka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahavariana ny Fanidin’ny Voana Beroberoka
  • Nisy Namorona Ve?
  • Mitovitovy Aminy
  • Voa, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Firindrana Ankapoben’ny Baiboly
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
  • Jesana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Voninkazodia sa Ahidratsy?
    Mifohaza!—2005
Hijery Hafa
Nisy Namorona Ve?
ijwwd lahatsoratra 30
Voana beroberoka manidina.

E+/IvanJekic via Getty Images

NISY NAMORONA VE?

Mahavariana ny Fanidin’ny Voana Beroberoka

Tena miavaka ny fanidin’ny voana beroberoka. Rehefa tsofin’ny rivotra mantsy ilay izy dia miala amin’ny lohan’ilay voninkazo ipetrahany, dia manidina hoatran’ny parachute kely. Na dia akaiky kelin’ny tany aza ry zareo no manomboka manidina, dia misy mahavita mandeha iray kilaometatra na mihoatra, nefa tsy mikasika ny tany mihitsy. Ahoana no ahavitan-dry zareo an’izany? Hitan’ny mpahay siansa vao haingana hoe mahavita mitsingevana elaela sy manidina mahitsy tsara ny voana beroberoka, ary avo efatra heny noho ny vitan’ny parachute ny vitany.

Diniho izao: Misy tahony lavalava sy volovolo kely antsoina hoe pappus miaraka amin’ny voa tsirairay, dia ilay pappus no mahatonga an’ilay voa hitsingevana hoatran’ny parachute.

Sary mampiseho hoe noho ilay rivotra mitambolimbolina eo amboniny, dia ela kokoa ny voana beroberoka vao milatsaka amin’ny tany.

Noho ilay rivotra mitambolimbolina eo amboniny, dia ela kokoa ilay voa vao milatsaka amin’ny tany

Tsy izay ihany anefa. Misy rivotra mitambolimbolina miforona eo ambonin’ny pappus. Mihodinkodina ilay rivotra dia izay no mahatonga an’ilay pappus hiakatra, dia ela kokoa vao milatsaka amin’ny tany ilay voa.

Milamina tsara ilay volovolo mahaforona ny pappus, dia izay no mahatonga an’ilay voa hanidina mahitsy tsara sy ela kokoa noho ny parachute. Folo isan-jaton’ny pappus ihany no misy an’ilay volovolo kely fa tsisy na inona na inona ny ambiny. Kely fotsiny izany ny zavatra ampiasain’ilay voa mba hanidinana.

Te haka tahaka ny fomba fanidin’ny voana beroberoka ny mpahay siansa. Te hanamboatra drone kely, ohatra, ry zareo, dia angovo kely ihany no mampandeha an’ilay izy na tsy mila angovo mihitsy. Ho azo ampiasaina amin-javatra isan-karazany ilay drone, ohatra hoe mba hamantarana ny fahadiovan’ny rivotra.

Jereo ny fanidin’ny voana beroberoka

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny fahaizan’ny voana beroberoka manidina, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara