KAMAL VIRDEE | TANTARAM-PIAINANA
“Tiako Raha Tsy Misy Fanavakavahana Izany Mihitsy”
Nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany Twickenham, any Angletera, izaho sy ny zandriko roa vavy, tamin’ny Aogositra 1973. “Ny Fandresen’Andriamanitra” no foto-kevitr’ilay fivoriambe. Nihaona tamin’ny Ranadahy Edwin Skinner izahay tany. Misionera tany Inde efa hatramin’ny taona 1926 izy. Raha vao fantany hoe mahay miteny pendjabi izahay, dia hoy izy: “Fa inona no ataonareo atỳ? Andao ho any Inde!” Dia nandeha tokoa izahay! Tamin’izay no nanomboka ny fanompoako mifandray amin’ny teny pendjabi. Fa aleo aloha hotantaraiko aminareo ny fiainako talohan’iny resaka iny.
Tamin’ny Aprily 1951 aho no teraka, tany Nairobi, any Kenya. Avy any Inde ny ray aman-dreniko, dia nivavaka tany amin’ny Fivavahana Sikh ry zareo. Nanana vady roa dadanay. Rehefa maty mantsy ny rahalahiny, dia novadiny ilay vadiny. Tsy afaka nanao na inona na inona mamanay na dia izy aza no vadiny voalohany. Niara-teraka foana mamanay sy ilay renikeliko. Mazava ho azy izany hoe niara-notezaina izaho sy ny mpiray tam-po tamiko, sy ny zanaky ny renikeliko tamin’ny dadanay sy ilay dadatoanay maty. Fito ny isanay ankizy raha atambatra. Maty dadanay tamin’ny 1964. Vao 13 taona aho tamin’izay.
Nitady ny rariny
Be dia be ny olona hitako nifamaly sy nifanavakavaka tamin’izaho mbola kely. Rehefa nianatra Baiboly aho, dia hitako hoe nitovy tamin’ny tantaran’i Lea sy Rahely ny fiainanay tao an-trano. Nanana mpanampy kenyanina izahay. Tsikaritro hoe nampijalin’ny tao an-trano ry zareo. Nampianarina anay mantsy hoe olona ambany ry zareo. Eoropeanina ny mpiray tanàna taminay, dia tian’ny dadanay hinamana tamin-dry zareo izahay. Amin’izay, hono, izahay mba afaka miana-javatra avy amin-dry zareo. Tsy navelany hifandray tamin’ny Afrikanina anefa izahay. Tsisy na inona na inona azo ianarana avy amin-dry zareo, hono, mantsy. Tsy navela hinamana tamin’olona avy any Pakistan koa izahay satria fahavalonay, hono, ireny. Tsy nitovy hevitra tamin’ny dadanay anefa aho. Efa hatramin’izay mantsy no tiako raha tsy misy fanavakavahana izany mihitsy.
I Guru Nānak no namorona ny Fivavahana Sikh, tamin’ny taona 1500 tany ho any. Nekeko ny fampianarany, anisan’izany ilay hoe iray ihany no tena Andriamanitra. Nifanavakavaka anefa ny mpiangona tao, dia lasa nieritreritra aho hoe misy zavatra tsy milamina ao amin’ilay fivavahana.
Tsy izay ihany anefa no nampisalasala ahy. Vao taonjato vitsivitsy mantsy ny Fivavahana Sikh no nisy, dia lasa saina aho matetika hoe: ‘Mba inona re ny fivavahana talohan’izay e? Dia hoatran’ny ahoana ny fivavahana voalohany neken’Andriamanitra?’ Nanana kalandrie vitsivitsy misy sarin’ny mpitarika folo nifandimby tao amin’ny Fivavahana Sikh ny fianakavianay. Nahantona tamin’ny rindrina ilay izy. Dia nieritreritra aho hoe: ‘Ahoana moa no ahalalana hoe hoatran’ny ahoana marina ny tena paozin-dry zareo? Nahoana izahay sy ny olon-kafa no asaina miankohoka amin’ny sarin’ireny mpitarika ireny, nefa ry zareo aza mampianatra hoe ilay tena Andriamanitra ihany no tokony hivavahana?’
Nifindra tany Inde izahay tamin’ny 1965, tamin’izaho 14 taona. Tsy mora ny fiainanay tany satria tsy dia nanam-bola izahay. Nifindra tany Leicester any Angletera izahay, herintaona teo ho eo taorian’izay. Tsy tonga dia afaka niaraka nankany anefa izahay, fa tsy maintsy nandeha tsiroaroa.
Nanomboka nanao asa isan-karazany aho tamin’izaho 16 taona. Asa vatana ilay izy. Niverina nianatra koa aho, fa tsy maintsy tamin’ny alina. Hitako anefa hoe nisy fanavakavahana tany am-piasana. Ambony kokoa, ohatra, ny karaman’ny Anglisy raha noharina tamin’ny an’ny mpifindra monina. Dia satria izaho tsy tia fanavakavahana, dia notaomiko higrevy daholo ny vehivavy mpifindra monina mba hitaky hoe hampitoviana amin’ny an’ny Anglisy ny karamanay. Tiako mantsy raha manjaka ny rariny.
Nahita vahaolana
Tamin’ny 1968 aho no nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy lehilahy roa nandondòna tao am-baravaranay tamin’izay. Noresahin-dry zareo tamiko hoe hitovy daholo ny olona rehetra rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tonga dia nahaliana ahy ilay izy. Niverina tany aminay niaraka tamin’ny vadiny ny iray tamin-dry zareo, dia telo vavy izahay no nanomboka nianatra Baiboly: Izaho dia Jaswinder rahavaviko ary Chani zanak’ilay renikeliko. Lesona enina fotsiny no vitanay dia efa resy lahatra izahay hoe i Jehovah no tena Andriamanitra, dia Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita hampanjaka ny rariny.
Nanohitra be anay anefa ny tao an-trano. Rehefa maty dadanay, dia ny anadahiko avy amin’ilay renikeliko indray no lasa loham-pianakaviana. Nampirisihan’ilay renikeliko izy, dia lasa nanohitra anay. Nanana baoty izay izy. Mafy be ny lohan’ilay izy satria nisy vy, dia nodakadakany tamin’iny i Jaswinder sy Chani. Izaho tsy nataony an’izany. Fantany mantsy hoe manan-jo hanao izay tiako aho raha araka ny lalàna satria efa 18 taona. Ny zandriko roa vavy indray mbola tsy ampy taona, dia nieritreritra izy hoe afaka manao izay tiany hatao amin-dry zareo. Naka Baiboly izy, indray mandeha. Nosokafany ilay izy, dia avy eo nodorany, dia nataony teo alohan’ny tarehin’izy roa vavy sady hoy izy: “Asaivo vonoin’izany Jehovah-nareo izany ’ty afo ’ty!” Vao nivory kelikely fotsiny izahay tamin’izany sady nandeha an-tsokosoko. Tena te hanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, anefa izahay. Hoatran’ny hoe tsy ho vitanay mihitsy anefa izany raha ny zava-nisy tao an-tranonay. Nieritreritra ny hitsoaka àry izahay. Amin’ny fomba ahoana anefa?
Tsy niteniteny izahay fa nangoninay ny vola tokony hividiananay sakafo antoandro sy hatao saran-dalana. Tsy nomeko an’ilay renikeliko daholo koa ny karamako fa nanesorako. Nividy valizy telo koa izahay, dia nafeninay tany amin’izay toerana iray izay ilay izy. Nofenoinay akanjo tsikelikely ilay izy. Rehefa akaiky ho feno 18 taona i Jaswinder tamin’ny Mey 1972, dia nandeha lamasinina nankany Penzance, any atsimoandrefan’i Angletera, izahay. Nahangona 100 livre sterling (260 dolara) izahay tamin’izay. Rehefa tonga tany Penzance izahay, dia niantso Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny telefaonina fampiasan’ny besinimaro. Nandray tsara anay ireo mpiara-manompo tany. Nahita asa isan-karazany izahay, ohatra hoe nanala tsinaina trondro. Afaka nanofa trano izahay noho izany.
Nanohy nianatra Baiboly indray izahay. Mpivady be taona izay no nampianatra anay. Harry sy Betty Briggs no anaran-dry zareo. Natao batisa izahay tamin’ny Septambra 1972. Mbola niafina izahay tamin’izay. Tao amin’ny dobo kely iray tao amin’ny Efitrano Fanjakana any Truro ilay izy no natao. Nanomboka nanao mpisava lalana i Chani, dia nanohana azy ara-bola izaho sy Jaswinder.
Nanompo tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa
Efa ho 90 taona i Harry sy Betty, nefa nitory tsy tapaka tany amin’ireo Nosy Scilly, any akaikin’ny morontsiraka atsimoandrefan’i Angletera. Lasa te hanahaka ny ohatra tsara nomen-dry zareo izahay. Rehefa avy niresaka tamin’ny Ranadahy Skinner àry izahay, tamin’ny 1973, araka ilay notantaraiko tany am-piandohana, dia fantatray hoe inona no tokony hataonay.
Nividy tapakila nankany New Delhi, any Inde, izahay, tamin’ny Janoary 1974. Navelan’ny Ranadahy Dick Cotterill nipetraka tao amin’ny tranon’ny misionera aloha izahay rehefa tonga tany. Mbola mpisava lalana maharitra i Chani, fa izaho sy Jaswinder indray niezaka nampitombo bebe kokoa ny fotoana nanompoanay.
Nankany Pendjab, any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Inde, izahay tatỳ aoriana. Tao amin’ny tranon’ny misionera tany Chandigarh aloha izahay no nipetraka, izay vao nanofa trano. Nanomboka nanao mpisava lalana maharitra aho, tamin’ny Septambra 1974, dia voatendry ho mpisava lalana manokana, tamin’ny 1975. Rehefa nitory izahay dia hitako hoe tena ilaina ny boky sy gazety amin’ny fiteny pendjabi, amin’izay betsaka kokoa ny olona hahafantatra hoe be fitiavana sy manao ny rariny i Jehovah. Nasain’ny biraon’ny sampan’i Inde hanampy tamin’ny fandikana boky sy gazety amin’ny fiteny pendjabi izahay telo vavy, tamin’ny 1976. Mafy be ny asa tamin’izany satria tsy nanana milina fanoratana na ordinatera izahay mba handikana sy hanamarinana ary hamakiana an’izay zavatra nadika. Tsy maintsy nosoratana daholo ilay izy, dia avy eo nalefa tany amin’izay orinasa izay mba hatao pirinty. Nanana fanaovana pirinty efa tranainy be izay mantsy ry zareo. Nalahatra tsirairay teo amin’ilay izy ny litera rehefa hanao pirinty.
Ny fiangonanay tany Chandigarh, any Inde
Falifaly na dia tsy salama aza
Vetivety kely dia niova ny fiainanay. Nihaona tamin’izay ranadahy izay i Jaswinder, dia nivady ry zareo. Lasa nifindra any Kanada izy roa. Nisy an’izay ranadahy alemà mipetraka any Etazonia izay koa nitsidika an’i Inde. Nihaona izy sy Chani, dia nivady. Lasa nipetraka any Etazonia ry zareo. Izaho indray narary be, dia niverina tany Angletera tamin’ny Oktobra 1976. Tsara fanahy be mamanay sy ilay anadahiko iray izay sady tsy nanohitra ny fahamarinana, dia navelan-dry zareo hiara-mipetraka tamin-dry zareo aho. Tany Leicester ry zareo no nipetraka. Hita hoe voan’ny aretina tsy dia fahita firy aho. Ny hery fiarovana ao anatiko ihany no nanimba ny selan’ny ra, dia nisy fitsaboana isan-karazany tsy maintsy natao tamiko. Nesorina, ohatra, ny sarakatiko. Tsy maintsy nijanona tsy ho mpisava lalana aho.
Nitalaho tamin’i Jehovah aho hoe raha mihatsara ny fahasalamako, dia hanompo manontolo andro indray aho. Dia izay mihitsy no nataoko! Nifindra tany Wolverhampton aho tamin’ny taona 1978. Nisy faritra iray be olona miteny pendjabi any, dia nanao mpisava lalana maharitra tany aho na dia mbola narary ihany aza indraindray. Nanamboatra fanasana maromaro izahay mba hanasana ny olona hivory. Nosoratanay tanana ilay izy, dia avy eo izahay nampanamboatra maromaro tamin’ilay izy tany amin’ny mpanao kopia. Nozarainay tamin’ny olona miteny pendjabi ilay izy avy eo, dia nasainay hanatrika lahateny ho an’ny besinimaro ry zareo. Misy fiangonana dimy sy antoko-mpitory telo miteny pendjabi izao atỳ Grande-Bretagne.
Fantatry ny biraon’ny sampan’i Grande-Bretagne hoe nandika teny tamin’ny teny pendjabi aho tamin’izaho tany Inde. Dia niresaka tamiko ry zareo taloha kelin’ny taona 1990. Nanomboka niasa an-tsitrapo tao amin’ny Betelan’i Londres aho, dia nanampy nanomana endrika soratra sy programana ordinatera. Nanampy namorona fitsipi-pitenenana nahafahana namoaka boky sy gazety tamin’ny soratra gurmukhi koa aho. Be atao be aho satria sady niasa no nikarakara an’ny mamanay, nefa koa niasa tao amin’ny Betela. Mamanay koa somary lavidavitra no nipetraka. Nahafinaritra anefa ilay hoe afaka niasa tao amin’ny Betela.
Nampiofanina tao amin’ny Betelan’i Londres, taloha kelin’ny taona 1990
Voantso ho lasa anisan’ny fianakavian’ny Betela aho tamin’ny Septambra 1991, dia nandika boky sy gazety tamin’ny teny pendjabi no asako. Tena tsy nampoiziko ilay izy. Nahatsiaro ho tsy mendrika an’izany aho. Nisy aretina nahazo ahy mantsy, sady ny taonako efa nihoatra ny taona takina amin’ny Betelita vaovao. Nomen’i Jehovah an’izany tombontsoa miavaka be izany anefa aho. Nahafinaritra ahy ny niasa tato amin’ny Betela, na dia mbola tsy nilamina aza ilay aretina nahazo ahy. Imbetsaka aho no saika hampidiran-dra, tamin’izaho nanaraka fitsaboana simika sy fitsaboana hafa. Gaga be ny dokotera nitsabo ahy hoe nihatsara aho, dia voasa hanatrika seminera iray nataon’ny dokotera aho. Tany amin’ny hopitaly iray lehibe tany Londres ilay izy no natao, dia mpitsabo matihanina 40 teo ho eo no nanatrika an’ilay izy. Nanazava ny antony tsy nanekeko hampidiran-dra aho tamin’izay, nandritra ny folo minitra. Afaka nametraka fanontaniana ny olona taorian’izay, dia ranadahy iray avy ao amin’ny Biraon’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly no namaly an’ilay izy.
Teo foana i Jaswinder sy Chani nanohana ahy, nandritra an’izany zava-tsarotra rehetra izany. Nanampy ahy koa ny fianakavian’ny Betela sy ny namana hafa sady tsara fanahy tamiko, dia tena mankasitraka an’izany aho. Nanome hery ahy i Jehovah dia nahavita ny asa nanendrena ahy foana aho, na dia teo aza ireny olana rehetra ireny.—Salamo 73:26.
Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena
Efa 33 taona aho izao no niasa tato amin’ny Betela. Tena marina ilay hoe “andramo dia ho hitanao fa tsara i Jehovah.” (Salamo 34:8; Ohabolana 10:22) Misy vokany be amiko ny ohatra tsara omen’ireo be taona tsy mivadika. Rehefa mieritreritra ny lasa aho, dia faly satria be dia be tamin’ny olona nampianariko tamin’ny teny pendjabi no lasa mpanompon’i Jehovah sady tsy mivadika mihitsy. Mifandray tsara amin’ny fianakaviako akaiky koa aho. Marina hoe tsy Vavolombelon’i Jehovah mamanay sy ilay anadahiko, fa matetika anefa i Mama miteny hoe: “Tena hita mihitsy hoe tia an’Andriamanitra ianao!” Nisy fotoana aho niteny hoe hiala tsy hiasa ato amin’ny Betela intsony, dia hikarakara tanteraka an’ny mamanay, satria efa antitra izy. Niteny tamiko anefa ilay anadahiko hoe: “Ny asanao any aza tena tsara be, fa aza miala izany!” Any amin’ny trano fitaizana be taona i Mama amin’izao no mipetraka. Lavitra ny Betela ilay izy, fa miezaka mitsidika azy matetika araka izay azoko atao aho.
Isaky ny miatrika zava-tsarotra aho, dia hozy foana aho any an-tsaiko any hoe: ‘Aza matahotra Kamal a! I Jehovah no ampinganao. Hahazo valisoa lehibe ianao.’ (Genesisy 15:1) Misaotra an’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny rariny”, aho satria hitany aho tamin’izaho mbola tanora sady nomeny asa mahafa-po. (Isaia 30:18) Tsy andriko izay hahatanterahan’ilay hoe “tsy hisy olona hilaza hoe: ‘Marary aho.’”—Isaia 33:24.
Ao amin’ny Betelan’i Chelmsford