FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfs lahatsoratra 18
  • Voataonako Tamin’ny Atao ny Vadiko fa Tsy Tamin’ny “Teny”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voataonako Tamin’ny Atao ny Vadiko fa Tsy Tamin’ny “Teny”
  • Tantaram-piainan’ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy nolaviko ilay fanasana
  • Nitombo ny fanenjehana
  • Niova ny vadiko
  • Feno Fankasitrahana ny Fanohanana Azo Antoka Omen’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ny Faniriako Miredareda Hanompo An’Andriamanitra
    Mifohaza!—1993
  • “Hitanao Ihany Aho, Jehovah!”
    Mifohaza!—2004
  • Ratsy lavitra noho ny SIDA
    Mifohaza!—1990
Hijery Hafa
Tantaram-piainan’ny Vavolombelon’i Jehovah
lfs lahatsoratra 18
Ibolya Bartha.

IBOLYA BARTHA | TANTARAM-PIAINANA

Voataonako Tamin’ny Atao ny Vadiko fa Tsy Tamin’ny “Teny”

Nisy zavatra tsara be dia be nahatonga ahy ho tia an’i Jehovah. Nanohina ny foko, ohatra, ny fitiavana nasehon’ny Vavolombelona. Nampiaiky ahy koa ny fomba ampianaran’izy ireo ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Faly be aho rehefa nahalala hoe tena miahy ny olombelona Andriamanitra ary hanome azy ireo hoavy tsara. Tsy nisy nahaliana an’i István anefa ireo, dia lasa nampisy olana teo aminay mivady izany.

Ibolya sy István tamin’ny mariaziny.

Tamin’ny mariazinay

Teraka tany Romania aho, tamin’ny 1952. Vavolombelona vita batisa i Neny fa tsy nitory sy tsy nivory intsony, dia tsy mba nanatrika fivoriana izany aho. Ny Kominista koa no nitondra an’i Romania tamin’izany, dia tsy navelan’ny fanjakana nitory sy nanao pirinty boky sy gazety ny Vavolombelona. Tsy nahafantatra an’i Jehovah àry aho sady tsy nahalala an’izay nampianarin’ny Baiboly, hatramin’izaho 36 taona. Niova anefa izany tamin’ny 1988, tamin’izahay sy István nipetraka tany Satu-Mare.

Tsy nolaviko ilay fanasana

Tonga tao aminay i Neny indray andro. Izao no nolazainy: “Handeha kely ho any amin’ny nenitoanao aho. Andao hiaraka amiko e! Afaka miara-miantsena isika avy eo.” Nalalaka tsara aho tamin’io dia nandeha.

Rehefa tonga tany izahay, dia hitako hoe nisy fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tao aminy. Olona sivy teo ho eo no tao. Hay efa lasa mpitory mazoto indray i Neny tamin’io. Nisy vokany be tamiko ny zavatra henoko tamin’io maraina io, sady tsy afaka tao an-tsaiko mihitsy.

Nanatona ahy ilay ranadahy nitarika ny fandaharana rehefa vita ilay fivoriana. Hoy izy: “János no anarako. Hitako hoe liana be tamin’ilay fandaharana ianao. Tianao ve ny zavatra henonao teo?” Nolazaiko taminy fa mbola tsy nanatrika fivoriana hoatran’iny mihitsy aho, dia te hiverina indray amin’ny manaraka. Nanontany ahy izy raha te hianatra Baiboly aho. Ahoana moa no handavako an’izany fanasana izany? Tsapako hoe Andriamanitra no nitaona ahy hiaraka amin’ny vahoakany.

Nampifankahalala ahy tamin’i Ida i János ny ampitson’iny, dia i Ida no nampianatra Baiboly ahy. Nanahy anefa aho hoe ahoana no hataon’i István raha fantany hoe mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Imbetsaka aho no niresaka taminy momba an’izany, fa tsy liana tamin’ilay izy mihitsy izy. Hitako hoe tsy tiany ilay zavatra nataoko.

Notohiziko foana anefa ny fianarako, dia natao batisa aho tamin’ny Aogositra 1989. Rava ny fitondrana kominista tany Romania, efa-bolana taorian’izay, dia novonoina ilay mpitondra.

Nitombo ny fanenjehana

Nalalaka kokoa ny Vavolombelona rehefa rava ilay fitondrana. Tsy voarara intsony ny fivoriana sy ny fitoriana. Nifanohitra tamin’izany kosa ny nanjo ahy. Vao mainka nampitombo ny fanenjehana tao an-trano ilay fahalalahana. Izao no nolazain’i István tamiko: “Tsy raharahako izay inoanao any, fa tsy tiako fotsiny ilay ianao mitory mitetitety tranon’olona!”

Izaho aloha tsy hijanona tsy hitory izany e! (Asan’ny Apostoly 4:20) Nitory foana aho, fa tsy nataoko niharihary be fotsiny raha mbola azoko natao. Hitan’ny naman’i István nitory isan-trano anefa aho, indray andro, dia nolazain-dry zareo taminy. Rehefa tonga tao an-trano aho, dia nilelalela i István hoe: “Manala baraka ahy sy ny tokantranontsika mihitsy ianao!” Nambanany antsy teo amin’ny tendako aho, dia norahonany hoe hovonoiny, hono, raha mbola mitory ihany.

Niezaka nampisaintsaina azy aho tamin’izay, sady nanome toky azy hoe tiako izy. Hoatran’ny mba nampitonitony azy ny teniko. Romotra be indray anefa izy, indray andro, satria tsy nanaiky ho any am-piangonana aho rehefa natao mariazy tany ny havany akaiky. Nitombo indray ny fanaratsiana isan-karazany.

Nandritra ny 13 taona aho no tsy maintsy niaritra an’izany. Norahonany aho hoe hisaraka amiko, hono, izy. Indraindray aho nohidiany tany an-tokotany. Nisy fotoana koa aho nasainy nangorona entana, dia hiala tao an-tranonay.

Inona no nanampy ahy hiaritra an’ireny fahoriana mangidy ireny? Ny vavaka. Nangataka tamin’i Jehovah aho mba hampiany ho tony foana, dia tsapako hoe tena nanohana ahy izy. (Salamo 55:22) Tena nanampy ahy koa ny fiangonana. Nampahery ahy ny anti-panahy sy ny rahavavy matotra sasany, dia nampirisika ahy hanompo foana fa tsy ho kivy. Nampahatsiahiviny koa ilay resahin’ny Baiboly hoe nisy vehivavy nahavita nitaona ny vadiny noho ry zareo tsy nivadika fa tsy hoe noho ny ‘teny nolazainy.’ (1 Petera 3:1) Izaho mihitsy no niaina an’izany, tatỳ aoriana.

Niova ny vadiko

Tapaka lalan-dra i István tamin’ny 2001, dia lasa tsy afaka nandeha. Iray volana izy no tany amin’ny hopitaly. Mbola nitohy nandritra ny herinandro maromaro ny fitsaboana azy taorian’izay. Tsy nandao azy mihitsy aho nandritra an’izany fotoana izany. Nanome sakafo azy aho, niresaka taminy, ary nataoko azo antoka hoe nahazo an’izay nilainy izy.

Tonga namangy azy koa ny mpiara-manompo. I István mihitsy no nahatsapa hoe be fitiavana sy miahy ny hafa ry zareo. Be dia be no nanampy tamin’ny raharaha tao an-trano. Vonona foana koa ny anti-panahy, rehefa nila fampaherezana sy fanampiana izahay.

Nisy vokany be tamin’i István izany, dia lasa nanenina be izy tamin’ilay izy nampijaly ahy. Hitany koa hoe tsy mba nisy nitsidika azy ny namany. Vao nivoaka ny hopitaly àry izy dia niteny hoe: “Izaho hianatra Baiboly fa te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah.” Tsy tanako ny ranomasoko tamin’izay. Faly loatra aho!

Natao batisa i István tamin’ny Mey 2005. Tsy afaka nandeha izy tamin’izany, dia natosika tamin’ny seza misy kodiarana hatreo amin’ny sisin’ny dobo fanaovana batisa. Nobatain’ireo ranadahy moramora nankao anaty rano izy, dia avy eo naroboka. Lasa mpitory nafana fo i István. Betsaka ny fotoana mamy niarahanay teny amin’ny fanompoana. Hoatran’ny tsy nampino! Ilay olona tsy namela ahy hitory iny indray no lasa namako nitory, sady amin’izay izy falifaly erỳ niresaka ny vaovao tsara tamin’ny hafa!

Lasa tia be an’i Jehovah i István, dia nazoto nianatra Baiboly sy nitadidy andinin-teny. Tiany erỳ ny niresaka an’ireny andinin-teny ireny tamin’ny mpiara-manompo. Nanararaotra nampahery an-dry zareo koa izy tamin’ireny fotoana ireny.

Ibolya sy István. Mipetraka amin’ny seza misy kodiarana i István, ary maka sary miaraka amin’ny mpiara-manompo ry zareo.

Niaraka tamin’ireo namanay tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra

Nihombo ny aretin’i István. Tapaka lalan-dra imbetsaka izy, dia lasa tsy afaka niteny sy tsy afaka teo am-pandriana intsony. Tsy nampiova azy anefa izany, fa mbola nazoto namaky sy nianatra Baiboly araka izay vitany izy. Nampiasa fitaovana elektronika misy efijery tsotsotra izy mba hifampiresahana sy hampaherezana ny mpiara-manompo, rehefa tonga nitsidika azy ry zareo. Izao no nolazain’ny ranadahy iray: “Tiako ny namangy an’i István. Lasa velombelona sy mahery be foana aho isaky ny avy nitsidika azy.”

Nampalahelo fa maty i István tamin’ny Desambra 2015. Tena mafy tamiko izany. Nalahelo be an’azy aho. Tsy afeniko anefa hoe lasa nilamin-tsaina be koa aho rehefa maty izy. Efa lasa naman’i Jehovah mantsy izy, ela be talohan’ny nahafatesany. Anisan’ny tena mahafaly ahy izany. Ao amin’ny fitadidian’i Jehovah izao i István sy Neny. Hahafinaritra erỳ ny hitsena sy hifamihina amin-dry zareo indray, ao amin’ny tontolo vaovao.

Efa 35 taona mahery izay ilay izahay sy Neny nankany amin’ny nenitoako. Tsy hohadinoiko mihitsy iny fotoana iny. Efa 70 taona mahery kely aho izao, dia mpisava lalana maharitra. Izany no hitako hoe fomba tsara indrindra anehoako ny fankasitrahako an’i Jehovah, noho ny soa rehetra nataony tamiko. (Salamo 116:12) Nanampy ahy ho tony sy tsy hivadika izy, tamin’izaho nenjehin’ny vadiko. Lasa fantatro koa anefa hoe mety hiova ny fiainantsika. Tsy nampoiziko hoe hitranga tamiko ilay izy! Tena tsy nampoiziko mihitsy hoe hahavita hitaona ny vadiko aho noho izaho tsy nivadika, fa tsy hoe noho ny teny nolazaiko.

Ibolya sy ny anabavy iray, miara-manao fampirantiana. Mitory amin’ny vehivavy iray i Ibolya ary mampiasa an’ilay bokikely hoe “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!”
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara