Alahady 2 Novambra
Andao ... isika tsy hatory hoatran’ny olon-kafa, fa hiambina foana sady hisaina tsara foana.—1 Tes. 5:6.
Tena ilaina ny fitiavana raha tiantsika ny hifoha foana sy hisaina tsara foana. (Mat. 22:37-39) Ny fitiavana an’Andriamanitra no hanampy antsika hanohy hitory, na dia mety hahitantsika olana aza izany. (2 Tim. 1:7, 8) Tiantsika na dia ny olona mbola tsy manompo an’i Jehovah aza, ka tohizintsika ny fitoriana. Mitory an-telefaonina sy an-taratasy mihitsy aza isika! Manantena isika hoe hiova ny olona indray andro any, ka hanomboka hanao ny tsara. (Ezek. 18:27, 28.) Tiantsika koa ny rahalahy sy anabavintsika, ka miezaka “hifampahery sy hifanampy foana” isika. (1 Tes. 5:11) Mifampahery foana isika, hoatran’ny miaramila mifanohana any an’ady. Tsy hanao fanahy iniana handratra ny fihetseham-pon’ny rahalahy sy anabavintsika isika, na hamaly ratsy ny ratsy. (1 Tes. 5:13, 15) Maneho fitiavana koa isika rehefa manaja an’ireo rahalahy mitarika ao amin’ny fiangonana.—1 Tes. 5:12. w23.06 10 § 6; 11 § 10-11
Alatsinainy 3 Novambra
Tsy [hotanterahin’i Jehovah] ve izay nolazainy?—Nom. 23:19.
Manatanjaka ny finoantsika isika rehefa misaintsaina ny vidim-panavotana. Antoka avy amin’Andriamanitra izy io hoe tena ho tanteraka ny fampanantenany. Inona no vokany rehefa saintsainintsika tsara ny antony nanomezan’i Jehovah ny vidim-panavotana sy izay rehetra nafoiny mba hanomezana azy io? Vao mainka isika lasa mino ny fampanantenany hoe hanome antsika fiainana tsy misy farany izy ao amin’ny tontolo iray tsara kokoa. Maninona isika no milaza an’izany? Inona marina moa no nafoin’i Jehovah mba hanomezana ny vidim-panavotana? Nalefany avy any an-danitra ilay Zanany lahimatoa tena tiany sady akaiky azy indrindra, mba ho teraka etỳ an-tany ka ho lasa olombelona lavorary. Niaritra an’izao karazana fahoriana rehetra izao i Jesosy tetỳ. Nijalijaly sy tena nanaintaina izy avy eo rehefa novonoina. Novidin’i Jehovah lafo àry isika! Ilay Andriamanitsika be fitiavana ve dia ho namela ny Zanany hijaly sy ho faty, mba hampetipety ny fiainantsika mandritra ny fotoana fohy fotsiny? (Jaona 3:16; 1 Pet. 1:18, 19) Matoa àry i Jehovah nahafoy zavatra sarobidy be hoatr’izany, dia azo antoka fa hataony izay hahazoantsika fiainana tsy mety tapitra ao amin’ny tontolo vaovao. w23.04 27 § 8-9
Talata 4 Novambra
Aiza koa ianao izay manindrona eo, ry Fahafatesana ô?—Hosea 13:14.
Maniry hanangana ny maty ve i Jehovah? Azo antoka izany. Nisy mpanoratra Baiboly vitsivitsy nasainy nanoratra an’ilay fampanantenany hanangana ny maty. (Isaia 26:19; Apok. 20:11-13) I Jehovah koa rehefa mampanantena, dia tanterahiny foana ilay izy. (Jos. 23:14) Efa tsy andriny mihitsy aza ny hamelona an’ireo efa maty. Diniho ny tenin’ilay loham-pianakaviana atao hoe Joba. Natoky izy fa tsy ho andrin’i Jehovah ny hahita azy velona indray, raha sanatria maty izy. (Joba 14:14, 15, f.a.p.) Tsy i Joba irery no tiany ho hita indray, fa ny mpanompony rehetra efa nodimandry. Efa tsy andriny ny hamelona an-dry zareo, ary tiany ho salama sy sambatra ry zareo. Ary ahoana ny amin’ireo an’arivony tapitrisa efa maty nefa mbola tsy afaka nianatra ny marina momba an’i Jehovah? Tian’ilay Andriamanitsika be fitiavana hatsangana koa ireny olona ireny. (Asa. 24:15) Tiany ho lasa namany sy hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireny.—Jaona 3:16. w23.04 9 § 5-6