FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Talata 4 Novambra

Aiza koa ianao izay manindrona eo, ry Fahafatesana ô?​—Hosea 13:14.

Maniry hanangana ny maty ve i Jehovah? Azo antoka izany. Nisy mpanoratra Baiboly vitsivitsy nasainy nanoratra an’ilay fampanantenany hanangana ny maty. (Isaia 26:19; Apok. 20:11-13) I Jehovah koa rehefa mampanantena, dia tanterahiny foana ilay izy. (Jos. 23:14) Efa tsy andriny mihitsy aza ny hamelona an’ireo efa maty. Diniho ny tenin’ilay loham-pianakaviana atao hoe Joba. Natoky izy fa tsy ho andrin’i Jehovah ny hahita azy velona indray, raha sanatria maty izy. (Joba 14:14, 15, f.a.p.) Tsy i Joba irery no tiany ho hita indray, fa ny mpanompony rehetra efa nodimandry. Efa tsy andriny ny hamelona an-dry zareo, ary tiany ho salama sy sambatra ry zareo. Ary ahoana ny amin’ireo an’arivony tapitrisa efa maty nefa mbola tsy afaka nianatra ny marina momba an’i Jehovah? Tian’ilay Andriamanitsika be fitiavana hatsangana koa ireny olona ireny. (Asa. 24:15) Tiany ho lasa namany sy hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireny.​—Jaona 3:16. w23.04 9 § 5-6

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 5 Novambra

Hahazo hery avy amin’Andriamanitra izahay.​—Sal. 108:13.

Inona no hanampy anao hatoky kokoa ny fanantenanao? Raha manantena hiaina mandrakizay eto an-tany, ohatra, ianao, dia vakio sy saintsaino izay resahin’ny Baiboly momba an’ilay Paradisa. (Isaia 25:8; 32:16-18) Eritrereto ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. Ataovy hoatran’ny hoe efa any ianao. Raha mifantoka foana amin’ilay fanantenana hiaina ao amin’ny tontolo vaovao isika, dia ho “vetivety sy maivana” ny olana mahazo antsika. (2 Kor. 4:17) Hanatanjaka anao izany fanantenana omen’i Jehovah izany. Efa nanome an’izay rehetra ilainao i Jehovah mba hahazoanao hery. Mivavaha aminy àry rehefa mila fanampiana ianao mba hahafahanao hamita ny asa nanendrena anao, na hiaritra fitsapana, na ho falifaly foana. Miezaha koa mianatra samirery mba hahazoanao ny tari-dalany. Raiso ny fampaherezana omen’ireo rahalahy sy anabavy, ary ataovy mazava tsara ao an-tsainao ny fanantenanao. Raha manao an’izany ianao, dia ‘hampiasa ny heriny be voninahitra Andriamanitra, ka hanatanjaka anao sy hanome anao an’izay hery rehetra ilainao! Amin’izay ho vitanao ny hiaritra ny zava-drehetra, sady hanam-paharetana sy ho falifaly.’​—Kol. 1:11. w23.10 17 § 19-20

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 6 Novambra

Mahaiza misaotra amin’ny zava-drehetra.​—1 Tes. 5:18.

Betsaka ny antony azontsika isaorana an’i Jehovah rehefa mivavaka isika. Afaka misaotra azy isika noho izay zavatra tsara ananantsika. Avy aminy daholo mantsy ny fanomezana tsara rehetra. (Jak. 1:17) Ankasitraho, ohatra, izy noho ny hakanton’ity tany ity sy ny zavaboary mahavariana noforoniny. Isaory koa izy satria nanome anao ny aina, fanantenana, ny fianakavianao, ary ny namanao. Aza hadinoina koa ny misaotra azy, satria avelany minamana aminy ianao, ary tena sarobidy izany. Mila manao ezaka manokana angamba isika tsirairay, mba hieritreretana hoe inona avy ny antony tokony hankasitrahantsika an’i Jehovah. Tsy mahay mankasitraka mantsy ny ankamaroan’ny olona amin’izao. Matetika ry zareo no mifantoka amin’izay ilainy, fa tsy amin’izay azony atao mba hampisehoana hoe mankasitraka an’izay efa ananany izy. Raha mifindra amintsika izany toe-tsaina izany, dia lasa lisitra-na fangatahana fotsiny ny vavaka ataontsika. Ahoana àry no hisorohana an’izany? Mila manohy mianatra mankasitraka an’izay rehetra ataon’i Jehovah ho antsika isika, ary mampiseho an’izany foana.​—Lioka 6:45. w23.05 4 § 8-9

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara