Diniho ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra
“Manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara”.—2 PETERA 1:19.
1, 2. Mesia sandoka iza, ohatra, no azonao tantaraina?
NANDRITRA ny taonjato maro, dia nisy mesia sandoka maro nanandrana nilaza mialoha ny hoavy. Tamin’ny taonjato fahadimy am.f.i., ny lehilahy iray nilaza tena ho Mosesy dia nandresy lahatra ny Jiosy teo amin’ny nosin’i Kreta fa hoe ny tenany no mesia, izay hanafaka azy ireo tamin’ny famoretana nampiharina tamin’izy ireo. Nanaraka azy ny Jiosy, tamin’ilay andro voatondro hanafahana azy ireo, ka nankeo amin’ny toerana avo iray nanerinerina teo ambonin’ny Ranomasina Mediterane. Nilaza izy io fa ny hany zavatra tokony hataon’izy ireo dia ny hiantoraka any anaty ranomasina, izay hisaraka eo anoloany. Maro be tamin’ireo nitsambikina tao anaty rano no maty, ary nandositra tsy hita io mesia sandoka io.
2 Tamin’ny taonjato faha-12, dia nisy “mesia” iray nipoitra tany Yémen. Nangataka famantarana iray ny maha “mesia” azy io, ny mpanjaka silamo tao. Nanipy hevitra io “mesia” io fa raha nasain’ilay mpanjaka notapahina ny lohany, dia hitsangana amin’ny maty avy hatrany ny tenany, ka izay ilay famantarana ny maha “mesia” azy. Nanaiky àry ilay mpanjaka, ary dia vita teo ny amin’io “mesia” io.
3. Iza moa ilay tena Mesia, ary inona no noporofoin’ny fanompoany?
3 Tsy mahita fahombiazana mihitsy ireo mesia sandoka, ary tsy misy tanteraka ny faminaniany. Tsy mahatonga ho diso fanantenana na oviana na oviana anefa ny fandinihana ny teny ara-paminanian’Andriamanitra. I Jesosy Kristy, ilay tena Mesia, no fahatanterahana velon’ny faminaniana ara-baiboly maro. Ohatra, nanoratra toy izao i Matio, mpanoratra ny Filazantsara, rehefa nanonona ny faminanian’i Isaia: “ ‘Ny tanin’ny Zebolona sy ny tanin’ny Naftaly, ao amin’ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordana, Galilia, tanin’ny jentilisa, ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; ary izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana’. Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:15-17; Isaia 8:23–9:1). I Jesosy io “mazava lehibe” io, ary noporofoin’ny fanompoany fa izy ilay Mpaminany nambaran’i Mosesy mialoha. Haringana izay tsy mety mihaino an’i Jesosy. — Deoteronomia 18:18, 19; Asan’ny Apostoly 3:22, 23.
4. Ahoana no nanatanterahan’i Jesosy ny Isaia 53:12?
4 Nanatanteraka ireto teny ara-paminaniana ao amin’ny Isaia 53:12 ireto koa i Jesosy: “Naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, ary natao ho isan’ny mpanota Izy; eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro sady manao fifonana ho an’ny mpanota.” Fantatr’i Jesosy fa tsy ho ela dia homeny ho avotra ny ain’olombelona nananany, ka nanatanjaka ny finoan’ny mpianany izy. (Marka 10:45). Nanao izany tamin’ny fomba niavaka izy, tamin’ny alalan’ny fiovan-tarehy.
Mampitombo finoana ilay fiovan-tarehy
5. Lazalazao amin’ny fomba fiteninao ilay fiovan-tarehy.
5 Fisehoan-javatra ara-paminaniana ilay fiovan-tarehy. Hoy i Jesosy: “Ho avy ny Zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny (...). Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’olona avy amin’ny fanjakany.” (Matio 16:27, 28). Tena nahita an’i Jesosy avy tamin’ny Fanjakany tokoa ve ny sasany tamin’ny apostoly? Hoy ny Matio 17:1-7: “Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana. Dia niova tarehy teo anatrehany Izy”. Fisehoan-javatra nanaitra re izany! “Ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava. Ary, indreo, niseho tamin’ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’i Jesosy.” Afa-tsy izany koa, dia “nisy rahona mazava nanarona azy ireo”, ary nandre ny feon’Andriamanitra niteny toy izao izy ireo: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy. Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra. Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.”
6. a) Nahoana no nantsoin’i Jesosy hoe fahitana ilay fiovan-tarehy? b) Fahatsinjovana mialoha ny inona ilay fiovan-tarehy?
6 Io fisehoan-javatra nampitolagaga io dia azo inoana fa nitranga teo amin’ny iray tamin’ireo tehezan-kavoanan’ny Tendrombohitr’i Hermona, izay nandanian’i Jesosy sy ireo apostoly telo lahy ny alina. Miharihary fa niseho tamin’ny alina ilay fiovan-tarehy, ka vao mainka nanaitra ny saina. Izao no antony iray niantsoan’i Jesosy azy io hoe fahitana: Efa maty ela be i Mosesy sy i Elia, ka tsy teo ara-bakiteny. I Kristy irery ihany no tena teo. (Matio 17:8, 9). Nahatsinjo mialoha tamin’ny fomba nanaitra ny fanatrehana be voninahitr’i Jesosy amin’ny maha mpanjaka azy, i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, tamin’ny alalan’io fisehoan-javatra namirapiratra aoka izany io. Ireo voahosotra mpiara-mandova amin’i Jesosy kosa no mifanitsy amin’i Mosesy sy i Elia, ary vao mainka nanome lanjany ny fanambaran’i Jesosy momba ilay Fanjakana sy ny haha mpanjaka azy, ilay fahitana.
7. Ahoana no ahafantarantsika fa mbola velona tsara tao amin’ny fitadidian’i Petera ilay fiovan-tarehy?
7 Nanatanjaka ny finoan’ireo apostoly telo, izay hitarika ao amin’ny kôngregasiôna kristianina, ilay fiovan-tarehy. Nahatratra tsara mihitsy ny zava-kendreny ilay fiovan-tarehy, tamin’ny alalan’ireto fisehoan-javatra ireto: ny tavan’i Kristy namirapiratra, ny fitafiany nanjelajelatra, ary ny feon’Andriamanitra nanambara fa i Jesosy no Zanany malala tokony hohenoin’izy ireo. Tsy tokony hitantara amin’iza na iza momba ilay fahitana anefa ireo apostoly, mandra-pitsangan’i Jesosy tamin’ny maty. Mbola velona tsara tao amin’ny fitadidian’i Petera io fahitana io, 32 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nanintona ny saina ho amin’ilay fahitana sy ny hevitra fonosiny izy rehefa nanoratra hoe: “Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ny masonay ny fiandrianany. Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: ‘Ity no Zanako malalako Izay sitrako’. Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.”Diniho ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra2 Petera 1:16-18.
8. a) Nampifantoka ny saina tamin’ny inona ilay fanambaran’Andriamanitra momba ny Zanany? b) Nanondro inona ilay rahona niseho tao amin’ilay fiovan-tarehy?
8 Zava-dehibe indrindra ilay fanambaran’Andriamanitra hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.” Mampifantoka ny saina ho amin’i Jesosy, ilay Mpanjaka nomen’Andriamanitra fiandrianana, izay tsy maintsy hankatoavin’ny zavaboary rehetra, io fanambarana io. Ilay rahona nanarona dia nanondro fa ho tsy hita maso ny fahatanterahan’ilay fahitana. Ireo izay mahamarika “ny famantarana” ny fanatrehan’i Jesosy tsy hita maso, amin’ny maha mpanjaka azy, ihany, no hahatsikaritra amin’ny mason’ny saina mahataka-javatra fa tanteraka ilay fahitana. (Matio 24:3). Raha ny marina, ilay toromarika nomen’i Jesosy hoe tsy tokony horesahina amin’iza na iza ilay fahitana mandra-pitsangany amin’ny maty, dia mampiseho fa hitranga aorian’ny hitsanganany amin’ny maty ny fanandratana sy ny fanomezam-boninahitra azy.
9. Nahoana no tokony hanatanjaka ny finoantsika ilay fiovan-tarehy?
9 Rehefa avy niresaka momba ilay fiovan-tarehy i Petera, dia nilaza hoe: “Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany, [mandra-piposaky ny andro sy mandra-pipoitran’ny fitarikandro, ao am-ponareo, NW ]; fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” (2 Petera 1:19-21). Asongadin’ilay fiovan-tarehy fa azo itokisana ny teny ara-paminanian’Andriamanitra. Tsy maintsy mandinika an’io teny io isika, fa tsy hihaino ny “anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina”, izay tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Tokony hanatanjaka ny finoantsika ny teny ara-paminaniana ilay fiovan-tarehy, satria efa nahazo ilay voninahitra sy fahefan’ny mpanjaka hita mialoha tao amin’ilay fahitana, i Jesosy. Eny, manana porofo tsy azo lavina isika fa manatrika i Kristy ankehitriny, amin’ny maha Mpanjaka mahery any an-danitra azy.
Ny fomba ipoiran’ilay Fitarikandro
10. Iza na inona moa ilay “fitarikandro” noresahin’i Petera, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?
10 Hoy ny nosoratan’i Petera: “Raha mandinika [ny teny ara-paminaniana] hianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany, [mandra-piposaky ny andro sy mandra-pipoitran’ny fitarikandro, NW ]”. Iza na inona moa ilay “fitarikandro”? Indray mandeha monja no ahitana ilay teny hoe “fitarikandro” ao amin’ny Baiboly, ary mitovy hevitra amin’ny ‘kintana fitarika andro’ izy io. Antsoin’ny Apokalypsy 22:16 hoe “Kintana mamirapiratra fitarika andro” i Jesosy Kristy. Amin’ny fizaran-taona sasany, dia ny kintana fitarikandro no kintana mipoitra farany eny amin’ny faravodilanitra atsinanana, rehefa iny madiva hiposaka iny indrindra ny masoandro. Noho izany, dia manambara ny fiposahan’ny andro vaovao izy ireny. Nampiasa ilay teny hoe “fitarikandro” i Petera mba hilazana an’i Jesosy efa nahazo ny fahefan’ny mpanjaka. Tamin’io fotoana io no nipoiran’i Jesosy teo amin’izao rehetra izao, anisan’izany ny planeta tany misy antsika! Izy no Fitarikandro Mesianika, izay manambara ny fiposahan’ny andro, na vanim-potoana, vaovao iray ho an’ny olombelona mpankatò.
11. a) Nahoana ny 2 Petera 1:19 no tsy midika hoe ao am-pon’olona ara-bakiteny no ipoiran’ny “fitarikandro”? b) Ahoana no hanazavanao ny 2 Petera 1:19?
11 Fandikan-tenin’ny Baiboly maro no mandroso ilay hevitra hoe manondro ny fon’olombelona ara-bakiteny ireo tenin’ny apostoly Petera voarakitra ao amin’ny 2 Petera 1:19. Milanja 250 ka hatramin’ny 300 grama monja ny fon’ny olon-dehibe iray. Ahoana no ahafahan’i Jesosy Kristy mipoitra ao amin’ireny taova kelin’ny olombelona ireny, nefa izy zavaboary ara-panahy be voninahitra sady tsy mety maty ankehitriny? (1 Timoty 6:16). Mazava ho azy fa voakasika ny fontsika ara-panoharana eto, satria amin’ny alalan’ny fontsika ara-panoharana no andinihantsika ny teny ara-paminanian’Andriamanitra. Jereo tsara anefa ny 2 Petera 1:19, dia ho hitanao fa ataon’ny New World Translation (Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao) eo anelanelana faingo ilay hoe “mandra-piposaky ny andro sy mandra-pipoitran’ny fitarikandro”, mba hanavahana azy amin’ireo teny eo alohany ao amin’ilay andinin-teny sy amin’ilay teny hoe “ao am-ponareo”. Azo lazaina toy izao io andinin-teny io: ‘Manana ny teny ara-paminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika azy io ianareo, dia manao tsara, fa izy io dia toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina, dia ny fonareo, mandra-piposaky ny andro sy mandra-pipoitran’ny fitarikandro’.
12. Manao ahoana ny fon’ny olombelona amin’ny ankapobeny, kanefa manao ahoana kosa ny an’ny Kristianina marina?
12 Manao ahoana ny fo ara-panoharan’ny olombelona mpanota, amin’ny ankapobeny? Ao anatin’ny haizina ara-panahy! Raha tena Kristianina anefa isika, dia toy ny hoe manana jiro mamiratra ao am-pontsika, ka tsy maizina ny fontsika. Araka ny nasehon’ny tenin’i Petera, dia ny fandinihana ny teny ara-paminanian’Andriamanitra izay manazava, no mahatonga ny Kristianina marina ho mailo hatrany sy hahita ny fiposahan’ny andro vaovao iray, noho ny fahazavana ara-panahy azony. Ho fantany fa efa nipoitra ilay Fitarikandro, tsy tao am-pon’ny olona ara-bakiteny akory, fa teo anatrehan’ny zavaboary rehetra.
13. a) Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa efa nipoitra ilay Fitarikandro? b) Nahoana ny Kristianina no afaka miaritra ny toe-piainana sarotra nambaran’i Jesosy mialoha fa hitranga amin’izao androntsika izao?
13 Efa nipoitra ilay Fitarikandro! Afaka mahazo antoka ny amin’izany isika amin’ny fandinihana ny faminaniana lehibe nolazain’i Jesosy momba ny fanatrehany. Mahita ny fahatanterahan’ilay faminaniana isika ankehitriny, amin’ireto fisehoan-javatra ireto, izay misy amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toa azy: ady, mosary, horohoron-tany, sy fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany. (Matio 24:3-14). Na dia misy fiantraikany eo amintsika Kristianina koa aza ny toe-piainana sarotra nambaran’i Jesosy mialoha, dia afaka miaritra amim-pilaminan-tsaina sy amin’ny fo falifaly isika. Nahoana? Satria mandinika ny teny ara-paminanian’Andriamanitra isika, ary manam-pinoana izay ampanantenainy ny amin’ny hoavy. Fantatsika fa eo an-tokonan’ny fotoana tsara indrindra isika, satria efa lasa lavitra ao anatin’ny “andro farany” isika! (Daniela 12:4). Ao anatin’ny tarehin-javatra mampamoy fo voambara mialoha toy izao ao amin’ny Isaia 60:2, ity tontolo ity: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena”. Ahoana no ahitan’ny olona iray ny lalany ao anatin’izany haizina izany? Tsy maintsy mandinika amim-panetren-tena ny teny ara-paminanian’Andriamanitra dieny izao izy, dieny mbola tsy diso aoriana loatra. Ilain’ny olona tso-po ny mitodika any amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny fiainana sy ny fahazavana. (Salamo 36:9; Asan’ny Apostoly 17:28). Amin’ny fanaovana izany ihany no ahazoan’ny olona iray ny tena fahazavana ara-panahy sy ny fanantenana hahita ilay hoavy mahatalanjona nokasain’Andriamanitra homena ny olombelona mpankatò.—Apokalypsy 21:1-5.
“Tonga amin’izao tontolo izao ny mazava”
14. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahitantsika ny fahatanterahan’ireo faminaniana mahatalanjona maro ao amin’ny Baiboly?
14 Asehon’ny Soratra Masina mazava tsara fa efa Mpanjaka manapaka i Jesosy Kristy ankehitriny. Mbola hisy faminaniana mahatalanjona maro ho tanteraka anefa, noho izy nahazo fahefana tamin’ny 1914. Mba hahitantsika ny fahatanterahan’izy ireny, dia tsy maintsy asehontsika fa anisan’ireo malemy fanahy maneho finoana an’i Jesosy Kristy isika, ka mibebaka noho ny asa ratsy sy ny fahotana nataontsika tao anatin’ny tsy fahalalana. Mazava ho azy fa tsy hahazo fiainana mandrakizay ireo tia ny haizina. Hoy i Jesosy: “Izao no fanamelohana, fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany.”—Jaona 3:19-21.
15. Inona no hitranga raha manao tsinontsinona ny famonjena nataon’Andriamanitra nety tamin’ny alalan’ny Zanany isika?
15 Tonga teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’i Jesosy ny fahazavana ara-panahy, ary tena zava-dehibe ny hihainoana azy. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Efa imbetsaka ary tamin’ny fomba samihafa no nitenenan’Andriamanitra fahiny tamin’ny razantsika tamin’ny alalan’ireo mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika. Io Zanany io no (...) notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra.” (Hebreo 1:1, 2, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara). Inona no hitranga raha mitsipaka ilay famonjena nataon’Andriamanitra nety tamin’ny alalan’ny Zanany isika? Nanohy ny teniny toy izao i Paoly: “Raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ny fahotana, hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin’ny voalohany, ary nohamafin’izay nandre tamintsika kosa, sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.” (Hebreo 2:2-4). Eny, i Jesosy no votoatin’ny fanambarana ny teny ara-paminaniana.—Apokalypsy 19:10.
16. Nahoana isika no afaka mino tanteraka ny faminanian’i Jehovah Andriamanitra rehetra?
16 Araka ny nomarihina, dia hoy i Petera: “Ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany”. Raha ny olombelona fotsiny ihany, dia tsy afaka milaza tena faminaniana, kanefa afaka mino tanteraka ny faminanian’Andriamanitra rehetra isika. Avy amin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy izy ireny. Nanampy ny mpanompony tamin’ny alalan’ny fanahiny masina izy mba hahatakaran’izy ireo ny fomba ahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Eny tokoa, velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika, satria nahita ny fahatanterahan’ny faminaniana maro toy izany, nanomboka tamin’ny taona 1914. Ary tena mahazo antoka tokoa isika fa ho tanteraka avokoa ny faminaniana sisa rehetra momba ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity. Tena zava-dehibe ny handinihantsika hatrany ny filazana mialoha avy amin’Andriamanitra, no sady hamelantsika ny fahazavantsika hamirapiratra. (Matio 5:16). Velom-pankasitrahana tokoa isika fa ataon’i Jehovah ‘miposaka ho antsika ao amin’ny haizim-pito’ mandrakotra ny tany ankehitriny ‘ny fahazavana’!—Isaia 58:10.
17. Nahoana isika no mila fahazavana ara-panahy avy amin’Andriamanitra?
17 Mahatonga antsika hahita zavatra ny fahazavana ara-bakiteny. Mampaniry ny voly koa ny fahazavana, ka ahazoantsika sakafo isan-karazany. Tsy ho velona isika raha tsy misy ny fahazavana ara-bakiteny. Ahoana ny amin’ny fahazavana ara-panahy? Manome antsika tari-dalana sy mampiseho amintsika ilay hoavy voambara mialoha ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, izy io. (Salamo 119:105). ‘Mampandeha amim-pitiavana ny fahazavany sy ny fahamarinany’ i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 43:3). Azo antoka fa tokony haneho fankasitrahana lalina noho ireny fandaharana ireny isika. Aoka àry isika hanao araka izay farany azontsika atao mba handraisana ilay fahazavan’ny “fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra”, mba hanazavan’izy io ny fontsika ara-panoharana.—2 Korintiana 4:6; Efesiana 1:18.
18. Vonona hanao inona izao ilay Fitarikandron’i Jehovah?
18 Sambatra tokoa isika mahafantatra fa, tamin’ny 1914, dia nipoitra teo amin’izao rehetra izao i Jesosy Kristy, ilay Fitarikandro, ka nanomboka nanatanteraka ilay fahitana momba ny fiovan-tarehy! Efa eo izao ilay Fitarikandron’i Jehovah, vonona ny hanatontosa ny fikasan’Andriamanitra, satria mbola hisy fahatanterahany fanampiny ilay fiovan-tarehy, dia ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. (Apokalypsy 16:14, 16). Rehefa hanjavona ity fandehan-javatra tranainy ity, dia hotanterahin’i Jehovah ilay fampanantenany “lanitra vaovao sy tany vaovao”, izay hahafahantsika hidera mandrakizay an’i Jehovah, ilay Tompo Manam-piandrianana eo amin’izao rehetra izao sady Andriamanitry ny tena faminaniana. (2 Petera 3:13). Mandra-pahatongan’io andro lehibe io, dia aoka isika hanohy handeha hatrany amin’ny fahazavana avy amin’Andriamanitra, amin’ny fandinihana ny teny ara-paminanian’Andriamanitra.
Ahoana no Havalinao?
• Ahoana no hilazalazanao ny fiovan- tarehin’i Jesosy?
• Amin’ny ahoana no mampitombo finoana ilay fiovan-tarehy?
• Iza na inona moa ilay Fitarikandron’i Jehovah, ary oviana izy io no nipoitra?
•Nahoana isika no tokony handinika ny teny ara-paminanian’Andriamanitra?
[Sary, pejy 13]
Azonao hazavaina ve ny hevitra fonosin’ilay fiovan-tarehy?
[Sary, pejy 15]
Efa nipoitra ilay Fitarikandro. Fantatrao ve hoe tamin’ny fomba ahoana ary oviana?