Mitandrema Amin’ny Hatsaram-panahy Diso Toerana
1 Ny vahoakan’i Jehovah dia fantatra amin’ny toe-tsainy feno hatsaram-panahy sy malala-tanana. Matetika izany no miseho amin’ny lafiny ara-nofo rehefa manahaka an’ilay Samaritana tia ny mpiara-belona taminy izay noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharany manohina ny fo, isika. (Lioka 10:29-37). Kanefa, ny sasany izay tsy mendrika ny fanampiana ara-nofo akory dia mety hiezaka hanararaotra ny hatsaram-panahintsika. Araka izany, ny fitiavantsika ny hafa dia tsy maintsy ampifandanjaina amin’ny “fahalalana tsara sy ny [fahaiza-manavaka, NW] rehetra”. — Fil. 1:9.
2 Ao anatin’ny kongregasiona: Mety hilaza, ohatra, ny olona iray fa tsy an’asa izy, na manome antony hafa, mba hangatahana fanampiana. Indraindray ireny olona ireny dia tsy mitady asa amim-paharisihana fa maniry fotsiny ny hanomezan’ny hafa azy izay ilaina eo amin’ny fiainana. Ny amin’ny olona toy izany no nanomezan’ny apostoly Paoly baiko hoe: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.” — 2 Tes. 3:10.
3 Manjo antsika rehetra ny “fotoana sy ny sampona”, koa raha sahirana ara-nofo isika, tsy manana ny ‘hanina sahaza ho antsika anio’, dia tsy tokony hahatsapa fanahiana tafahoatra, satria i Jehovah manome ho an’ireo izay tia azy sy manao ny sitrapony. (Mpit. 9:11; Matio 6:11, 31, 32). Ny olona iray sahirana dia mety hahita fa mahasoa ny hiresahana amin’ny iray amin’ireo loholona. Ilay loholona dia mety hahafantatra ireo fandaharan’ny fitondram-panjakana izay natao hanomezana fanampiana ary mety ho tsara toerana mba hanampy eo amin’ny famenoana ireo taratasy, na hahatakatra izay zavatra takin’ny fandaharana toy izany. Na amin’ny toe-javatra inona na amin’ny toe-javatra inona, ireo loholona dia afaka manombana ny tarehin-javatra misy ny tsirairay mangataka fanampiana ka manapa-kevitra ny amin’izay azo atao. — Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:3-16.
4 Mpisoloky mandehandeha: Tsy mitsahatra ny maharay tatitra ny Fikambanana fa hoe misy olona sasany ao amin’ny kongregasiona voafitaky ny mpisoloky mandehandeha tamin’ny vola sy zavatra hafa. Tsy tokony hahagaga antsika izany, satria mampitandrina ny Soratra Masina fa “ny ratsy fanahy sy ny [mpisoloky, NW ] kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina”. (2 Tim. 3:13). Matetika ireny mpisoloky ireny no milaza fa hanainga izy ka mila vola mba hatao saran-dalana sy sakafo amin’ny fodiana any aminy. Na dia mety ho toa milaza ny marina aza izy ireny, dia tsy Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy ireny amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra fa mihambo ho izany fotsiny.
5 Raha misy olon-tsy fantatra mangataka fanampiana, dia ho fahendrena ny hanatonana ny iray amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona, izay afaka mandray fitarihana eo amin’ny famotopotorana raha rahalahintsika io olona io na tsia. Tokony hantsoina an-telefaonina ny iray amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona misy io olona io mba hanamarinana ny momba azy. Ireo tena rahalahy sy anabavy izay mahatsapa ho sahirana noho ny toe-javatra tsy nampoizina, dia hahatakatra fa natao mba hiarovana izay rehetra voakasika io karazana famotopotorana io. Ankoatra izany, ireo mpisoloky dia ho vaky betroka amin’io karazana fanaraha-maso io. Tsy ilaina ny hiahiahy tafahoatra an’izay rehetra tsy fantatsika, nefa tsy maintsy mitandrina amin’ireo mpisoloky feno faharatsiana isika. — kmF 11/80, pejy faha-4.
6 Nanoro hevitra toy izao i Solomona, Mpanjaka hendry: “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany”. (Ohab. 3:27). Noho ny fahaiza-manavaka mampiseho fahendrena ananantsika, dia afaka ny ho be famindram-po hatrany isika sady mitandrina amin’ny hatsaram-panahy diso toerana.