Irery Kanefa Tsy Nafoy Mihitsy
NOTANTARAIN’I ADA LEWIS
Nirona hahavita tena foana aho. Manana fahatapahan-kevitra hentitra izay koa aho eo amin’izay rehetra ataoko — miantso izany ho kiry ny hafa indraindray. Fantatro koa fa mora erỳ ny tsy miolakolaka, ary nitondra zava-nanahirana ho ahy io toetra io nandritra ireo taona.
KANEFA dia velom-pankasitrahana aho fa tsy nolavin’i Jehovah Andriamanitra noho ny kileman-toetra maha-izy ahy. Tamin’ny fianarana ny Teniny, dia afaka nanova ny toetra maha-izy ahy aho ary, araka izany, dia niasa ho an’ny tombontsoan’ny Fanjakany hatramin’ny 60 taona eo ho eo izao. Hatramin’ny fahazazako, dia tia fatratra soavaly aho, ary ny fanampian’Andriamanitra teo amin’ny fifehezana ilay somary soritra kiry tato amiko dia matetika nampahatsiaro ahy ny amin’ny fahazoana mampiasa ny lamboridy mba hifehezana ny soavaly.
Teraka tany akaikin’ny farihy manga any Mount Gambier, any Aostralia Atsimo, aho tamin’ny 1908. Nanana toeram-piompiana mpamokatra ireo zavatra azo avy amin’ny ronono ny ray aman-dreniko, ary izaho no vavimatoa tamin’ny ankizy valo. Maty ny rainay fony izahay rehetra mbola kely. Izany dia nametraka tamiko ny ankamaroan’ny andraikitra teo amin’ny fitantanana ilay toeram-piompiana, satria ireo zokiko roa lahy dia voatery niasa lavitra ny trano mba hampidiram-bola ho an’ny fianakaviana. Nitaky zavatra be ny fiainana tao amin’ny toeram-piompiana, nahatafiditra asa mafy.
Fifandraisana voalohany tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
Niangona tao amin’ny Fiangonana Presbyteriana ny fianakavianay, ary mpikambana tsy tapatapaka sy narisika izahay. Tonga mpampianatra Sekoly Alahady aho ary nihevitra ho zava-dehibe ilay andraikitra hampianatra ireo ankizy ny amin’izay ninoako fa marina ara-panahy sy ara-pitondran-tena.
Tamin’ny 1931, dia maty ny raibeko, ary teo amin’ireo fananany, dia nisy boky maromaro nosoratan’i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay. Nanomboka namaky ny boky hoe La Harpe de Dieu sy ilay hoe Création aho, ary arakaraka ny namakiako no nahatalanjona ahy bebe kokoa nahafantatra fa zavatra maro izay ninoako sy nampianariko ireo ankizy no tsy notohanan’ny Baiboly.
Tohina mafy aho nahafantatra fa ny fanahy olombelona dia tsy hoe tsy mety maty, fa ny ankamaroan’ny olona dia tsy hankany an-danitra rehefa maty, ary fa tsy misy fijaliana mandrakizay any amin’ny afobe ho an’ny ratsy fanahy. Sahiran-kevitra koa aho nahita fa ny fitandremana ny sabata alahady isan-kerinandro dia tsy zavatra takina amin’ny Kristiana. Koa tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra lehibe aho: hifikitra amin’ireo fampianarana nentin-drazana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, na hanomboka hampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tsy nila fotoana ela aho mba hanapahan-kevitra ny hampitsahatra ny fifandraisako rehetra amin’ny Fiangonana Presbyteriana.
Izao aho vao tena irery
Tsy faly ny fianakaviako sy ireo namako ary ireo olom-pantatro taloha tao am-piangonana rehefa nanambara ny fikasako hiala tamin’ny fiangonana aho ka tsy hampianatra sekoly alahady intsony. Ary rehefa hitan’izy ireo fa nanjary tafiditra tamin’ilay nantsoina hoe olon’ny Mpitsara Rutherford aho, dia vao mainka izany nampirehitra ilay resadresa-poana nanakorontana. Tsy tena narian’ny olona akory aho, saingy ny ankamaroan’ny fianakaviako sy ireo namako taloha dia nangatsiaka tamiko, raha tsy hilaza afa-tsy izay aho.
Arakaraka ny nianarako sy nanamarinako ireo andinin-teny voatanisa ao amin’ireo boky novakiko no nanombohako nahita ny ilana hitoriana ampahibemaso. Reko fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandeha isan-trano ho tapany amin’ny fanompoany ampahibemaso. Tamin’izany fotoana izany anefa dia tsy nisy Vavolombelona tao amin’ny distrika nisy anay. Noho izany, dia tsy nisy nampirisika ahy na nampiseho tamiko ny fomba fitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matthew 24:14, NW ). Nahatsiaro tena ho irery dia irery aho.
Na dia izany aza, dia namela soritra lalina tato amiko ilay didin’ny Baiboly hitory amin’ny hafa, ary dia nanapa-kevitra aho fa tsy maintsy manomboka mitory aho na manao ahoana na manao ahoana. Taorian’ny vavaka betsaka, dia nanapa-kevitra ny hanomboka hitsidika ny tranon’ireo mpiara-monina aho, hilaza amin’izy ireo fotsiny izay fantatro avy tamin’ny fianarako sy hiezaka hampiseho amin’izy ireo ireny zavatra ireny avy ao amin’ny Baiboliny manokana. Ny trano voalohany notsidihiko dia ny an’ilay mpiandraikitra ny sekoly alahady nisy ahy teo aloha. Azo antoka fa tsy fiaingana nampahery ny fandraisany nangatsiaka sy ny fanamarihana tsy manorina nataony momba ny fialako tamin’ny fiangonana. Kanefa dia nahatsapa hafanana sy tanjaka anaty hafahafa izany aho raha nandao ny tranony, ary dia nanohy nitsidika trano hafa.
Tsy tena nisy fanoherana nivantana, kanefa dia talanjona aho tamin’ilay tsy firaikana ankapobe teo amin’ireo mpiara-miangona tamiko teo aloha, rehefa nitsidika azy ireo aho. Gaga sy diso fanantenana aho nahita ny fanoherana henjana indrindra avy tamin’ilay zokiko lahimatoa, ka nampahatsiaro ahy ireo tenin’i Jesosy manao hoe: “Hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza hianareo (...). Ary ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako.” — Lioka 21:16, 17.
Vao kely aho dia efa tonga mpitaingin-tsoavaly za-draharaha, koa nanapa-kevitra aho fa ny fomba haingana indrindra hanatratrarana ny tranon’ny olona dia ho amin’ny fitaingenan-tsoavaly. Izany dia nahatonga ahy ho afaka handeha lavitra kokoa tao amin’ny faritany ambanivohitra teo amin’ny manodidina. Indray tolakandro anefa dia tafintohina ilay soavaliko ka nianjera teo amin’ny lalana malama iray, ary dia nijaly noho ny fahavakisan’ny karandoha aho. Nandritra ny fotoana kelikely dia natahorana ny mety tsy hahatafavoaka velona ahy. Taorian’io fianjerana io, raha lena ny lalana na nalama, dia nandeha sulky notarihin-tsoavaly aho fa tsy nitaingin-tsoavaly.a
Fifandraisana tamin’ny fandaminana
Tamin’ny fotoana iray taorian’ilay loza nanjo ahy, dia nisy antokona mpitory manontolo andro, antsoina hoe mpisava lalana izao, nitsidika ny distrikan’i Mount Gambier. Araka izany, dia sambany aho vao afaka niresaka nifanatri-tava tamina mpiray finoana tamiko. Talohan’ny nandehanan’izy ireo, dia nampirisika ahy izy ireo mba hanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ka hanontany ny amin’ny fomba ahafahako mandray anjara amin’ny asa fitoriana ampahibemaso amin’ny fomba voalamina kokoa.
Rehefa avy nanoratra tany amin’ny Fikambanana aho, dia naharay boky sy bokikely ary karatra fanaovana fanambarana vita pirinty mba hampiasaina ho fampahalalana ny tenako eo am-baravarana. Nahatsiaro ho akaiky kokoa an’ireo anadahiko sy rahavaviko ara-panahy aho noho ny fifandraisana an-taratasy tamin’ny biraon’ny sampana. Rehefa lasa anefa ilay antokona mpisava lalana ka nifindra tany amin’ilay tanàna nanaraka, dia nahatsiaro tena ho irery mbola tsy nisy toy izany aho.
Vokatry ny fandehanako nanao fanambarana tsy tapaka isan’andro — nandeha sulky notarihin-tsoavaly indrindra — dia nanjary be mpahalala tao amin’ny distrika aho. Tamin’izay fotoana izay ihany, dia afaka nikarakara ireo asako tao amin’ny toeram-piompiana aho. Tamin’izay ny fianakaviako dia nitsahatra tsy nanohitra io fahazarana io ary tsy nanao ezaka mba hanakantsakanana. Nandritra ny efa-taona aho dia nanompo tamin’izany fomba izany, tamin’ny naha-mpitory ny vaovao tsara, tsy vita batisa sady nitokana.
Fivoriambe, sy batisa tamin’ny farany
Nitsidika an’i Aostralia ny Rahalahy Rutherford, tamin’ny Aprily 1938. Ny fanoherana mafy nataon’ny klerjy dia nahatonga ny fanafoanana ilay fifanekena mba hahazoana ny Lapan’ny Tanànan’i Sydney. Tamin’ny minitra farany anefa, dia azo ny fahazoan-dalana hampiasa ny Sports Grounds. Ilay fanovana an-tery ny planina dia hita fa nahasoa raha ny marina, satria olona an’arivony maro amboniny no azo noraisina tao amin’ny Sports Grounds izay lehibe kokoa. Olona sahabo ho 12 000 no tonga, ka ny fahalianan’ny maro dia toa notairin’ny fanoherana nampirisihan’ny klerjy hamelezana ny fivorianay.
Nifandray tamin’ny fitsidihan’ny Rahalahy Rutherford, dia nisy fivoriambe naharitra andro maromaro natao koa tany akaikin’ny faritanàna manamorona an’i Sydney. Tany no nanamarihako ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny batisa anaty rano, tamin’ny farany. Azonao alaina sary an-tsaina ve ny fifaliana tsapako tamin’ny farany, niaraka tamin’ny anadahy sy rahavavy an-jatony maro avy tany amin’ny faritra rehetra amin’ilay kontinenta midadasik’i Aostralia?
Niverina tany Mount Gambier
Tamin’ny fodiako tany an-trano, dia nahatsiaro tena ho irery aoka izany aho, kanefa dia tapa-kevitra tsy nisy toy izany aho ny hanao izay azoko natao teo amin’ny asan’ilay Fanjakana. Tsy ela aho dia nanjary nifankahalala tamin’ny fianakaviana Agnew — i Hugh sy ny vadiny ary ireo zanany efatra. Nipetraka tany amin’ny tanànan’i Millicent izy ireo, 50 kilaometatra monja avy eo Mount Gambier, ary dia nanao dia 50 kilaometatra nandroso sy niverina, tamin’ny sulky notarihin-tsoavaly aho mba hitarihana fampianarana Baiboly tsy tapaka tamin’izy ireo. Rehefa nanaraka ny fahamarinana izy ireo, dia nisinda ny fahatsiarovako ho manirery.
Tao anatin’ny fotoana fohy, dia naorina ho antokon’olona izahay mba hanao fanambarana voalamina. Avy eo, dia soa ihany fa nanomboka liana ny reniko ary niaraka tamiko tamin’ny fanaovana dia 100 kilaometatra nandroso sy niverina nankany amin’ilay fianarana niaraka tamin’ilay antokon’olona vao niforona. Hatramin’io fotoana io, dia nampahery sy nanampy foana i Neny, na dia taona vitsivitsy talohan’ny nanaovana batisa azy aza izany. Tsy nisy intsony izao ny fitoerana ho manirery!
Namokatra mpisava lalana efatra ilay antokon’olom-bitsy nisy anay, dia ireo telo vavy zanaky ry Agnew — i Crystal sy i Estelle ary i Betty — sy ny tenako. Tatỳ aoriana, tany am-piandohan’ireo taona 1950, dia samy nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower izy telo mirahavavy. Voatendry ho misionera tany India sy i Sri Lanka izy ireo, ary mbola manompo any amim-pahatokiana.
Tamin’ny Janoary 1941, dia voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Aostralia, ka nanao zavatra haingana izahay. Napetrakay tao anatin’ny vata vy lehibe iray ny zavatra rehetra izay nampiasainay teo amin’ny fanompoana — zavatra vita an-tsoratra, grafofona azo batabataina, kapila nisy lahateny momba ny Baiboly, sy ny toy izany. Avy eo dia napetrakay tao amin’ny fialofana iray ilay vata ary nitondranay bozaka voatapaka iray sarety mba hanotofana azy.
Na dia teo aza ny fandrarana, dia nanohy ny fitorianay isan-trano izahay, saingy tamim-pitandremana, tsy nampiasa afa-tsy ny Baiboly rehefa niresaka tamin’ireo tao an-trano. Nafeniko tao ambany laselin’ny soavaliko ireo gazety sy bokikely, ary tsy navoakako izy ireo raha tsy rehefa hita ny fahalianana marina tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Farany, tamin’ny Jona 1943, dia nofoanana ny fandrarana, ary afaka nanolotra an-karihary zavatra vita an-tsoratra indray izahay.
Fanendrena vaovao
Tamin’ny 1943, dia nataoko izay hahafahan’ny tenako ho tonga mpisava lalana, ary ny taona nanaraka dia nandao an’i Mount Gambier aho ho amin’ny fanendrena hafa iray. Voalohany, dia nasaina nanompo nandritra ny fotoana fohy tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana tao Strathfield aho. Nanaraka izany, dia nahazo fanendrena nisesy aho tao amin’ny tanàna kely tany amin’ny faritra atsimon’i Nouvelle-Galles Atsimo sy tany amin’ny faritra avaratr’i Victoria. Kanefa, ny iray tamin’ireo fanendrena nahafa-po ahy indrindra ara-panahy, dia ilay niarahana tamin’ny kongregasiona lehibe tao amin’ny tanànan’i Melbourne. Noho ny tenako avy tany amin’ny tanàna kely ambanivohitra, dia nianatra zavatra betsaka aho tamin’ny fanompoana tao.
Tao amin’ny fanendrena ahy tany amin’ny faritra iva amin’i Gippsland, distrikan’i Victoria, izaho sy i Helen Crawford, namako, dia nitarika fampianarana Baiboly maro, ary tao anatin’ny fotoana fohy, dia nahita ny fiforonan’ny kongregasiona iray izahay. Nanana faritany ambanivohitra midadasika io distrika io, ary ho fitaterana, dia nanana fiara iray efa tranainy sy tsy azo nianteherana izay izahay. Nitaingina izahay indraindray, fa nanosika izahay imbetsaka. Toy inona moa ny naniriako mafy soavaly iray! Indraindray dia afaka niteny tamim-pahamarinana toy izao aho: “Homeko ho takalo na inona na inona (afa-tsy ilay Fanjakana) mba hahazoana soavaly iray!” Any amin’ny ankamaroan’ny tanàna amin’io distrika io ankehitriny dia misy kongregasiona matanjaka sy Efitrano Fanjakana tsara dia tsara.
Tamin’ny 1969 aho dia nahazo fanendrena tany Canberra, renivohitr’i Aostralia. Toerana nisy fihaikana sy toe-javatra maro samihafa izy io, satria matetika izahay dia nifandray tamin’ny mpiasa tao amin’ny ambasady vahiny maro. Mbola manompo eto aho, saingy tao anatin’ireo taona faramparany dia nampifantoka ny fanaovako fanambarana tamin’ireo faritra be taozava-baventy ao amin’ilay tanàna aho.
Tamin’ny 1973, dia nanana tombontsoa hanatrika fivoriambe lehibe tany Etazonia aho. Zavatra nisongadina hafa iray teo amin’ny fiainako ny naha-anisan’ny solontena tamin’ny fivoriambe ahy tamin’ny 1979, sy ny nitsidihana an’i Israely sy Jordanie. Ny fitsidihana ireo toerana tena nisy voatonona ao amin’ny Baiboly sy ny fisaintsainana ny amin’ireo fisehoan-javatra izay nitranga teo dia tena fanandraman-javatra mampientam-po tokoa. Afaka nanandrana izany atao hoe mitsinkafona ao amin’ny Ranomasina Maty, amin’izato ranony marihitra noho ny sira, aho, ary nandritra ny fitsidihanay an’i Petra tao Jordanie dia nanana fahafahana hitaingin-tsoavaly indray aho. Izany dia nampitamberina tao an-tsaiko ireo andro tany aloha, fony ny soavaly namela ahy hanatratra ireo faritra niparitaka sy tany ambanivohitra tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana.
Fanompoana manontolo andro mitohy
Ny faniriako hanohy ny fanompoana manontolo andro na dia eo aza ny fandroson’ny taona dia voatana ho velona noho ny fandaharana manokana toy ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana sy ny fivorian’ny mpisava lalana natao niaraka tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany, ary koa ny fampaherezana tsy an-kijanona azoko avy tamin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Afaka milaza marina aho fa nataon’i Jehovah tamin-katsaram-panahy izay hahatonga ireo andro naha-irery ahy ho anisan’ny lasa.
Fito amby valopolo taona aho izao, ary taorian’ny 60 taona teo ho eo nanompoana an’i Jehovah, dia manana teny fampaherezana ho an’ny hafa izay mety ho tsy miolakolaka sy faran’izay tsy tia fiankinana aho: Ekeo foana ny fitarihan’i Jehovah. Enga anie i Jehovah hanampy antsika hifehy ny tsy fiolakolahantsika, ary enga anie izy hampahatsiaro antsika mandrakariva fa na dia mety hahatsiaro tena ho manirery aza isika matetika, dia tsy hahafoy antsika mihitsy izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny sulky dia fiara maivana misy kodiarany roa.