Ny fanantenanao: Andriamanitra sa ny harena?
“Hatramin’ny taona maro izy io dia niery tao amin’ny tranony nirenty voahodidin’ny fefy vy makarakara ka ny vavahady vy roa nihidy mafy dia nandrara ny fidirana tao.”
NY LAHATSORATRA an-gazety iray dia niresaka tamin’ireo teny ireo ny amin’ny vehivavy mpitondratena nanankarena iray novonoin’ny mpangalatra mba hangalarana tao an-tranony, firavaka sy iray tapitrisa dôlara (70 000 000 ariary). Rehefa hita ny fatiny, ny polisy dia nampiasa kalesy vy kely mba hakana tao aminy koa lela vola dimy tapitrisa dôlara (350 000 000 ariary). Hitan’ireo polisy koa, an’arivony maro tamin’ny “fanomezana noho ny fitsingerenan’ny nahaterahana” nopetahana taratasy nasiana soratra hoe: “Ho an’i Jesosy Kristy” sy “Ho an’Andriamanitra”.
Toa tsy nanan-tsakaiza io mpandova io ary niaina tao anatin’ny tahotra foana. Manontania tena hoe: Inona no tena vidin’ireo an-tapitrisany maro ireo izay noheveriny ho sarobidy tokoa? Ambonin’izany, tamin’ny ahoana io vehivavy io no nanankarena ny amin’Andriamanitra? Azo antoka fa fantatrao fa tsy mety ho azo amin’ny fanolorana aminy “fanomezana noho ny fitsingerenan’ny nahaterahana” Andriamanitra, ary tsy manana ny fiadanan’Andriamanitra koa ny tena satria manana fananana. Miharihary izany amin’ny torohevitra araka ny Baiboly mba “tsy hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika”. — I Timoty 6:17.
Fa nahoana no dia tsy azo antoka toy izany ny harena? Azo inoana fa fantatrao ny fahamarinan’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra.” (Matio 6:19). Tsy miafina aminao fa ny trano iray dia mety ho ravan’ny haintrano foana. Ny sasany mametraka ny zavany sarobidy any amin’ny trano fametraham-bola, kanefa moa ve tsy mamely an’ireny koa ny mpangalatra? Ary na dia ny fiarakodia vaovao aza dia harafesenina amin’ny farany.
Inona no holazaina ny amin’ny toe-karen’ireo firenena? Any amin’ny tany maro, ny fisondrotan’ny vidim-piainana dia sahala amin’ny mpangalatra; mampihena ny ananan’ny isam-batan’olona izany. “Rehefa namely an’i Alemaina ny fisondrotan’ny vidim-piainana tafahoatra tamin’ny fiandohan’ireo taona 1920, dia tsy maintsy nitondra vola eran’ny harona ny olona (...) mba hividianan-batsy (...). Tany Alemaina, ny vidin-javatra dia nitombo maherin’ny arivo lavitrisa isan-jato teo anelanelan’ny aogositra 1922 sy novambra 1923.” (The World Book Encyclopedia). Mety handiso fanantenana tokoa ny fametrahana ny fitokisan’ny tena amin’ny vola!
Koa nanome izao torohevitra feno fahendrena izao i Jesosy: “Miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.” (Matio 6:20). Inona moa izany “harena” izany? Izany dia mampiseho ireo asa soa notanterahintsika, ny harentsika eo anatrehan’Andriamanitra. ‘Inona no tokony hataoko mba hahazoana izany harena izany?’ hoy angamba ianao. Ankoatra ny zavatra hafa, dia mamaly ny Baiboly fa tokony ‘hanao soa isika, hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra’. — I Timoty 6:18.
Amin’izao andro izao, maneran-tany, dia Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maromaro no afaka manamarina amim-pahamarinana tanteraka fa rehefa mizara amin’ny mpiara-belona amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo ny tena, indrindra fa rehefa manampy azy ireny hahalala ny fanantenana momba ilay Fanjakana amin’ny fitoriana, amin’ny fampianarana sy amin’ny fanaovana mpianatra, dia manao asa tsara ankasitrahan’Andriamanitra izay mitondra tena fahafahampo. Na dia ny fahafatesana aza dia tsy afaka manaisotra amin’izay manangona harena any an-danitra toy izany ny valisoa miandry azy. Nahoana? Nanome izao fampanantenana izao i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” — Jaona 11:25.
Harena tsy hay tombanana mety hananantsika dieny izao
Rehefa avy nanoro hevitra antsika mba hanorina ny fanantenantsika ‘amin’Andriamanitra’ i Paoly dia nanohy ny teniny tamin’ny filazana fa ‘Andriamanitra no manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika”. (I Timoty 6:17.) Ankoatra ireo zavatra ilaina isan’andro eo amin’ny fiainana, ny Avo Indrindra dia manome amim-pitiavana harena tsy hay tombanana ho an’ireo olona ankasitrahany. Inona àry izany harena izany?
Mariho izay lazain’ny Ohabolana 3:13-18: “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. Saro-bidy noho ny voahangy izy; ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia (...) Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy; ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.” Ny “fahendrena” àry dia harena sarobidy noho ny harena rehetra eo amin’izao tontolo izao.
Ny fahendrena dia ny fampiharana tsara ny fahalalana. Izany dia ny fahaizana mampiasa ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina amim-pahombiazana mba handaminana zava-manahirana, hisorohana loza, hanatrarana zava-kendrena sasany na hanampiana ny hafa hanao toy izany koa. Tsy heverinao ve fa mila fahendrena toy izany isika amin’izao andro izao mba handresena ireo fitsapana eo amin’ny fiainana sy hitanana toerana tsara eo anatrehan’Andriamanitra?
Tao amin’ny filazalazany ny amin’ny fahendrena, ny Ohabolana 3:13-18 dia manintona ny saina ho amin’ny fahasambarana entin’io. Moa ve ny fahasambarana tsy harena irin’ny tsirairay avy amintsika hananana? Ny fahendren’Andriamanitra no hitondra izany ho antsika, satria ny tena fahasambarana tsy mety afa-tsy ho avy amin’ny Loharanony, dia Jehovah Andriamanitra. Nasehon’ny fanandraman-javatra fa tsy mety ho tratra ny tena fahasambarana raha tsy amin’ny fankatoavana ny Avo Indrindra sy amin’ny fanekena hotarihin’ny fanahiny. Ny fahasambarana ampanantenaina ao amin’ny Baiboly dia miankina amin’ny fifandraisantsika tsara amin’ny Raintsika any an-danitra, miankina amin’ny fankasitrahany (Matio 5:3-10). Noho izany, amin’ny fampiharana izay fantatsika amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly, dia haneho “ny fahendrena avy any ambony” isika, ka izany dia hitondra ho antsika fahasambarana tsy mety hoentin’ny harena rehetra eo amin’izao tontolo izao.
Na dia izany aza, dia tadidio koa izay ambaran’ny Ohabolana 3:16 manao hoe: “Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana.” Tokony ho hita amin’izany ny fanasiana fitenenana ny amin’ny fiarovana azo antoka fa homen’ny tanana ankavanana, dia ny tanana izay vonona ny hanampy sy hiaro ny olona iray ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Amin’izao androntsika izao, dia olona be dia be no manaraka fomba fiaina ratsy, miditra ao amin’ny lalan’ny fahalotoam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy, manomboka mampiasa zavatra mahadomelina, ets. Azo inoana fa novakinao tao amin’ireo gazety fa ny SIDA (syndrome immunodéficitaire acquis) dia mifamatotra amin’ny fanao toy izany. Araka ny nodinihinao, moa ve ny olona manana fitondrantena toy izany tena sambatra? Sa kosa izany mahatonga azy sy ny hafa hahita fanaintainana sy alahelo be dia be na fahafatesana mihitsy aza?
Mifanohitra amin’izany, ny fampiharana ireo torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia ho eo ‘ankavanantsika’ foana mba hiaro antsika amin’ny loza toy izany. Afaka manalava ny andro iainantsika àry ny fahendrena, satria izany miaro antsika tsy hanaraka lalana mety hitarika antsika ho amin’ny fahafatesana aloha be. Araka izany, ny fahendren’Andriamanitra dia tsy maintsy mahatonga ny fiainantsika ankehitriny hahafinaritra kokoa.
Aoka isika handeha amim-pahendrena dieny izao
Manodidina antsika, ny zavatra rehetra dia mampiseho miharihary fa miaina amin’ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny isika (II Timoty 3:1-5). Iankinan’ny aina àry ny hitandremantsika mba tsy ho resin’ny toe-tsain’izao tontolo izao. Izany toe-tsaina izany dia mampisongadina ny zavatra ara-nofo amin’ny fampiasana ny faniriana mampiseho fitiavan-tena. Joba, lehilahy nahatoky iray resahin’ny Baiboly, dia nampangaina, ankoatra ny zavatra hafa, ho manompo an’Andriamanitra noho ny antony mampiseho fitiavan-tena, noho ireo tombontsoa ara-nofo noraisiny avy amin’izany (Joba 1:9-11). Ho azo atao ara-drariny ve ny hanao fiampangana toy izany amintsika.
Raha tsia no avalintsika, dia tsy isalasalana fa manohitra amim-pahombiazana ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo mampiavaka izao tontolo izao ankehitriny isika. Io loza io anefa, ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, no anankiray amin’ny loza ankolaka indrindra setraintsika. Nilaza i Jesosy Kristy fa ‘mangeja ny teny ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena’. (Matio 13:22.) Mazava fa tokony hitandrin-tena foana amin’ny “fitaky ny harena” isika, satria tsy tena sarobidy izany.
Tokony hotadidiantsika fa voafetra ny vidin’ny fananana ara-nofo. Izao tokoa no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy, ary raha araka ny fiheviny, dia toa mànda avo izany.” (Ohabolana 18:11). Eny, ny tsy fananana ahiahy mety hoentin’ny harena dia hevi-dravina fotsiny, mamitaka. Tsy milaza akory izany hoe ratsy ao aminy mihitsy ny fananana ara-nofo. Fa izay manimba dia ny fampifantohana ny fiainan’ny tena amin’izany fa tsy amin’ny fikatsahana ny fankasitrahan’Andriamanitra. Nilaza mazava toy izao i Jesosy izay fantatra ho anankiray tamin’ireo mpampianatra hendry indrindra teo amin’ny Tantara: “Ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” — Lioka 12:15.
Aoka àry isika hanana fomba fiaina izay hahatonga antsika ‘hanan-karena ny amin’Andriamanitra’. (Lioka 12:21.) Tsy misy na inona na inona sarobidy kokoa noho ny fankasitrahan’ny Mpamorona. Ny fiezahana rehetra ataontsika mba hitanana izany dia manampy antsika ‘hihary fanorenana tsara ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonantsika ny tena fiainana’. — I Timoty 6:19.