FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/10 p. 13-18
  • Mankamamy ny Fanompoana Ataonao Amin’ny Fanahy Manontolo i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mankamamy ny Fanompoana Ataonao Amin’ny Fanahy Manontolo i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny hakanton’ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo
  • Tsy ampitahaina amin’ny hafa
  • Ny fanomezana “saro-bidy indrindra” nataon’ny vehivavy iray velom-pankasitrahana
  • Ireo ‘farantsakely roan’ny’ mpitondratena iray
  • Fianarana avy amin’ny fomba fihevitr’i Jehovah ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo
  • Fizarana faha-5: Ireo soa tondraka entin’ny fanompoana atao amin’ny fanahy rehet
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Manaova Zavatra Amin’ny fanahinao Manontolo!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Tafavoaka Ihany Izy na Mafy Aza ny Nanjo Azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Maria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/10 p. 13-18

Mankamamy ny Fanompoana Ataonao Amin’ny Fanahy Manontolo i Jehovah

“Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny [ fanahy manontolo, NW ], tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona”. — KOLOSIANA 3:23.

1, 2. a) Inona no tombontsoa lehibe indrindra mety hananantsika? b) Nahoana isika indraindray no tsy afaka manao izay rehetra tiantsika hatao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?

NY FANOMPOANA an’i Jehovah no tombontsoa lehibe indrindra mety hananantsika. Nanana antony tsara àry itỳ gazety itỳ, raha nampirisika hatramin’ny ela ny Kristiana hanolo-tena ho an’ny fanompoana, ka hanompo “bebe kokoa” mihitsy aza, raha azo atao. (1 Tesaloniana 4:1). Tsy afaka manao izay rehetra irin’ny fontsika hatao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra foana anefa isika. “Noho ny toe-javatra misy ahy, dia tsy maintsy miasa tontolo andro aho”, hoy ny nohazavain’ny anabavy iray tsy manambady, izay natao batisa efa ho 40 taona lasa izay. “Ny antony iasako akory tsy hoe mba hividianana akanjo ara-damaody na mba hanaovana vakansin’ny mpanan-karena, fa mba hivelomako, ka tafiditra amin’izany ny fandoavana ny lany amin’ny fitsaboana aretina sy areti-nify. Toy ny hoe tsy manome afa-tsy ny ambiny ho an’i Jehovah no fiheverako ny tenako.”

2 Ny fitiavana an’Andriamanitra dia manosika antsika haniry hanao zavatra betsaka araka izay azontsika atao eo amin’ny asa fitoriana. Matetika anefa ny toe-javatra misy antsika no mametra ny zavatra azontsika atao. Ny fisahanana andraikitra ara-baiboly hafa, anisan’izany ny adidy ara-pianakaviana, dia mety haka fotoana sy hery be dia be amintsika. (1 Timoty 5:4, 8). Amin’izao “andro mahory” izao, dia mihasarotra hatrany foana ny fiainana. (2 Timoty 3:1). Rehefa tsy afaka manao izay rehetra irintsika hatao eo amin’ny fanompoana isika, dia mety halahelo ny fontsika. Mety hanontany tena isika raha faly amin’ny fanompoam-pivavahantsika Andriamanitra.

Ny hakanton’ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo

3. Inona no antenain’i Jehovah amintsika rehetra?

3 Ao amin’ny Salamo 103:14 ny Baiboly dia manome toky antsika amim-pitiavana fa “mahalala ny toetsika [i Jehovah] ka mahatsiaro fa vovoka isika”. Mahatakatra ny fetran’ny mety ho vitantsika mihoatra noho ny hafa rehetra izy. Tsy mitaky mihoatra noho izay azontsika omena izy. Fa inona no antenainy amintsika? Izao zavatra azon’ny rehetra atolotra izao, na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra misy azy: “Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny [fanahy manontolo, NW ], tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona”. (Kolosiana 3:23). Eny, manantena ny hanompoantsika — dia isika rehetra — azy amin’ny fanahy manontolo, i Jehovah.

4. Inona no dikan’ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny fanahy manontolo?

4 Inona no dikan’ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny fanahy manontolo? Ilay teny grika nadika hoe “amin’ny fanahy manontolo” dia midika ara-bakiteny hoe “avy amin’ny fanahy”. Ny “fanahy [âme]” dia manondro ilay olona manontolo, ka tafiditra amin’izany ny fahaizany ara-batana sy ara-tsaina rehetra. Ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo àry dia midika hoe fanomezana ny tenantsika manontolo, amin’ny fampiasana ny fahaizantsika rehetra sy amin’ny fampifantohana ny herintsika rehetra amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, amin’ny fomba feno indrindra araka izay azo atao. Raha lazaina amin’ny teny tsotra, izany dia ny fanaovana izay rehetra azon’ny fanahintsika atao. — Marka 12:29, 30.

5. Ahoana no ampisehoan’ny ohatr’ireo apostoly fa tsy voatery hitovy ny zavatra ataon’ny rehetra eo amin’ny fanompoana?

5 Moa ve ny hoe manao zavatra amin’ny fanahy manontolo midika fa tsy maintsy hitovy ny habetsahan-javatra vitantsika rehetra eo amin’ny fanompoana? Tsy hety mihitsy izany, satria samy hafa ny toe-javatra misy antsika sy ny fahaizantsika. Eritrereto ireo apostoly nahatokin’i Jesosy. Tsy nitovy ny habetsahan-javatra azon’izy rehetra natao. Ohatra, tsy mahalala firy momba ny sasany amin’ireo apostoly, toa an’i Simona Kananeana sy i Jakoba, zanak’i Alfeo, isika. Angamba voafetra ihany ny asa nataon’izy ireo. (Matio 10:2-4). Nifanohitra tamin’izany kosa, i Petera dia afaka nanaiky andraikitra navesatra maro — nomen’i Jesosy ‘ny fanalahidin’ny fanjakana’ mihitsy aza izy! (Matio 16:19). Na dia izany aza, dia tsy nasandratra ho ambony noho ny hafa i Petera. Rehefa nahazo ny fahitana momba an’i Jerosalema Vaovao ao amin’ny Apokalypsy i Jaona (96 am.f.i. tany ho any), dia nahita vato fanorenana 12 nisy ny ‘anaran’ny apostoly roa ambin’ny folo’ voasoratra teo amboniny.a (Apokalypsy 21:14). Nihevitra ny fanompoan’ireo apostoly rehetra ho sarobidy i Jehovah, na dia niharihary aza fa tsy nahavita mihoatra noho ny hafa ny sasany.

6. Ao amin’ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ilay mpamafy, inona no niafaran’ilay voa nafafy teo amin’ny “tany tsara”, ary fanontaniana inona avy no apoitran’izany?

6 Toy izany koa, i Jehovah dia tsy mitaky ny hahavitantsika rehetra habetsahan-javatra mitovy eo amin’ny fitoriana. Nasehon’i Jesosy izany tao amin’ilay fanoharana ny amin’ny mpamafy, izay nampitahany ny asa fitoriana tamin’ny famafazana voa. Ny voa dia latsaka teo amin’ny karazan-tany samy hafa, izay mampiseho ny karazana toe-po samy hafa ananan’ireo izay mahare ilay hafatra. “Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa”, hoy ny fanazavan’i Jesosy, “dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.” (Matio 13:3-8, 18-23). Inona moa io vokatra io, ary nahoana no tsy mitovy ny habetsaham-bokatra azo?

7. Inona no vokatr’ilay voa nafafy, ary nahoana no tsy mitovy ny habetsaham-bokatra azo?

7 Koa satria ilay voa nafafy dia “ny tenin’ny fanjakana”, ilay vokatra azo àry dia ny fanelezana io teny io, ny firesahana momba azy amin’ny hafa. (Matio 13:19). Tsy mitovy ny habetsaham-bokatra azo — telopolo heny ka hatramin’ny zato heny — satria tsy mitovy ny fahaizan’ny olona sy ny toe-javatra misy azy avy. Ny olona iray salama tsara sy matanjaka ara-batana dia mety ho afaka handany fotoana bebe kokoa eo amin’ny fitoriana noho ny olona iray mihaosa noho ny tsy fahasalamana mitaiza na ny fandroson’ny taona. Ny tanora mpitovo iray izay tsy manana andraikitra ara-pianakaviana dia mety ho afaka hanao bebe kokoa noho ny olona iray tsy maintsy miasa manontolo andro mba hamelomana ankohonana. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 20:29.

8. Ahoana no fomba fihevitr’i Jehovah an’ireo izay manao araka ny fara herin’ny fanahiny?

8 Araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra, moa ve ilay manao zavatra amin’ny fanahy manontolo ary mamokatra avo telopolo heny, kely fandavan-tena kokoa noho ilay mamokatra avo zato heny? Tsy izany velively! Mety tsy hitovy ny habetsaham-bokatra azo, nefa i Jehovah dia faly raha mbola araka ny fara herin’ny fanahintsika koa no anaovantsika ny fanompoantsika. Tadidio fa samy avy amin’ny fo izay “tany tsara” avokoa ireo habetsaham-bokatra samy hafa ireo. Ilay teny grika (ka·losʹ) nadika hoe “tsara” dia milaza zavatra izay “kanto” sy “mahafaly ny fo, ary manome fahafinaretana ny maso”. Tena mampionona tokoa ny mahafantatra fa rehefa manao araka ny fara herintsika isika, dia kanto eo imason’Andriamanitra ny fontsika!

Tsy ampitahaina amin’ny hafa

9, 10. a) Mety hitarika antsika ho amin’ny fanjohian-kevitra tsy manorina hoe ahoana ny fontsika? b) Ahoana no ampisehoan’ilay fanoharana ao amin’ny 1 Korintiana 12:14-26 fa tsy mampitaha izay ataontsika amin’izay ataon’ny hafa i Jehovah?

9 Mety ho hafa anefa ny fomba fitsaran’ny fontsika tsy tanteraka zavatra. Mety hampitaha ny fanompoantsika amin’ny an’ny hafa izy io. Mety hanjohy hevitra izy io hoe: ‘Ny hafa mahavita betsaka kokoa noho izaho eo amin’ny fanompoana. Dia ho faly amin’izay fanompoana ataoko ve i Jehovah?’ — Ampitahao amin’ny 1 Jaona 3:19, 20.

10 Ambony lavitra noho ny antsika ny fihevitr’i Jehovah sy ny lalany. (Isaia 55:9). Hahatakatra kely ny fomba fihevitr’i Jehovah ny ezaka ataontsika tsirairay isika, rehefa mijery ny 1 Korintiana 12:14-26. Ao ny kongregasiona dia ampitahaina amin’ny vatana misy rantsana maro — maso, tanana, tongotra, sofina, sy ny toy izany. Diniho vetivety ny vatana ara-bakiteny. Tena hahatsikaiky ny hampitoviana ny masonao amin’ny tananao, na ny tongotrao amin’ny sofinao! Samy manana ny asany avy ny rantsambatana tsirairay, nefa samy mahasoa sy heverina ho sarobidy avokoa izy rehetra. Toy izany koa, i Jehovah dia mankamamy ny fanompoana ataonao amin’ny fanahy manontolo, na betsaka kokoa na kely kokoa no ataon’ny hafa. — Galatiana 6:4.

11, 12. a) Nahoana ny sasany no mety hahatsiaro tena ho “malemilemy kokoa” na ho “kely voninahitra kokoa”? b) Ahoana no fomba fihevitr’i Jehovah ny fanompoantsika?

11 Noho ny fetra ampiharin’ny tsy fahasalamana, ny fandroson’ny taona na ny toe-javatra hafa misy azy, indraindray ny sasany amintsika dia mety hahatsiaro tena ho “malemilemy kokoa” na ho “kely voninahitra kokoa”. Tsy izany anefa no fomba fihevitr’i Jehovah zavatra. Hoy ny Baiboly amintsika: “Ilaintsika (...) ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany. Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa (...). Fa tamin’ny nanamboaran’Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa”. (1 Korintiana 12:22-24). Koa afaka ny ho sarobidy amin’i Jehovah àry ny olona tsirairay. Mankamamy ny fanompoana ataontsika araka ny fetran’ny mety ho vitantsika izy. Moa ve ny fonao tsy manosika anao haniry hanao izay rehetra azonao atao eo amin’ny fanompoana Andriamanitra be fitiavana sy mahay mahatakatra ny toeranao toy izany?

12 Ny zava-dehibe amin’i Jehovah àry dia tsy ny fahavitanao zavatra toy ny hafa, fa izay vitan’ny tenanao — izay vitan’ny fanahinao. Mihevitra ho sarobidy ny ezaka ataontsika isam-batan’olona i Jehovah. Izany dia nasehon’ny fihetsik’i Jesosy nampihetsi-po, teo anatrehan’ny vehivavy roa tena samy hafa, nandritra ireo andro farany niainany teto an-tany.

Ny fanomezana “saro-bidy indrindra” nataon’ny vehivavy iray velom-pankasitrahana

13. a) Nanao ahoana ny toe-javatra nisehoan’ny nandrarahan’i Maria menaka manitra teo amin’ny lohan’i Jesosy sy ny tongony? b) Ohatrinona no vidin’ilay menak’i Maria ara-bakiteny?

13 Tamin’ny harivan’ny zoma 8 Nisana, i Jesosy dia tonga tao Betania, tanàna kely iray teo amin’ny ilany atsinanan’ny Tendrombohitra Oliva, tokony ho telo kilaometatra avy teo Jerosalema. Nanana namana tsy foy tao amin’io tanàna io i Jesosy — i Maria sy i Marta ary i Lazarosy anadahin’izy ireo. Nety ho efa nivahiny imbetsaka tao amin’izy ireo i Jesosy. Tamin’ny asabotsy hariva anefa i Jesosy sy ireo namany ireo dia nisakafo tao amin’ny tranon’i Simona, olona boka taloha izay nositranin’i Jesosy angamba. Fony i Jesosy nandry ilika teo am-pisakafoana, i Maria dia nanana fihetsika feno fanetren-tena izay nampiseho ny fitiavany lalina an’ilay lehilahy nanangana ny anadahiny tamin’ny maty. Nanokatra tavoara iray feno menaka manitra, izay “saro-bidy indrindra”, izy. Tena lafo tokoa ilay izy, satria 300 denaria no vidiny, tokony ho karaman’olona herintaona! Nandraraka io menaka manitra io teo amin’ny lohan’i Jesosy sy ny tongony izy. Namafa ny tongotr’i Jesosy tamin’ny volony mihitsy aza izy. — Marka 14:3; Lioka 10:38-42; Jaona 11:38-44; 12:1-3.

14. a) Nanao ahoana ny fihetsik’ireo mpianatra teo anoloan’ny nataon’i Maria? b) Ahoana no niarovan’i Jesosy an’i Maria?

14 Tezitra ireo mpianatra! ‘Inona izao fandaniam-poana izao?’, hoy izy ireo. I Jodasy, izay nanafina fironana hangalatra tao ambadiky ny fanoloran-kevitra hanasoa ny mahantra, dia nanao hoe: “Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?” Tsy niteny i Maria. Hoy anefa i Jesosy tamin’ny mpianatra: “Avelao izy; nahoana hianareo no mampalahelo azy? Asa soa [endriky ny hoe ka·losʹ] no nataony tamiko. (...) Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy. Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.” Tena tsy maintsy ho nampitony ny fon’i Maria izany tenin’i Jesosy feno fitiavana izany! — Marka 14:4-9; Jaona 12:4-8.

15. Nahoana no nampihetsi-po an’i Jesosy ny nataon’i Maria, ary inona no ampianarin’izany antsika momba ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo?

15 Nampihetsi-po lalina an’i Jesosy ny nataon’i Maria. Araka ny fiheverany, dia nanao zavatra mendri-piderana i Maria. Tsy ny vidin’ilay fanomezana ara-bakiteny no zava-dehibe tamin’i Jesosy, fa ilay i Maria “nanao izay azony natao”. Nanararaotra ilay fahafahana i Maria, ka nanome izay azony nomena. Ny fandikan-teny hafa dia nandika ireo teny ireo amin’ny hoe: “Nanao izay rehetra azony natao izy”, na hoe: “Nanao izay tratran’ny heriny izy”. (An American Translation; The Jerusalem Bible). Ny fanomezan’i Maria dia nataony tamin’ny fanahiny manontolo, satria nanome araka ny fara heriny izy. Izany no tena hevitry ny hoe fanompoana amin’ny fanahy manontolo.

Ireo ‘farantsakely roan’ny’ mpitondratena iray

16. a) Nahoana i Jesosy no nanjary nahita ny fanomezan’ny mpitondratena nahantra iray? b) Ohatrinona ireo farantsan’ilay mpitondratena?

16 Roa andro taorian’izay, tamin’ny 11 Nisana, dia nijanona iray andro naninjitra tao amin’ny tempoly i Jesosy. Nisy nisalasala ny amin’ny fahefany mantsy tao, no sady namaly fanontaniana sarotra momba ny hetra sy ny fitsanganana amin’ny maty ary ny raharaha hafa izy. Nanala sarona ireo mpanora-dalàna sy Fariseo koa izy, noho izy ireo ‘nandany ny tranon’ny mpitondratena’, ankoatra ny zavatra hafa. (Marka 12:40). Avy eo i Jesosy dia nandeha nipetraka, niharihary fa tao amin’ny Kianjan’ny Vehivavy, izay nisy fitoeran-drakitra 13, araka ny lovantsofina jiosy. Nipetraka teo kelikely izy, ary nandinika tamim-pitandremana ireo olona samy nandatsaka ny fanomezany avy. Nisy mpanan-karena maro tonga teo, ka ny sasany taminy angamba hita ho mpanamarin-tena, ho mpideradera mihitsy aza. (Ampitahao amin’ny Matio 6:2.) Nanjary nifantoka tamin’ny vehivavy iray ny mason’i Jesosy. Ny mason’olon-tsotra angamba mety tsy hahita na inona na inona niavaka momba azy na ny fanomezany. I Jesosy, izay nahafantatra ny fon’ny hafa kosa anefa dia nahafantatra fa “mpitondratena” izy. Fantany koa ny tena habetsahan’ny fanomezan’izy io — “farantsakely roa ankevitry ny variroaventy avy”.b — Marka 12:41, 42.

17. Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny fanomezan’ilay mpitondratena, ary inona no ianarantsika avy amin’izany momba ny fanomezana atao ho an’Andriamanitra?

17 Niantso ny mpianany i Jesosy, satria tiany ho hitan’ny mason’izy ireo ilay lesona tiany hampianarina azy ireo izao. “Efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra” io mpitondratena io, hoy i Jesosy. Araka ny fiheverany, dia nandatsaka mihoatra noho ny hafa rehetra nitambatra izy. Nanome “izay rehetra nananany” — ny vola farany tany aminy — izy. Tamin’ny fanaovana izany, dia nametraka ny fiainany teo an-tanan’i Jehovah feno fiahiana izy. Ilay olona notsongaina toy izany ho ohatra ny amin’ny fanaovana fanomezana ho an’Andriamanitra, dia olona nanao fanomezana izay zara raha nisy vidiny ara-bakiteny. Teo imason’Andriamanitra anefa dia tsy hay tombanana ilay izy! — Marka 12:43, 44; Jakoba 1:27.

Fianarana avy amin’ny fomba fihevitr’i Jehovah ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo

18. Inona no ianarantsika avy amin’ny fihetsik’i Jesosy teo anatrehan’ireo vehivavy roa ireo?

18 Avy amin’ny fihetsik’i Jesosy teo anatrehan’ireo vehivavy roa ireo isika dia mianatra lesona manafana ny fo momba ny fomba fihevitr’i Jehovah ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo. (Jaona 5:19). Tsy nampitaha an’ilay mpitondratena tamin’i Maria i Jesosy. Tsy nihevitra ny farantsakely roan’ilay mpitondratena ho latsa-danja noho ilay menaka ‘sarobidy indrindran’i’ Maria izy. Koa satria samy nanome araka ny fara heriny ny tsirairay tamin’ireo vehivavy ireo, teo imason’Andriamanitra ny fanomezany dia samy sarobidy avokoa. Koa raha mahatsiaro tena ho tsinontsinona ianao, satria hoe tsy mahavita izay rehetra tianao hatao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, dia aza mamoy fo. Faly i Jehovah manaiky izay ataonao araka ny fara herinao. Tadidio fa “mijery ny fo” i Jehovah. Koa fantany tsara àry izay hetahetan’ny fonao. — 1 Samoela 16:7.

19. Nahoana isika no tsy tokony hitsara izay ataon’ny hafa eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?

19 Ny fomba fihevitr’i Jehovah ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo dia tokony hisy heriny eo amin’ny fomba fihevitsika sy itondrantsika ny hafa. Tena tsy ho fanehoam-pitiavana ny manakiana ny ezaka ataon’ny hafa na ny mampitaha ny fanompoan’ny olona iray amin’ny an’ny hafa! Mampalahelo anefa fa hoy ny nosoratan’ny Kristiana iray: “Indraindray ny sasany dia toa mahatonga anao hihevitra hoe raha tsy mpisava lalana ianao dia tsinontsinona. Ny sasany amintsika izay miady mafy mba ho mpitory ilay Fanjakana tsy tapaka ‘fotsiny’ dia mila mahatsapa fa ankasitrahana koa.” Aoka hotadidintsika fa tsy nomena lalana hitsara izay fanompoana amin’ny fanahy manontolo ataon’ny Kristiana hafa ny tenantsika. (Romana 14:10-12). I Jehovah dia mankamamy ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo ataon’ny tsirairay amin’ireo mpitory ilay Fanjakana mahatoky an-tapitrisany maro, ary tokony hanahaka azy isika.

20. Ny mihevitra hoe ahoana momba ireo mpiara-manompo amintsika mazàna no tsara indrindra?

20 Ahoana anefa raha toy ny hoe manao latsaka noho izay azony atao eo amin’ny fanompoana ny sasany? Raha mihena ny fanompoan’ny mpiray finoana amintsika, dia mety hila ny fanampiana na ny fampaherezan’ireo loholona feno fiahiana izy. Etsy an-danin’izany anefa, dia tsy tokony hohadinointsika fa ho an’ny sasany, ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo dia mety hitovy kokoa amin’ireo farantsakelin’ilay mpitondratena fa tsy amin’ilay menaka lafo vidin’i Maria. Mazàna ny tsara indrindra dia ny mihevitra fa tia an’i Jehovah ireo rahalahintsika sy anabavintsika ary izany fitiavana izany no manosika azy ireo hanao asa betsaka — na kely — araka izay azony atao. Azo antoka fa ny mpanompon’i Jehovah tsy manao tsirambina dia tsy hifidy ny hanao latsaka noho izay azony atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra! — 1 Korintiana 13:4, 7.

21. Asa mahafa-po inona no ataon’ny sasany, ary fanontaniana inona avy no apoitran’izany?

21 Kanefa, ho an’ny maro amin’ny vahoakan’Andriamanitra, ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo dia ny fanaovana asa iray faran’izay mahafa-po — ny fanompoan’ny mpisava lalana. Inona avy no fitahiana raisin’izy ireo? Ary ahoana ny amin’ny sasany amintsika izay mbola tsy afaka ny ho mpisava lalana — ahoana no ahafahantsika mampiseho ny toe-tsain’ny mpisava lalana? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Koa satria i Matia no tonga apostoly nisolo an’i Jodasy, dia ny anarany — fa tsy ny an’i Paoly — no ho hita teo amin’ireo vato fanorenana 12. Na dia apostoly aza i Paoly, dia tsy anisan’ireo 12 izy.

b Ny tsirairay tamin’ireo dia lepta iray, ny vola jiosy madinika indrindra tamin’izany. Ny lepta roa dia nitovy vidy tamin’ny 1/64-n’ny karama iray andro. Araka ny Matio 10:29, ny asaria iray (nitovy vidy tamin’ny lepta valo) dia nahazoan’ny olona iray tsintsina roa, dia ny vorona anisan’ny mora vidy indrindra azon’ny mahantra novidina hatao sakafo. Koa tena nahantra tokoa àry io mpitondratena io, satria tsy nanana afa-tsy ny antsasaky ny vola azo nividianana tsintsina iray, izay tsy nahavita sakafo indray homana akory.

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona no dikan’ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny fanahy manontolo?

◻ Ahoana no ampisehoan’ilay fanoharana ao amin’ny 1 Korintiana 12:14-26 fa tsy mampitaha antsika amin’ny hafa i Jehovah?

◻ Inona no ianarantsika momba ny fanomezana amin’ny fanahy manontolo, avy amin’ireo tenin’i Jesosy momba ilay menaka lafo vidin’i Maria sy ireo farantsakely roan’ilay mpitondratena?

◻ Inona no tokony ho vokatry ny fomba fihevitr’i Jehovah ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo eo amin’ny fomba fihevitsika ny hafa?

[Sary, pejy 15]

Nanome araka ny fara heriny i Maria, tamin’ny fandrarahana menaka manitra “saro-bidy indrindra” tamin’ny vatan’i Jesosy

[Sary, pejy 16]

Ireo farantsan’ilay mpitondratena — zara raha nisy vidiny ara-bakiteny, nefa tsy hay notombanana teo imason’i Jehovah

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara