Avy Tamin’ny Tsindrimandrin’Andriamanitra ve ny Baiboly?
1, 2. Nahoana no manaja ny Baiboly ny olona maro, ary inona no filazana ataon’ny tenan’ireo mpanoratra azy?
MIANTSO ny Baiboly hoe “ny fitambaram-boky izay azo inoana fa nisy heriny indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona” ny The New Encyclopædia Britannica. Hajain’ny olona maro fatratra ny Baiboly noho ny fahelany — nosoratana efa 3 500 taona lasa izay ny tapany sasany aminy. Kanefa, ny toroheviny azo ampiharina sy araka ny toetr’andro dia iray amin’ireo antony nanelezana maherin’ny telo arivo tapitrisa taminy sy nandikana azy, manontolo na tapatapany tamin’ny fiteny efa ho roa arivo, ka nahatonga azy ho ny boky nahalafosana betsaka indrindra nisy hatramin’izay, nanerana an’izao tontolo izao.
2 Ankoatra ireo anton-javatra rehetra ireo izay samy mahatonga ny fanajana ny Baiboly, dia mbola misy toetra manokana hafa mahatonga azy io hisy heriny sy hanintona aoka izany tamin’ny fotoana rehetra — ny filazan’ny tenany ho fanambarana nomen’ny tsindrimandry avy tamin’ilay Andriamanitra Tsitoha. I Mosesy, izay nanambatra ny Torah (ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly), dia “nanoratra” ny teny rehetra nolazain’Andriamanitra taminy, izay mahafaoka ny fitantarana ny famoronana, ny fitantarana ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa, sy ny tantaran’ny fifandraisana manokana nananan’i Abrahama sy i Mosesy tamin’Andriamanitra. (Eksodosy 24:3, 4). Nilaza toy izao i Davida Mpanjaka: “Ny fanahin’ny TOMPO no niteny tamin’ny alalako, ny hafatra avy aminy no teo amin’ny lelako.” (2 Samoela 23:2). Nanao filazana ny amin’ny fitarihan’Andriamanitra azy tahaka izany koa ireo olona hafa nanoratra ny Baiboly. Ireny soratra rehetra ireny mitambatra no mahaforona ny fanazavan’ny tenan’Andriamanitra mihitsy ny tantara — ny heviny sy ny fanazavana azy marina ary ny vokany farany. Ireo olona maro samy hafa nanoratra ny Soratra Masina — mpanjaka, mpiasa tanana nokaramaina, mpisorona sy hafa — izy rehetra ireo dia nanao zavatra tamin’ny naha-mpitantsoratra rehefa nitana an-tsoratra ny hevitr’Andriamanitra, Ilay Mpanao ny Baiboly sady Mpiantoka ny fampanantenany.
3. Inona no mampiseho fa tsy hoe tsy azo ampifanarahina akory ny finoana an’Andriamanitra sy ny finoana ny siansa?
3 Koa satria ny Baiboly milaza ny tenany ho nahazo fahefana avy amin’Andriamanitra, ny fanontaniana voalohany ataon’ny olona maro angamba dia mifandray amin’ny tena fisian’ilay Mpanao azy. Olona maro no mandà an-kitsirano ny fisian’Andriamanitra. Ny hafa, izay mihevitra fa nolavin’ny olona manan-tsaina rehetra ny hevitra momba an’Andriamanitra sy ny finoana ny Baiboly, dia manontany toy izao: “Nahoana ny mpahay siansa no tsy mino an’Andriamanitra?” Moa ve tena marina izany fiheverana izany? Nilaza ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety New Scientist fa ny “fiheverana ekena matetika fa tsy mpino ireo mpahay siansa (...) dia fiheverana diso tanteraka”.2 Manao tatitra io lahatsoratra io ihany fa ny famotopotorana sendra natao tany amin’ny oniversite sy ny toeram-panaovana fikarohana ary ny laboratoara ara-taozava-baventy dia mampiseho fa “mpahay siansa 8 amin’ny 10 no manaraka finoana ara-pivavahana iray na mankasitraka fotopoto-pitsipika ‘tsy ara-tsiansa’ ”. Noho izany, dia tsy azo atao ny milaza amin’ny fomba hentitra fa tsy azo ampifanarahina amin’ny finoana ny siansa na ny mpahay siansa. (Jereo ny efajoro “Zava-misy Ve ny Fivoarana Miandalana?”)
Moa ve misy porofon’ny maha-avy tamin’ny tsindrimandry azy io?
4. Fahamarinana ara-tsiansa inona avy no nambara tao amin’ny Baiboly efa an’arivony taona maro lasa izay?
4 Na dia tonga amin’ny famaranan-kevitra aza ny olona iray fa misy porofo mampiaiky ny amin’ny fisian’ny Mpamorona, dia mbola mitoetra ny fanontaniana raha nanome tsindrimandry ny olona izy mba hitana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly ny heviny sy ny fikasany. Misy antony maro ahazoantsika antoka fa izany tokoa no nitranga, ka ny iray amin’izany dia ny fahamarinany ara-tsiansa. (Jereo ny efajoro “‘Tamin’ny Voalohany Andriamanitra Nahary’ (...)”.) Ohatra, maherin’ny 3 000 taona lasa izay, dia nilaza i Joba fa “manantona ny tany amin’ny tsy misy” Andriamanitra. (Joba 26:7, JP). Teo amin’ny 2 700 taona lasa izay, dia nanambara i Isaia mpaminany fa “mipetraka ambonin’ny boriborin’ny tany” Andriamanitra. (Isaia 40:22, JP). Ahoana àry no nahalalan’i Joba sy i Isaia ireo fahamarinana fototra ara-tsiansa ireo izay milaza fa mihantona eo amin’ny habakabaka ny tany ary bola (sphère) izy io? Angamba fantatra tsara izany amin’izao fotoana izao, nefa ireo fanambarana ireo dia natao tamin’ny fotoana izay tsy nandrenesana akory momba ny fahalalana toy izany. Moa ve tsy ny fanambarana avy amin’Andriamanitra no fanazavana ara-dalàna indrindra?
5, 6. Fahatanterahan’ny faminaniana inona avy no manome porofo fa nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra ireo mpanoratra ny Baiboly?
5 Ny faminaniana raketiny, tantara voasoratra talohan’ny hitrangany raha ny marina, angamba no toetra lehibe indrindra mampiavaka ny Baiboly izay manamarina ny filazany ho avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Ohatra, i Isaia mpaminany dia tsy naminany fotsiny fa horavan’i Babylona i Jerosalema ka hoentina ho babo ny firenena jiosy iray manontolo, fa naminany koa izy fa any aoriana dia handresy an’i Babylona i Kyrosy, jeneraly persiana, ary hanafaka ny Jiosy avy amin’ny fahababoana. (Isaia 13:17-19; 44:27–45:1). Fomba hafa inona no azo eritreretina ho nahafahan’i Isaia haminany tsy misy diso, 200 taona mialoha ny hahaterahan’i Kyrosy sy hilaza ny anarany ary ny zavatra hataony amin’ny fomba hentitra, raha tsy avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra? (Jereo ny efajoro “Andriamanitra — ‘Ilay Mpampiharihary Zava-miafina’ Amin’ny Alalan’ny Faminaniana.”)
6 Ny sasany amin’ireo faminaniana mahavariana indrindra dia nosoratan’i Daniela, mpaminany iray izay niaina tany amin’ny taonjato fahenina al.f.i. Tsy naminany fotsiny ny hianjeran’i Babylona teo an-tanan’ny Mediana sy ny Persiana izy, fa naminany koa fisehoan-javatra hitranga ela atỳ aorian’ny androny, amin’ny hoavy mbola lavitra. Ohatra, nilaza mialoha ny hisandratan’i Grisia tamin’ny naha-empira naneran-tany teo ambany fitarihan’i Aleksandra Lehibe (336–323 al.f.i.) ny faminanian’i Daniela, ny hizarazarana ny empiran’i Aleksandra tamin’ireo jeneraliny efatra, taorian’ny nahafatesany talohan’ny fotoana, ary ny hisandratan’ny Empira Romana, nanana hery ara-tafika nahatahotra (taonjato voalohany am.f.i.). (Daniela 7:6; 8:21, 22). Ireo fisehoan-javatra rehetra ireo ankehitriny dia zava-nisy ara-tantara tsy azo lavina.
7, 8. a) Fanomezan-tsiny inona no nataon’ny olona sasany momba ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly? b) Inona no manamarina fa tsy marim-pototra ny fiampangana ny Baiboly ho misy fitaka?
7 Koa satria hita fa marina aoka izany ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, dia noharatsin’ireo mpanakiana ho toy ny fitaka izy ireny, izany hoe lazainy fa tantara nosoratana taorian’ny nitrangan’ny zava-nisy ary nomena endrika faminaniana. Nefa, ahoana no ahafahan’ny olona iray hilaza ara-dalàna fa ho sahy hamorona faminaniana ny mpisorona jiosy? Ary nahoana izy ireo no handeha hamorona faminaniana izay nahitana ny fanakianana mafy indrindra mety hisy namely ny tenany? (Isaia 56:10, 11; Jeremia 8:10; Zefania 3:4). Ankoatra izany, ahoana no ahafahan’ny firenena iray manontolo nahay namaky sy nanoratra, izay nampiofanina sy nampianarina tamin’ny Baiboly ary nanaiky azy io ho toy ny bokiny masina, hanjary ho voafitaka toy izany? — Deoteronomia 6:4-9.
8 Ahoana moa no mety hisian’ny fitaka mifandray amin’ny fanjavonan’ny sivilizasiona manontolo, toy ny an’i Edoma sy i Babylona, raha nitranga taonjato maro taorian’ny namitana ny fanoratana ny Soratra Hebreo ireo fisehoan-javatra ireo? (Isaia 13:20-22; Jeremia 49:17, 18). Na dia misy manatitrantitra aza fa tsy nosoratana tamin’ny vanim-potoana nahaveloman’ireo mpaminany mihitsy ireo faminaniana ireo, dia mbola voarakitra an-tsoratra talohan’ny taonjato fahatelo al.f.i. izy ireny satria tamin’izany dia efa voadika tamin’ny teny grika tao amin’ny Septante. Ireo Horonambokin’ny Ranomasina Maty koa (izay mahafaoka tapany amin’ireo boky ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly) dia nosoratana tamin’ny taonjato faharoa sy voalohany al.f.i. Araka ny nomarihina, dia taorian’ ireo daty ireo vao tanteraka ny faminaniana maro.
Feno fifanoheran-kevitra ve ny Baiboly?
9-12. a) Nahoana no milaza ny olona sasany fa mifanohitra ny teny ao amin’ny Baiboly? b) Ahoana no azo andaminana ny atao hoe “fifanoheran-kevitra” sasany?
9 Nefa hanohitra toy izao angamba ny sasany: ‘Feno fifanoheran-kevitra sy fahasamihafan-kevitra ny Baiboly.’ Matetika tokoa ireo izay manao izany fanambarana izany no tsy namotopototra manokana ilay raharaha, fa nandre fotsiny momba izay lazaina fa ohatra iray na roa nolazain’ny hafa. Raha ny marina, ny ankamaroan’izay lazaina fa fahasamihafana dia mora hazavaina raha tadidina fa, matetika no namintina ny foto-kevitra noresahiny ireo izay nanoratra ny Baiboly. Ohatra iray ny amin’izany izay hita ao amin’ny fitantarana momba ny famoronana. Tamin’ny fampitahana ny Genesisy 1:1, 3 (MG) tamin’ny Genesisy 1:14-16, dia nanontany ny olona maro hoe ahoana no hetezan’ny hoe “nanao” ireo fanazavana Andriamanitra tamin’ny andro famoronana fahefatra, nefa ny fahazavana — izay miharihary fa avy amin’ireo fanazavana ireo ihany — dia nahatratra ny tany tamin’ny andro famoronana voalohany. Teto, dia nanafoana ny ilana fanazavana lava be ilay mpanoratra hebreo, tamin’ny fifidianana tamim-pitandremana ny teny nampiasainy. Mariho fa ny andininy faha-14-16 dia miresaka ny amin’ny hoe ‘fanaovana’ ampifanoherina amin’ny hoe ‘fahariana’ eo amin’ny Genesisy 1:1, ary ny “fanazavana” amin’ny hoe “mazava” eo amin’ny Genesisy 1:3. Milaza izany fa tamin’ny andro famoronana fahefatra vao nanjary hita mazava teo amin’ny atmosfera matevin’ny tany, ny masoandro sy ny volana, izay efa nisy tamin’izay.a
10 Nahatonga fisafotofotoana sasany koa ireo lisitry ny tetirazana. Ohatra, i Ezra dia manome lisitr’anarana 23 ao amin’ny tetirazanan’ny mpisorona nataony ao amin’ny 1 Tantara 5:29-40 (6:3-14, NW ), nefa anarana 16 monja no voasoratra ho an’ny vanim-potoana mitovy, rehefa manome ny tetirazany manokana izy ao amin’ny Ezra 7:1-5. Tsy fahasamihafana akory izany, fa fanafohezana fotsiny. Ambonin’izany, dia araka ny antony ananan’ilay mpanoratra rehefa mitana an-tsoratra fisehoan-javatra iray izy, no nanamafisany na nanamaivanany na nampidirany na tsy niresahany tsipirian-javatra, izay nolazain’ny mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly tamin’ny fomba tsy nitovy rehefa nanoratra io fisehoan-javatra io ihany izy. Tsy fifanoheran-kevitra akory ny toy izany, fa fitantarana tsy mitovy kosa, manome taratry ny fomba fijery zavatra nananan’ilay mpanoratra ary nifanaraka tamin’ny olona tiany hiresahana.b
11 Matetika dia azo hazavaina ny toa tsy fitoviana raha mijery ny teny manodidina fotsiny. Ohatra, ny hoe “Taiza i Kaina no nahita ny vadiny?” dia fanontaniana fandre matetika, mampisongadina ny finoana fa misy fahasamihafana ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly. Noheverina fa tsy nanana afa-tsy zanaka roa lahy i Adama sy i Eva, dia i Kaina sy i Abela. Mora alamina ny zava-tsarotra raha manohy mamaky ilay olona. Milaza toy izao ny Genesisy 5:4: “Taorian’ny nahaterahan’i Seta, dia niaina 800 taona i Adama ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy izy.” Noho izany, dia nanambady ny iray tamin’ireo anabaviny i Kaina na angamba ny zanaky ny iray tam-po taminy, ka izany dia ho nifanaraka tanteraka tamin’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho amin’ny fitomboan’ny taranak’olombelona. — Genesisy 1:28.
12 Miharihary fa nisy tsipirian-javatra maro tamin’ny tantaran’ny olombelona tsy noraketina an-tsoratra tao amin’ny Firaketan’Andriamanitra. Nefa ny tsipirian-javatra rehetra nilaina ho an’ireo izay namaky azy io voalohany sy ho antsika amin’izao andro izao, dia nampidirina tao, ka nahatonga azy io tsy havesatra na ho sarotra vakina.
Natao ho takatry ny mpivaofy teny fotsiny ve?
13-15. a) Nahoana no mino ny olona sasany fa sarotra loatra ho antsika ny mahatakatra ny Baiboly? b) Ahoana no ahalalantsika fa nikendry ny hahatakarana ny Teniny Andriamanitra?
13 Moa ve ianao efa mba nanontany hoe: “Nahoana no misy fanazavana maro be sy mifanohitra momba ny teny ao amin’ny Baiboly?” Rehefa mahita ireo filoham-pivavahana mifanohitra amin’izy samy izy ny olona tso-po sasany, dia manjary sahiran-tsaina sy kivy. Tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra ny olona maro fa tsy mazava sady ahitana fifanoheran-kevitra ny Baiboly. Vokatr’izany, dia mandà tanteraka ny Baiboly izy ireny, satria mino izy fa sarotra loatra ny mamaky sy ny mahatakatra azy io. Ny hafa, rehefa sendra izany fanazavana ara-pivavahana be dia be isan-karazany momba ny teny izany, dia misalasala ny handalina ny Soratra Masina. Hoy ny sasany hoe: “Ireo manam-pahaizana dia nianatra nandritra ny taona maro tany amin’ireo seminera ara-pivavahana. Ahoana no hahafahako hisalasala ny amin’izay ampianariny?” Nefa, izany ve no fomba fijerin’Andriamanitra ny raharaha?
14 Rehefa nanome ny Lalàna ho an’ny firenen’Isiraely Andriamanitra, dia tsy nilaza izy fa nanome azy ireo rafi-panompoam-pivavahana izay tsy ho takany, ka tokony havela ho eo an-tanan’ireo olon-kendry nianatra teolojia na “mpivaofy teny”. Tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nanambara toy izao Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 30:11, 14 (MG): “Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra. Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.” Ilay firenena iray manontolo, fa tsy ny filohany fotsiny, no nilazana toy izao: “Ary ataovy ao am-ponao ireo teny andidiako anao anio ireo. Ataovy latsaka am-pon’ny zanakao izany. Averimbereno aminy izany na mipetraka ao an-tranonao hianao, na manao dia lavitra, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:6, 7). Ireo didin’Andriamanitra, izay rehetra nasainy nosoratana, dia ampy fahazavana mba harahin’ilay firenena manontolo, ny ray aman-dreny sy ny zanaka.c
15 Efa hatramin’ny andron’i Isaia no niharan’ny fanamelohan’Andriamanitra ireo filoha ara-pivavahana noho ny nakany andraikitra tamin’ny nanampiany sy tamin’ny nanazavany manokana ny hevitr’ireo lalàn’Andriamanitra. Nanoratra toy izao i Isaia mpaminany: “Fa manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fanompoam-pivavahany atolony ho Ahy dia didin’olombelona, ianarana tsianjery fotsiny.” (Isaia 29:13). Ny fanompoam-pivavahany dia nanjary didin’olombelona fa tsy ny an’Andriamanitra. (Deoteronomia 4:2). Ireny “didin’olombelona” ireny, ny fandraisany manokana ny hevitry ny teny sy ny fanazavany azy no mifanohitra fa tsy ny tenin’Andriamanitra. Tahaka izany koa ny amin’izao androntsika izao.
Misy fototra ara-baiboly ve ilay antsoina hoe Torah Nampitaina Am-bava?
16, 17. a) Inona no inoan’ny olona sasany momba ny lalàna iray nampitaina am-bava? b) Inona no ambaran’ny Baiboly momba ny lalàna nampitaina am-bava?
16 Mino ny olona sasany fa nahazo “Torah Nampitaina Am-bava” i Mosesy ho fanampin’ny “Torah Voasoratra”. Araka an’io finoana io, dia nodidian’Andriamanitra fa tsy hosoratana ny didy sasany fa hiampitampita am-bava kosa ho amin’ny taranaka mifandimby, ka noho izany dia ho voatahiry fotsiny amin’ny alalan’ny lovantsofina. (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-10.) Kanefa, ny fitantaran’ny Baiboly dia mampiseho mazava fa tsy nodidiana velively hampita lalàna am-bava i Mosesy. Milaza amintsika toy izao ny Eksodosy 24:3, 4: “Dia tonga Mosesy ka namerina tamin’ny olona ny didy rehetra nataon’ny TOMPO sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: ‘Ny zavatra rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay!’ ” Avy eo i Mosesy dia “nanoratra ny didy rehetra nataon’ny TOMPO”. Ambonin’izany, ao amin’ny Eksodosy 34:27, dia izao no lazaina amintsika: “Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: Soraty ireo didy ireo, satria araka ireo didy ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ny Isiraely.” Tsy nanana toerana tao amin’ilay fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny Isiraely ny lalàna iray nampitaina am-bava. (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-8.) Na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly dia tsy ahitana firesahana ny amin’ny fisian’ny lalàna nampitaina am-bava iray.d Mbola zava-dehibe kokoa ihany fa ny fampianarany dia mifanohitra amin’ny Soratra Masina, ka mampitombo ny fiheverana diso hoe mifanohitra ny teny ao amin’ny Baiboly. (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-22.) Nefa olona fa tsy Andriamanitra no tompon’andraikitra amin’izany fisafotofotoana izany. — Isaia 29:13. (Jereo ny efajoro “‘Fanomezam-boninahitra ny Anaran’Andriamanitra’”)
17 Tsy mba tahaka ireo fanazavana mifanohitra ataon’ny olona, fa mazava sy mendri-pitokiana ny tenan’ny Baiboly. Nanome antsika porofo be dia be Andriamanitra ao anatin’ny Teniny, fa ilay tontolo feno fiadanana hitan’i Isaia tao amin’ny fahitana, ao amin’ny Isaia 2:2-4 dia tsy hoe nofinofy fotsiny fa zava-misy efa antomotra. Tsy misy afa-tsy ny tenan’Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny faminaniana, ilay Andriamanitry ny Baiboly, no hahatonga izany.
a Tokony homarihina fa ny “andro” famoronana enina dia tsy mahafaoka ny fanambarana eo amin’ny Genesisy 1:1, izay miresaka ny amin’ny famoronana ny zavatra eny amin’ny lanitra. Ambonin’izany, ny teny hebreo nadika hoe “andro” dia mamela hihevitra fa ny fisehoan-javatra lazalazaina ao amin’ny Genesisy 1:3-31 dia nitranga nandritra ny ‘vanim-potoana’ enina, izay tokony ho nisy an’arivony taona maro ny halavany. — Ampitahao amin’ny Genesisy 2:4.
b Raha mila ohatra, dia jereo ilay hoe “Misy Zavatra Mifanohitra ve ao Amin’ny Baiboly?”
c Ireo fanontaniana sarotra nitranga tamin’ny fitsarana dia nalamina tamin’ny alalan’ny fandaharana ara-pitsarana nolazaina mazava. (Deoteronomia 17:8-11). Mba hahazoana ny valin-tenin’Andriamanitra tamin’ny raharaha hafa lehibe izay toa tsy nazava, dia tsy notarihina ho amin’ny lalàna am-bava ilay firenena fa ho amin’ny Orima sy Tomima kosa, izay teo an-tanan’ireo mpisorona. — Eksodosy 28:30; Levitikosy 8:8; Nomery 27:18-21; Deoteronomia 33:8-10.
d Mahita hevitra ny amin’ny hoe nety ho nisian’ny lovantsofina avy tamin’ny tsindrimandry ny sasany, rehefa mamaky ny andinin-teny ao amin’ny Deoteronomia 17:8-11. Kanefa, araka ny efa nolazaina eo amin’ny fanamarihana ambany pejy eo amin’ny fehintsoratra faha-14, ilay andinin-teny dia mifandray fotsiny amin’ny fomba arahina amin’ireo zava-niseho ara-pitsarana. Mariho fa ny raharaha iadian-kevitra dia tsy ny hoe nampitaina tamin’ny taonjato maro nifandimby sa tsia ny fomba amam-panao na lovantsofina samy hafa. Tsy isalasalana fa nisy lovantsofina sasany nampitaina momba ny fomba hanatanterahana amin’ny fomba voafaritra tsara ireo lafiny sasany amin’ny Lalàna. Nefa ny faharetan’ny lovantsofina iray hatramin’ny ela dia tsy manamarina ny maha-avy tamin’ny tsindrimandry azy. Ohatra, mariho ilay lovantsofina izay nitombo momba ilay menarana varahina. — Nomery 21:8, 9; 2 Mpanjaka 18:4.