Fahafantarana An’ilay Andriamanitra Marina — Inona no Hevitr’izany?
1, 2. Araka ny Isaia 2:3, fanasana inona no atao amin’ny andro farany, ary ho an’iza?
NY FAMINANIANA mampientam-po nataon’i Isaia momba ny andro farany dia manolotra fanasana iray tokony hahaliana ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Fanasana hahafantatra manokana an’ilay Andriamanitra marina izany: “Ary maro ny firenena no hiainga ka hilaza hoe: ‘Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba; mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany, ka hahafahantsika handeha amin’ny atorony.’ ”a — Isaia 2:3.
2 Mampiseho io faminaniana io fa amin’ny andro farany, mba hanampiana azy ireo hahafantatra an’ilay Andriamanitra marina, dia hotarihina ho amin’ny loharanom-pampianarana iombonana ny olona avy amin’ny firenena maro ambonin’ny tany. Fahamarinana inona avy no hianarany ka hampiray azy ireo ao amin’ny fatoran’ny tena fiadanana?
3. Ahoana no saika nahavery ny fampianarana lehibe iray ao amin’ny Baiboly noho ny lovantsofina?
3 Ny fampianarana lehibe iray miavaka ao amin’ny Baiboly, saika very noho ny lovantsofina, dia ny fahafahana manorina fifandraisana manokana indrindra amin’Andriamanitra, ilay Raintsika sady Mpamorona antsika any an-danitra, amin’ny fiantsoana azy amin’ny anarany. Iza no olona manana sakaiza tiana sy lalaina ka mandà ny hampiasa ary na dia ny hanonona ny anarany aza rehefa anontaniana momba izany? Mazàna dia ny fahavalo ihany no hamavoina toy izany, ka aleo tsy hajaina akory na dia amin’ny fanononana ny anarany aza. Ny fifandraisana manokana nisy teo amin’ny Isiraely fahiny sy ny Andriamaniny — tamin’izany no nahalalany azy tamin’ny anarany — dia nasehon’ilay mpanao salamo fahiny tamin’ny fomba kanto toy izao: “Satria Izaho no nifikirany, dia hanafaka azy Aho; hiaro azy amin’ny loza Aho, satria mahalala ny Anarako izy.” — Salamo 91:14.
Tokony hampiasaintsika ve ny anaran’Andriamanitra?
4, 5. Inona no hevitry ny anaran’Andriamanitra?
4 Amin’ny fomba fijerin’ny Baiboly, dia tsy misy fisalasalana mihitsy momba ny anaran’ilay Andriamanitra marina. Rehefa niresaka tamin’i Mosesy Andriamanitra, ka nanazava taminy fa hampiasa azy Izy mba hanafaka ny firenen’Isiraely avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta, dia nanao izao fanontaniana ara-dalàna izao i Mosesy: “Rehefa tonga any amin’ny Isiraelita aho ka manao aminy hoe: ‘Ny Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo’, ary hanontany ahy kosa izy ireo hoe: ‘Iza moa no Anarany?’ dia ahoana no holazaiko aminy?” Namaly toy izao Andriamanitra: “Izao no holazainao amin’ny Isiraelita: Ny TOMPO [Hebreo, יהוה = YHWH = Yahweh, na Jehovah hatramin’ny taonjato faha-13 am.f.i.], Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo: Izany no ho Anarako mandrakizay, ary izany no Fiantsoana [fahatsiarovana, JP] Ahy mandrakizay doria.” — Eksodosy 3:13, 15, sora-mandry nataonay.
5 Io anarana io dia feno heviny ho an’izay mahay ny fiteny hebreo. Avy amin’ny fototeny hebreo hoe הוה, h·w·h, midika hoe “mahatonga” no niaviany. Kanefa, amin’ny endriny causative (na mahatonga), Hiph·ʽilʹ, ilay anarana, araka ny fitsipi-pitenenana hebreo. Noho izany, dia tsy mifandray amin’ny fisian’Andriamanitra mandrakizay ny heviny fototra, fa amin’ny fanaovany izay hahatonga na hampitranga zavatra kosa. Marina indrindra izany amin’ny heviny manokana momba ny fikasany. Rehefa nikasa ny hanafaka ilay firenena voafidiny avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta izy, dia nahatonga izany. Tsy nisy mihitsy fahefana afaka nanohitra ny sitrapony voambara. I Jehovah dia Andriamanitra manao izay hahatanteraka ny fikasany. Araka izany, dia izy no manao ny tenany hanjary ho ilay Mpanatanteraka ny fampanantenany. Marina koa izany raha ny amin’ny fikasany hanafaka ilay firenena voafidiny avy tamin’ny fahababoana tany Babylona. Mbola marina koa izany momba ny fikasany hitondra toe-piainana paradisa eto amin’ity tany ity. Ny anarany mihitsy no manome heviny sy antoka ho an’ireny fampanantenana ireny. — Isaia 41:21-24; 43:10-13; 46:9, 10.
6-9. a) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy mandrara ny fampiasana ny anarany Andriamanitra? b) Tamin’ny fomba ahoana ary oviana no tonga anisan’ny Jodaisma ny fandrarana ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra?
6 Nefa moa ve tsy andrarana ao amin’ny Didy Folo ny fanononana ny anaran’Andriamanitra? Tsy izany velively! Na dia nohazavain’ny olona maro tamin’izany heviny izany aza ny didy fahatelo, dia mariho ny fanazavana omena ao amin’ny Encyclopaedia Judaica: “Avy tamin’ny tsy fahazoana ny hevitry ny Didy Fahatelo (Eks. 20:7; Deot. 5:11) (...) ny tsy fetezana hanonona ny anarana hoe YHWH, toy ny midika hoe ‘Aza mandray foana ny anaran’i YHWH Andriamanitrao’ kanefa ny tena heviny kosa dia hoe ‘Tsy tokony hianiana tsy to amin’ny anaran’i YHWH Andriamanitrao ianao.’ ”5 Mariho fa tsy mandrara ny ‘fandraisana’ na ny fanononana ny anaran’Andriamanitra ilay andinin-teny. Kanefa, na dia nidika ho fandraisana “foana” ny anaran’Andriamanitra aza izany, dia mariho izay ambaran’ilay voambolana hebreo nataon’i Koehler sy i Baumgartner momba ny teny hebreo nadika hoe “foana” (Hebreo, lash·shawʹʼ): “manonona anarana tsy amin’ny antony (...) mampiasa anarana amin’ny fomba ratsy”.6 Noho izany, dia tsy mandrara ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra io didy io fa, ny fampiasana azy amin’ny fomba ratsy kosa.
7 Nefa ahoana ny amin’ny fanaporofoan-kevitra ilazana fa “masina loatra ka tsy tokony hotononina” ny anaran’Andriamanitra? Moa ve tsy toa ara-dalàna fa raha nihevitra ny anarany ho masina loatra Andriamanitra ka tsy tokony hotononin’ny olona, dia tsy tokony ho nanomboka nanambara azy io izy? Ny hoe nahitana ny anarana manokan’Andriamanitra maherin’ny in-6 800 tao amin’ireo andinin-teny tany am-boalohany amin’ny Soratra Hebreo, dia mampiseho fa iriny ny hahafantaran’ny olona azy sy ny hampiasana ny anarany. Tsy nametra velively ny fampiasana ny anarany mba hiarovana amin’ny tsy fanajana Andriamanitra, fa nampirisika imbetsaka ary nandidy ny olony mihitsy aza hampiasa ny anarany sy hampahafantatra azy io. Ny fanaovana toy izany dia porofon’ny fifandraisana akaiky nananany taminy ary koa porofon’ny fitiavan’izy ireo azy. (Salamo 91:14). Nasehon’i Isaia mpaminany mazava ny sitrapon’Andriamanitra tamin’io lafiny io, rehefa nanambara toy izao izy: “Miderà ny TOMPO [Hebreo, יהוה = YHWH = Jehovah], ambarao ny anarany. Ampahafantaro any amin’ireo firenena ny Asany; lazao fa misandratra ny Anarany.” — Isaia 12:4. Jereo koa ny Mika 4:5; Malakia 3:16; Salamo 79:6; 105:1; Ohabolana 18:10.
8 Raha toa ka tsy nirin’i Jehovah ny hanononan’ny olona ny anarany, dia ho nandrara izany tamin’ny fomba mazava izy. Na aiza na aiza anefa ao amin’ny Baiboly dia tsy ahitana fandrarana ny fampiasana amin’ny fomba mety ny anarany na ny fanononana azy io. Nampiasa nalalaka ny anarany ireo olo-nahatoky tamin’ny andron’ny Baiboly. (Genesisy 12:8; Rota 2:4; 4:11, 14). Raha ny marina, dia nomelohin’Andriamanitra imbetsaka ireo izay nahatonga ny olony hanadino ny anarany masina. — Jeremia 23:26, 27; Salamo 44:21, 22 (44:20, 21, MG).
9 Nefa, ahoana moa no nahatonga izany fandrarana izany hanjary ho anisan’ny fihevitra jiosy, kanefa mazava fa tsy hita tao amin’ny Baiboly? Ny fanazavana nomen’ny Dr. A. Cohen, raby sady mpanoratra ilay boky hoe Everyman’s Talmud, dia mampiseho fa nandritra ny taonjato maro dia nanjary niorina tsikelikely ilay lovantsofina. Nanoratra toy izao ny Dr. Cohen: “Tamin’ny vanim-potoan’ny Baiboly, dia toa tsy nisy mihitsy ahiahy tamin’ny fampiasana azy io teo amin’ny resaka andavanandro. Ny fanampiana hoe Jah na Jahu tamin’ny anarana manokana, izay fanao naharitra teo amin’ny Jiosy na dia taorian’ny fanaovana sesitany tany Babylona aza, dia manondro fa tsy nisy mihitsy fandrarana nanameloka ny fampiasana ilay Anarana misy litera efatra. Nefa, teo am-piandohan’ny vanim-potoan’ny raby dia noferana ho amin’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny Tempoly ihany ny fanononana ilay Anarana.” Nanao izao fanamarihana izao izy momba ny fivoaran’ny toe-javatra nandritra io vanim-potoana io: “Notononina hoe Adonai (ry Tompo) ilay anarana tao amin’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny Synagoga fa tsy JHVH; nefa nisy lovantsofina nilaza fa nampitain’ireo Olon-kendry ara-potoana tamin’ireo mpianany — indray mandeha na indroa isaky ny fito taona (Kiddushin 71a) — ny fanononana azy tany am-boalohany. Nitsahatra na dia io fanao io aza, fotoana fohy tatỳ aoriana, ary nanjary tsy fantatra tamin’ny fomba azo antoka intsony ny fomba fanononana ilay Anarana.”7 Izany no vokatra nentin’ny “didin’olombelona”. — Isaia 29:13; Deoteronomia 4:2; jereo ny pejy faha-9, fehintsoratra faha-15, 16.
Izay takina amin’ireo izay mitondra ilay Anarana
10-14. a) Inona no takin’Andriamanitra amin’ireo izay mitondra ny anarany? b) Endri-pahadiovana inona avy moa no takina amin’ireo izay maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra? d) Fitaomana vahiny avy amin’ny fanompoan-tsampy inona moa no namela soritra lalina teo amin’ny Jodaisma?
10 Miharihary fa tsy ampy fotsiny ny fahalalana ary na dia ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra aza mba hahazoan’ny olona iray ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ny fitondrana ny anaran’Andriamanitra amin’ny maha-iray amin’ireo mpivavaka marina aminy dia tombontsoa miavaka araka ny nambaran’i Jeremia mpaminany toy izao: “Nitondra fahafinaretana ho ahy ny teninao ary fifaliana ny fahafantarana fa ampiraisina amiko ny Anaranao.” (Jeremia 15:16). Misy andraikitra mavesatra anefa miaraka amin’io tombontsoa lehibe io. Nanantitrantitra ny amin’izany i Jehovah rehefa nanambara toy izao tamin’ny mpanjakan’ireo firenena jentilisa: “Ao amin’ny tanàna izay mitondra ny Anarako no anombohako hitondra fanasaziana.” (Jeremia 25:29). Rehefa nanafaka ny firenen’Isiraely tamin’ny fahababoana naharitra 70 taona tany Babylona i Jehovah, dia nampitandrina sahady ny olony toy izao, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Mialà, mivoaha, aza mikasika izay maloto raha mbola mivoaka avy eo aminy ianareo; madiova, ianareo izay mitondra ny fanaky ny TOMPO [יהוה]!” (Isaia 52:11). Inona no tafiditra amin’ny fitoerana ho madio amin’ny maha-mpivavaka marina, amin’ny maha-mpitondra ny anaran’ilay Andriamanitra masina indrindra, i Jehovah, amin’izao andro izao?
11 Azo antoka fa ny olona iray maniry ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra amin’ny fanompoam-pivavahana ataony dia tokony hanana fitondran-tena madio hatrany tokoa, indrindra mikasika ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena naorin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy. Mifanohitra amin’ny fari-pitsipika milefitra loatra misy eo amin’ny fitambaran’olona amin’izao andro izao, dia tsy mamela hisy fisalasalana na toerana ho an’ny fanazavana manokana ny Soratra Masina, rehefa milaza ny fanamelohan’Andriamanitra ny lainga, ny halatra, ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny famonoana olona, ary ny endri-pamitahana rehetra. (Eksodosy 20:12, 13 [20:12-16, NW ]; 23:1, 2; Levitikosy 5:1; 19:35, 36; 20:13). Tsy ny fanaovana zava-dratsy ihany no melohin’ny Soratra Masina, fa ny hevi-dratsy izay mitondra ho amin’ny fitondran-tena ratsy koa. — Eksodosy 20:17, MG; Levitikosy 19:17; Salamo 14:1-5; Joba 31:1, 9-11.
12 Ankoatra ny fahadiovam-pitondran-tena, dia hotakina tokoa amin’ireo izay hitondra ny anaran’i Jehovah ny fahadiovana ara-pivavahana. Nampitandrina imbetsaka ny firenen’Isiraely fahiny i Jehovah mba tsy ho voataonan’ny hevitra sy ny fanao ary ny fahazarana ara-pivavahan’ireo firenena nanodidina azy izay nanompo andriamani-kafa. Raha ny marina, dia niankina tamin’izao ihany — ny tsy fanahafan’izy ireo ny fanompoam-pivavahana dison’ireo firenena — no hahafahany hitoetra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Levitikosy 18:24-30; Deoteronomia 12:29-31). Tsy ny fanompoan-tsampy ihany no norarana tamin’ny fomba mazava, fa ny endriny rehetra amin’ny fanao sy ny finoana misy finoanoam-poana koa, toy ny fanandroana, ny spiritisma, ny filazana ny hoavy, ny majika ary ny fivavahana amin’ny maty na fanontaniana azy ireny. — Eksodosy 20:3-5; 22:17 (22:18, NW ); Levitikosy 20:27; Deoteronomia 18:9-13; Isaia 8:19, 20; 47:13; Jeremia 10:2.
13 Mifamatotra akaiky amin’ny fahadiovana ara-pivavahana ny fahadiovana eo amin’ny foto-pampianarana. Ny fampitandremana mba tsy hanahaka ny fanao ara-pitondran-tena sy ny fanompoam-pivavahan’ireo firenena nanodidina azy ireo dia vao mainka nihatra taorian’ny fotoana nakan’ny firenen’Isiraely ny tany teo amin’ny Kananita. Nasehon’i Jehovah tamin’ny olony ny fahamarinana ara-pivavahana. Izy ireo irery no nanompo ilay Andriamanitra marina, i Jehovah. (Eksodosy 19:5, 6; Deoteronomia 4:32-37; Salamo 147:19, 20). Izy ireo irery no nahafantatra manokana an’io Andriamanitra io ary, ny naha-vavolombelony azy ireo dia nahafahany nampianatra ny hafa momba azy. (Isaia 43:9-12; Salamo 105:1). Mifanohitra amin’izany, ireo fomba sy fanao ara-pivavahan’ireo firenena hafa dia nahitana taratry ny tsy fananana fahalalana fototra an’Andriamanitra. — Isaia 60:2.
Ohatra iray monja ny amin’ny fitaran’ny fitaoman’ny hevitra sy ny kolontsaina grika teo amin’ny Jodaisma ny gorodon’ity synagoga tranainy ao Tiberiasy, any Isiraely ity. Mariho ireo famantaran’ny zodiaka miaraka amin’ireo anarany voasoratra amin’ny teny hebreo. Eo afovoany ny sarin’ilay andriamanitra masoandro atao hoe Helios
14 Na dia nanana fiaingana tsara aza ny firenen’Isiraely, dia imbetsaka izy ireo no voataonan’ireo hevitra ara-pivavahana vahiny. (Mpitsara 2:11-13; 1 Mpanjaka 18:21; Jeremia 2:11-13; Ezekiela 8:14-18). Na dia namela soritra naharitra aza ny kolontsaina kananita sy babyloniana, ny fihaikana lehibe indrindra nisy natrehin’ny Jodaisma dia tonga nandritra ny fotoan’ny fanomezana toetra grika ny kolontsaina, nentin’ny Empira Grika.b Raha nilaza tamin’ny ambangovangony izany vanim-potoana lava nisian’ny fitaoman’ny kolontsaina grika izany, izay niitatra teo amin’ny taonjato fahefatra al.f.i. ka tonga hatrany amin’ireo taonjato voalohandohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, ilay mpanoratra jiosy atao hoe Max Dimont, dia nanao izao fanamarihana izao: “Nisalotra ny hevitr’i Platon, ny lojikan’i Aristote, ary ny fahaizan’i Euclide ireo manam-pahaizana jiosy ka nanatona ny Torah niaraka tamin’ny fitaovam-piasana vaovao. (...) Nataon’izy ireo izay hanampiana fihevitra grika tamin’ny fanambarana jiosy.”
Manana fanahy tsy mety maty ve ny olona?
15-17. a) Inona no ampianarin’ny Baiboly momba ny fahafatesana sy ny fanahy? (Jereo ny efajoro “Fahafatesana sy Fanahy — Inona Moa Izy Ireo?”) b) Fanantenana inona no tahirizin’ny Baiboly ho an’ireo olona efa maty?
15 Moa ve niharan’ny hery mitaona ny foto-pampianarana sy ny zavatra ara-pivavahana ninoan’ny Jodaisma nandritra izany vanim-potoana izany? Miaiky amim-pahatsorana toy izao ny Encyclopaedia Judaica: “Azo inoana fa teo ambanin’ny fitaomana grika no nidiran’ny fampianarana ny amin’ny tsy fetezan’ny fanahy (âme) ho faty tao amin’ny Jodaisma.”8 Mampianatra tsotra sy mazava ny Soratra Hebreo fa ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny olona dia ny hiainany mandrakizay ao anatin’ny fahasalamana tanteraka eto ambonin’ity tany ity. (Jereo ny fizarana “Inona no Fikasan’Andriamanitra ny Amin’ny Olombelona?”, fehintsoratra faha-2 ka hatramin’ny faha-4.) Toy izao no vakintsika ao amin’ny Genesisy 2:7: “Ary vovo-tany no namoronan’ny TOMPO Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona tao amin’ny vavorony; dia tonga tonga fanahy velona ny olona.” (JP). Mariho fa tsy milaza ilay andinin-teny hoe nomena fanahy ny olona, fa tonga fanahy kosa izy. Satria nikomy tsy tamim-pankatoavana tamin’Andriamanitra i Adama, ilay lehilahy voalohany, dia nomelohina ho faty izy. Noho izany, dia maty ilay fanahy olombelona Adama. Tsy nisy tapany taminy mbola velona tany amin’ny faritra hafa. Araka izany, ny hevitra ny amin’ny hoe fanahy tsy mety maty dia tsy fampianarana ao amin’ny Baiboly.c Milaza tsotra toy izao ny Baiboly: “Ny fanahy izay manota dia ho faty.” — Ezekiela 18:4, JP.
16 Izay ambaran’ny Soratra Masina momba ny toetran’ny maty dia mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly, izay milaza fa maty ny fanahy. Izao no vakintsika ao amin’ny Mpitoriteny toko faha-9, andininy faha-5 sy faha-10: “Fantatry ny velona fa ho faty izy. Fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona (...) Satria tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny Sheola [fasana iombonan’ny olombelona], izay alehanao.” (Ampitahao amin’ny Salamo 146:3, 4.) Nataon’Andriamanitra ho sazy ny fahafatesana. (Genesisy 2:17). Ny mifanohitra amin’ny fiainana izy io, fa tsy endri-piainana hafa. Koa satria izany no fahamarinana, dia tsy tokony hahagaga antsika ny tsy fahitana na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina firesahana ny amin’ny famaizana ao amin’ny afobe mirehitra (geh hin·nomʹ). Izany koa dia hevitra noraisina avy tamin’ny filozofia grika sy ny fampianaran’ny mpanompo sampy. Momba ny finoana jiosy mifono zava-miafina ny amin’ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao hafa (réincarnation), dia manambara toy izao ny The New Standard Jewish Encyclopedia: “Toa tany India no niavian’ilay hevitra. (...) Ao amin’ny Kabbalah [ireo bokin’ny Jodaisma mifono zava-miafina] dia hita voalohany izany ao amin’ny boky Bahir, ary avy eo, manomboka eo amin’ny Zohar, dia mazàna izany no neken’ireo mpanohana ny hevi-dalina momba ny fivavahana, ka nanjary nanana anjara asa lehibe teo amin’ny zavatra inoana sy ny haisoratra hasidika.”9
17 Koa satria ny fahafatesana dia ny mifanohitra amin’ny fiainana ary tsy miaina any amin’ny faritra hafa ny fanahy (âme), inona no fanantenana ho an’ireo izay efa maty? Mampianatra mazava ny Tenin’Andriamanitra fa aorian’ny famerenana indray ho an’ny olombelona ny toe-piainana paradisa eto an-tany amin’ny alalan’ny fisalovanan’ilay Mpanjaka mesianika voatendrin’Andriamanitra, dia haverina ho amin’ny fiainana indray ny ankamaroan’ireo maty. Matetika no resahina ho toy ny ‘fitsanganana amin’ny maty’ izany fampianarana ao amin’ny Baiboly izany. Tsy ireo izay nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana ihany no ho anisan’ireo hatsangana, fa maty an-tapitrisany maro koa, eny an’arivony tapitrisa maro aza, izay tsy nanana fahafahana feno mihitsy hianatra momba azy sy hanompo azy araka ny marina tokoa. — Daniela 12:2, 12 (13, MG, JP); Isaia 26:19; Joba 14:14, 15.
18, 19. Nahoana ny olona iray no tokony ho tonga amin’ny fahalalana an’ilay Andriamanitra marina, ary amin’ny fomba ahoana no ahafahany manao izany?
18 Moa ve tsy antony mahery ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra mba hitadiavana sy hahatongavana amin’ny fahalalana ilay Andriamanitra marina io fanantenana omen’ny Baiboly momba ny fananganana ho amin’ny fiainana lavorary eto an-tany io? Nefa, aiza no ahitana ny tena loharanon’ny fampianarana avy amin’i Jehovah amin’izao andro farany izao, araka izay voalaza ao amin’ny Isaia 2:2, 3? Iza no afaka mampianatra ny olona ny lalan’i Jehovah, mba ‘handehanany amin’ny atorony’? Amin’ny fanazavan’ny Baiboly nodinihina hatreto, afaka hanome izany fampianarana izany ve ny Jodaisma na ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
19 Araka ny faminaniana, dia hisy antokon’olona hitondra ny anaran’i Jehovah ao anatin’ny fahadiovana, izay hanompo marina tokoa amin’ny maha-Vavolombelony ary amin’ny maha-loharanom-pahazavana ara-panahy ho an’ireo firenena. — Isaia 60:2, 3.
a Mety hahatonga hihevitra ny famakiana tsotsotra an’io faminaniana io fa hisy fiovam-pinoan’ny olona maro be ho amin’ny Jodaisma amin’ny andro farany. Asehon’ny teny manodidina sy ny zava-miseho ankehitriny anefa fa tsy izany no fomba fijery mety. Hanampy koa amin’ny fahatakarana ny antony ahatongavantsika amin’izany famaranan-kevitra izany, ny hevitra dinihina ato amin’ity fizarana ity sy ao amin’ny manaraka.
b Nanomboka tamin’ny fotoana nanapahan’i Aleksandra Lehibe (336–323 al.f.i.), dia niara-nanao fiezahana ny Grika mba hampielezana ny filozofia sy ny kolontsaina ary ny fitenin’izy ireo tao amin’ireo tany rehetra tao anatin’ny Empira grika. Ireo izay nandray ny kolontsaina sy ny hevitra grika dia noheverina ho tonga Grika. Notohizina izany fiezahana hampiray hevitra ny kolontsaina hafa ho ao amin’ny an’i Grisia izany teo ambanin’ny Empira romana izay, na dia nandresy an’i Grisia aza, dia nahita ny kolontsainy sy ny filozofiany ho nanintona. Na dia teo anivon’ny maro tamin’ireo izay niharihary fa niady tamim-pikirizana mba hahatohitra izany fitaomana grika tsy hay tohaina izany aza, dia hitantsika ny porofo mazavan’ny nandraisany ny hevitra sy ny fanjohian-kevitra ary ny foto-pampianarana ara-pilozofia grika.
c Amin’ny fiteny hebreo ampiasaina ao amin’ny Baiboly, ny teny nadika hoe “fanahy” dia neʹphesh. Kanefa, ao amin’ny Jodaisma amin’izao andro izao, matetika ny teny hebreo hoe nesha·mahʹ dia heverina ho toy ny tapany amin’ny olona izay mbola velona aorian’ny fahafatesana. Mampiseho anefa ny fandinihana amim-pitandremana ny Soratra Masina fa tsy manome velively ny hevitra toy izany ny teny hoe nesha·mahʹ; manisy fitenenana fotsiny ny amin’ny fisefo (respiration) na ny amin’ny zavaboary miaina, olona na biby, izy io. — Genesisy 7:22; Deoteronomia 20:16, NW; Josoa 10:39, 40, NW; 11:11, NW; Isaia 2:22.