FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/1 p. 19-22
  • Manitsy Zavatra Tsy Ara-drariny ny Fitsarana Eoropeana Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manitsy Zavatra Tsy Ara-drariny ny Fitsarana Eoropeana Iray
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Naiditra am-ponja tamin’ny fomba tsy ara-dalàna
  • Nampidirina sy navoaka ny fonja
  • Fihetsika hatraiza hatraiza
  • Fampiakarana tany amin’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona
  • Voahitsy ilay tsy rariny
  • Notohanana ny fahalalahana ara-pivavahana
  • Nomena Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Gresy
    Mifohaza!—1997
  • Fampiasana ny Lalàna mba Hiarovana ny Vaovao Tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • ‘Miaro sy Manamafy Orina ny Vaovao Tsara Araka ny Lalàna’
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Nitaky ny Zony ny Vahoakan’i Jehovah
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/1 p. 19-22

Manitsy Zavatra Tsy Ara-drariny ny Fitsarana Eoropeana Iray

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRESY

TSY maintsy atao ny raharaha miaramila, eto Gresy. Tamin’ny fotoana rehetra, dia Vavolombelon’i Jehovah tokony ho 300 no tany am-ponja noho ny tsy netezany hanao raharaha miaramila. Mihevitra azy ireo ho voafonja noho ny feon’ny fieritreretana ny Amnesty International, ary matetika no nanasa ireo fitondram-panjakana grika nifandimby mba hanafaka azy ireo sy mba handany lalàna izay hamela azy ireo hanatontosa fanompoana sivily tsy karazana sazy.

Tamin’ny 1988, dia nisy lalàna vaovao nolanina mikasika ny raharaha miaramila. Anisan’ny zavatra hafa, dia nofaritan’izy io fa “ireto avy no afaka amin’ny raharaha miaramila: (...) Ireo zazavao izay minisitra ara-pivavahana, moanina na miofana ho moanina ao amin’ny fivavahana ekena iray, raha izany no tiany”. Afahana tsotra izao sy mora foana amin’ny raharaha miaramila ireo minisitra ara-pivavahana ao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika, ka tsy mba mahita olana na karazana fanitsakitsahana ny zon’olombelona fototra ananany. Hampiharina amin’ny minisitra ara-pivavahana ao amin’ny fivavahan’ny vitsy an’isa ve izany? Tsy ela dia nanome valiny ny fitsapana iray.

Naiditra am-ponja tamin’ny fomba tsy ara-dalàna

Nifanaraka tamin’io lalàna io, tamin’ny faramparan’ny 1989 sy teo am-piandohan’ny 1990, i Dimitrios Tsirlis sy i Timotheos Kouloumpas, izay minisitra ara-pivavahana voatendrin’ny Kongregasiona Afovoan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Gresy, dia nametraka fangatahana tany amin’ireo birao fiantsoana ho miaramila tokony halehany avy, mba ho afaka amin’ny raharaha miaramila. Nampiarahin’izy ireo tamin’ireo fangatahany ny taratasy ofisialy manaporofo fa minisitra ara-pivavahana eo am-perinasa izy ireo. Araka ny nampoizina, dia nolavina ireo fangatahana noho ny antony tsy marina hoe tsy anisan’ny “fivavahana fantatra” ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tonga niseho tany amin’ireo foibe fiofanana ho miaramila tokony halehany avy ny Rahalahy Tsirlis sy Kouloumpas, ary dia nosamborina, nampangaina ho nikomy, ary nogadraina. Tetsy an-danin’izany, ny Etamazaoron’ny Fiarovam-pirenena dia tsy nanaiky ny fangatahany fitsarana ambony momba ireo hevitra tapak’ireo birao fiantsoana ho miaramila. Nampiasain’ny manam-pahefana tao amin’ny tafika ilay fanaporofoan-kevitra hoe ny Synoda Masin’ny Eglizy Ortodoksa Grika no nampahafantatra azy fa tsy fivavahana ekena ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah! Izany dia nifanohitra tamin’ireo didy navoakan’ny fitsarana sivily maromaro izay nilaza fa fivavahana fantatra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah.

Namoaka didy indray kosa ireo fitsarana miaramila hoe meloka ho nikomy i Tsirlis sy i Kouloumpas, ka nomelohiny efa-taona an-tranomaizina. Izy mirahalahy dia nampiakatra ilay raharaha tany amin’ny Fitsarana Ambony Miaramila, izay nampihemotra intelo ny fandinihana ilay fangatahana fitsarana ambony, noho ny antony samihafa. Kanefa, tsy nety namoaka didy ny hanafahana vonjy maika an’ireo mpangataka avy tao am-ponja izy io tamin’izay intelo izay, na dia manome lalana ho amin’izany aza ny lalàna grika.

Tetsy an-danin’izany, dia nanafoana ireo hevitra tapaky ny Etamazaoron’ny Fiarovam-pirenena ny Fitsarana Tampon’ny Fitondrana, tamin’ny fitohitohizana raharaham-pitsarana hafa, noho ny antony hoe tena anisan’ny fivavahana fantatra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nandritra ireo 15 volana tsy maintsy nitoeran’i Tsirlis sy i Kouloumpas tao amin’ny Fonja Miaramila any Avlona, dia nampiharana fitondrana lozabe sy nampietry indrindra izy ireo, niaraka tamin’ny Vavolombelona voafonja hafa. Ny tatitra iray momba ny tamin’izany fotoana izany dia nilaza ny amin’ireo “toe-piainana maharikoriko ao am-ponja misy [ireo Vavolombelon’i Jehovah voafonja], ny amin’ny hena lo sy ny rambon-totozy, izay matetika aroso miaraka amin’ny sakafo, ny fanafohezana ny ora fitsidihana araka izay sitrapon’ny Fitantanan-draharaha, ny tsy fahampian’ny toerana, satria maro loatra ny voafonja mifanizina ao amin’ireo cellules, ary ny fitondrana henjana lavitra ampiharina amin’ireo voafonja mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana”.

Tamin’ny farany, dia nanafaka madiodio ny Rahalahy Tsirlis sy Kouloumpas ny Fitsarana Ambony Miaramila, saingy namoaka didy koa anefa fa tsy voatery hanonitra ny nanagadrana azy ireo ny Fanjakana, satria “ny nanaovan’ireo mpangataka tsirambina tanteraka no anton’io fanagadrana io”. Nampipoitra fanontaniana ara-drariny teo anivon’ireo mpahay lalàna izany: Iza no tompon’andraikitra tamin’ilay fanaovana tsirambina tanteraka? Ny Vavolombelona sa ireo fitsarana miaramila?

Navoaka avy tao am-ponja avy hatrany ireo rahalahy ary nafahana avy tao amin’ny tafika, rehefa ela ny ela, noho ny antony hoe minisitra ara-pivavahana izy ireo. Rehefa nafahana izy ireo, dia nambaran’ny Amnesty International fa niarahaba ny fanafahana an’i Dimitrios Tsirlis sy i Timotheos Kouloumpas izy ary nanantena fa amin’ny hoavy, ireo minisitra ara-pivavahana Vavolombelon’i Jehovah dia ho afaka amin’ny raharaha miaramila, araka ireo andinindininy ao amin’ny lalàna grika. Tsy ela anefa dia ho rava izany fanantenana izany.

Nampidirina sy navoaka ny fonja

Nisy Vavolombelon’i Jehovah iray hafa izay minisitra ara-pivavahana voatendry, tsy maintsy nandia fahoriana mafy tsy nisy hafa firy tamin’izany, noho ny antony nitovy ihany. Ny 11 Septambra 1991, i Anastasios Georgiadis dia nanao fangatahana toy izany koa mba hahazo fanafahana amin’ny raharaha miaramila. Henemana taorian’izay, dia nampahafantatra azy ny birao fiantsoana ho miaramila fa nolavina ny fangatahany, satria nolazaina indray fa tsy eken’ny Synoda Masin’ny Eglizy Ortodoksa Grika ny maha-fivavahana fantatra ny Vavolombelon’i Jehovah. Ary izany no nitranga, na dia teo aza ireo didy mazava navoakan’ny Fitsarana Tampon’ny Fitondrana, momba ireo raharahan’i Tsirlis sy i Kouloumpas!

Izao no valin-teny an-tsoratra avy tamin’ny Etamazaoron’ny Fiarovam-pirenena: “Tapaky ny Fitondrana fa lavina ny fangatahana [nataon’i Georgiadis], miorina amin’ny fiheveran’ny efa za-draharaha, dia ny Synoda Masin’ny Eglizy eto Gresy, izay tsy mihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah ho fivavahana fantatra.” — Izahay no manao sora-mandry.

Nankany amin’ny Toby Fiofanana any Nafplion i Georgiadis ny 20 Janoary, ary avy hatrany dia nampidirina tao amin’ny cellule fanasaziana tao amin’ilay toby. Tatỳ aoriana izy dia nafindra tany amin’ny Fonja Miaramila any Avlona.

Ny 16 Martsa 1992, dia nanafaka madiodio an’i Georgiadis ny Fitsarana Miaramila any Atena. Sambany vao nisy fitsarana miaramila teto Gresy niaiky fa fivavahana fantatra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanafaka azy avy hatrany ny lehiben’ny Fonja Miaramila any Avlona, saingy nandidy azy hiseho indray ny 4 Aprily, tany amin’ny foibe fiantsoana ho miaramila any Nafplion. Tamin’io daty io, dia mbola tsy nety nilatsaka ho miaramila ihany i Georgiadis, ka nampangaina indray ho nikomy, nogadraina fanindroany, ary natolotra hotsaraina.

Ny 8 May 1992, dia nanafaka azy madiodio tamin’ilay fiampangana vaovao ny Fitsarana Miaramila any Atena, saingy nanapa-kevitra fa tsy tokony homena onitra izy noho ilay nanagadrana azy. Nafahana avy hatrany avy tao amin’ny Fonja Miaramila any Avlona i Georgiadis, saingy nodidiana hiseho fanintelony indray tany amin’ny foibe fiantsoana ho miaramila any Nafplion, ny 22 May 1992! Mbola tsy nety nilatsaka ho miaramila indray izy ary nampangaina fanintelony ho nikomy, ka nogadraina.

Ny 7 Jolay 1992, dia nanafoana ilay hevitra tapaka tamin’ny Septambra 1991 ny Fitsarana Tampon’ny Fitondrana, noho ny antony hoe tena anisan’ny fivavahana fantatra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny 27 Jolay 1992, dia nafahana avy tao amin’ny Fonja Miaramila any Tesalonika i Georgiadis, rehefa ela ny ela. Ny 10 Septambra 1992, dia nanafaka azy madiodio ny Fitsarana Miaramila any Tesalonika, saingy nanizingizina fa tsy nanan-jo hahazo onitra i Georgiadis, satria nolazaina indray fa ‘noho ny nanaovany tsirambina tanteraka’ no anton’ny nanagadrana azy.

Fihetsika hatraiza hatraiza

Nanao fanamarihana momba ny raharahan’i Georgiadis ny Parlemanta Eoropeana, ka nanambara hoe: “Fisehoan’ny fanavakavahana ny minisitra ara-pivavahana Vavolombelon’i Jehovah ilay tarehin-javatra, raha ny amin’ny foto-pitsipiky ny fitovian-jo eo anoloan’ny lalàna sy ny fananan-jo hoentina amin’ny fomba mitovy.”

Nilaza ny Amnesty International tamin’ny Febroary 1992 fa “inoany fa naiditra am-ponja [i Anastasios Georgiadis], noho ny antony tokana, dia ny fanavakavahan’ny manam-pahefana ao amin’ny tafika ny minisitra ara-pivavahana Vavolombelon’i Jehovah, ka takiny ny hanafahana azy avy hatrany sy tsy misy fepetra, amin’ny maha-voafonja noho ny feon’ny fieritreretana azy”.

Na dia ilay mpampanoa lalàna miaramila tamin’ny iray tamin’ireo fitsarana an’i Georgiadis aza, dia voatosika hilaza hoe: “Miharihary eo amin’ny fomba iatrehan’ny fitambaran’olona iray ny tarehin-javatra sasany mahatafiditra ny olom-pireneny, ny hoe hatraiza ny fandrosoany ara-kolontsaina. Raha tiantsika eto Gresy ny hifanarahan’ny fandrosoantsika ara-kolontsaina amin’ny fari-pitsipika eoropeana, raha tiantsika ny handroso, dia tsy maintsy manaiky ireo lalàna iraisam-pirenena isika ka manaisotra ny fitsarana an-tendrony tsy ho ao amintsika. Sehatra iray ahitana izany miharihary indrindra ny fanajana ny zon’ny olom-pirenena tsirairay. Kanefa, ny zava-mitranga ankehitriny sy ny tetik’adin’ny fitondrana dia mampiseho mazava ny fitsarana an-tendrony sy ny tsy fileferana ara-pivavahana manjaka aseho amin’ireo vitsy an’isa ara-pivavahana. Manafintohina ny fizotran’itỳ raharaha itỳ.”

Nanoratra toy izao i Ian White, mpikambana ao amin’ny Parlemanta Eoropeana, avy any Bristol, Angletera: “Hampihomehy olona maro eto amin’itỳ Fizaram-paritra itỳ ilay hevitra hoe tsy ‘fivavahana fantatra’ ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo antoka fa na dia somary vitsy an’isa aza ireo Vavolombelona, dia tena fantatra tsara eto amin’itỳ Firenena itỳ izy ireo ary matetika no mitsidika isam-baravarana.” Tsy mety ho ‘fivavahana tsy fantatra’ velively ny Vavolombelona maherin’ny 26 000 mitory eto Gresy!

Nisy folo tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Parlemanta Eoropeana, naneho an-tsoratra ny fahasosorany noho ilay raharahan’i Georgiadis, tamin’ny filazany fa “taitra sady nalahelo be mihitsy” izy ireo noho ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona toy izany eto Gresy.

Fampiakarana tany amin’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona

Rehefa avy nafahana madiodio sy navoaka ny fonja izy telo mirahalahy niharan’izany fanavakavahana ara-pivavahana izany, dia nihevitra fa voatery ara-drariny hampiakatra ilay raharaha tany amin’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona. Ny anton’io fampiakarana tany amin’ny fitsarana ambony io dia noho ny nanagadrana azy ireo tsy ara-dalàna, izay hita ho tsy rariny tsotra izao, sy noho ny nampijalijaliana azy ireo ara-tsaina sy ara-batana, ary koa noho ireo vokany goavana ara-tsaina sy sosialy tafiditra noho ny nanesorana niverimberina taminy ny fahafahany, nandritra ny fe-potoana lava be aoka izany. Noho ireo antony ireo no nitadiavan’izy ireo onitra marim-pototra sy sahaza.

Niombon-kevitra ireo mpikambana rehetra tao amin’ny Vaomiera Eoropeana Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny fanatsoahan-kevitra hoe: Tamin’ireo raharahan’i Tsirlis sy i Kouloumpas, dia nisy fanitsakitsahana ny zon’izy ireo ho afaka sy ho voaro, tsy ara-dalàna ny nanagadrana azy ireo, nanan-jo hahazo onitra izy ireo, ary tsy nohenoina tamin’ny fomba ara-drariny izy ireo tany amin’ny fitsarana. Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra toy izany koa ilay Vaomiera ny amin’ny raharahan’i Georgiadis.

Voahitsy ilay tsy rariny

Tapaka fa hatao ny 21 Janoary 1997 ilay fihainoana ara-pitsarana. Olona maro no tonga tao amin’ilay efitra fitsarana, anisan’izany ny mpianatra avy tao amin’ny oniversite teo an-toerana, ny mpanao gazety, sy Vavolombelon’i Jehovah maromaro avy teto Gresy, avy tany Alemaina, Belzika, sy Frantsa.

Noresahin’Atoa Panos Bitsaxis, mpisolovava niaro ny Vavolombelona, ny amin’ny “fihetsika feno kiry tsy misy farany asehon’ny manam-pahefana grika tsy mety manaiky ny fisian’ny vitsy an’isa ara-pivavahana”, dia ny Vavolombelon’i Jehovah. Notsinìny ny fomba fitsaran’ny manam-pahefana grika, izay manorina ny heviny ofisialy momba ny Vavolombelona araka ny fomba fihevitr’ireo fahavalo lehibe indrindran’ny Vavolombelona — ny Eglizy Ortodoksa Grika! Nanohy ny teniny izy hoe: “Avela ho tonga hatraiza izany? (...) Ary mandra-pahoviana?” Noresahiny ny amin’ny “fandavana tsy hanaiky ny fisian’ny fivavahana iray, dia fandavana toa mahatsikaiky raha hita fa mifanohitra mivantana sy an-karihary ary tsy amim-pisainana na dia kely aza, amin’ny fanarahan-dalàna, amin’ireo didim-pitsarana maro navoakan’ny Fitsarana Tampon’ny Fitondrana, ilay izy”.

Nohamafisin’ny solontenan’ny fitondram-panjakana grika fa miangatra ny manam-pahefana grika, tamin’ny nilazany hoe: “Tsy tokony hohadinoina fa saika tao amin’ny Eglizy Ortodoksa avokoa ny mponina rehetra any Gresy, hatramin’ny taonjato maro. Vokatr’izany ara-dalàna ny hoe tena mazava ny rafi-pandaminan’io Eglizy io sy ny satan’ireo minisitra ara-pivavahany ary ny anjara asan’izy ireo ao amin’ny Eglizy. (...) Tsy mazava toy izany kosa ny satan’ireo minisitra ara-pivavahana ao amin’ny Fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Fiekena mibaribary re izany fa nentina tamin’ny fomba nampiseho fitsarana an-tendrony ireo vitsy an’isa ara-pivavahana eto Gresy!

Notohanana ny fahalalahana ara-pivavahana

Navoaka ny 29 May ny didim-pitsarana. Namaky tamin’ny feo avo ny didim-pitsarana Atoa Rolv Ryssdal, Filohan’ny Rantsana. Niombon-kevitra avokoa ireo mpitsara sivy mahaforona ilay Fitsarana fa nandika ny Andininy faha-5 sy faha-6 ao amin’ny Fifanarahana Eoropeana i Gresy. Nanome vola mitentina 378 000 000 FMG eo ho eo koa ho an’ireo mpangataka io Fitsarana io, ho onitra sy saran’ny fandaniana. Ny zava-dehibe indrindra dia izao: Nirakitra fanaporofoan-kevitra maro mendri-komarihina manohana ny fahalalahana ara-pivavahana ilay didim-pitsarana.

Nomarihin’ilay Fitsarana fa “ny manam-pahefana ao amin’ny tafika dia tsy niraharaha an-kitsirano” ilay zava-misy hoe ekena ho “fivavahana fantatra” ny Vavolombelon’i Jehovah eto Gresy, araka ireo didy navoakan’ny Fitsarana Tampon’ny Fitondrana. Mbola nilaza koa izy io hoe: “Karazana fanavakavahana ilay fikirizan’ny manam-pahefana voakasika eto tsy hanaiky ny Vavolombelon’i Jehovah ho ‘fivavahana fantatra’ sy ilay tsy firaharahany ny zon’ireo mpangataka hahazo fahafahana ho vokatr’izany, rehefa oharina amin’ny fomba ahazoan’ireo minisitra ara-pivavahana ao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika fanafahana [amin’ny raharaha miaramila].”

Niresaka be dia be momba ilay raharaha ny fampitam-baovao grika. Nilaza toy izao ny Athens News: ‘Manakiana mafy an’i Gresy momba ilay fitakian’i Jehovah ny fitsarana e[oropeana].’ Ilay didim-pitsarana tamin’ny raharaha Tsirlis & Kouloumpas sy Georgiadis miady amin’i Gresy, dia mampitsiry fanantenana fa hampifanaraka ny lalàny amin’ny didim-pitsaran’ny Fitsarana Eoropeana ny Fanjakana grika, mba hahafahan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Gresy hahazo fahalalahana ara-pivavahana, tsy misy fitsabahan’ny fitondrana, ny tafika, na ny eglizy. Ankoatra izany, izy io dia didim-pitsarana hafa koa navoakan’ny Fitsarana Eoropeana nanamelohany ny rafi-pitsarana grika, tamin’ny raharaha momba ny fahalalahana ara-pivavahana.a

Mankamamy ny fahalalahany ny Vavolombelon’i Jehovah, ary miezaka hampiasa izany mba hanompoana an’Andriamanitra sy mba hanampiana ny mpiara-belona aminy. Nitondra ireo raharahany tany amin’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona ireo minisitra ara-pivavahana Vavolombelona telo mirahalahy, tsy hoe mba hahazoana tombony ara-nofo akory, fa noho ny antony ara-tsaina sy ara-drariny tanteraka. Noho izany, dia samy nanapa-kevitra izy telo mirahalahy fa tsy hampiasaina afa-tsy ho amin’ny fampandrosoana ny asa fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay onitra nomena azy ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny didim-pitsarana voalohany, navoaka tamin’ny 1993, dia ny raharahan’i Kokkinakis miady amin’i Gresy; ny faharoa, navoaka tamin’ny 1996, dia ny raharahan’i Manoussakis sy ireo Hafa miady amin’i Gresy. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1993, pejy faha-27-31; Mifohaza! 8 Aprily 1997, pejy faha-26-28.

[Sary, pejy 20]

Esther sy Dimitrios Tsirlis

[Sary, pejy 21]

Timotheos sy Nafsika Kouloumpas

[Sary, pejy 22]

Anastasios sy Koula Georgiadis

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara