-
Tena Misy ve i Satana?Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Novambra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE I SATANA?
Tena Misy ve i Satana?
Sarivongana any Madrid, any Espaina, mampiseho hoe anjely ratsy natsipy tetỳ an-tany i Satana
“Izao foana no notenenin’ny neninay tamiko raha vao naditra aho, tamin’izaho mbola kely: ‘Alain’ny Devoly eo ianao a!’ Dia novaliako foana izy hoe: ‘Avelao alainy any!’ Nino an’Andriamanitra mantsy aho fa tsy nino hoe misy i Satana.”—ROGELIO, ANY SALVADAORO.
Mitovy hevitra amin’i Rogelio ve ianao? Iza amin’ireto no hitanao hoe marina?
Teny ilazana ny zava-dratsy na ny toetra ratsy fotsiny ny hoe Devoly.
Tena misy i Satana fa tsy miraharaha antsika.
Anjely matanjaka be i Satana ary tena mahavita mitarika ny olona hanao ratsy.
Samy manana ny mpanohana azy ireo hevitra ireo ary an-tapitrisany mihitsy aza angamba. Tena ilaina ve anefa ny mahalala hoe iza amin’ireo no marina? Eritrereto izao: Raha tsy tena misy i Satana, dia diso hevitra daholo izay mihevitra hoe misy izy. Raha misy indray izy nefa tsy miraharaha antsika, dia mailomailo na matahotra azy tsy amin’antony mihitsy aza ny olona maro. Raha tena manan-kery eo amin’ny fiainan’ny olona kosa izy sady mpamitaka raindahiny, dia tena mampidi-doza mihoatra noho izay eritreretin’ny ankamaroan’ny olona.
Teny ilazana ny toetra ratsy fotsiny ve ny hoe Devoly na Satana? Sa izy io anjely? Raha tena misy izy, mety hampidi-doza anao ve? Inona no azonao atao mba hiarovana ny tenanao? Aleo hojerentsika izay lazain’ny Soratra Masina.
-
-
Toetra Ratsy Fotsiny ve i Satana?Ny Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Novambra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE I SATANA?
Toetra Ratsy Fotsiny ve i Satana?
Mety hanizingizina ny olona sasany hoe ilay Devoly na Satana resahin’ny Baiboly dia ny zava-dratsy rehetra fotsiny. Izany tokoa ve anefa no ampianarina ao? Raha marina izany, nahoana ny Baiboly no milaza fa niresaka tamin’i Jesosy Kristy sy tamin’Andriamanitra i Satana? Diniho ireto ohatra roa ireto:
NIRESAKA TAMIN’I JESOSY I SATANA
Naka fanahy an’i Jesosy intelo i Satana, tamin’i Jesosy nanomboka ny fanompoany. Voalohany, niezaka mafy i Satana nanery azy hampiasa ny hery nomen’Andriamanitra azy mba hahazoana sakafo. Nampirisihiny hisetra loza tsy amin’antony i Jesosy avy eo, mba ho gaga aminy ny olona. Farany, nolazainy tamin’i Jesosy hoe homeny azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao, raha miankohoka indray mandeha eo anatrehany izy. Nanda foana anefa i Jesosy sady nanonona andinin-teny avy tao amin’ny Soratra Masina.—Matio 4:1-11; Lioka 4:1-13.
Iza no niresaka tamin’i Jesosy? Ny toetra ratsy tao anatiny ve? Milaza ny Soratra Masina fa “efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika” i Jesosy “nefa tsy nanota.” (Hebreo 4:15) Voalaza ao koa hoe: “Tsy nanota izy, ary tsy nahitana fitaka teo am-bavany.” (1 Petera 2:22) Lavorary foana i Jesosy ary tsy nivadika mihitsy. Tsy navelany hisy toetra ratsy mihitsy tao aminy. Mazava àry fa anjely tena nisy ilay nifampiresaka tamin’i Jesosy fa tsy hoe toetra ratsy tao anatiny.
Hita avy amin’ilay resaka nifanaovan’izy ireo koa hoe tena misy i Satana.
Tadidio fa natolony an’i Jesosy ny fanjakana maneran-tany raha niankohoka indray mandeha teo anatrehany izy. (Matio 4:8, 9) Tsy ho nisy dikany izany raha tsy tena misy i Satana. Tsy nanda koa i Jesosy hoe nanana an’izany fahefana be izany i Satana.
Taorian’ny nandavan’i Jesosy an’ireo fakam-panahy, dia “nandao azy” ny Devoly “mandra-pahatongan’ny fotoana hafa mety indray.” (Lioka 4:13) Toetra ratsy fotsiny ve i Satana eo, sa fahavalo tena be kiry?
Mariho fa “nisy anjely tonga nikarakara” an’i Jesosy. (Matio 4:11) Tena nisy ve ireo anjely nampahery sy nanampy an’i Jesosy ireo? Mazava ho azy. Nahoana àry isika no hieritreritra hoe tsy anjely tena misy koa i Satana fa zavatra hafa?
NIRESAKA TAMIN’ANDRIAMANITRA I SATANA
Hitantsika ao amin’ny tantaran’i Joba, mpanompon’Andriamanitra, koa fa nifampiresaka Andriamanitra sy ny Devoly. Indroa izy ireo no nifampiresaka ary nidera an’i Joba foana Andriamanitra noho izy tsy nivadika. Niseho ho nahalala kokoa an’i Joba ny Devoly. Nolazainy fa manao havana raha misy patsa i Joba. Tsy tena te hanompo an’Andriamanitra, hono, izy fa notambazany fotsiny dia manaiky. Nomen’i Jehovah alalana àry i Satana handroba ny fananan’i Joba sy hamono ny zanany ary hanisy aretina aminy.a Voaporofo, tatỳ aoriana, hoe mpandainga i Satana ary marina ny tenin’i Jehovah momba an’i Joba. Notahin’Andriamanitra i Joba satria tsy nivadika.—Joba 1:6-12; 2:1-7.
Niresaka tamin’ny toetra ratsy tao anatiny ve i Jehovah Andriamanitra tamin’ireo fotoana ireo? Hoy ny Baiboly: “Tonga lafatra ny lalan’ilay tena Andriamanitra.” (2 Samoela 22:31) Voalaza ao koa hoe: “Masina, masina, masina i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra.” (Apokalypsy 4:8) Madio sy tsy misy ota ny hoe masina. Lavorary sy tsy misy tsiny i Jehovah ka tsy hisy toetra ratsy mihitsy ao aminy.
Tena nisy loza nitranga tamin’i Joba, taorian’ilay resak’i Satana tamin’Andriamanitra
Mety hisy hilaza anefa hoe tsy tena nisy i Joba, ka tsy tena nisy koa ilay resaka nifanaovan’Andriamanitra sy ny Devoly. Marina ve izany? Resahin’ny andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly fa olona tena nisy i Joba. Miresaka momba azy, ohatra, ny Jakoba 5:7-11 mba handrisihana ny Kristianina hiaritra fahoriana, sy hampahatsiahivana azy ireo hoe mamaly soa an’izay miaritra i Jehovah. Tsy ho nisy dikany izany raha tsy tena nisy i Joba sy ny zavatra nataon’i Satana taminy. Mitanisa olo-marina telo koa ny Ezekiela 14:14, 20, dia i Noa sy Daniela ary Joba. Tena nisy toa an’i Noa sy Daniela i Joba ary nanana finoana matanjaka. Raha tena nisy i Joba, tsy ho tena nisy koa ve i Satana, ilay nanisy ratsy azy?
Hita mazava ao amin’ny Baiboly àry hoe anjely tena misy i Satana. Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Mbola mety hampidi-doza ahy sy ny vady aman-janako ve i Satana ankehitriny?’
AHOANA NY AMIN’IZAO ANDRO IZAO?
Aoka hatao hoe lasa misy andian-jiolahy tampoka ao an-tanànanareo. Mazava ho azy fa tsy hilamina ny tany sady ho be ny heloka bevava. Tsy misy hafa amin’izany ny zava-misy ankehitriny. Nalefa tampoka tetỳ an-tany i Satana sy ireo demoniany, izany hoe ireo anjely nikomy tamin’Andriamanitra toa an’i Satana. Inona no vokany? Diniho ny vaovao any aminareo sy maneran-tany.
Tsy voamarikao ve hoe mitombo ny herisetra sy ny habibiana, na dia ezahina sakanana aza izany maneran-tany?
Tsy hitanao ve hoe lasa be dia be izao ny fialam-boly misy herin’ny maizina, na dia tsy tian’ny ray aman-dreny maro aza izany?
Tsy hitanao koa ve hoe mihasimba foana ny tontolo iainana, na dia eo aza ny ezaka atao mba hiarovana azy?
Tsy tsapanao ve hoe misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny mihitsy eo amin’ny fiaraha-monina, ka hoatran’ny hoe misy hery manosika ny olona ho any an-kady?
Mariho hoe iza no lazain’ny Baiboly fa fototry ny korontana misy ankehitriny: “Natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy. ... Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Apokalypsy 12:9, 12) Rehefa mandinika ny zava-misy ny olona maro dia miaiky hoe anjely mampidi-doza i Satana, ary mitaona ny olona hanao ratsy foana izy.
Mety hieritreritra àry ianao hoe ahoana no hiarovan-tena amin’ny Devoly. Ara-dalàna izany. Misy soso-kevitra hanampy anao ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
-
-
Aza Matahotra An’i SatanaNy Tilikambo Fiambenana—2014 | 1 Novambra
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE I SATANA?
Aza Matahotra An’i Satana
Toy ny gazy mampidi-doza nefa tsy hita maso i Satana
Misy gazy iray mampidi-doza nefa saro-pantarina satria tsy misy lokony sady tsy misy fofony. Io gazy io angamba no mahafaty ny antsasa-manilan’ireo matin’ny poizina. Soa ihany fa betsaka ny fomba azo amantarana an’io gazy io, ary azo atao ny miaro tena aminy. Olona any amin’ny tany maro no mampiasa fitaovana manokana famantarana an’ilay gazy, ary mivoaka ny trano haingana izy ireo rehefa maneno ilay izy.
Tsy hita maso koa i Satana sady tena mampidi-doza, toa an’io gazy io, ka sarotra amin’ny olona ny mamantatra azy. Tsy misy atahorantsika anefa satria misy zavatra omen’Andriamanitra ireto mba hanampiana antsika:
Nataony mahay misafidy isika: Hoy ny Jakoba 4:7: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’ Marina fa mahery i Satana, nefa tsy afaka manery anao hanao zavatra tsy tianao izy. Afaka misafidy ianao! Hoy ny 1 Petera 5:9: ‘Tohero izy [ny Devoly] ka manàna finoana matanjaka.’ Tadidio fa niala i Satana rehefa nanda an’ireo fakam-panahy telo i Jesosy. (Matio 4:11) Afaka mifidy ny hanohitra an’i Satana koa ianao.
Asain’Andriamanitra minamana aminy isika: Mampirisika antsika ‘hanatona an’Andriamanitra’ ny Jakoba 4:8. I Jehovah mihitsy no manasa antsika ho lasa namany akaiky. Ahoana anefa no hahatonga anao ho namany? Tsara raha mianatra Baiboly aloha ianao mba hahalalanao azy bebe kokoa. (Jaona 17:3) Ho tia azy ianao amin’izay, ary hahatonga anao hanao ny sitrapony izany. (1 Jaona 5:3) Inona kosa no hataon’ilay Rainao any an-danitra, rehefa manatona azy ianao? Hoy ihany i Jakoba: “Hanatona anareo izy.”
Miaro antsika amin’ny fomba isan-karazany i Jehovah
Mampanantena izy fa hiaro antsika: Hoy ny Ohabolana 18:10: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.” Tsy midika izany hoe karazana ody fiaro ny anaran’Andriamanitra. Midika kosa izany hoe afaka miantso vonjy aminy foana izay tena manaja ny anarany.
Tantara ao amin’ny Baiboly: Hoy ny Asan’ny Apostoly 19:19 momba an’ireo olona lasa Kristianina tany Efesosy: “Maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra. Dia natambatr’izy ireo ny tokom-bidin’izany ka hitany fa farantsa volafotsy dimy alina.”a Nopotehin’ireo Kristianina ireo daholo izay zavatra nisy ifandraisany tamin’ny herin’ny maizina, na ohatrinona na ohatrinona. Tena mahasoa antsika io tantara io. Manjaka mantsy izao ny asan’ny maizina. Na dia ny zavatra sy fombafomba hoatran’ny tsy mampaninona aza dia mety hisarika demonia, raha misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Halaviro àry ireny, na dia mety hamoizanao zavatra be aza.—Deoteronomia 18:10-12.
Tsy nino i Rogelio, ilay voaresaka tany aloha, hoe misy ny Devoly raha tsy tamin’izy 50 taona. Nisy zavatra nampisaintsaina azy mantsy. Hoy izy: “Izay aho vao nahazo Baiboly hatramin’izay. Ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly no nandresy lahatra ahy hoe misy ny Devoly. Miaro ahy tsy ho voatariny koa izany.”
“Ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly no nandresy lahatra ahy hoe misy ny Devoly. Miaro ahy tsy ho voatariny koa izany”
Tianao ve raha tsy eo intsony i Satana? Tena hitranga izany. Efa nilaza ny Soratra Masina hoe ‘hatsipy mafy ao amin’ny farihy afo sy solifara’ ny Devoly, ilay mamitaka olona maro. (Apokalypsy 20:10) Mazava ho azy fa tsy afaka mandoro anjely tsy hita maso ny afo sy solifara. Ilay farihy afo àry dia tsy inona fa fandringanana mandrakizay. Ho faly erỳ ireo tia an’Andriamanitra rehefa tsy ho eo intsony i Satana!
Mandra-pahatongan’izany, dia ianaro izay azonao ianarana momba an’i Jehovah sy ny toetrany.b Alao sary an-tsaina ny fiainanao rehefa ho afaka hiteny ianao hoe: “Tsy misy intsony i Satana!”
a Raha denaria romanina ny farantsa volafotsy resahiny eo, dia tena vola be ilay izy, satria karaman’ny mpiasa iray antonontonony ao anatin’ny 50 000 andro.
b Manazava bebe kokoa momba an’i Satana sy ny fiheveran’Andriamanitra ny fifandraisana amin’ny herin’ny maizina ny toko 10 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Angataho amin’ny Vavolombelon’i Jehovah io boky io.
-