8 Fanazavana Teny
Alfa sy Omega: Litera voalohany sy farany amin’ny abidy grika. Ampiasaina intelo ho toy ny anaram-boninahitra izy io, ao amin’ny Apokalypsy.
Alitara: Zavatra naorina na toerana avoavo, natao hanolorana fanatitra na handoroana emboka manitra ho an’ilay tena Andriamanitra na ho an’andriamani-kafa.
Andro Fitsarana: “Andro”, na fe-potoana iray hanaovan’Andriamanitra ampamoaka ny antokon’olona na firenena na ny olombelona amin’ny ankapobeny. Mety ho amin’io no handringanana an’ireo efa voaheloka ho faty. Mety hovonjena koa ny olona sasany, ary mety hahazo fiainana mandrakizay mihitsy.
Antikristy: Midika ara-bakiteny hoe “manohitra an’i (na maka ny toeran’i) Kristy.” Izay rehetra manohitra an’i Kristy na ny solontenany, na izay rehetra mihambo ho Kristy na solontenany. Ireo tsy manaiky izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba an’i Kristy.
Anti-panahy: Tsy ny zokiolona ihany no antsoina hoe anti-panahy, fa ireo manana fahefana na andraikitra manokana eo amin’ny vondron’olona iray na firenena iray koa.
Apostoly: Midika ara-bakiteny hoe “irahina.” Iantsoana indrindra an’ireo mpianatra 12 nofidin’i Jesosy manokana, mba ho solontenany.
Arkanjely: Midika hoe “filohan’ny anjely.” Hita avy amin’izany fa iray ihany no arkanjely.
Azazela: Io no iantsoana an’ilay osy nalefa tany an-tany efitra. Araka ny soratra masoretika hebreo, dia avy amin’ny teny roa hoe “osy” sy “manjavona” izy io, ka midika hoe “Ilay Osy Nanjavona.” Ilay teny grika nampiasain’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo kosa midika hoe “ilay nitondra (na nampanalavitra) ny ratsy.”
Balsama: Zavamaniry madinika na hazo misy ditiny manitra, izay matetika no toy ny menaka. Tena sarobidy tamin’ny Tatsinanana izy ireny.
Batisa: Midika hoe fandrobohana, fandentehana, na fanitrihana anaty rano. Miresaka momba ny batisan’i Jaona, batisa amin’ny fanahy masina, batisa amin’ny afo, ary batisa hafa ny Soratra Masina.
Behemota (hipopotama): Biby mampinono ngezabe, matevin-koditra, tsy misy volony, izay mivelona any anaty rano sy farihy ary heniheny.
Boloky hazo: Fitaovana hazo fanagadrana sy fanasaziana, nampiasaina taloha. Asaina mipetraka ilay olona voasazy ka hidiana ao ny tongony (2Ta 16:10; Je 20:2, 3), ary aseho vahoaka izy mba ho afa-baraka.
Demonia: Fanahy ratsy tsy hita maso, mahery noho ny olombelona. Anjely tsy nankatò tamin’ny andron’i Noa izy ireo, ka nanjary nikomy tamin’i Jehovah koa, tahaka an’i Satana.
Denaria: Vola madinika romanina, misy ny sarin’i Kaisara. Denaria iray no karaman’ny mpiasa tany, mandritra ny adiny 12, tamin’ny andron’i Jesosy.
Devoly: Midika hoe “mpanendrikendrika.” Anarana iantsoana an’i Satana izy io, satria izy no tena lehiben’ny mpanendrikendrika sy mpiampanga lainga an’i Jehovah sy ny teniny ary ny anarany masina.
Didim-pitsarana: Nanome lalàna be dia be ho an’ny firenen’Israely i Jehovah Andriamanitra, izay Mpitsara sy Mpanome Lalàna ary Mpanjaka. Ny fanapahan-kevitra noraisiny ho fampiharana ny lalàna no nanjary fototra niorenan’ny didim-pitsarana navoaka momba ny olona iray na momba ny raharaha anatiny sy ivelan’ilay firenena.
Efoda (an’ny Mpisoronabe): Toy ny aron’akanjo misy aloha sy aoriana ilay izy. Misy fehikibo mamatotra azy eo amin’ny andilana. Mitovy ihany ny lamba nanaovana ny efoda sy ilay fehikibony.
Fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra: Midika hoe manaja lalina sy manompo an’i Jehovah Andriamanitra ary mivavaka aminy, ka tsy mivadika aminy, satria izy no manan-jo hitondra an’izao rehetra izao.
Fanahy masina: Hery ampiasain’Andriamanitra, na irahiny mba hanatanteraka izay tiany. Tamin’ny alalan’izy io no namoronany ny lanitra sy ny tany ary ny zavamananaina rehetra.
Fanatitra ahetsiketsika: Ilay mpanolotra no mitazona ny fanatitra. Ataon’ny mpisorona ao ambanin’ny tanan’ilay olona ny tanany, ka ahetsiketsiny mandroso sy mihemotra mankany amin’ny alitara. Mety ho ilay mpisorona irery koa no nanetsiketsika an’ilay fanatitra.
Fanatitra dorana: Fanatitra atolotra manontolo ho an’Andriamanitra. Tsy maka anjara amin’ilay biby atao fanatitra mihitsy ilay mpanolotra.
Fanatitra zava-pisotro: Natolotra niaraka tamin’ny ankamaroan’ny fanatitra. Divay (“zava-pisotro mahamamo”) izy io, ary nararaka teo amin’ny alitara.
Fandrakofam-pahotana: Ny heviny ara-bakiteny dia hoe “manarona” na “manakalo.” Tsy mety hatao takalon’ny zavatra iray, na “sarony”, raha tsy zavatra mitovy tanteraka aminy.
Fanompoana masina: Fanompoana na asa masina, mifandray mivantana amin’ny fivavahana amin’Andriamanitra.
Fanompoan-tsampy: Ny sampy dia sary na zavatra hafa tena ifikiran’ny fo sy ivavahana, na tena misy ilay izy na foronin’ny saina. Ny fanompoan-tsampy dia fanajana lalina sy fitiavana sy fivavahana ary firaiketam-po amin’ny sampy.
Farao: Anaram-boninahitra iantsoana ny mpanjakan’i Ejipta.
Fariseo: Sekta nalaza teo amin’ny Fivavahana Jiosy, tamin’ny taonjato voalohany. Anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy koa izy ireo.
Fasana atao ho fahatsiarovana: Avy amin’ny teny grika hoe mnemeiôn, izay midika fa tsaroana ny tantaram-piainan’ilay olona maty. Hamafisin’ilay teny fa voatahiry ny mombamomba an’ilay olona.
Fehiloha: Vita amin’ny lamba, izay nahodinkodina tamin’ny lohan’ny mpisorona.
Fibebahana: Ilay matoanteny hoe “mibebaka” dia midika hoe “miova hevitra momba ny fitondran-tena na zavatra natao (na saika hatao), satria manenina na tsy afa-po”, na koa “mahatsapa nenina, alahelo, na enjehin’ny eritreritra, noho ny zavatra natao na tsy natao.”
Filalaovana ody: Avy amin’ny teny grika hoe farmakia. Araka ny diksionera iray momba ny Baiboly, io teny io dia midika hoe fampiasana fanafody, zava-mahadomelina, ozona, famosaviana. Matetika ny mpilalao ody no mampiasa zava-mahadomelina, na mahery izany na tsia. Miteniteny na mihirahira sy miantso ny herin’ny maizina izy ireo, sady mampiasa zavatra toy ny vakana na tapa-kazo. Mody atao hoe fiarovana amin’ny herin’ny demonia izy ireny, nefa mahatonga ny olona ho eo ambany fahefan’ilay mpilalao ody sy ny herin’ny maizina.
Fitondran-tena baranahiny: Tsy fitondran-tena ratsy madinika izy io, fa fandikan-dalàna lehibe, ary fandikana an-kitsirano ny lalàn’Andriamanitra. Hita fa maniratsira sy sahisahy ratsy ilay mandika lalana, ka sady tsy hajainy no ataony tsinontsinona mihitsy ny fahefana sy ny lalàna ary ny fitsipi-pitondran-tena.
Fitsarana Avo Jiosy: Olona 71 no ao anatin’izy io, anisan’izany ny mpisoronabe am-perinasa sy ireo mpisoronabe teo aloha. Nanana fahefana teo amin’ny vahoaka sy ny fitantanan-draharaha ary ny fivavahana izy io.
Fitsimponana: Fanangonana ny vokatra sendra navelan’ny mpijinja na niniany navela teny an-tsaha.
Fotoana tsy voafetra: Indraindray izy io ilazana zavatra maharitra mandrakizay. Matetika anefa izy io no manondro zavatra hifarana saingy tsy fantatra hoe rahoviana, ka azo lazaina hoe hisy “mandritra ny fotoana tsy voafetra.”
Hara-magedona: Midika hoe “Tendrombohitr’i Megido.” Ady hitranga maneran-tany ny ady Hara-magedona. Handringana ny fahavalon’Andriamanitra amin’izay i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendriny.
Hatsaram-panahy tsy manam-paharoa: Manana heviny hoe mahafinaritra sy mahatehotia. Azo ilazana ny fanomezana natao tamin-katsaram-panahy, na ny hatsaram-panahin’ilay nanome. Na koa ilazana ny fiderana, fankasitrahana, na fisaorana noho ny hatsaram-panahy miavaka naseho, na noho ny hatsaram-panahy naseho tamin’ny olona tsy mendrika an’izany.
Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be: Avy amin’ny teny aramianina midika hoe “be taona (na zokiolona)”, ary iantsoana an’i Jehovah. Ao amin’ny Daniela 7:9, 13, ary Da 7:22 ihany no misy azy io, ary ampiasaina ao amin’io toko io koa ilay hoe “Andriamanitra Fara Tampony.”
Jehovah Tompon’ny tafika: Manondro ny fahefana ananan’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao, izay mibaiko an’ireo tafik’anjely mahery maro be.
Jobily: Isaky ny tapitra ny fito taona impito, dia Jobily ny taona nanaraka. Nisaina nanomboka tamin’ny nidiran’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina izany. Azo lazaina hoe fety nandritra ny taona ny Jobily, satria taom-panafahana.
Kerobima: Anjely mitana toerana ambony, ary manana anjara asa manokana.
Kintana fitarikandro: Mitovy hevitra amin’ny hoe “kintan’ny maraina.” Izy io no kintana farany indrindra mipoitra eny atsinanana, alohan’ny hiposahan’ny masoandro, ka midika fa manomboka ny andro vaovao.
Kôdeksa: Karazana boky tranainy indrindra, nisy pejy maro naforitra roa ka natambatra teo afovoany.
Kristianina: Mpanara-dia an’i Kristy Jesosy, mpanaraka ny Kristianisma.
Kristy: Ilay Voahosotra. Anaram-boninahitra io, fa tsy hoe fanampin’anarana fotsiny mba hanavahana an’i Jesosy Tompo amin’ny olon-kafa nantsoina koa hoe Jesosy.
Lalivay: Zavatra naotrika afangaro amin’ny koba na ranon-javatra. Matetika izy io no ambina koba efa niotrika, na renikoba, izay hampiasaina rehefa hanao mofo.
Lamba gony: Lamba matroka marokoroko vita amin’ny volon’osy voatenona, ary fanaovana kitapo na gony. Akanjo fanao rehefa misaona izy io.
Mana: Foto-tsakafon’ny Israelita nandritra ilay dia naharitra 40 taona tany an-tany efitra.
Manosotra: Midika ara-bakiteny hoe manosotra menaka. Fanaon’ny Hebreo tamin’ny andron’ny Baiboly izany, rehefa nisy olona nohosorana ho mpitondra na mpisorona, mba ho mariky ny fanendrena azy ireo. Nararaka teo amin’ny lohan’ilay olona ny menaka.
Masina: Ilay efitra voalohany tao amin’ny tranolay, sy ny tempoly. Antsoina koa hoe ny Toerana Masina, ary lehibe kokoa noho ilay efitra anatiny indrindra atao hoe ny Masina Indrindra.
Masina Indrindra: Efitra anatiny indrindra tao amin’ny tranolay, sy ny tempoly.
Mesia: Midika hoe “voahosotra.” Kristy izy io amin’ny teny grika.
Miora: Ditin-javamaniry manitra, azo avy amin’ny karazana tsilo na hazo madinidinika. Manitra be ny hodiny sy ny hazony.
Mitondra loloha: Raha maty ny lehilahy iray nefa tsy niteraka izy mivady, dia alain’ny rahalahiny ho vady ravehivavy, mba hisy taranaka hitondra ny anaran’ilay lehilahy.
Mofo atolotra na Mofo aseho: Mofo 12 natao teo amin’ny latabatra tao amin’ny Masina tao amin’ny tranolay na ny tempoly. Nosoloana izy ireo isaky ny Sabata.
Mpanampy amin’ny fanompoana: Manana heviny manokana ilay teny grika, satria mifandray amin’ny fandaminana sy fandrindrana ny fiangonana. Anisan’ireo lehilahy omena andraikitra eo anivon’ny fiangonana izy ireo.
Mpanora-dalàna: Mpitan-tsoratra nanao dika mitovy ny Soratra Hebreo. Antokona lehilahy manam-pahaizana momba ny Lalàna izy ireo, tamin’ny andron’i Jesosy.
Mpiandraikitra: Misahana ny raharaha sasany na manampy olona, mitsidika sy manara-maso ary manendry olon-kafa. Ny andraikiny voalohany dia ny miandry ny ondry sy mitandrina azy ireo, mba ho anisan’ny andian’ondry foana.
Mpisorona: Olona voatendry ho solontenan’Andriamanitra teo amin’ny vahoaka, sy hampianatra azy ireo momba an’Andriamanitra sy ny lalàny. Nisolo tena ny vahoaka koa izy ireo teo anatrehan’Andriamanitra, ka nanolotra fanatitra ary nifona sy nangataka ho azy ireo.
Mpisoronabe: Olona iray misolo tena ny vahoaka eo anatrehan’Andriamanitra. Izy koa no mpiandraikitra an’ireo mpisorona hafa rehetra.
Mpitarika Lehibe Indrindra: Mitarika amin’izay rehetra atao, ka manome modely.
Nazirita: Midika hoe “Olona Nosinganina”, “Olona Nanolo-tena”, “Olona Natokana.” Nisy karazany roa ny Nazirita: ireo nanolo-tena an-tsitrapo, sy ireo notendren’Andriamanitra.
Nisana: Volana voalohany amin’ny kalandrie ara-pivavahana jiosy taorian’ny sesitany. Mifanandrify amin’ny tapatapaky ny Martsa ka hatramin’ny tapatapaky ny Aprily izy io. “Abiba” no anarany taloha.
Orima sy Tomima: Zavatra nampiasaina mba hamantarana ny sitrapon’Andriamanitra, rehefa nisy fanontaniana lehibe momba ny firenen’Israely, ka nilana valiny avy tamin’i Jehovah.
Paska: (Heb.: pesah; Gr.: paska) Midika ara-bakiteny hoe “mandalo.” Natao voalohany izy io ny takariva talohan’ilay Fifindrana avy any Ejipta. Fahatsiarovana ny nanafahana ny Israelita tany Ejipta ny Paska. ‘Nandalovana’ fotsiny mantsy ny lahimatoan’izy ireo tamin’izay, fa ny lahimatoa tao Ejipta kosa novonoin’i Jehovah.
Pentekosta: Anarana ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, iantsoana ny Fetin’ny Fijinjana (Ek 23:16) na Fetin’ireo Herinandro (Ek 34:22), ary antsoina koa hoe “andron’ny voaloham-bokatra.” (No 28:26) Nankalazaina izy io tamin’ny andro faha-50 taorian’ny 16 Nisana (Pentekosta: midika hoe “[Andro] Fahadimampolo”). Mifanitsy amin’ny 6 Sivana izy io, amin’ny kalandrie jiosy.
Rafitr’ity tontolo ity: Avy amin’ilay teny grika hoe aiôn. Ny tena heviny dia hoe ny toe-javatra miseho, ny zava-misy na lafin-javatra mampiavaka ny fe-potoana na vanim-potoana iray, fa tsy dia ilay fotoana loatra.
Sabata: Andro natokan’Andriamanitra hialana sasatra amin’ny asa mahazatra. Nataon’i Jehovah ho famantarana teo aminy sy ny zanak’Israely izy io. Misy koa ny taona sabata, araka ny Lalàn’i Mosesy.
Sadoseo: Sekta nalaza teo amin’ny Fivavahana Jiosy, ary mpisorona ny sasany taminy. Anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ireo.
Salamo: Hira fiderana an’Andriamanitra.
Saron-tratra: Kitapo masina misy peta-kofehy. Nataon’ny mpisoronaben’ny Israely teo an-tratrany izy io, isaky ny niditra tao amin’ny Masina izy.
Sarony fampihavanana: Saron’ny vata misy ny fifanekena. Eo anoloan’izy io ny mpisoronabe no mamafy ny ran’ny fanatitra noho ny ota, amin’ny Andro Fandrakofam-pahotana.
Satana: Midika hoe “ilay Mpanohitra.” Iantsoana an’ilay Fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra.
Satroka lamba (an’ny Mpisoronabe): Lamba nahodinkodina tamin’ny lohan’ny mpisoronabe, ary nisy takela-bolamena teo anoloana, izay nafatotra tamin’ny tady manga. Mety ho lamba nozairina koa ilay izy, ka natao miendrika satroka.
Sekta: Olona nisaraka tamin’ny hafa, ka nanaraka ny foto-pampianarany manokana.
Sela: Teny hebreo ampiasaina amin’ny hira na tononkalo. Tsy tena fantatra ny heviny.
Serafima: Anjely eo akaikin’ny seza fiandrianan’i Jehovah any an-danitra.
Sorona iombonana: Antsoina koa hoe fanati-pihavanana. Midika izy io fa tsara fihavanana amin’i Jehovah ilay manolotra azy. Natolotra ho an’i Jehovah ny ra sy ny tavin’ilay biby, fa ny ampahany tamin’ny nofony kosa nohanin’ny mpisorona sy ilay mpanao fanatitra.
Synagoga: Midika hoe “antokon’olona miara-mivory.” Ao amin’ny ankamaroan’ny andinin-teny anefa, dia ilazana ny toerana nivorian’ny Jiosy, mba hivavahana sy hamakiana ny Soratra Masina, izy io.
Tandapa: Olona niandraikitra ny asa tao an-dapan’ny mpanjaka. Iantsoana koa ny lehilahy notendrena mba hanompo na hikarakara ny mpanjakavavy, ny vadin’ny mpanjaka sy ny vadikeliny ary ny vehivavy tao an-dapa. Novosirina ny sasany tamin’ireny tandapa ireny.
Terafima: Sampy na andriamanitry ny fianakaviana.
Toerana avo: Toerana avoavo, na havoana, na tendrombohitra. Matetika no ilazana trano na tempoly kely nanaovana fanompoan-tsampy. Misy ifandraisany amin’ny fivavahana foana ny “toerana avo”, ary ilazana indrindra ny foiben’ny fivavahan-diso.
Tranolay masina: Tranolay azo afindrafindra nampiasaina tamin’ny fivavahana teo amin’ny Israely. Antsoina koa hoe “tranolay fihaonana.”
Tsy fivadihana: Marina sy mahitsy ary tsy misy tsiny ny olona tsy mivadika. Tsy vitan’ny hoe manao ny tsara izy, fa tia an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo koa, ary tsara fitondran-tena.
Vaovao tsara: Ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny famonjena azo avy amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy.
Vata misy ny fifanekena: Vata masina tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay sy ny tempoly naorin’i Solomona. I Jehovah no nampanao azy io, sy nanome ny toromarika momba ny fanamboarana azy. Tao no nametrahana ireo takela-bato roa nisy ny Didy Folo.
Vatosanga: Vato mafy toy ny marbra. Matetika izy io no fotsifotsy, nefa mety hisy tsipitsipika miloko. Nolavahana ilay izy mba ho azo asiana ranon-javatra.
Vidim-panavotana: Izay aloa mba hividianana zavatra efa an’ny tena ihany taloha, na mba hahafahana amin’ny adidy na toe-javatra mampijaly. Manana heviny hoe atakalo na soloana izy io, ary koa hoe mifandanja sy mitovy.
Zanak’olona: Miverina efa ho im-80 io teny io ao amin’ny Filazantsara, ary milaza an’i Jesosy Kristy avokoa. Hita amin’izy io fa tena olombelona ilay Zanak’Andriamanitra, tamin’izy tetỳ an-tany. Midika koa io teny io fa tanteraka amin’i Jesosy ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 7:13, 14.
Zava-miafina masina: Zavatra avy amin’Andriamanitra, izay tsy ampahafantariny raha tsy amin’ny fotoana voatondrony. Izay olona tiany hahalala izany ihany no ampahafantariny azy.