-
Tsara ho Fantatra ny Tantaran’ny BaibolyNy Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2016 | No. 4
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NO MBOLA MISY HATRAMIN’IZAO NY BAIBOLY?
Tsara ho Fantatra ny Tantaran’ny Baiboly
Tsy misy boky ara-pivavahana afaka mitaha amin’ny Baiboly. Izy io ihany mantsy no tena nisy vokany teo amin’ny zavatra inoan’ny olona maro hatry ny ela be. Ny Baiboly koa no boky be mpandalina indrindra nefa be mpanakiana indrindra.
Misy manam-pahaizana, ohatra, misalasala raha tena mitovy amin’ny Baiboly tany am-boalohany izy io. Hoy ny iray amin’izy ireo: “Tsy azontsika antoka hoe mitovy tanteraka amin’ny Baiboly sora-tanana tany am-boalohany ny Baiboly ankehitriny. Be diso ny Baiboly misy amin’izao. Efa an-jatony taona tatỳ aoriana ny ankamaroany vao nadika, ka samy hafa be amin’ny Baiboly tany am-boalohany ary amin’ny lafiny maro mihitsy.”
Tsy Kristianina ny olona sasany, ka misalasala raha marina ny Baiboly. Nampianatra an’i Faizal, ohatra, ny fianakaviany hoe boky masina ny Baiboly saingy novana ny tao anatiny. Hoy i Faizal: “Lasa tsy natokitoky aho rehefa nisy olona te hiresaka tamiko momba ny Baiboly. Izy aza tsy manana ny Baiboly tany am-boalohany fa novana ilay izy.”
Tena ilainao ve ny mahalala raha novana ny Baiboly na tsia? Saintsaino izao: Hatoky ny fampanantenany momba ny hoavy ve ianao, raha tsy fantatrao hoe tena tao amin’ny Baiboly tany am-boalohany izany? (Romanina 15:4) Hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly ve ianao rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe momba ny asa, na fianakaviana, na fivavahana, raha be diso izy io?
Efa tsy misy intsony ireo boky nosoratana tany am-boalohany, izay lasa anisan’ny Baiboly. Sora-tanana tranainy an’arivony anefa no mbola azontsika dinihina. Nahoana izy ireny no mbola misy hatramin’izao na dia mora simba aza ny fitaovana nanoratana azy, na dia nisy nitady hamongotra aza, ary na dia nisy nitady hanova aza ny tao anatiny? Nahoana izany no mahatonga anao hatoky hoe marina ny Baiboly misy amin’izao? Mamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.
-
-
Mora Simba ny Fitaovana Nanoratana AzyNy Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2016 | No. 4
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NO MBOLA MISY HATRAMIN’IZAO NY BAIBOLY?
Mora Simba ny Fitaovana Nanoratana Azy
OLANA: Hodi-biby malefaka sy taratasy papyrus (karazan-jozoro) no tena nampiasain’ny mpanoratra Baiboly sy mpanao dika soratra. (2 Timoty 4:13) Natahorana tsy hisy intsony àry ny Baiboly.
Mora rovitra sy mihavasoka ary mihamalemy mantsy ny taratasy papyrus. Hoy i Richard Parkinson sy Stephen Quirke, mpikaroka momba an’i Ejipta fahiny: “Mety hihasimba ilay taratasy ka lasa misaratsaraka ary lasa vovoka. Tratran’ny hamandoana ny horonana taratasy papyrus rehefa tehirizina, ka lasa misy bobongolo na lo. Hanin’ny biby na bibikely toy ny vitsika fotsy koa ilay izy rehefa alevina.” Azon’ny hazavana na hamandoana be loatra ny taratasy papyrus sasany, taorian’ny nahitana azy, ka vetivety dia simba.
Mateza kokoa noho ny taratasy papyrus ny hodi-biby. Mora simba koa anefa izy io rehefa tsy tandritandremana na rehefa apetraka amin’ny toerana mafana be, mangatsiaka be, mando, na mazava loatra.a Tena tian’ny bibikely koa izy io. Tsy mahagaga raha tsy misy intsony ny ankamaroan’ireo sora-tanana fahiny. Raha simba toy izany anefa ny Baiboly, dia ho nanjavona koa ny hafatra noraketiny.
NAHOANA NO MBOLA MISY IREO HORONANA? Voalazan’ny lalàna jiosy fa tokony hadikan’ny mpanjaka tsirairay amin’ny boky ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly. (Deoteronomia 17:18) Be dia be koa ny sora-tanana nataon’ny mpanao dika soratra matihanina, ka nahitana ny Soratra Masina ny synagoga rehetra tany Israely hatrany Makedonia, tamin’ny taonjato voalohany. (Lioka 4:16, 17; Asan’ny Apostoly 17:11) Nahoana no mbola misy hatramin’izao ny sasany amin’ireny sora-tanana tranainy be ireny?
Voatahiry nandritra ny taonjato maro ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, rehefa nampidirina tao anaty siny tanimanga, ary napetraka tao anaty lava-bato tany an-tany efitra
Hoy i Philip Comfort, manam-pahaizana momba ny Testamenta Vaovao: “Fanaon’ny Jiosy ny nitahiry horonana tao anaty siny.” Mbola nanao an’izany koa ny Kristianina matoa nahitana sora-tanana tranainy tao anaty siny tanimanga, efitra kely maizimaizina, lava-bato, ary tany an-tany efitra.
INONA NO VOKANY? Sombina Baiboly sora-tanana tranainy an’arivony no mbola misy hatramin’izao. Mahatratra 2 000 taona mahery ny sasany amin’izy ireny. Ny Baiboly ihany no manana sora-tanana be dia be sy tranainy hoatr’izany.
a Nosoratana tamin’ny hodi-biby, ohatra, ny filazana ny fahaleovan-tenan’i Etazonia. Nihananjavona anefa ny ankamaroan’ny soratra ao amin’izy io, tsy ampy 250 taona tatỳ aoriana, ka mila tsy ho voavaky intsony.
-
-
Nisy Nitady Hamongotra Izy IoNy Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2016 | No. 4
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NO MBOLA MISY HATRAMIN’IZAO NY BAIBOLY?
Nisy Nitady Hamongotra Izy Io
OLANA: Betsaka ny mpitondra fanjakana sy mpitondra fivavahana nampiasa ny fahefany mba hisakanana ny olona tsy hanana na hamokatra na handika Baiboly. Mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly anefa izany. Diniho ireto ohatra ireto:
Taona 167 Talohan’i Kristy (T.K.) tany ho any: Te hanery ny Jiosy hanaraka ny fivavahana grika ny mpanjaka syrianina atao hoe Antiokosa Epifana, ka nasainy nopotehina daholo ireo boky anisan’ny Soratra Hebreo. Hoy i Heinrich Graetz, mpahay tantara, momba ny zavatra nataon’ny iraky ny mpanjaka: “Norovitiny sy nodorany izay horonana nisy ny Lalàna, na taiza na taiza nahitany an’izany. Ary izay tratra namaky azy ireny mba hahazoana hery sy fampiononana dia novonoina.”
Teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500 tany ho any: Tezitra ny mpitondra fivavahana katolika sasany, satria nisy mpiangona nitory ny hafatry ny Baiboly fa tsy ny fampianaran’ny Katolika. Nolazain’izy ireo ho mpivadi-pinoana izay lahika nanana an’ireo boky ao amin’ny Baiboly ankoatra ny bokin’ny Salamo amin’ny teny latinina. Tapaka tamin’ny fivoriana iray nataon’ny Eglizy fa hisy vatan-dehilahy “hasaina hitady ny toerana misy an’ireo mpivadi-pinoana. Hanao an’izany matetika izy ireo ary tsy hanao kitoatoa. Hataon’izy ireo savahao izay trano sy lakaly rehetra ahiahina ho misy an’ireo mpivadi-pinoana. ... Horavana izay trano rehetra ahitana azy ireny.”
Raha vitan’izy ireo ny namongotra ny Baiboly dia ho nanjavona koa ny hafatra noraketin’izy io.
Tsy nanjavona ny Baiboly anglisy nadikan’i William Tyndale, na dia voarara sy nodorana aza ny Baiboly, ary na dia novonoina aza izy tamin’ny 1536
NAHOANA NO TSY FONGOTRA NY BAIBOLY? Ny Jiosy tany Israely no tena noteren’i Antiokosa Mpanjaka hanaraka ny fivavahana grika. Efa niparitaka nanerana ny firenena maro anefa ny Jiosy. Milaza ny manam-pahaizana fa maherin’ny 60 isan-jatony no nipetraka tany ivelan’i Israely, tamin’ny taonjato voalohany. Notehirizin’ny Jiosy tany amin’ny synagoga ireo boky anisan’ny Soratra Masina. Ireny no nampiasain’ny taranaka tatỳ aoriana, anisan’izany ny Kristianina.—Asan’ny Apostoly 15:21.
Tsy natahotra fanenjehana ireo olona tia Baiboly, teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500 tany ho any. Nadikan’izy ireo foana ny Soratra Masina ary nataony kopia. Mety ho efa nisy tamin’ny fiteny 33 ny ampahany amin’ny Baiboly tamin’ny 1450 tany ho any, na dia mbola tsy nisy aza ny milina fanontam-pirinty. Vao mainka nihabetsaka ny Baiboly nadika sy novokarina taorian’izay.
INONA NO VOKANY? Ny Baiboly no boky miely indrindra sy voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra hatramin’izay, na dia niezaka namongotra azy io aza ny mpanjaka mahery sy ny mpitondra fivavahana. Nisy vokany teo amin’ny lalàna sy fiteny any amin’ny tany sasany izy io, ary koa teo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany.
-
-
Nisy Nitady Hanova ny tao AnatinyNy Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2016 | No. 4
-
-
Nitandrina be ny Masoreta rehefa nanao kopia ny Soratra Masina
MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NO MBOLA MISY HATRAMIN’IZAO NY BAIBOLY?
Nisy Nitady Hanova ny tao Anatiny
OLANA: Tsy nanjavona ny Baiboly na dia mora simba aza ny fitaovana nanoratana azy, ary na notadiavina hofongorana aza izy io. Nitady hanova ny tao anatiny anefa ny mpandika teny sy mpanao dika soratra sasany. Niezahany nampifanarahina tamin’ny fampianarany ny Baiboly, fa tsy ny fampianarany no nataony nifanaraka tamin’izy io. Ireto misy ohatra:
Toeram-pivavahana: Nanampy teny tao amin’ny Eksodosy 20:17 ny mpanoratra ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina, teo anelanelan’ny taonjato fahefatra sy faharoa T.K. Nampiany an’izao ilay andininy: “... any an-tendrombohitra Gerizima. Ary any ianao no hanorina alitara.” Toy ny hoe ny Soratra Masina mihitsy àry no milaza fa tokony hanorina tempoly any an-tendrombohitra Gerizima ny Samaritanina.
Fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray: Nanampy teny tao amin’ny 1 Jaona 5:7 ny mpanoratra iray mino an’io fampianarana io, 300 taona latsaka taorian’ny nahavitan’ny Baiboly. Nampiany an’izao ilay izy: “... any an-danitra, dia ny Ray, ny Teny ary ny Fanahy Masina: ary izy telo ireo dia iray.” Tsy hita tao amin’ny sora-tanana tany am-boalohany anefa ireo. Hoy i Bruce Metzger, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Lasa niverimberina tao amin’ny sora-tanana latinina tranainy sy ny Vulgate [latinina]” ireo teny ireo, “nanomboka tamin’ny taonjato fahenina.”
Ny anaran’Andriamanitra: Maro ny mpandika Baiboly nanala azy io tao amin’ny Soratra Masina, noho izy ireo nanaraka ny finoanoam-poanan’ny Jiosy. Nosoloan’izy ireo anaram-boninahitra hoe “Andriamanitra” na “Tompo” izy io. Tsy ny Mpamorona ihany anefa no antsoina amin’ireo anarana ireo ao amin’ny Baiboly, fa ny olona sy ny sampy ary na ny Devoly koa aza.—Jaona 10:34, 35; 1 Korintianina 8:5, 6; 2 Korintianina 4:4.a
NAHOANA NO TSY NIOVA NY BAIBOLY? Voalohany, maro ny mpanao dika soratra tena nahay sy nitandrina tsara, na dia nanao tsirambina sy namitaka aza ny hafa. Nataon’ny Masoreta kopia na dika mitovy, ohatra, ny Soratra Hebreo teo anelanelan’ny taonjato fahenina sy fahafolo. Antsoina hoe soratra nataon’ny Masoreta izy io. Nisain’izy ireo ny teny sy ny litera mba hahitany raha misy diso na tsia. Nosoratany teny amin’ny sisim-pejy koa izay zavatra nampiahiahy azy tao amin’ny sora-tanana nataony kopia. Tsy nety nanova ny teny ao amin’ny Baiboly izy ireo. Hoy ny mpikaroka atao hoe Moshe Goshen-Gottstein: “Noheverin’izy ireo ho fahotana mahafaty ny manao fanahy iniana manova an’ilay izy.”
Faharoa, manampy an’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly hahita ny diso ny sora-tanana maro be misy ankehitriny. Nampianarin’ny mpitondra fivavahana nandritra ny taonjato maro, ohatra, fa ny Baiboly amin’ny teny latinina no tena marina. Efa nampian’izy ireo an’ilay hevi-diso voaresaka terỳ aloha anefa ny 1 Jaona 5:7. Na ny Fandikan-tenin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy aza ahitana azy io. Inona anefa no nasehon’ireo sora-tanana hafa hita tatỳ aoriana? Hoy i Bruce Metzger: “Tsy hita mihitsy ao amin’ny sora-tanana fahiny (syriàka, kôpta, armenianina, etiopianina, arabo, ary slavônika) ilay fehezanteny nampiana [tao amin’ny 1 Jaona 5:7]. Ny sora-tanana amin’ny teny latinina ihany no misy azy io.” Nesorina tao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly malagasy àry ilay fehezanteny diso.
Chester Beatty P46, Baiboly sora-tanana amin’ny taratasy papyrus, tamin’ny taona 200 tany ho any
Porofoin’ny sora-tanana tranainy ve fa tsy niova ny Baiboly? Hita tamin’ny 1947 ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, izay nosoratana efa arivo taona mahery talohan’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta. Afaka nampitaha an’ireo sora-tanana roa ireo àry ny manam-pahaizana. Nilaza ny lehilahy iray anisan’ny mpandalina an’io horonam-bokin’ny Baiboly io fa horonana iray dia efa “manome porofo tsy azo lavina hoe nitandrina be sady tsy nanao diso mihitsy ireo Jiosy mpanao dika soratra, rehefa nanao kopia an’ireo Baiboly sora-tanana nandritra ny arivo taona mahery.”
Ahitana taratasy papyrus misy ny ankamaroan’ny boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ao amin’ny Tranomboky Chester Beatty, any Irlandy. Anisan’izany ny sora-tanana tamin’ny taonjato faharoa, izany hoe 100 taona teo ho eo monja taorian’ny nahavitan’ny Baiboly. Hoy Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy): “Marina aloha hoe nahitana tsipirian-javatra vaovao be dia be ireo taratasy papyrus. Hita avy amin’izy ireny koa anefa fa tsy niova ireo Baiboly sora-tanana rehefa natao kopia.”
“Tsy diso isika raha milaza fa tsy misy asa soratra tranainy nampitaina tamin’ny fomba marina toy izany”
INONA NO VOKANY? Tsy nampihen-danja ny Baiboly ny fisian’ny sora-tanana maro sy tranainy be, fa vao mainka nahatonga azy io ho azo itokisana. Hoy Atoa Frederic Kenyon momba ny Soratra Grika Kristianina: “Io ihany no boky tranainy manana porofo maro be sy efa taloha be hoe marina ny zavatra raketiny. Raha manam-pahaizana tsy mitsara an-tendrony dia tsy maintsy hiaiky hoe marina ny Baiboly ananantsika amin’izao.” Hoy koa ilay manam-pahaizana atao hoe William Green momba ny Soratra Hebreo: “Tsy diso isika raha milaza fa tsy misy asa soratra tranainy nampitaina tamin’ny fomba marina toy izany.”
a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny pejy 1-13 amin’ny bokikely Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra, ao amin’ny www.pr2711.com/mg.
-
-
Nahoana no Mbola Misy Hatramin’izao ny Baiboly?Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2016 | No. 4
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NO MBOLA MISY HATRAMIN’IZAO NY BAIBOLY?
Nahoana no Mbola Misy Hatramin’izao ny Baiboly?
Soa fa mbola misy ny Baiboly, ka afaka manana sy mamaky azy io ianao. Afaka matoky ianao hoe mifanaraka tsara amin’ny sora-tanana tany am-boalohany ny Baiboly vakinao, raha tsara ny fandikan-teny fidinao.a Mahagaga fa mbola misy foana ny Baiboly na dia mora simba aza ny fitaovana nanoratana azy, na dia nisy nitady hamongotra aza izy io, ary na dia nisy nitady hanova aza ny tao anatiny. Nahoana? Inona no mampiavaka an’io boky io?
“Resy lahatra aho izao hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Baiboly”
Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Maro ny mpianatra Baiboly miaiky toy izany. Mino izy ireo hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly ary narovany izy io matoa mbola misy foana. Nianatra Baiboly i Faizal, ilay voaresaka tany aloha, satria te hanadihady izy raha marina izany. Nahagaga azy ny zavatra hitany. Tsy ela dia fantany hoe tsy ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny fampianaran’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Nanohina ny fony koa ny nahalala ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany.
Hoy i Faizal: “Resy lahatra aho izao hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Izy no namorona an’izao rehetra izao, ka azo antoka fa vitany ny manome boky antsika sy miaro azy io. Toy ny hoe manisy fetra ny herin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra aho raha milaza fa tsy mahavita an’izany izy. Izaho ve dia ho sahy hanao an’izany?”—Isaia 40:8.
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Baiboly Tokony Hovakinao?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2008.
-