-
Tena Nitranga ve Izany?Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2016 | No. 2
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA I JESOSY NO NIJALY SY MATY?
Tena Nitranga Ve Izany?
Taona 33 tamin’izay, ary lohataona ny andro. Novonoina ho faty i Jesosy avy any Nazareta. Nendrikendrehina ho nitaona ny olona hikomy izy, nampijalijalina, ary avy eo nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana. Nanaintaina be izy mandra-pahafatiny. Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty anefa izy ary niakatra tany an-danitra, 40 andro taorian’izay.
Hitantsika ao amin’ireo Filazantsara efatra ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na Testamenta Vaovao, io fitantarana miavaka io. Nitranga tokoa ve anefa ireo? Tena ilaina fantarina izany. Raha tsy nitranga akory mantsy ireo, dia tsy hisy dikany ny finoan’ny Kristianina, ary ho nofinofy ihany ilay fanantenana hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa. (1 Korintianina 15:14) Raha tena nitranga kosa ireo zavatra ireo, dia hanana hoavy tsara ny olombelona rehetra, anisan’izany ianao. Tena azo antoka àry ve ny zavatra lazain’ny Filazantsara?
POROFO FA TENA NISY I JESOSY
Tsy mitovy amin’ny angano ny zavatra resahin’ny Filazantsara, fa tena marina sady amin’ny an-tsipiriany. Be dia be anaran-toerana tena nisy, ohatra, ao. Mbola misy amin’izao aza ny sasany amin’izy ireny sady azo tsidihina. Miresaka olona tena nisy koa ny Filazantsara, ary mifanaraka amin’ny voalazan’ny mpahay tantara izany.—Lioka 3:1, 2, 23.
Niresaka momba an’i Jesosy ny mpanoratra sasany tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa.a Voatantara ao amin’ny Filazantsara ny fomba namonoana an’i Jesosy, ary mitovy amin’ny fomba namonoan’ny Romanina olon-dratsy tamin’izany ilay izy. Miresaka ny zavatra tena nitranga koa ny Filazantsara fa tsy manafinafina. Tantarainy ao hatramin’ny zavatra tsy nety nataon’ny mpianatr’i Jesosy. (Matio 26:56; Lioka 22:24-26; Jaona 18:10, 11) Hita amin’izany fa tena nilaza ny marina ny mpanoratra ny Filazantsara rehefa niresaka momba an’i Jesosy.
POROFO FA TENA NATSANGANA I JESOSY
Betsaka no manaiky hoe tena nisy i Jesosy ary maty izy avy eo. Misy anefa tsy mino hoe nitsangana tamin’ny maty izy. Na ireo apostolin’i Jesosy aza tsy nino tamin’ny voalohany rehefa nisy niteny tamin’izy ireo hoe velona indray izy. (Lioka 24:11) Rehefa nahita an’i Jesosy tamin’ny fotoana samy hafa anefa ny apostoly sy ny mpianatra hafa, dia tsy nisalasala intsony. Mpianatra 500 mahery, ohatra, indray mandeha, no niara-nahita an’i Jesosy.—1 Korintianina 15:6.
Sahy nitory momba ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ny mpianany, na dia mety ho voasambotra sy hovonoina aza. Niresaka tamin’ireo olona namono an’i Jesosy mihitsy aza izy ireo. (Asan’ny Apostoly 4:1-3, 10, 19, 20; 5:27-32) Ho sahy hanao an’izany ve izy ireo raha tsy azony antoka akory hoe tena natsangana i Jesosy? Ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty aza no nahatonga ny Fivavahana Kristianina ho be mpanaraka, tamin’izany sy amin’izao fotoana izao.
Tena marina sy azo antoka àry ny fitantaran’ny Filazantsara momba ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Raha mamaky tsara azy ireny ianao, dia hiaiky fa tena nitranga tokoa izy ireny. Hihamatanjaka izany finoanao izany raha fantatrao hoe nahoana izy ireny no nitranga. Hanazava an’izany ny lahatsoratra manaraka.
a Anisan’izany i Tacite, teraka tamin’ny taona 55 tany ho any. Hoy izy: ‘Novonoin’i Pontio Pilato, anisan’ny manam-pahefana teo amintsika, i Kristy, ilay niavian’ny anarana hoe Kristianina, nandritra ny fitondran’i Tiberio.’ Niresaka momba an’i Jesosy koa i Suétone (taonjato voalohany), sy Josèphe, mpahay tantara jiosy (taonjato voalohany), ary Pline Zandriny, governoran’i Bitynia (teo am-piandohan’ny taonjato faharoa).
-
-
Nahoana i Jesosy no Nijaly sy Maty?Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2016 | No. 2
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA
Nahoana I Jesosy No Nijaly Sy Maty?
“Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana.”—Romanina 5:12
Inona no hoteneninao raha hanontaniana ianao hoe: “Te hiaina mandrakizay ve ianao?” Betsaka no mety hilaza hoe: “Ie!” Mety hilaza koa anefa izy ireo hoe tsy hisy mihitsy izany. Mieritreritra mantsy izy ireo fa lalam-piainana ilay hoe tsy maintsy ho faty.
Ahoana indray raha havadika kely ilay fanontaniana, dia atao hoe: “Vonona ny ho faty ve ianao?” Azo antoka fa hamaly ny ankamaroantsika hoe tsia. Hita amin’izany fa te ho velona isika rehetra, na dia mafy aza ny fiainana. Milaza mantsy ny Baiboly fa efa voajanahary amin’ny olona mihitsy ilay hoe te ho velona foana. Izao no voalaza ao: ‘Ny fotoana tsy voafetra dia nataony tao am-pon’ny olombelona.’—Mpitoriteny 3:11.
Tsy mety velona mandrakizay anefa ny olona. Fa inona no nitranga? Efa nisy zavatra nataon’Andriamanitra ve mba hanavotana antsika? Mamaly an’ireo fanontaniana ireo ny Baiboly, ary manome fanantenana antsika ilay izy. Misy ifandraisany amin’ny nahafatesan’i Jesosy koa ny zavatra lazainy.
FA INONA NO NITRANGA?
Milaza ny toko telo voalohany ao amin’ny Genesisy, boky ao amin’ny Baiboly, fa nampanantena an’i Adama sy Eva Andriamanitra hoe afaka ny hiaina mandrakizay izy ireo. Noresahiny tamin’izy ireo koa izay tokony hataon’izy ireo mba hahazoana an’izany. Tantaraina ao avy eo fa tsy nankatò an’Andriamanitra izy mivady, ka lasa tsy afaka niaina mandrakizay. Tsotra kely ilay fitantarana, ka misy milaza fa angano ilay izy. Mitovy amin’ny Filazantsara ihany anefa ny Genesisy, satria hita hoe azo antoka sy marina ny zavatra voalaza ao.a
Inona no vokany rehefa tsy nankatò i Adama? Hoy ny Romanina 5:12: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” Nanota i Adama rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra, ka tsy afaka ny hiaina mandrakizay. Maty izy tamin’ny farany. Nandova ota koa isika satria taranany. Izany no mahatonga antsika harary sy hihantitra ary ho faty. Mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa izany. Hitan’izy ireo hoe mifindra amin’ny zanaka ny toetoetra sasany avy amin’ny ray aman-dreny. Efa nisy zavatra nataon’Andriamanitra ve anefa mba hanavotana antsika?
INONA NO NATAON’ANDRIAMANITRA?
Nanota i Adama ka lasa tsy afaka ny hiaina mandrakizay koa isika taranany. Nisy zavatra nataon’Andriamanitra anefa mba hanavotana antsika. Inona izany?
Hoy ny Romanina 6:23: “Fahafatesana no tambin’ny ota.” Midika izany fa tsy maintsy maty izay manota. Nanota i Adama dia maty. Mpanota koa isika ka tokony ho faty, satria izay no tambin’ny ota. Tsy avy amintsika anefa no nahatonga antsika hoe vao teraka tonga dia mpanota. Naniraka an’i Jesosy Zanany àry Andriamanitra mba hanafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Nahoana i Jesosy no afaka nanao an’izany?
Maty ho antsika i Jesosy ka afaka ny ho sambatra sy hiaina mandrakizay isika
Lavorary i Adama tamin’ny voalohany, saingy tsy nankatò ka nahatonga antsika ho faty. Tsy nahavita nanavotra antsika àry raha tsy olona lavorary sy nankatò hatramin’ny fahafatesana. Hoy ny Romanina 5:19: “Tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy nankatoavan’ny olona iray, no hahatongavan’ny maro ho marina noho ny nankatoavan’ny olona iray.” I Jesosy ilay hoe “olona iray.” Nanketỳ an-tany izy, lasa olona lavorary,b ary maty ho antsika. Afaka ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra indray àry isika, ka lasa afaka manantena ny hiaina mandrakizay.
NAHOANA I JESOSY NO TSY MAINTSY NIJALY SY MATY?
Nahoana anefa i Jesosy no tsy maintsy maty mba hanavotana antsika? Fa angaha moa tsy azon’Andriamanitra natao ny niteny fotsiny hoe afaka ny hiaina mandrakizay ny taranak’i Adama rehetra? Manana fahefana hanao an’izany tokoa izy, satria izy no Mahery Indrindra. Raha nanao an’izany anefa izy, dia lasa tsy nanaja an’ilay teniny hoe ny fahafatesana no tambin’ny ota. Tsy hoe tsy misy dikany mantsy izany lalàna izany ka azo ovana na amboamboarina araka izay itiavana azy. Tsy maintsy nanaraka an’io lalàna io Andriamanitra raha te hanao ny rariny.—Salamo 37:28.
Tsy hatokisan’ny olona intsony Andriamanitra raha ohatra ka tsy nanaja ny teniny. Ho vitany ve, ohatra, ny tsy hiangatra rehefa hisafidy hoe iza amin’ny taranak’i Adama no mendrika hiaina mandrakizay? Ho azo antoka hoe hitana ny teniny ve izy ka hanatanteraka ny fampanantenany? Nanao ny rariny foana anefa izy rehefa nitady fomba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Mahatonga antsika hatoky izany hoe mety foana ny zavatra hataony.
Lasa afaka ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany indray ny olona, rehefa nanome an’i Jesosy ho vidim-panavotana Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tsy hoe tia rariny fotsiny àry Andriamanitra rehefa namela an’i Jesosy ho faty, fa nampiseho koa hoe tena tiany ny olombelona.
Nahoana anefa i Jesosy no tsy maintsy nijaly be vao maty, araka ny resahin’ny Filazantsara? Nanaiky hijalijaly i Jesosy sady tsy nivadika mihitsy, mba hanaporofoana fa diso ilay fiampangan’ny Devoly hoe hivadika amin’Andriamanitra ny olona rehefa ao anatin’ny sarotra. (Joba 2:4, 5) Toa marina io tenin’i Satana io, satria lavorary i Adama nefa vitany ny nitarika azy hanota. Lavorary hoatran’i Adama koa i Jesosy, nefa nankatò foana na dia nijaly aza. (1 Korintianina 15:45) Nasehon’i Jesosy tamin’izany fa tokony ho vitan’i Adama ny nankatò an’Andriamanitra, raha nisafidy ny hanao an’izany izy. Nanome modely ho antsika àry i Jesosy rehefa niaritra fijaliana. (1 Petera 2:21) Nomen’Andriamanitra valisoa izy satria nankatò foana. Lasa afaka niverina tany an-danitra izy, sady lasa tsy mety maty intsony.
INONA NO AZONAO ATAO?
Tena maty ho antsika tokoa i Jesosy, ka lasa afaka ny hiaina mandrakizay isika. Noresahin’i Jesosy hoe inona no tsy maintsy ataonao raha te hahazo an’izany ianao. Hoy izy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.
Mampirisika anao ny mpamoaka an’ity gazety ity, mba hianatra momba an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy Zanany. Ho faly hanampy anao amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah eny aminareo. Azonao atao koa ny mijery ny tranonkala www.pr2711.com/mg.
a Jereo ilay hoe “Genesisy, Bokin’ny”: “Marina ara-tantara”, ao amin’ny Fandalinana ny Soratra Masina, ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny jw.org/mg.
b Nafindran’Andriamanitra tao an-kibon’i Maria ny ain’i Jesosy Zanany, ka lasa bevohoka izy. Tsy nandova ota avy tamin’i Maria anefa i Jesosy satria niaro azy ny fanahy masina.—Lioka 1:31, 35.
-