Manehoa fahendrena: Ampiharo izay ianaranao
1 Maniry hiaina ao anatin’ny fahasambarana sy ny fiadanana avokoa ny ankamaroan’ny olombelona. Misy boky sy lahatsoratra an’arivony maro manome torohevitra mikasika ny fomba hahasambatra ao an-tokantrano, hitaizana ireo ankizy, hahombiazana eo amin’ny lafiny ara-bola, hahasalama sy hitoerana ho salama hatrany, ary momba ny foto-kevitra maro hafa heverina fa hanampy ny olona hahita fahasambarana. Marina fa mety hahita fahendrena azo ampiharina ao amin’ireny zavatra voasoratra ireny ny tena, nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mahita fahasambarana sy fiadanana velively. Nahoana?
2 Atoron’ny Baiboly izany ao amin’ny Ohabolana 1:7, izay amakiana toy izao: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana; fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.” Tsy azo atao ny hanantena hiaina amim-piadanana sy amim-pahasambarana raha toa ka tsy mahalala na manaja akory an’i Jehovah Andriamanitra, ilay loharanon’ny tena fahalalana sy fahendrena.
3 Mahantra sy mosarena izao tontolo izao raha eo amin’ny lafiny ara-panahy. Ny tena ratsy dia izy ihany no tompon’andraikitra amin’izany toe-javatra mampalahelo izany, satria misy sakafo ara-panahy omena be dia be sy maimaimpoana ary ho an’ny rehetra maneran-tany (Ohab. 1:20, 21; Apok 22:17). Koa satria hamavoin’ny olona ny fahendrena avy amin’i Jehovah, dia mbola solafaka hatrany ao anatin’ny haizina ara-panahy izy (Ohab. 1:22-32). Mifanohitra amin’izany kosa, isika izay manompo an’i Jehovah ka manaja ireo lalàny sy mankato ny didiny, dia voky tsara sy sambatra eo amin’ny lafiny ara-panahy (Isaia 65:13, 14). Ankoatra izany, ny fitiavana izay manjaka eo anivon’ny fandaminan’Andriamanitra dia mampahafantatra antsika ho ny tena mpianatr’i Kristy (Jaona 13:35). Tsy azo lavina fa ny fianakaviana maneran-tany voaforon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia manome porofo velona fa ny fanajana ireo fampianaran’ny Baiboly no lalan’ny fahendrena.
4 Na dia eo aza izany rehetra izany, dia misy mpikambana sasany ao amin’ny fandaminan’i Jehovah tsy sambatra araka ny tokony haha-izany azy. Manimba ny fahasambaran’ny manodidina azy aza izy indraindray amin’ny teniny sy ny fitondrantenany. Nahoana àry? Satria fotsiny tsy manao zavatra mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra izy. Na dia mamonjy ireo fivorian’ny kongregasiona aza izy, manatrika ny fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny distrika, maharaka ny famakiana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana dia asehon’ny fiainany sy ny fihetsiny manoloana ny hafa, anisan’izany ireo kristiana namany, fa tsy mampihatra ireo fahamarinana nianarany izy. Inona no tokony hataon’izy ireo? ‘Miezaka mamafy ho an’ny fanahy’ mba hahitany ny tena fahasambarana sy mba hanaovany izay hahasambatra ny manodidina azy.—Gal. 6:7, 8.
IZAY TOKONY HAMPIHARINA
5 Raha toa isika ka mihaketraka, na mampihena ny fitandremantsika, ary raha toa isika ka manaiky ho resin’i Satana na izao tontolo izao na ny nofontsika tsy tanteraka, dia hamoy ny fifaliana azo avy amin’ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Ilaintsika tsy misy toy izany izao ny ho mailaka hampihatra izay ianarantsika amin’ireo fivoriana na ireo fivoriambe sy avy amin’ireo fandaharana hafa nataon’ny fandaminana. Mampidi-doza sy miovaova hatrany ity izao tontolo izao misy antsika ity. Ilaintsika ny miahy ny amin’ny hampiharana ireo torohevitra omen’i Jehovah antsika amim-pitiavana amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, amin’ny fiekena fa mahaforona ny sakafo omena amin’ny fotoana mety izy ireny.—Matio 24:45-47.
6 Ireo lohateny ao amin’ny fandaharana amin’ny andro fivoriambe manokana farany dia mamelabelatra mazava sy amin’ny antsipiriany ny amin’ny fomba hiorenana mafy toy ny andiany iray ihany. Manome fanoloran-kevitra azo ampiharina ny amin’ny fomba handresena ireo fitaomana mampahalemy izany, toy ny: toe-javatra mampahakivy, toe-tsaina tia fahaleovantena mampiavaka izao tontolo izao, ary ireo fialam-boly mandany fotoana. Moa ve isika mampihatra ireto toro-hevitra tsara ireto: mitoky tanteraka amin’i Jehovah sy ny lalany, mankasitraka ny fahefana teokratika sy manaiky izany, manetry tena sy maotina, manararaotra ny fotoana mety mba hanatratrarana zava-kendrena teokratika (Mika 6:8; Efes. 5:15, 16; Heb. 6:10; 13:17)? Moa ve ny mpikambana ao amin’ny fianakaviantsika mifanampy mba hanao fiainana kristiana? Tokony hanan-kery eo amin’ny fifidianantsika ireo fialam-bolintsika sy ny fahazarantsika ary ny asantsika andavanandro ireo torohevitry ny Soratra Masina. Raha tsy manao fiezahana amim-pahendrena isika mba hampiharana izay ianarantsika dia ho kely ny fandrosoana ara-panahy hataontsika, na tsy hisy mihitsy aza, ka izany dia hanaisotra amintsika ny fiadanan-tsaina sy ny fahasambarana.—Fil. 4:7-9; Jak. 1:22-25.
7 Ilaintsika ny manao fiezahana voalamina mba hanaovana fianarana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana. Noho ny Index de publications de la Société Watch Tower, dia afaka mahita fomba fampiharana hentitra an’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly isika. Ny boky Les Jeunes s’interrogent dia fiasana tsara dia tsara hampiasain’ny ray aman-dreny mba hanampiana an’ireo zanany hiatrika an’izao tontolo izao sarotra ankehitriny, izay tapahin’i Satana. Amin’ny fandinihana ny boky toy izany no hahalalantsika ny hevitr’i Jehovah, ka hotarihin’ireo fotopoto-pitsipiny marina isika. Ny tsy fanaovana toy izany dia hitovy amin’ny hoe manana fanafody mety mba hiadiana amin’ny aretina iray isika ary mahalala fa hanasitrana antsika izy io, nefa mampiasa izany mihitsy isika. Ny fianarana manokana sy ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka dia hampitombo ny finoantsika sy hanome antsika ny hery hoenti-miaritra. Ao anatin’ny fisedrana dia tsy hoe hihamalemy ny finoantsika ka hiteraka fahalavoana ho antsika.—Matio 13:6; Lioka 8:13; Heb. 2:1.
8 Ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa dia natao hanome ohatra amin’ny fitarihana tsara ny ankohonany. Ilain’izy ireo, ankoatra ny zavatra hafa, ny manampy ny vady aman-janany hampihatra izay ianarany amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminana, mba hitoeran’izy ireo hatanjaka eo amin’ny lafiny ara-panahy. Amin’izay ny fianakaviany manontolo dia hanana fiainana kristiana faka tahaka ka ho loharanom-pampaherezana na ao anatin’ny kongregasiona izany na any ivelany.—Efes. 6:4; 1 Tim. 3:4, 12, 13.
IZA NO HAMPIANA?
9 Isan-taona, dia misy olona maro be anisan’ireo mpanatrika ny Fahatsiarovana mila hampaherezina mba hampihatra izay ianarany sy mba ho tonga mpikambana marisika ao amin’ny fandaminana. Azo atao ny mampiseho fiheverana voamariky ny fitiavana amin’ireo izay miara-mianatra amintsika, amin’ny fanazavana aminy ny fomba fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly sy ny fitandremana ireo didy marin’Andriamanitra. Tokony hiahy ireo izay mandroso mba ho tonga rahalahintsika sy anabavintsika ao amin’ny finoana isika.
10 Tokony hampiana izay rehetra manjary tapatapaka na tsy miasa, mba hahatakatra ny ilàna ny handraisana anjara tsy tapaka amin’ireo asan’ny fandaminana. Ilain’izy ireny ny hahita indray ny fiadanana sy ny fahasambarana tsapany fony izy nanompo an’i Jehovah tamin’ny fomba feno kokoa (Jaona 13:17). Raha ampiantsika amin-kamoram-po izy ireny hamelombelona indray ny fankasitrahany ny fahamarinana sy ‘hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra’, dia hahay hampihatra izay ianarany sy tsy hiala amin’ny lalan’ny fiainana.—Heb. 13:15; jereo Ny fanompoantsika ilay Fanjakana tamin’ny volana septambra 1979, pejy voalohany, sy ny tamin’ny janoary 1978, pejy faha-3.
11 Ilain’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ny miara-mandeha amin’ny fandaminan’i Jehovah, izay mandroso haingana. Tsy azontsika atao ny hijanona eo amin’izay toerana misy antsika. Ilaintsika ny miaro hatrany ny fiainantsika ara-panahy sy mandray fahalalana ireo toromarika farany omen’ny fandaminan’Andriamanitra ary hampihatra izany avy hatrany. Mitaky fiezahana amim-pahazotoana izany, ary sorona manokana aza indraindray. Tsy mitaky amintsika izay tsy mety ho vitantsika anefa Jehovah. Satria izy no namorona antsika, dia fantany izay tsara indrindra ho antsika. Aoka àry isika haneho fahendrena amin’ny fanekena hampianarin’i Jehovah hatrany sy amin’ny fampiharana izay ianarantsika. Ho fiderana azy tokoa izany, ary handray soa mandrakizay avy amin’izany isika.—Isaia 48:17; 54:13.