-
Fivoriana ho amin’ny asa fitorianaFanompoana—1990 | Febroary
-
-
Fivoriana ho amin’ny asa fitoriana
5-11 FEBROARY
Ny fanaovana fanambarana miaraka amin’ny Baiboly
1. Nahoana no mampiasa Baiboly?
2. Ahoana no azo ampirisihana ny olona hampiasa ny Baiboliny?
3. Zavatra mampiavaka ny Baiboly inona avy no ampiasainao?
12-18 FEBROARY
Ny fanaovana fanambarana tampotampoka
1. Nahoana moa no zava-dehibe io karazana asa io?
2. Aiza no mety hahitana fanaovana fanambarana tampotampoka?
3. Ahoana no hanehoana fahaiza-mandanjalanja ilaina?
19-25 FEBROARY
Ahoana no hamaliana amim-pahaiza-mandanjalanja ireo izay milaza hoe:
1. “Sahirana aho”?
2. “Tsy mahaliana ahy izany”?
3. “Manana ny finoanay izahay”
26 FEBROARY–4 MARTSA
Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ireo zanany
1. Hiomana ho amin’ny fampielezana gazety?
2. Hilaza hevitra araka ny Baiboly? Amin’ny olona iresahana?
3. Hitondra tena tsara eny am-pitoriana?
-
-
Foto-dresakaFanompoana—1990 | Febroary
-
-
Foto-dresaka
Ny fiadanana: Mety hahita izany ve ianao?
Sal. 37:1, 11: Ampanantenaina ny fiadanana haneran-tany.
Sal. 37:34: Zava-dehibe ny hitandremana ny lalan’Andriamanitra.
-
-
Aoka isika hampiseho ny fatokiantsika an’i Jehovah amin’ny maha-mpitory maharitrFanompoana—1990 | Febroary
-
-
Aoka isika hampiseho ny fatokiantsika an’i Jehovah amin’ny maha-mpitory maharitra
1 Ilaina ny mitoky amin’i Jehovah mba hametrahana ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany (Sal. 56:11; Ohab. 3:5; Matio 6:33). Tsy tokony hampitodika ny saintsika amin’izay heverin’izao tontolo izao ho zava-dehibe isika fa hifantoka kosa amin’ireo zavatra misy vidiny ara-panahy. Raha manana faniriana mihoa-pampana ny hanana zavatra ara-nofo izao tontolo izao, Jehovah kosa dia mampirisika antsika hianina amin’izay tena ilaina.—1 Tim. 6:8; Fil. 1:10.
2 Sarotra indrindra ny hanao izany ho an’ireo tanora kristiana izay mandray am-po ireo didin’i Jehovah. Any an-tsekoly izy ireny indraindray dia iharan’ny fitaoman’ny mpampianatra sy ny namana izay mihevitra fa ny fianarana ambony no ahazoana fahombiazana. Sady manaiky fa mila zavatra ara-nofo ny tanora kristiana maro no mampiseho fahendrena amin’ny fanoherana izany fitaomana izany sy amin’ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra ho anton’asany. Matoky ireo fampanantenan’i Jehovah izy ary miantehitra aminy mba hahazo izay ilainy.—Sal. 62:2; 68:19; 1 Tim. 5:8; 6:9, 10.
Aoka isika hihevitra indray ny toerantsika manokana
3 Nampirisika antsika hanontany tena toy izao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 may 1983: “Raha tsy mpitory maharitra ny tenako, moa ve aho afaka manome antony azo ekena ho an’Andriamanitra?” Maro tokoa tamin’izany no tsy afaka ny ho mpitory maharitra. Nefa tsy kivy izy na dia izany aza satria fantany fa na inona na inona asa tanterahina amin’ny fo rehetra, dia ankasitrahan’i Jehovah (Mika 6:8; 2 Kor. 8:13). Taty aoriana, rehefa niova ny toerana nisy azy, ny fandinihana indray tamim-pahendrena io Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1983 io dia namela ny sasany ho anisan’ireo mpitory an’arivony maro manao ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona vao haingana kokoa.
4 Raha tsy mamela anao ho tonga mpitory maharitra ny toerana misy anao rehefa nomena io torohevitra voalaza etsy ambony io tamin’ny 1983, moa ve izany niova hatramin’izay? Teto Madagasikara dia nitombo 17 ny isan’ny mpitory maharitra mandavantaona nandritra ny taon-dasa. Tsy isalasalana mihitsy fa maro tamin’izy ireo no naniry ny ho tonga mpitory maharitra avy hatrany, saingy tsy maintsy miandry ny hiovan’ny toerana nisy azy izy ireo.
5 Ho an’ny sasany, ny fiovana ilaina dia mahakasika ny fomba fiheverany ny asan’ny mpitory maharitra. Indraindray, dia ampy ny mametra fandaharana asa tsara ho an’ny tena. Ilaina indraindray ny manao fanovana eo amin’ny andraikitra sy ny adidin’ny tena manokana mba hahafahana ho tonga mpitory maharitra. Tsara àry ny hiresahana tsy tapaka ny amin’io raharaha io amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka sy ny handinihana amim-pahatsorana ny fahafahana sy ny toerana misy ny tena. Izany no nataon’ny mpitory an’arivony maro, ary hitany ankehitriny ny fifaliana entin’ny asan’ny mpitory maharitra.
6 Raha toa ny fandinihana amim-piheverana ny toerana misy anao ka mampiseho aminao fa anisan’ireo afaka ny ho tonga mpitory maharitra tsy ho ela ianao, nahoana no tsy manomboka dieny izao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny fomba mitohy? Azo inoana fa ao anatin’ny volana vitsivitsy ianao dia hahazo fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly maromaro. Izany dia hamela anao hanomboka mora foana ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona, angamba aza alohan’ny fanombohan’ny taom-piasana manaraka.
7 Manatontosa zavatra lehibe maro i Jehovah mandritra ny andro
-