Aoka isika hampiseho ny fatokiantsika an’i Jehovah amin’ny maha-mpitory maharitra
1 Ilaina ny mitoky amin’i Jehovah mba hametrahana ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany (Sal. 56:11; Ohab. 3:5; Matio 6:33). Tsy tokony hampitodika ny saintsika amin’izay heverin’izao tontolo izao ho zava-dehibe isika fa hifantoka kosa amin’ireo zavatra misy vidiny ara-panahy. Raha manana faniriana mihoa-pampana ny hanana zavatra ara-nofo izao tontolo izao, Jehovah kosa dia mampirisika antsika hianina amin’izay tena ilaina.—1 Tim. 6:8; Fil. 1:10.
2 Sarotra indrindra ny hanao izany ho an’ireo tanora kristiana izay mandray am-po ireo didin’i Jehovah. Any an-tsekoly izy ireny indraindray dia iharan’ny fitaoman’ny mpampianatra sy ny namana izay mihevitra fa ny fianarana ambony no ahazoana fahombiazana. Sady manaiky fa mila zavatra ara-nofo ny tanora kristiana maro no mampiseho fahendrena amin’ny fanoherana izany fitaomana izany sy amin’ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra ho anton’asany. Matoky ireo fampanantenan’i Jehovah izy ary miantehitra aminy mba hahazo izay ilainy.—Sal. 62:2; 68:19; 1 Tim. 5:8; 6:9, 10.
Aoka isika hihevitra indray ny toerantsika manokana
3 Nampirisika antsika hanontany tena toy izao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 may 1983: “Raha tsy mpitory maharitra ny tenako, moa ve aho afaka manome antony azo ekena ho an’Andriamanitra?” Maro tokoa tamin’izany no tsy afaka ny ho mpitory maharitra. Nefa tsy kivy izy na dia izany aza satria fantany fa na inona na inona asa tanterahina amin’ny fo rehetra, dia ankasitrahan’i Jehovah (Mika 6:8; 2 Kor. 8:13). Taty aoriana, rehefa niova ny toerana nisy azy, ny fandinihana indray tamim-pahendrena io Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1983 io dia namela ny sasany ho anisan’ireo mpitory an’arivony maro manao ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona vao haingana kokoa.
4 Raha tsy mamela anao ho tonga mpitory maharitra ny toerana misy anao rehefa nomena io torohevitra voalaza etsy ambony io tamin’ny 1983, moa ve izany niova hatramin’izay? Teto Madagasikara dia nitombo 17 ny isan’ny mpitory maharitra mandavantaona nandritra ny taon-dasa. Tsy isalasalana mihitsy fa maro tamin’izy ireo no naniry ny ho tonga mpitory maharitra avy hatrany, saingy tsy maintsy miandry ny hiovan’ny toerana nisy azy izy ireo.
5 Ho an’ny sasany, ny fiovana ilaina dia mahakasika ny fomba fiheverany ny asan’ny mpitory maharitra. Indraindray, dia ampy ny mametra fandaharana asa tsara ho an’ny tena. Ilaina indraindray ny manao fanovana eo amin’ny andraikitra sy ny adidin’ny tena manokana mba hahafahana ho tonga mpitory maharitra. Tsara àry ny hiresahana tsy tapaka ny amin’io raharaha io amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka sy ny handinihana amim-pahatsorana ny fahafahana sy ny toerana misy ny tena. Izany no nataon’ny mpitory an’arivony maro, ary hitany ankehitriny ny fifaliana entin’ny asan’ny mpitory maharitra.
6 Raha toa ny fandinihana amim-piheverana ny toerana misy anao ka mampiseho aminao fa anisan’ireo afaka ny ho tonga mpitory maharitra tsy ho ela ianao, nahoana no tsy manomboka dieny izao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny fomba mitohy? Azo inoana fa ao anatin’ny volana vitsivitsy ianao dia hahazo fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly maromaro. Izany dia hamela anao hanomboka mora foana ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona, angamba aza alohan’ny fanombohan’ny taom-piasana manaraka.
7 Manatontosa zavatra lehibe maro i Jehovah mandritra ny andro farany ho an’ny fandaharan-javatra ratsy ankehitriny. Izao no fotoana lehibe ho an’ny tsirairay avy amintsika hanatonana azy sy hankalazana ny anarany “isan-andro”. (Sal. 145:2; Jak. 4:8.) Raha mamela anao ho tonga mpitory maharitra ny toerana misy anao ary raha mahafeno ny fepetra takina mba hanombohana an’io asa io ianao, dia enga anie izy io ho porofo fanampin’ny fitokianao an’i Jehovah!—Sal. 94:18.