Aoka ianao hanana faharetana sy hanao zavatra amin’ny fomba feno eo amin’ny fanompoana
1 Nahatsapa lalina hatrany ny andraikiny teo anoloan’i Jehovah ny hanana faharetana sy hanao zavatra amin’ny fomba lalina ny apostoly Paoly teo am-pitoriana ny vaovao tsara tamin’izay rehetra vonona ny hihaino. Nilaza tamim-patokiana tamin’ireo mpiandraikitra tany Efesosy niara-nivory izy hoe: “Tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara [amin’ny fomba feno, MN] ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra.” (Asa 20:24). Mahatsapa ny adidy napetraka tamintsika mba hanao toy izany koa ve isika? — 1 Kor. 9:16.
EO AMIN’NY FARITANY IASANA MATETIKA
2 Tena ilaina indrindra ny faharetana rehefa iasana matetika aoka izany ny faritanintsika. Na dia voafetra aza ny faritany, dia tokony ho voatosika hiverina hitsidika ny olona hatrany hatrany isika. Manaova fiezahana mba hahita ireo olona rehetra mipetraka amin’ny trano tsirairay avy, ary ampio miandalana ireo olona tso-po hahatakatra ny fanantenana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra miorina amin’ny Baiboly.
3 Rehefa iasana matetika ny faritanintsika, ny soa hafa iray azo avy amin’ny fananana faharetana dia ny fifankahalalantsika manokana amin’ireo tompon-trano. Izany dia mety hahatonga azy ireo tsy ho sadaikatra loatra intsony hanokatra ny varavarany. Misy fanipazan-kevitra faran’izay tsara ao amin’ny boky “Comment raisonner” izay azontsika ampiasaina mba hanovaovana ny fampidiran-dresaka ataontsika eny amin’ny faritany iasana matetika. — Jereo “Comment raisonner”, pejy faha-9-15.
4 Mety hisy olona tsidihintsika izay tsy hanaiky ny zavatra vita an-tsoratra atolotsika, nefa maneho fahalianana ihany. Tokony hanao ahoana ny fihetsitsika amin’izay? Ny ezaka ataontsika mba hanao zavatra amin’ny fomba lalina dia hanosika antsika tsy hitsahatra ny hampitombo izany fahalianana izany. Ny fanolokoloantsika izay nambolena tao am-pon’izy ireny dia mety hanosika azy hanaiky fampianarana Baiboly amin’ny farany. Nitsidika tompon-trano liana iray indimy nisesy ny rahalahy iray, nefa tsy nahapetraka zavatra vita an-tsoratra taminy. Tamin’ny fitsidihany fahenina, dia nanaiky zavatra vita an-tsoratra ilay tompon-trano, ary tamin’ny farany dia natomboka ny fampianarana Baiboly taminy.
NY FANOLORANTSIKA IREO BOKIKELY
5 Mandritra ny volana Jolay sy Aogositra, ny Foto-dresaka hampiasaintsika dia hoe “Tontolo vaovao iray — amin’ny alalan’iza?” Azo ampifanarahina tsara amin’ny tsirairay amin’ireto bokikely manaraka ireto io foto-dresaka io: “Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay!”, “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra”, ary “Ny anaran’Andriamanitra izay haharitra mandrakizay”. Raha maka fotoana mba hifankazarana amin’ireo bokikely ireo isika, dia hahita hevitra azo resahina maro be hampiasaina miaraka amin’ny foto-dresaka.
6 Ohatra, afaka mampahafantatra ny tenantsika isika ary avy eo dia hiteny hoe: “Inona no eritreritrao momba ny fampanantenan’ny olombelona hitondra fiadanana maneran-tany? [Avelao izy hamaly.] Diniho izay lazain’ny Baiboly momba ny fahaizan’ny olona amin’io lafiny io. [Vakio Jeremia 10:23.] Nandritra ireo taonjato maro lasa, ny olona dia niseho ho tena tsy nahay nanapaka ny tenany. Kanefa, mariho ny fampanantenan’Andriamanitra azo itokiana. [Vakio 2 Petera 3:13.] Ho tanteraka àry ny fampanantenan’Andriamanitra azo antoka ny amin’ny tany vaovao iray.” Avy eo isika dia afaka mampirisika ilay tompon-trano hamaky ny iray amin’ireo bokikely. Raha mampiasa ny bokikely “Indro” isika, dia afaka mitarika ny sain’ilay tompon-trano ho amin’izay voalaza eo amin’ny pejy faha-30, eo amin’ny fehintsoratra faha-58. Ny sary eo amin’ny pejy voalohany amin’ny bokikely “Mifalia” dia manintona tokoa sady mifanaraka amin’ny foto-dresaka. Azo ampiasaina ihany koa ny fehintsoratra fahatelo eo amin’ny pejy faha-31 amin’ny bokikely “Ny anaran’Andriamanitra”.
7 Ny fiasantsika amim-paharetana sy amin’ny fanaovan-javatra amin’ny fomba feno ny faritanintsika amin’ny alalan’ny vaovao tsara dia hitondra famonjena ho an’ireo mihaino antsika. (1 Tim. 4:16). Mihamifarana ny fotoana! Noho izany àry, dia enga anie isika haneho faharetana sy hanao fanambarana amin’ny fomba feno amin’ny fandraisana anjara feno amin’ny fitoriana io hafatra momba ny famonjena io.