Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 1 JOLAY
Hira 14
7 min: Fampandrenesana eo an-toerana ary Fampandrenesana nofantenana avy ao amin’ny “Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana”. Asongadino ireo lahatsoratra ao amin’ireo gazety farany izay azo ampiasaina amin’ny fizarana gazety amin’ny asabotsy izao.
18 min: “Manàna toe-tsaina manoriana eo amin’ny fanompoana.” Mba hanatanterahana amin’ny fomba feno ny fanompoantsika, dia tokony hanana toe-tsaina manorina isika. Mitaky fananana toe-tsaina mahay mandanjalanja sy manantena ny hihatsaran’ny zavatra izany. Voatety matetika ny faritany any amin’ny toerana maro. Olona maro be no tsy miraika na tsy liana amin’ny hafatra. Manatanteraka ny asa nanirahana antsika anefa isika satria manana faharetana. Ilaina ny hananana toe-tsaina manoriana mba hitadiavana ireo izay mendrika. Asehoy fa tamin’ny voalohany dia nampiseho fihetsika tsy nanorina i Mosesy sy i Jeremia rehefa nahafantatra ny hoe inona no asa nanendrena azy. Nanitsy azy sy nanatanjaka azy i Jehovah. (Eks. 4:10-17; Jer. 1:6-8). Matetika, ny vato misakana voalohany horesena eo amin’ny fanompoantsika dia ny fihetsika tsy manorina asehon’ny tenantsika. Mahatsiaro ho saro-kenatra angamba isika, tsy hahavita ny asa, tsy nahita fianarana loatra, sakodiavatra eo anoloan’ny olona, sns. Iza anefa no mendrika hanao ny asa? (2 Kor. 2:16b, 17). Aza hadinoina na oviana na oviana fa i Jehovah no maniraka antsika ka manohana antsika izy. (Heb. 13:5b). Miaraka amin’i Kristy isika. (wMG 15/2/85 pp. 16-18). Manadinadìna mpitory iray sy mpitory maharitra iray nanana fihevitra sy fihetsika tsy nanorina teo aloha. Inona no nanampy azy ireo hanjary hanana toe-tsaina manorina sy hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fanompoany. Manomàna fampisehoana zavatra tena nitranga tokoa tao amin’ny kongregasiona. (Ireo fanadinadinana sy ny fampisehoana dia tokony haharitra 3 minitra avy.) Farano amin’ny fanasoritana fa manampy antsika hiorina mafy amin’ny maha-andiany iray ihany ny fananana teo-tsaina manorina.
20 min: “Aoka ianao hanana faharetana sy hanao zavatra amin’ny fomba feno eo amin’ny fanompoana”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asongadino ny ilàna ny hananana faharetana, indrindra fa eny amin’ny faritany iasana matetika aoka izany. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-6, dia asao ny mpitory iray hampiseho ny fomba hampiasana ny foto-dresaka rehefa manolotra ny bokikely “Indro”.
Hira 51 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 8 JOLAY
Hira 4
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Filazana momba ny toe-bola. Vaovao teokratika. Ampahatsiahivo ny kongregasiona ny amin’ireo fandaharana ho amin’ny fanompoana amin’ny faran’ny herinandro.
15 min: “Aoka ianao hanao ny fanompoana amin’ny fanahinao rehetra — Fizarana 1”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ataon’ny mpiandraikitra ny asa. Tendreo mialoha ny famakiana andinin-teny fototra voafantina tsara, ary manaova fampiharana eo an-toerana. Manaova teny hanaitra ny fahalianana amin’ilay fitohitohizan-dahatsoratra dimy.
20 min: “Ny fanompoana manontolo andro — Fahafahana mahatalanjona hiara-mandeha amin’Andriamanitra” (Mika 6:8, MN). Manao lahateny feno hafanam-po sy fampaherezana ny loholona mahay na mpikarakara momba ny asa iray, izay tsara kokoa raha ao anatin’ny fanompoana manontolo andro. (Jereo “Ny Tilikambo Fiambenana”, 15 Aogositra 1989, p. 21-23.) Lazao amin’ny ambangovangony ireo fanipazan-kevitra azo ampiharina mba hanampiana ireo mpitory ao amin’ny kongregasiona, arakaraka ny toe-javatra misy azy, hieritreritra amim-pitandremana ny fanaovana ny asa manontolo andro. Omany ny fanadinadinana mpitory maharitra roa na telo, ary lazao amin’ny ambangovangony ireo soa maro be entin’ny fanompoana manontolo andro. Fotoana tsara dia tsara hanombohana izany ny taom-piasana vaovao. Ireo izay manomboka alohan’ny 1 Septambra 1991 sy amin’io daty io dia mety hahafeno ny fepetra hanatrika ny Sekoly ho an’ny fanompoana amin’ny maha-mpitory maharitra amin’ny fotoam-pialan-tsasatra 1992.
Hira 37 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 15 JOLAY
Hira 10
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Raha anisan’ireo izay mampifamadika ireo fotoan’ny fivoriany amin’ny kongregasiona hafa amin’ny 1 Septambra ny kongregasiona, dia ampandreneso ny fandaharam-potoana tokony harahina. Diniho indray ireo lafin-javatra nisongadina tamin’ny filazana ny asan’ny kongregasiona teny amin’ny fanompoana tamin’ny Jona. Anaovy teny fiderana ireo mpitory noho ny zava-bitany teo amin’ny fanompoana.
20 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara — Amim-pahaiza-manavaka”. Fandinihana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asehoy ao amin’ny fampisehoana iray ireo hevitra ao amin’ny fehintsoratra faha-5. Asao ny mpitory kinga iray hampiseho ny fomba hitondrana ny tompon-trano iray izay tia famaliana amin’ny voalohany, amin’ny fanehoana fahaiza-mandanjalanja eo am-panaovana fanontaniana sy fampisehoana izay lazain’ny Baiboly momba ilay foto-kevitra. Tokony ho voaomana tsara ilay fampisehoana.
15 min: Ny fomba nahafantarako ny fahamarinana. Zavatra nitranga tamin’ny mpitory. Loholona iray manadinadina olona roa na telo. Ifantohy ny amin’ny fomba nanosehan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminany azy ho tonga hatramin’ny fanoloran-tena sy batisa. Antitrantero ireo soa hitany noho izy ao anatin’ny fahamarinana.
Hira 38 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 22 JOLAY
Hira 94
15 min: Milaza ireo fampandrenesana ny loholona na mpikarakara momba ny asa mahay iray. Anontanio ny mpanatrika momba ireo hevitra azo resahina avy ao amin’ireo bokikely misy eo an-toerana. Fidio ireo hevitra izay mifanentana amin’ny Foto-kevitra ka hanorina ny fiandraisan’ilay tompon-trano amim-panantenana hamaky ilay bokikely. Manaova fampisehoana fohy iray momba ny fifindrana avy eo amin’ny foto-dresaka ho amin’ny bokikely sy ny hevitra azo resahina mahaliana iray avy ao.
18 min: “Ny fandaharana momba ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona — Fizarana 1”. Fiaraha-midinika ataon’ny loholona mahay iray amin’ny loholona na mpikarakara momba ny asa iray na roa hafa izay mpitarika ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona. Antitrantero manokana ny zavatra roa na telo izay tena ilain’ny kongregasiona eo an-toerana indrindra, toy ny famaliana amin’ny fomba fiteny manokana ary ny fampiharana ilay zavatra ianarana.
12 min: “Aoka isika hanampy ireo osa kokoa eo amin’ny fanompoana.” Mpitory maro no mila ny handroso mba tsy hanokana fotoana amin’ny fitoriana fotsiny, fa mba hanjary hahita fahafinaretana amin’ny fitoriana. Ahoana no azo anampiana azy ireny? Asehon’ny Romana 15:1, 2 fa tokony hanampy ireo tsy matanjaka ireo izay matanjaka. Miharihary amin’ny fotopoto-pitsipika aorina ao amin’ny 1 Korintiana 12:22 fa tokony hiahy ny amin’ny hanampiana amim-pitiavana ireo osa kokoa isika eo amin’ny fanompoana. Misy faritra amin’ny tenan’olombelona toa malemilemy kokoa mahatanteraka asa tena lehibe anefa. Tahaka an’i Kristy Jesosy mangora-po eo anoloan’ny fahalementsika, ireo mpikambana matotra ao amin’ny fandaminana sy ireo matanjaka ao amin’ny fahamarinana dia tokony hampiseho fangoraham-po amin’ireo osa kokoa ka hanohana azy ireny. Manomàna fampisehoana roa. 1) Ray iray manampy ny zanany lahy hanolotra ireo gazety. Tsy vitan’ny hoe manao fanazaran-tena mialoha miaraka amin’ilay zanany lahy izy, fa miara-midinika aminy koa izy eny anelanelan’ireo trano itoriana, manao teny fiderana azy izy ary mampiseho aminy fomba mbola azony hihatsarana. Aorian’ilay fampisehoana, ilay loholona mitarika io fizarana io dia ho afaka hanontany ilay zazalahy hoe nahoana no ankasitrahany ny fanampian’ny rainy. 2) Manampy mpitory osa iray ny mpitory maharitra iray. Azo atao ny mampiseho dingana iray na roa amin’ny fampiofanana omeny. Jereo indray ny antony nilazana tamin’izany fomba izany ireo teny natao teny am-baravarana; asehoy koa hoe amin’ny ahoana ny boky “Comment raisonner” no manampy hanao fanambarana. Aorian’io fampisehoana io, dia manadinadìna fohy ilay mpitory osa; anontanio azy izay tena tsapany fa nentin’ireo dingana tamin’ny fampiofanana azy ireo izany. (Tokony haharitra 3 ka hatramin’ny 4 minitra avy ireo fampisehoana, ao anatin’izany ireo fanadinadinana.) Ny fanampiana ireo osa dia fomba tsara dia tsara fampiharana ny torohevitra omena ao amin’ny Galatiana 6:10 mba hiorenana mafy amin’ny maha-andiany iray ihany.
Hira 29 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 29 JOLAY
Hira 38
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy “Valin’ny fanontanianareo”. Manontania ny amin’ny nametrahana bokikely sy nanombohana fampianarana Baiboly teny am-pitoriana.
30 min: “Tohero ireo fitaomana mampahosa.” Koa satria olombelona tsy tanteraka isika, dia manana ny fahalementsika sy ny fetran’ny mety ho vitantsika daholo. Manampy antsika handresy maro amin’izany ireo fahamarinana voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ary manoro hevitra antsika mba hanampy ny hafa hanao toy izany koa. Nilaza tokoa ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 15:1 fa ireo “izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy”. Ireo loholona indrindra no tokony hiahy ny hanavahana hoe iza no mila ny hanampiana azy hahatohitra ireo fitaomana mampahosa azy. Vaovao ao anatin’ny fahamarinana ny sasany ary mbola tokony hitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainany. Osa angamba ny hafa satria tsy ampy ny fianarana ataony. Kely finoana angamba izy ireny, na malemy ny fieritreretany satria tsy novolavolaina araka ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra. Mety ho solafaka mora foana ny kristiana toy izany. (Matio 14:31; 1 Kor. 8:10-12). Nanantitrantitra ny apostoly Paoly fa osa ny Korintiana maro satria araka ny nofo mandrakariva. (1 Kor. 3:1; 11:30). Mampitandrina antsika ny Baiboly, tsy amin’ny fahalementsika manokana ihany, fa amin’ireo fitaomana mampahosa koa. Zava-dehibe ny hahafahantsika mamantatra ireny fitaomana ireny raha tiantsika ny hahatohitra izany. Mety hampitombo ny fahalementsika ny fitaomana mampahosa, hanakantsakana ny fandrosoantsika ara-panahy ka hisakana antsika tsy hiorina mafy amin’ny maha-andiany iray ihany. Izay nitranga tamin’ny andron’i Ezra dia manome ohatra ny amin’izany. (Ezra 4:4; Neh. 6:9). Ireo Jiosy tsy ampy finoana na natahotra olona dia nety hihaosa noho ny fitaoman’ireo fahavalon’Andriamanitra. Iza, amin’izao andro izao, no mampihatra fitaomana mampahosa, ary amin’ny fomba ahoana no azontsika anoherana izany? Hevero ireto zavatra telo manaraka ireto? 1) Tarehin-javatra mahakivy. (Ohab. 24:10). Mety hiteraka izany ny fanambarana ataon’olon-kafa, ny fanoherana ny fahamarinana, ny zava-manahirana ara-pianakaviana, ny tsy fitovian-toetra, ny fahasahiranana manokana, ny fanahiana ara-bola, ny voina na tsy fahatsaran’ny fahasalamana. Raha tsy tian’ny kristiana ny ho voafitak’i Satana, dia tsy tokony havelany hampiadana ny diany ny tarehin-javatra manakivy toy izany na hampiala azy amin’ny fahavononany hanompo an’i Jehovah. Tsy maintsy nizaka fanamarihana nampalahelo ny apostoly Paoly avy amin’ireo izay nihevitra fa ‘nalemy ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny’. (2 Kor. 10:10). Tsy maintsy niaritra “tsilo tamin’ny nofo” koa izy. (2 Kor. 12:7b). Nety ho nahakivy an’i Paoly izany rehetra izany. Niantehitra tamin’ny hery nomen’i Jehovah anefa izy ary natoky izy, na dia teo aza ny fahalemena ao amin’ny nofo, fa afaka ny hiaritra ny tarehin-javatra hitany sy hanatanteraka ny asa nanendren’i Jehovah azy. (2 Kor. 12:8-12). Tena nanana antony nireharehana i Paoly tao amin’ny fahalemeny, satria izany nanery azy hiankina tamin’i Jehovah fa tsy ny tenany. (2 Kor. 11:30). Isika koa, na inona na inona fahasahiranana hitantsika dia tokony hatoky tanteraka an’i Jehovah isika. (2 Kor. 4:16-18; Heb. 6:10). 2) Ny toe-tsain’izao tontolo izao tia tsy fiankianana. Fitaomana mampahosa io toe-tsaina io, satria tia tena. Tsy mitady ny hahasoa sy hahasambatra ny hafa izy io. (Fil. 2:4; 2 Tim. 3:3). Tantarao fohy izay nitranga tamin’i Eva sy i Vasty. (1 Tim. 2:11-14; Estera 1:12, 19). Resaho koa ny fitiavana tsy fiankinana (na fahaleovantena) nasehon’i Diotrefa, izay fatra-paniry laza, niavonavona, tsy nanaja ny fahefan’ireo apostoly, nikomy sy tsy tia nandray vahiny. (3 Jaona 9, 10; wMG 1/2/86 pp. 4-7; rs pp. 193, 194). Tokony hanaiky ny fahefana teokratika ny kristiana, hanetry tena sy hihevitra ny tenany araka ny tena izy. (Mika 6:8; Heb. 13:17). 3) Ireo fialam-boly andaniam-potoana betsaka. Iankinan’ny aina ny hampiasantsika amin’ny fomba tsara ny fotoanantsika; ny fandanilaniana foana ny fotoana dia fanariana ny fiainana. Voafetra ny fotoana ananantsika mandra-pahatongan’ny Haramagedoma. Maro be anefa no mandany fotoana mihoa-pampana hijerena televiziona na sarimihetsika amin’ny “cassettes vidéo” hofany, hialam-boly sy hanaovana fanatanjahan-tena, hanalana andro sy hanaovan-javatra hafa mahafinaritra azy. Tsy mieritreritra afa-tsy ny hiala voly izao tontolo izao, ary kristiana maro no mety ho voan’izany. Tokony hohalavirina ny fihetsika tsy mahalala ny antonony. (kmMG 4/89 p. 1). Mitandrema tena koa mba tsy hanaram-po (na hiboboka) amin’ny vakiteny manimba sy mandany fotoana. (g84 8/2 pp. 16-18). Tokony hohararaotina ny fotoana mety. (Efes. 5:15, 16). Farano amin’ny fanasoritana ny ilàna hanoherana ireo fitaomana mampahosa ao amin’ireo lafin-javatra telo nodinihina.
Hira 70 sy vavaka famaranana.