Ny heloka bevava ao amin’ny tontolo iray misafotofoto tanteraka
TSY fitrangan-javatra vaovao akory ny heloka bevava. Ny vonoana olona dia efa nitranga an’arivony taona maro lasa izay rehefa namono an’i Abela rahalahiny i Kaina. Resahina ao amin’ny Soratra hebreo tranainy ny fisavihana sy ny sodomia. (Genesisy 3:8; 19:4, 5; 34:1-4.) Niharam-pamelezana ny olona tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, araka ny asehon’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy. (Lioka 10:29-37). Nefa misy maha-hafa azy ny amin’ny andro ankehitriny.
Araka ny ahatsapan’ny olona any amin’ireo tanàn-dehibe eo amin’izao tontolo izao azy, na any New York izany, na any Londres, na any Calcutta, na any Bogotá, dia mateti-pitranga kokoa sady mahatahotra kokoa ny heloka bevava. Manambara toy izao ny tatitra iray nalaina tao amin’ny India Today, mitondra ny lohateny hoe “Fifikirana amin’ny fanjakan’i Baroa”: “Ny fitomboana mampikorontana mampahatahotra natao hampizarazara ny rafitra ara-pitondrantena sy ara-tsôsialy marefo izay mampiray ny tany rehetra, dia ny fitomboan’ny herisetra sy ny tsy fanarahana lalàm-pifehezana ary ny tsy firaharahana lalàna ao amin’ny fivavahana iray.” Eo amin’ny ady ataony amin’ny heloka bevava, na ny pôlisy aza indraindray dia alaim-panahy handika ireo fetra momba ny fampiharana ny lalàna ary mampiasa fomba fanaovan-javatra izay heloka bevava mihitsy. Manambara toy izao io tatitra etsy aloha avy any India io: “Mahaforona hatrany ny vaovao ny fahafatesan’ny pôlisy mpiambina”. Ary marina koa izany any amin’ny tany hafa.
Toa mihakely ny fanantenana tsy ho anisan’ny hiharan’ny heloka bevava. Milaza ny tatitra iray avy any Etazonia fa “iray amin’ny tokantrano amerikana efatra no voakasiky ny heloka lehibe momba ny herisetra na halatra tamin’ny 1988.” Ambonin’izany, ny olona izao dia manao heloka lehibe raha mbola tanora kokoa eo amin’ny taona. Ambaran’ny gazety Visión any Amerika latina fa “sivy isaky ny sicarios [mpamono olona voakarama] folo no zaza tsy ampy taona. Mbola ‘ankizy’ [izy ireo] ara-toe-batana, ary eo ambany fiarovan’ny lalàna.” Eto indray koa, ny fanaovan’ny zaza tsy ampy taona heloka lehibe dia fironana maneran-tany.
Nilaza mialoha toy izao ny Baiboly, efa ho 2 000 taona lasa izay: “Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, (...) tsy manaja izay masina [tsy mahatoky, MN], tsy manam-pitiavana, (...) tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, (...) Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.” — 2 Timoty 3: 1-4, 13.
Nanomboka tamin’ny 1914, dia maro be ireo porofo fa miaina amin’io andro farany mahory io isika. Izao tontolo izao, izay nijaly tamin’ireo Ady lehibe roa sy ireo fifanoherana lehibe hafa, dia nanjary tsy hay fehezina sy nisafotofoto tanteraka tamin’ny lafiny maro. Tsy hay tohaina ny heloka bevava. Any amin’ny faritra maro amin’ny tanàn-dehibe, dia nitombo ny mpanao heloka bevava, ary nanova ny fomba fiainan’ny ankamaroan’ny mpankatò lalàna, araka ny nambaran’ny senatera malaza iray any Etazonia hoe: “Misy zavatra maro be mampanahy antsika izao, dia zavatra izay tsy natahorantsika velively teo aloha. Indraindray isika dia matahotra sao hanjary higadra nefa ho afa-maina ireo izay tokony ho voatana.”
Vokatr’izany, ny olona amin’izao andro izao dia mandray fepetra izay tsy nilaina tany amin’ny 20 na 30 taona lasa izay. Misy hidiny roa na telo sosona ny varavarana ary hamafisina amin’ny vy. Ny olona any amin’ny toerana maro dia mitondra vola ampy mba hanomezana fahafahampo ny mpanendaka amin’ny fanantenana ny mba tsy ho voavono satria tsy manana na inona na inona hatolotra ny mpangalatra. Maro be ireo arabe saika foana aorian’ny filentehan’ny masoandro, ka tsy ahitana afa-tsy ny bado sy ny mpisetra loza ihany ary ireo teren’ny toe-javatra ka tsy maintsy mankeny — ka ireo dia lasibatra mora foana ho an’ny mpiremby mirenireny ao amin’ny tanàna mampidi-doza.
Inona no azontsika atao mba tsy hiharan’ny heloka bevava eto amin’ity tontolo misafotofoto sy baranahiny ity? Ahoana no ahafahantsika miatrika izany amim-pahombiazana?