Ny Levitikosy — fanasana hanolotra fanompoam-pivavahana masina ho an’i Jehovah
• 3:17 — Nahoana no norarana ny fihinanana sabora?
Ny sabora na taviny dia noheverina ho tapany tsara indrindra na sarobidy indrindra tamin’ny biby iray. Ny porofo dia hoe tamin’ny heviny ara-panoharana dia azo natao ny niresaka ny amin’ny ‘matavy tao amin’ny tany’. (Genesisy 45:18.) Araka izany, dia miharihary tokoa fa ny fandrarana tsy hihinan-tsabora dia tena nampahafantatra ny Isiraelita fa zon’i Jehovah ny hanana ny sombiny tsara indrindra. Na dia tsy eo ambanin’io fandrarana io intsony aza ny kristiana, io fameperana tao anatin’ny Lalàna io dia mampahatsiahy azy ireo fa manana adidy izy hanome foana ho an’i Jehovah ny tsara indrindra ananany. — Ohabolana 3:9, 10; Kolosiana 3:23, 24.
[Loharanon-kevitra]
Fehintsoratra 4 ao amin’ny pejy 28 ihany