Sakafo ara-panahy isan’andro — Tena ilaina ho an’ny fianakaviana kristiana
1 “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” (Matio 4:4). Tena marina tokoa ireo teny ireo! Toy ny ilàntsika sakafo ara-nofo isan’andro, dia toy izany koa fa mila mandray sakafo ara-panahy isan’andro isika. Mba hanampiana antsika hamahan-tena amin’ny fomba tsy tapaka avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia namoaka ilay bokikely hoe Aoka isika handinika ny Soratra Masina isan’andro ny Fikambanana. Amin’ny maha-fianakaviana kristiana, moa ve ianao manokana fotoana isan’andro mba handinihana ny andinin-teny natao hovakina amin’ny andro?
2 Tsy maintsy manome ny ohatra ireo ray aman-dreny: Rehefa manana raharaha mahazatra mahasahirana ny tena dia mora ny manemotra ny fandinihana ny andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina, satria mihevitra ny tena fa azo atao amin’ny fotoana hafa izany. Kanefa, raha mahatsapa ny zavatra ilain’ny fianakaviany amin’ny lafiny ara-panahy ireo ray aman-dreny, dia hahita fotoana izy ireo, eny, hitady fotoana, isan’andro mba hanaovana izany rehefa eo ny mpianakavy rehetra. (Matio 5:3, NW). Hanao zavatra izy ireo, tsy amin’ny famakiana isan’andro fotsiny ny andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina miaraka amin’ny zanany, fa amin’ny fanamafisana ireo hevitra notsoahina avy amin’ny fanazavana omen’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy amin’ny fifanakalozana hevitra ny amin’izay fampiharana azo atao avy amin’ny fanazavana sy ny torohevitra. Marina fa mitaky fiezahana sy fanazaran-tena ny fahazoana ny fahazarana manao izany, nefa mendrika ny hanaovana izany ny soa azo. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 17: 11, 12.) Noho izany, ry ray aman-dreny, miezaha mafy mba hanomezana ohatra tsara!
3 Mitadiava fotoana mety: Inona no fotoana tsara indrindra ho an’ny fianakaviana manontolo hiaraha-mandinika ny andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina, fa tsy hamela izany ho lasa kisendrasendra? Misy tombony ny fanombohana ny andro amin’ny fandinihana ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly. Any amin’ireo Betela sy trano fonenan’ny misionera manerana an’izao tontolo izao, dia manomboka amin’ny fanompoam-pivavahana isa-maraina ny andro. Izany dia manampy ny rahalahy hanomboka tsara ny androny, amin’ny fisaintsainana isan’andro ireo fampahatsiahivan’i Jehovah. — Sal. 1:1, 2; Fil. 4:8.
4 Tahaka izany koa, ireo fianakaviana kristiana dia afaka mandray soa avy amin’ny dinidinika araka ny Baiboly amin’ny maraina. Azo ampiana ny ankizy mba hanao zavatra mifandray amin’ireo loza mananontanona ny ara-panahiny hitany any an-tsekoly. Raha toa ka tsy afaka miara-mandinika ny andinin-teny natao hovakina amin’ny andro ny fianakaviana iray manontolo mandritra ny fotoana iray, dia tokony hieritreritra ny amin’ireo fandaminana solony ny ray aman-dreny mba tsy hahatonga an’io sakafo lehibe ara-panahy io havela. Ohatra, rehefa tsy maintsy mandeha miasa alohan’ny hifohazan’ny ankizy amin’ny maraina ny ray, dia angamba azon’ny reny atao ny manokana fotoana sasany mba handinihana ny andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina miaraka amin’ny ankizy. Etsy an-kilany, dia misy fianakaviana sasany manao fandaminana mba handinihina ny andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina amin’ny hariva, satria eo avokoa izy rehetra amin’izay. Ny fianakaviana tsirairay dia afaka mandamina fandaharana iray izay mifanentana tsara indrindra amin’ny toe-javatra misy azy.
5 Tena ilaina ny sakafo ara-panahy isan’andro ho an’ny fianakaviana kristiana iray. Omeo ny laharam-pahamehana ny fandinihana isan’andro ny andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina. (Fil. 1:10). Ny fandinihana isan’andro ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly dia hanampy antsika hihazona mafy ireo fotopoto-pitsipika sy lalàna marin’i Jehovah. Ny fiaraha-miasan’ny mpianakavy tsirairay dia hahatonga an’io fandaharana io hahitan’ny rehetra soa be indrindra.