Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny May
Herinandron’ny 4 May
Hira 34, Hira 12
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana. Ampirisiho ny mpitory hivoaka eny am-pitoriana amin’ity faran’ny herinandro ity.
20 min: “Amin’ny fanolorana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny May.” Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampidiro ny dinidinika momba ny zava-kendren’ny Ny Tilikambo Fiambenana araka ny hita eo am-piandohan’ny pejy faha-2 amin’ny nomerao tsirairay avy. Azo atao ny manao fampisehoana fanampiny miorina amin’ireo gazety tokony hampiasaina eny amin’ny saha fitoriana amin’ity herinandro ity. Azo kolokoloina ny fahalianana teo am-boalohany amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika fotoana fohy atỳ aoriana miaraka amin’ny nomerao vaovao amin’ny gazety.
15 min: “Zava-dehibe ireo teny voalohany lazainao.” Fandinihana ilay lahatsoratra miaraka amin’ny mpanatrika. Moa ve izy ireo efa mba nanandrana ny sasany amin’ireo fampidiran-dresaka natolotra tao amin’ireo Fanompoantsika ilay Fanjakana vao haingana, ny ankamaroany nalaina avy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra? Fampidiran-dresaka inona avy no hitan’izy ireo ho mandaitra indrindra ao amin’ny faritany eo an-toerana? Amin’ny fotoana toy inona ireo mpitory no miomana sy manao fanazaran-tena amin’ireo fampidiran-dresaka ampiasainy eny amin’ny asa fitoriana? Manaova fampisehoana fampidiran-dresaka fohy roa na telo izay nandaitra teo an-toerana.
Herinandron’ny 11 May
Hira 16, Hira 36 (vaovao)
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
20 min: “Manaova fiverenana mitsidika mandaitra.” Fandinihana miaraka amin’ny mpanatrika ireo hevi-dehibe ao amin’ilay lahatsoratra, angamba amin’ny fampidirana fanandraman-javatra fohy hita teny am-pitoriana vao haingana izay nahitana fitsidihana namokatra fahalianana fanampiny mitombo. Ampiasao ny enina na valo minitra farany mba hanaovana fampisehoana hahitana ny fomba hanampian’ny mpitarika ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona mpitory roa na telo miomana hanao fiverenana mitsidika amin’ny olona liana hita vao haingana tao amin’ny faritany teo an-toerana. Raha mety, dia mampiasà fiverenana mitsidika tena misy izay ho azon’ny mpitory atao aoriana kokoa.
20 min: “Fampisamboram-bola eo amin’ny samy kristiana”. Lahateny voaomana tsara hataon’ny loholona iray, miorina amin’ny lahatsoratra eo amin’ny pejy faha-25 ka hatramin’ny faha-28 ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1992. Aza vakina fotsiny ilay lahatsoratra fa asongadino ny fampiharana eo an-toerana ireo fitsipika.
Herinandron’ny 18 May
Hira 24 (vaovao), Hira 85
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy filazana momba ny toe-bola. Manaova teny fiderana noho ireo fanomezana natao ho an’ny kongregasiona sy ny asa tontosain’ny Fikambanana maneran-tany.
20 min: “Ampirisiho ny fanatratrarana zava-kendrena ara-panahy.” Fandinihana miaraka amin’ny mpanatrika tarihin’ny loholona iray. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-6, dia manaova fanadinadinana mpitory fakan-tahaka izay namaly, amin’ny maha-tanora, ny fampirisihana hanatratra zava-kendrena ara-panahy. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-7, dia antitrantero ireo soa azo ampiharina mitombo ho an’ny ray aman-dreny sy ny tanora, amin’ny fandinihana indray ireo toko faha-22, 23, sy 39 amin’ny boky Les Jeunes s’interrogent.
15 min: “Nahoana isika no tokony hitafy fanetren-tena?” Lahateny mampahery miorina amin’ny lahatsoratra eo amin’ny pejy faha-27 ka hatramin’ny faha-30 ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Oktobra 1991. Tsy natao hovakina fotsiny ilay lahatsoratra ary mitaky fiomanana tsara ny fanolorana ity anjara ity.
Herinandron’ny 25 May
Hira 40, Hira 100
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao teokratika. Fanandraman-javatra hita tamin’ny fanolorana manokana gazety na famandrihana (tokony halamina mialoha miaraka amin’ny rahalahy mikarakara ny famandrihana ao anatin’ny kongregasiona ireo).
15 min: “Arovy ny tenanao amin’ny fivadiham-pinoana.” Dinidinika ataon’ny loholona iray amin’ny mpitory iray eo an-databatra. Manazava ilay mpitory fa sendra olona iray namaky zavatra nosoratan’ny mpivadi-pinoana izy raha teny am-pitoriana. Milaza amin’ilay loholona ilay mpitory fa hitany fa tso-po ilay tompon-trano tamin’ireo fanontaniany. Nolavin’ilay mpitory ny fanoloran’ilay tompon-trano azy zavatra nosoratan’ny mpivadi-pinoana, nefa ho tiany ny hamaly ireo fanontanian’ilay tompon-trano. Midera ilay mpitory ilay loholona noho ny fihetsiny tsara sy ny zavatra nataony. Toy izay hidinidinika ny amin’izay soratana na lazain’ny mpivadi-pinoana, dia fahendrena ny hampifantohana ny saina amin’ny fomba fijerin’ny Soratra Masina ny amin’ilay raharaha, araka ny hazavaina ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Manasa ilay mpitory ilay loholona mba hanokatra ny bokiny Fanjohian-kevitra, ary miara-mandinika indray ireo pejy faha-259-262 izy ireo. Tokony ho mafana sy mampahery ny resadresaka, eo am-pandinihana ny hevitry ny teny hoe fivadiham-pinoana sy ny lohateny kely tsirairay amin’ny soratra matavy ary ireo andinin-teny fototra voafantina, araka ny hamelan’ny fotoana izany. Farano ny dinidinika amin’ny fanazavana manorina ny amin’ireo boky mampandroso sy mampahery azo ianarana ananantsika. Mizarà hafatra manorina amin’ilay tompon-trano. Raha tso-po izy, dia hahita ny fahasamihafan’ny fomba fanatona manorina ananan’ny fahamarinana sy ny fomba fanatona manakiana sy mandrava ananan’ny mpivadi-pinoana. Amin’ny fandavantsika ny fisainan’ireo mpivadi-pinoana sy ny boky soratany, dia mampiseho ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah sy ny fandaminany hita maso isika.
20 min: “Sakafo ara-panahy isan’andro — Tena ilaina ho an’ny fianakaviana kristiana.” — Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Hamafiso ny ilàna hananan’ny mpianakavy tsirairay avy ny bokikely Aoka isika handinika ny Soratra Masina isan’andro.