Fiarovana ny Zanakareo Amin’ny Fampiasana Ratsy ny Ra
1 “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka”. (Salamo 127:3). Raha manana lova sarobidy toy izany avy amin’i Jehovah ianareo, amin’ny maha-ray aman-dreny anareo, dia manana andraikitra mahafaly, nefa lehibe, hampiofana, hikarakara ary hiaro ny zanakareo ianareo. Ohatra, moa ve ianareo nanao ny dingana azo ekena rehetra mba hiarovana ny zanakareo mbola kely amin’ny fampidiran-dra? Ahoana no ho fihetsiky ny zanakareo raha tojo tarehin-javatra mety hampidirana ra aminy izy? Efa niara-niresaka ve ny fianakavianareo ny amin’izay ho azo atao rehefa mipoitra ny tarehin-javatra hilana fikarakarana maika dia maika ka misy fandrahonana ny amin’ny fampidiran-dra?
2 Ny fampiomanana ny fianakavianareo ho amin’ny tarehin-javatra toy izany dia tsy voatery hiteraka tebiteby na fihenjanana tafahoatra. Tsy afaka manampo ireo fisehoan-javatra mety hipoitra rehetra eo amin’ny fiainana ianareo sy hiomana ho amin’izy rehetra. Kanefa misy zavatra maro azonareo ray aman-dreny atao mialoha mba hiarovana ny zanakareo amin’ny fampidiran-dra. Ny fanaovana tsirambina ireo andraikitra ireo dia mety hitarika ho amin’ny fampidirana ra amin’ny zanakareo mandritra ny fitsaboana azy. Inona àry no azo atao?
3 Zava-dehibe ny fananana fiekena mafy orina: Tokony hoeritreretinareo amim-pitandremana tsara mba ho mafy orina ny fieken’ny tenanareo manokana momba ny lalàn’Andriamanitra ny amin’ny ra. Moa ve ianareo mampianatra ny zanakareo hankatò an’i Jehovah momba io lafin-javatra io, tsy misy hafa amin’ny ampianaranareo azy ireo ny lalàny momba ny fanaovana ny marina, ny fahatsaram-pitondrantena, ny fialanalanana ary ny lafiny hafa amin’ny fiainana? Moa ve isika tena mitovy hevitra amin’izay lazain’ny lalàn’Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 12:23 (NW) manao hoe: “Aoka ianao ho tapa-kevitra mafy mba tsy hihinana ny ra”? Manampy teny toy izao ny andininy faha-25: “Aza mihinana azy hianao, mba hahita soa hianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason’i Jehovah hianao.” Mety hilaza ny dokotera iray fa ‘hanatsara zavatra’ ho an’ilay zanakareo marary ny ra. Kanefa tsy maintsy ho tapa-kevitra mafy ianareo, alohan’ny hitrangan’ny tarehin-javatra hilana fikarakarana maika dia maika, ny tsy hanaiky ra na ho an’ny tenanareo na ho an’ny zanakareo. Hanampy anareo ho amin’izany ny fiheverana ny fifandraisanareo amin’i Jehovah ho ambony kokoa noho izay lazaina fa hanalava ny fiainana kanefa ho fandikana ny lalàn’Andriamanitra. Tafiditra amin’io raharaha io ny fahazoana fankasitrahana avy amin’Andriamanitra ankehitriny sy fiainana mandrakizay amin’ny hoavy!
4 Eny, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mieritreritra ny fiainana foana. Tsy maniry ny ho faty akory izy ireo. Maniry ny ho velona izy ireo mba hahafahany hidera an’i Jehovah sy hanao ny sitrapony. Izany no antony iray ankanesany any amin’ny hopitaly sy itondrany ny zanany any mba hotsaboina. Mangataka amin’ireo dokotera mba hitsabo azy izy ireo, ary rehefa ilazana izy ireo fa ny ra no fitsaboana fampiasa avy hatrany na anoroana hevitra, dia mangataka fomba fitsaboana hafa tsy mampiasa ra izy ireo. Misy zavatra hafa maro mahasolo ny ra. Dokotera feno fanandraman-javatra maro no mampiasa azy ireo. Izany fitsaboana hafa mahasolo ny ra izany akory tsy fitsaboana sandoka, fa fitsaboana sy fanaovan-javatra azo antoka ary anomezana fanazavana maro ao amin’ireo gazety ara-pitsaboana lehibe indrindra. Dokotera an’arivony maro maneran-tany no miara-miasa amintsika mba hanomezana antsika fitsaboana tsara tsy misy fampiasana ra, na dia mbola zava-manahirana aza indraindray ny mahita dokotera hitsabo ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah tsy misy fampiasana ra.
5 Ny fitadiavana dokotera vonona ny hiara-miasa aminareo: Feno fanahiana ireo dokotera rehefa mitsabo marary, ary rehefa mangataka aminy mba hitsabo ny zanakareo tsy misy fampiasana ra ianareo, izany dia mampitombo ilay zava-tsarotra. Misy dokotera hanaiky hitsabo olon-dehibe amin’ny fanajana ny fanirian’izy ireo momba ny ra raha mameno taratasy fanalana andraikitra azo ekena izy ireo. Misy koa mety hanaiky hitsabo toy izany ankizy tsy ampy taona izay mampiharihary fa matotra ny tenany, satria ny fitsarana sasany dia nanaiky fa manana zo hanao ny safidiny ara-pitsaboana manokana ny ankizy tsy ampy taona matotra. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Septambra 1991, pejy 16-17, izay miresaka ny amin’izay tiana holazaina amin’ny hoe ankizy tsy ampy taona matotra.) Kanefa misy dokotera mety handa tsy hitsabo ankizy kely, indrindra fa zazakely, raha tsy manana lalana hampiditra ra aminy izy ireo. Raha ny tena izy aza, dia dokotera vitsy dia vitsy no hanome toky 100 isan-jato fa tsy hampiasa ra izy ireo na inona na inona toe-javatra miseho, rehefa mitsabo ankizy iray. Noho ny antony ara-pitsaboana sy antony araka ny lalàna, ny ankamaroan’ireo dokotera dia mihevitra fa tsy afaka ny hanome toky toy izany ny tenany. Na dia izany aza, dia mihamitombo ny isan’ireo izay maniry hikarakara ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah ka hanao izay rehetra heveriny fa faran’ny azony atao mba hanajana ny faniriantsika momba ny ra.
6 Eo anoloan’izany, ahoana raha toa, eo am-pitadiavana dokotera mety tsara ho an’ny zanakareo ianareo, ka mahita iray izay fantatra ho mahay miara-miasa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary efa nampihatra fitsaboana tsy misy fampiasana ra toy izany tamin’ny Vavolombelona hafa, kanefa mahatsapa koa fa ny lalàna dia tsy mamela azy hanome anareo toky feno fa tsy hisy fampiasana ra? Manome toky anareo anefa izy fa, amin’ity indray mandeha ity koa, dia heveriny fa tsy hisy zava-manahirana. Mety hanapa-kevitra ianareo fa izany no tsara indrindra ho anareo. Ao anatin’ireo toe-javatra ireo, dia mety hanatsoaka hevitra ianareo fa ho azonareo atao ny hamela azy hanao ny fitsaboana. Ataovy mazava tsara aminy anefa fa, amin’ny famelana azy hitsabo ny zanakareo, ianareo akory tsy manome lalana azy hampiasa fampidiran-dra. Raha manaraka izany fanaovan-javatra izany ianareo, dia handray andraikitra iray izay tsy maintsy hiantsorohanareo kanefa tsy horaisina ho toy ny fanekena lembenana akory ny fanapahan-kevitrareo.
7 Mazava ho azy fa, raha afaka mahita fitsaboana hafa azo ekena izay hampihena kokoa na hanafoana mihitsy aza ny mety hampiasana ra ianareo, dia azo inoana fa hifidy io lalana tsy misy loza kokoa ny amin’izany io ianareo. Antenaina aminareo ny hanaovanareo ezaka mafy mba hahita ilay dokotera na mpandidy izay hanaiky ho lasa lavitra kokoa noho ny hafa rehetra eo amin’ny fanekena tsy hampiasa ra. Ny fiarovana tsara indrindra dia ny fanampoizana ny hipoiran’ny zava-manahirana. Manaova ny ezaka rehetra mba hahita mialoha dokotera iray vonona ny hiara-miasa aminareo. Miezaha tsy hifampiraharaha amin’ireo dokotera sy hopitaly tsy vonona ny hiara-miasa aminareo, rehefa azo atao izany.
8 Any amin’ny tany sasany, ny lafin-javatra hafa iray hanapa-kevitra raha toa hisy fampiasana fampidiran-dra na tsia, dia ny fomba handoavana ny saram-pitsaboana any amin’ny hopitaly. Any amin’ny toerana ananan’ireo ray aman-dreny assurance maladie (fiantohana ara-pitsaboana) na fiantohana hafa izay mamela azy ireo hitady dokotera iray araka ny safidiny, dia mora kokoa ny hanesorana ireo zanany tsy ho eo am-pelatanan’ny dokotera na mpiasan’ny hopitaly tsy vonona ny hiara-miasa aminy. Ny fandoavana vola ampy ho amin’ilay fitsaboana matetika dia mamaritra ny karazana fanampiana sy fiaraha-miasa azon’ny fianakaviana iray avy amin’ireo dokotera sy hopitaly. Fanampin’izany, ny fahavononan’ny hopitaly na ny dokotera hanaiky ny famindrana ny ankizy iray ho any amin’ny hopitaly hafa iray, matetika dia hiankina amin’ny fahafahan’ireo ray aman-dreniny handoa ny saran’ilay fitsaboana. Ary ianareo, ry reny mitoe-jaza, zava-dehibe ny hikarakaranareo tsara ny fahasalamanareo mandritra ny maha-bevohoka anareo! Ny fanaovanareo izany dia hanampy be dia be mba hisakanana ny fiterahana alohan’ny fotoana sy ireo zava-manahirana mifandray amin’izany. Ny fitsaboana fampiasa avy hatrany ho an’ny zazakely teraka tsy tonga volana sy ireo zava-manahirana mahazo azy ireo mantsy dia mampiasa ra amin’ny tarehin-javatra maro.
9 Indraindray ireo dokotera dia mitaraina fa misy Vavolombelon’i Jehovah tsy miresaka ny amin’ny tsy fanekeny ra raha tsy efa eo amin’ny minitra farany. Tsy tokony hitranga na oviana na oviana izany. Ny iray amin’ireo zavatra voalohany tokony hataon’ny ray aman-dreny Vavolombelona rehefa mankany amin’ny hopitaly na rehefa mampiantso dokotera izy ireo, dia ny firesahana aminy momba ny toerana tanany momba ny ra. Raha ilaina ny fandidiana, dia mangataha ny hiresaka mialoha amin’ilay anesthésiste. Mety ho afaka hanampy anareo hanao izany ilay mpandidy. Tokony hovakina amim-pitandremana ireo taratasy fidirana ao amin’ny hopitaly. Manana zo hamafa izay rehetra tsy azonareo ekena ianareo. Mba tsy hisian’ny fisalasalana na dia kely akory aza, dia soraty mazava tsara eo amin’ilay taratasy fidirana fa, noho ny antony ara-pivavahana sy ara-pitsaboana, dia tsy irinareo na avelanareo hampiasaina aminareo sy ny zanakareo ny ra na inona na inona toe-javatra miseho.
10 Fanampiana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah: Fandaharana inona avy no nataon’ny fandaminan’i Jehovah mba hanampiana anareo hiaro ny zanakareo amin’ny fampidiran-dra? Maro izy ireo. Ny Fikambanana dia nanonta fanazavana maro mba hampianarana antsika momba ny ra sy ny fomba fitsaboana hafa mahasolo ny ra. Nianatra ny bokikely hoe Comment le sang peut-il vous sauver la vie? sy zavatra vita an-tsoratra hafa momba io foto-kevitra io ianareo. Ary manana ireo rahalahinareo sy anabavinareo ao amin’ny kongregasionanareo eo an-toerana koa ianareo, izay afaka manome anareo fanampiana sy fanohanana be dia be. Rehefa misy zava-manahirana lehibe, dia mety hihevitra ireo loholona fa ho fahendrena ny handaminana fiambenana mandritra ny 24 ora, ka ho tsara kokoa raha misy loholona iray hiaraka amin’ny ray na ny reny na havana akaiky an’ilay marary. Matetika mantsy dia ampiasaina ny fampidiran-dra rehefa lasa nody amin’ny alina ny havana sy namana rehetra.
11 Ny fanampoizana ny hidiran’ny fitsarana amin’izany sy ny fifandraisana aminy: Ahoana raha mikasa ny hahazo didy avy amin’ny fitsarana mba hampidiran-dra amin’ny zanakareo ny dokotera na hopitaly iray? Moa ve tokony hilavo lefona ianareo amin’izay? Tsia! Mety ho mbola ho azo atao ny hanakana ilay fampidiran-dra. Tokony hatao aloha be ny fiomanana ho amin’izany tarehin-javatra mety hitranga izany. Inona àry no azo atao?
12 Ataovy izay hahatakarana ny sasany amin’ireo fotopoto-pitsipika araka ny lalàna momba ireo raharaha ireo, izay mitarika ireo hopitaly sy mpitsara, na manan-kery eo amin’izy ireo. Izany dia hanampy anareo be dia be mba hiarovanareo tena. Ny iray amin’izany fotopoto-pitsipika fototra sy tena lehibe izany dia ny hoe: ny lalàna dia tsy manome ho an’ny ray aman-dreny fahefana feno mba hanaiky na handa fitsaboana ho an’ireo zanany. Na dia manana ny zo hanaiky na handa fitsaboana ho an’ny tenany araka izay tiany aza mazàna ny olon-dehibe, ireo ray aman-dreny dia tsy manana fahafahana handa fitsaboana izay heverina fa tena ilaina ho an’ny fahasalaman’ilay zanany, na dia miorina amin’ny antony ara-pivavahana inoany amim-pahatsorana aza ny fandavany.
13 Io fotopoto-pitsipika fototra io dia hita taratra amin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony Amerikana tamin’ny 1944 izay nanao hoe: “Azon’ireo ray aman-dreny atao ny manao ny tenany ho maritiora. Izany anefa dia tsy midika fa azony atao, ao anatin’ny toe-javatra mitovy, ny manao ireo zanany ho maritiora alohan’ny haha-ampy taona feno sy araka ny lalàna azy ireo hahafahany hanao izany fanapahan-kevitra izany ho an’ny tenany.” Io fiahiana voalohany ny fahasalamana ara-batan’ny ankizy io koa dia hita ao amin’ireo lalàna momba ny fahasoavan’ireo ankizy. Ireo lalàna ireo, izay natao mba hanoherana ny fampijaliana ankizy, dia natao koa mba hiarovana ireo ankizy amin’ny fanaovana tsirambina ara-pitsaboana.
14 Ny fiarovana ireo ankizy amin’ny fampijaliana sy fanaovana tsirambina avy amin’ny ray aman-dreny dia tsy toherin’ny ray aman-dreny kristiana. Kanefa ireo lalàna mifandray amin’ny fanaovana tsirambina ny ankizy sy ny fanambarana nataon’ny Fitsarana Tampony [Amerikana] voatonona etsy ambony matetika dia ampiharina tsy araka ny tokony izy amin’ny toe-javatra mahakasika zanaka Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana? Voalohany indrindra aloha, ireo ray aman-dreny Vavolombelona dia tsy manam-pikasana velively ny hanao ny zanany ho “maritiora”. Raha toa ka marina izany, nahoana izy ireo no mitondra ny zanany any amin’ny hopitaly? Mifanohitra amin’izany kosa, ireo ray aman-dreny Vavolombelona dia mitady fitsaboana ho an’ny zanany an-tsitrapo. Tia ny zanany izy ireo ary maniry ny hahasalama tsara azy ireo. Kanefa mino koa izy ireo fa manana adidy avy amin’Andriamanitra ny tenany ny hifidy amim-pahaiza-mandray andraikitra ny karazana fitsaboana tsara indrindra ho an’ny zanany. Maniry izy ireo mba hotsaboina tsy misy fampiasana ra ny aretin’ny zanany. Izany fitsaboana mahasolo ny ra izany dia tsy vitan’ny hoe tsara kokoa sy azo antoka kokoa noho ny ra, fa ny zava-dehibe kokoa kosa, izany dia mahatonga ny zanany hihazona ny fankasitrahan’ilay Mpanome Fiainana, i Jehovah Andriamanitra.
15 Na dia eo aza ireo soa entin’ny fomba fitsaboana tsy misy fampiasana ra, dia dokotera sy manam-pahefana momba ny fahasoavan’ny ankizy maro no mihevitra ny fampidiran-dra ho fanao ara-pitsaboana fampiasa avy hatrany izay mety hilaina, na hamonjy aina mihitsy aza, amin’ny toe-javatra sasany. Noho izany, rehefa tsy manaiky fampidiran-dra izay anoroana hevitra azy ny ray aman-dreny Vavolombelona, dia mety hipoitra ny zava-manahirana. Raha atao bango tokana, ireo dokotera dia tsy afaka, araka ny lalàna, ny hitsabo ankizy tsy misy ny faneken’ny ray aman-dreniny. Mba handresena ny tsy fananany ny faneken’ny ray aman-dreny ny fampiasana ra, ireo dokotera na mpiasan’ny hopitaly hafa dia mety hitady ny faneken’ny mpitsara amin’ny alalan’ny didy iray avy amin’ny fitsarana. Ny fanekena nahazoan-dalana avy amin’ny fitsarana toy izany dia mety ho azon’ny dokotera na ny manam-pahefana ao amin’ny hopitaly any amin’ny manam-pahefana momba ny fahasoavan’ny ankizy, izay miasa ho an’ny fiarovana ilay ankizy amin’izay lazaina fa fanaovana tsirambina ara-pitsaboana.a
16 Imbetsaka no azo haingana tsy misy filazana firy, na tsy misy filazana mihitsy, atao amin’ny ray aman-dreny, ireo didy avy amin’ny fitsarana izay manome lalana hampiasa ra. Ireo dokotera, mpitantana ny hopitaly na manam-pahefana momba ny fahasoavan’ny ankizy dia manandrana manamarina ny didy nohafainganina toy izany amin’ny filazana fa misy tarehin-javatra ilana fitsaboana maika dia maika izay tsy mamela fotoana hampahafantarana ireo ray aman-dreny amin’ny fomba feno ny amin’izay mitranga. Matetika anefa, rehefa anontaniana ireo dokotera, dia niaiky fa tsy tena misy tarehin-javatra ilana fikarakarana maika dia maika akory, ary koa fa mila didy avy amin’ny fitsarana izy ireo “sao” mety hilaina ny fampidiran-dra any aoriana, araka ny fiheviny. Amin’ny maha-mpiambina voajanahary ny zanakareo anareo, ianareo dia manana ny zo fototra hahafantatra izay ataon’ireo dokotera, mpitantana ny hopitaly na manam-pahefana momba ny fahasoavan’ny ankizy, amin’ny zanakareo amin’ny fotoana rehetra. Ny lalàna dia mitaky ny hampahafantarana anareo, raha mbola azo atao koa izany, ny amin’ireo ezaka atao mba hahazoana didy avy amin’ny fitsarana. Ny lalàna koa dia mitaky ny hamelana anareo hanazava eo anoloan’ny fitsarana ny toerana tananareo momba ilay tsy fifanarahana.
17 Ireo zava-misy araka ny lalàna ireo dia manasongadina ny hasarobidin’ny fitadiavana dokotera iray vonona ny hiara-miasa aminareo. Miaraha miasa aminy, ary ampio izy hampihatra ilay fitsaboana tsy misy fampiasana ra, mba hikarakarana ny aretin’ny zanakareo; raha tsy izany, dia afindrao ho amin’ny dokotera na hopitaly izay hanome izany fitsaboana izany ny zanakareo. Kanefa raha misy famantarana fa mitady hahazo didy avy amin’ny fitsarana ilay dokotera, mpitantana ny hopitaly na mpiasa ao amin’ny fahasoavan’ny ankizy, dia tokony ho mailaka ianareo hanontany raha izany tokoa no kasain’izy ireo hatao. Indraindray dia atao miafina an-telefaonina, izany. Raha misy fikasana hampiakatra ilay raharaha any amin’ny fitsarana, dia antitrantero fa maniry ny hahalala ny amin’izany ianareo mba hahafahanareo koa hampiseho ny toerana tananareo momba ilay raharaha amin’ilay mpitsara. (Ohab. 18:17). Raha misy fotoana, matetika dia fanehoana fahendrena ny hitadiavana ny fanampian’ny mpisolovava iray. Tamin’ny toe-javatra sasany, dia nisy mpisolovava notendren’ny fitsarana.
18 Raha ampiakarina any amin’ny fitsarana ny tsy fanekenareo fampidiran-dra, dia mety ho feno fampiekena erỳ ny fomba fihevitr’ilay dokotera fa hoe tena ilaina mba hiarovana ny ain’ny zanakareo na ny fahasalamany, ny fampidiran-dra. Noho izy tsy manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana, matetika ilay mpitsara dia hiantehitra amin’ny fahaizana manokan’ilay dokotera. Marina indrindra izany rehefa tsy omena fahafahana firy, na tsy omena fahafahana mihitsy, ireo ray aman-dreny mba hanazava ny toerana tanany momba ilay raharaha, ka omena lalana, tsy misy fanoherana mihitsy, ilay dokotera hilaza ny heviny momba ny ilana “maika dia maika” ny fampidiran-dra. Ny fanaovan-javatra toy izany, izay tsy mampiseho afa-tsy ny lafiny iray amin’ilay raharaha, dia tsy hitarika mihitsy ho amin’ny famantarana ny marina. Raha ny tena izy, dia tena hevitr’olon-tokana sady mampisalasala ny fiheveran’ireo dokotera momba ny fotoana sy antony ilana fampidiran-dra. Matetika, rehefa milaza ny dokotera iray fa tena ilaina mihitsy ny ra mba hamonjena ny ain’ny zaza iray, ny dokotera hafa iray, izay manana fanandraman-javatra momba ny fitsaboana ilay aretina tsy misy fampiasana ra, dia hilaza fa tsy ilaina ny ra mba hitsaboana ilay marary.
19 Inona no hataonareo raha manontany aminareo ny antony handavanareo fampidiran-dra izay “hamonjy” ny ain’ny zanakareo ny mpisolovava na mpitsara iray? Ny mety ho fihetsikareo voalohany dia ny hanazava ny fiekenareo momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny hilaza ny finoana mafy orina anananareo fa hanangana indray ny zanakareo Andriamanitra raha maty eo izy. Kanefa ny valin-teny toy izany dia tsy hanao afa-tsy ny hampiaiky ilay mpitsara fa fanatiques na hoe mirehitra fatratra tsy amin’ny antony amin’ny fivavahana ianareo, ka noho izany dia tsy maintsy misalovana ny tenany mba hiarovana ny zanakareo. Ny fiahiany voalohany indrindra mantsy dia ny fanasoavana ara-batana ilay zaza.
20 Ny ilain’ny fitsarana ho fantatra dia izao: na dia tsy manaiky fampidiran-dra noho ny antony ara-pivavahana mafy orina aza ianareo, dia tsy mandà fitsaboana. Mila ny mahita ilay mpitsara fa tsy ray aman-dreny manao tsirambina na mampijaly zanaka ianareo, fa ray aman-dreny be fitiavana kosa izay maniry ny hitsaboana ny zanakareo. Ny tsy ekenareo fotsiny dia ny filazana fa mihoatra lavitra noho ireo loza sy zava-tsarotra mety hahafaty ateraky ny fampiasana ra ireo tombontsoa lazaina fa entiny, indrindra fa rehefa misy fitsaboana mahasolo azy io izay tsy mitondra ireo loza mety hitranga ireo.
21 Arakaraka ny tarehin-javatra, dia ho azonareo atao ny hampahafantatra amin’ilay mpitsara fa ny dokotera iray no mihevitra fa ilaina ny ra, kanefa samy hafa ny fomba fandraisan’ireo dokotera ireo tarehin-javatra. Ampahafantaro koa ilay mpitsara fa ho tianareo ny hanana fahafahana hitady dokotera iray izay hitsabo ny zanakareo amin’ny alalan’ny fomba maro isan-karazany izay tsy mampiasa ra. Mety ho efa nahita dokotera iray toy izany ianareo, izay hitsabo ny zanakareo tsy misy fampiasana ra ary mety hanao teny fanamarinana mahasoa any amin’ny fitsarana. Mety ho azo atao ny hanome an’ilay mpitsara — an’ilay dokotera nanery ny hahazoana ilay didy avy amin’ny fitsarana mihitsy aza — lahatsoratra ara-pitsaboana izay mampiseho fa azo atao tsara ny mitsabo ny aretin’ny zanakareo tsy misy fampiasana ra.
22 Rehefa angatahina mba hanome didy avy amin’ny fitsarana haingana ireo mpitsara, matetika izy ireo dia tsy nandinika na nampahatsiahivina ny amin’ireo loza maro entin’ny ra, anisan’izany ny SIDA, ny hépatite ary ny loza maro be hafa. Afaka milaza momba azy ireo amin’ilay mpitsara ianao, no sady afaka mampahafantatra azy fa, amin’ny maha-ray na reny kristiana anao, ianao dia handray ny fampiasana ny ran’olon-kafa ho fiarovana aina ho toy ny fandikana lehibe ny lalàn’Andriamanitra, ary koa fa ny fanerena hampiditra ra amin’ny zanakao dia hitovy amin’ny fisavihana. Ianao sy ny zanakao (raha ampy taona mba hanana ny fieken’ny tenany manokana izy) dia afaka manazava ny rikoriko tsapanareo eo anoloan’ny fanaovana an-keriny ny vatana toy izany. Afaka miangavy an’ilay mpitsara ianao mba tsy hanome didy avy amin’ny fitsarana, fa hamela anao kosa hanohy hampiasa fomba fitsaboana hafa amin’ny zanakao.
23 Rehefa misy ny fiarovan-tena araka ny tokony ho izy, dia afaka mahita amin’ny fomba mazava kokoa ilay lafiny hafa — ny anareo — amin’ny maha-ray aman-dreny anareo, ireo mpitsara. Amin’izay dia tsy ho dodona loatra izy ireo ny hanome lalana hampiasa fampidiran-dra. Tamin’ny toe-javatra sasany, ireo mpitsara dia nametra mafy ny fahafahan’ilay dokotera hampiasa ra, ary nitaky mihitsy aza ny hampiasana ireo fitsaboana mahasolo ny ra aloha, na nanome fahafahana an’ireo ray aman-dreny mba hitady dokotera izay hampiasa fitsaboana tsy misy fampiasana ra.
24 Rehefa mifandray amin’ireo izay mitady hanery ny hampidiran-dra, dia tena zava-dehibe ny tsy hanehoanareo famantarana fa mihozongozona ianareo eo amin’ny fiekenareo. Indraindray ireo mpitsara (sy dokotera) dia manontany an’ireo ray aman-dreny raha hanaiky ny “hamindra” aminy ny andraikitra ny amin’ny fanapahan-kevitra hampiditra ra izy ireo. Manao izany izy ireo noho ny fiheverana fa ho mora kokoa ho an’ireo ray aman-dreny amin’izay ny hanaiky ny feon’ny fieritreretany. Kanefa tokony hatao mazava amin’ny rehetra tafiditra amin’izany fa, amin’ny maha-ray aman-dreny anareo, ianareo dia mahatsapa ny andraikitra hanohy hanao izay rehetra azonareo atao mba tsy hisian’ny fampidiran-dra. Andraikitrareo avy amin’Andriamanitra izany, ka tsy azo afindra na amin’iza na amin’iza.
25 Noho izany, rehefa miresaka amin’ireo dokotera sy mpitsara ianareo, dia mila ny miomana mba hanambara ny toerana tananareo amin’ny fomba mazava tsara sy mampiaiky. Raha avoaka ihany ny didy avy amin’ny fitsarana, na dia teo aza ny ezaka rehetra nataonareo, dia manohiza miangavy an’ilay dokotera mba tsy hampiasa fampidiran-dra, ary ampirisiho izy hampiasa fomba fitsaboana hafa. Manohiza manohina ny fahavononany handinika ireo lahatsoratra ara-pitsaboana sy ny torohevitr’ireo dokotera manaiky ny hakana hevitra momba ilay aretina, mba tsy hampiasana ra. Efa nisy toe-javatra maro nahitana dokotera toa tsy mety hilefitra iray nivoaka avy tao amin’ny efitra fandidiana ka nanambara tamim-pireharehana fa tsy nampiasa ra izy. Koa na dia rehefa misy didy avy amin’ny fitsarana aza navoaka, dia aza milavo lefona na oviana na oviana, na inona na inona mitranga! — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 15 Septambra 1991, “Fanontanian’ny Mpamaky”.
26 Tadidio fa nilaza toy izao i Jesosy: “Mitandrema hianareo noho ny amin’ny olona; fa hatolony ho amin’ny Synedriona [“fitsarana eo an-toerana”, NW] (...) hianareo; ary ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa.” Mba hampiononana antsika amin’ny toe-javatra toy izany, dia nanampy teny i Jesosy fa ny fanahy masina dia hanampy antsika hitadidy izay zavatra mety sy mahasoa holazaina amin’izany fotoana izany. — Matio 10:16-20.
27 “Izay mandinika ny teny [“maneho fahaiza-mahataka-javatra”, NW] no hahita soa; ary izay matoky an’i Jehovah no ho sambatra.” (Ohab. 16:20). Ry ray aman-dreny, manaova ny fiomanana ilaina rehetra mialoha mba hiarovana ny zanakareo amin’ny fampidiran-dra mandoto eo amin’ny lafiny ara-panahy. (Ohab. 22:3). Ry ankizy, ekeo ny fampiofanana omen’ny ray aman-dreninareo rehefa manao izany fiomanana izany izy ireo ary raiso ao am-ponareo izany. Amin’ny maha-fianakaviana anareo, dia ‘aoka ianareo ho tapa-kevitra mafy mba tsy hihinana ny ra (...) mba hahitanareo soa’ noho ny fananana ny fitahian’i Jehovah sy ny tsikim-pankasitrahany. — Deoteronomia 12:23-25, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Rehefa misy tarehin-javatra ilana fikarakarana maika dia maika sy eo no ho eo ihany, araka ny fihevitr’ilay dokotera, vao azo ampiharina araka ny lalàna, tsy misy fanekena na avy amin’ny ray aman-dreny na avy amin’ny fitsarana, ny fitsaboana heverina ho tena ilaina ho an’ny ain’ilay ankizy na ho an’ny fahasalamany (anisan’izany ny fampidiran-dra). Mazava ho azy fa ny dokotera iray dia tsy maintsy ampamoahina rehefa miantehitra amin’io fahefana ny amin’ny tarehin-javatra ilana fikarakarana maika dia maika omen’ny lalàna azy io izy.