FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/92 p. 1
  • Ampiasao Tsara Ireo Gazety

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao Tsara Ireo Gazety
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Manolora Gazety Rehefa Manompo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny alalan’ny gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Mandraisa Soa Hatrany avy Amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Manolora Gazety Isaky ny Misy Fahafahana Hanao Izany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 10/92 p. 1

Ampiasao Tsara Ireo Gazety

1 Rehefa mitsidika toerana fivarotam-boky sy gazety ianao, dia mahita karazana boky sy gazety maro mahazendana, manomboka amin’ny tantara an-tsary ka hatramin’ny haitao ara-tsiansa. Tsy ho afaka ny hamaky azy rehetra ianao. Misy gazety manolotra fanazavana mahasoa, fa ny ankamaroany kosa dia mampisalasala. Maro amin’izy ireo no ambany dia ambany amin’ny hatsarana ary tsy maintsy halavirina.

2 Endre ny fifanoheran’izy ireo amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Ireo gazety ireo dia voatokana ho amin’ny fikatsahana sy fanambarana ny fahamarinana izay azo ampiasaina mba ho famonjena izay rehetra manaiky ny fitiavan’Andriamanitra.

3 Afaka ny hahatratra ny karazan’olona rehetra amin’ny fomba mandaitra ny Mifohaza! noho ireo lahatsoratra maro isan-karazany ao anatiny. Araka ny hazavaina eo amin’ny pejy faha-4 amin’ny nomerao tsirairay, dia natao “ho fanazavana ny fianakaviana rehetra” izy io. Misy lahatsoratra momba ny foto-kevitra maro isan-karazany ao aminy, anisan’izany ny olona, ny fivavahana ary ny siansa. Mandalin-javatra izy ary manondro ny tena hevitra fonosin’ireo zava-mitranga. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia “mampitombo fatokiana ny fampanantenan’ny Mpamorona tontolo vaovao hanjakan’ny fiadanana sy filaminana” izy.

4 Koa satria tsy mivoaka afa-tsy inefatra isan-taona ny Mifohaza! amin’ny teny malagasy, ny Sampana dia mifidy lahatsoratra izay mahafa-po ny fahalianana sy izay ilain’ireo rahalahy sy ny olona eo amin’ny faritanintsika eto Madagasikara. Noho izany, dia ampirisihina isika rehetra mba hampiasa tsara ireo “vatosoa” ara-panahy ireo amin’ny famakiana azy amin’ny fomba lalina ary amin’ny fizarana azy betsaka araka izay azo atao. Ohatra, ny Mifohaza! No. 3/1992 dia manasongadina ny foto-kevitra hoe “Ny Momba ny Lahy sy ny Vavy — Iza no Tokony Hampianatra Izany?” Tena azo antoka fa io foto-kevitra io dia hahita mpamaky feno fankasitrahana, tsy eo anivontsika ihany fa eo amin’ny mpamaky hafa koa. Ny Mifohaza! No. 4/1992, izay ho tonga tsy ho ela any amin’ny kongregasiona, dia manasongadina ny foto-kevitra hoe “Ny Fitaizana Zanaka eo Anivon’ny Tontolo Iray Maloto Fitondrantena”. Hahita torohevitra tsara isika momba ny fomba fitaizana zanaka amin’izao andro sarotra setraina izao, ao amin’io nomerao io.

5 Ny Tilikambo Fiambenana dia nanjary malaza maneran-tany ho mpanohana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ireo fitahiana ao amin’ilay Paradisa hoentin’izy io. Ny nomerao tamin’ny 1 Septambra dia miresaka momba ny hoe: “Mijinja Izay Nafafiny Tatsy Afrika ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana”. Izany dia hanome antsika fahafahana tsara dia tsara hiresaka momba ny tena asa misionera kristiana. Ny fanazavana momba ny hoe “Nahoana ny Tsara Fanahy no Mijaly?”, izay asongadin’ny nomerao tamin’ny 15 Septambra, dia hanampy antsika hanombo-dresaka amin’ny olona izay maniry mafy fanamaivanana amin’ny fijaliana.

6 Maniry amim-pahatsorana ny handraisan’ny olona liana ireo gazety sarobidy ireo amin’ny fomba tsy tapaka isika. Rehefa miresaka momba ny soa maro entin’ireo gazety ireo ianao, dia miezaha hamantatra raha tena liana marina ilay olona. Rehefa nahita fahalianana ianao teo am-boalohany, dia mety hanapa-kevitra ny hitondra mivantana nomerao sasantsasany any amin’ilay olona ho toy ny lalana fizarana gazety ka hanolokolo ny fahalianany amin’izany fomba izany. Rehefa miaiky ianao fa tena liana marina ilay olona, dia manolora famandrihana mba handraisany ireo gazety avy amin’ny paositra. Raha manaiky ilay olona, dia mety ny hanolorana famandrihana enim-bolana na herintaona.

7 Afaka manolotra ireo gazetintsika amin’ny rehetra tsy misy avakavaka isika, satria miaiky ny amin’ny hasarobidiny. Manana zavatra tsara isika, ary fanahafana an’i Kristy ny fizarana izany amin’ny hafa. — Ohab. 3:27; Heb. 13:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara