Ry Tanora — Tariho Amim-pahakingana ny Dianareo
1 Mihevitra manokana ny fandrosoana ara-panahy ataon’ireo tanora i Jehovah Raintsika. Amin’ny fihainoana amim-pitandremana ny didiny feno fitiavana, dia tsy hoe hampifaly ny fony fotsiny ireo tanora, fa hahita famelombelomana ho an’ny fanahin’izy ireo koa. (Ohab. 27:11; Matio 11:28-30, NW). Hamela an’i Jehovah hanome fitarihana amim-pahakingana ho an’ny diany izy ireo. — Ohab. 16:9.
2 Ohatra ny amin’ny tanora iray izay nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny olona i Kristy Jesosy tamin’ny fahatanorany. (Lioka 2:52). Tokony hiezaka mafy hanao tahaka izany ireo tanora amin’izao andro izao. Ny fitarihan’ny tanora iray ny diany amim-pahakingana dia tokony hiharihary amin’ny fikatsahany zavatra ara-panahy. Tamin’izy 12 taona, i Jesosy dia fantatra noho ny faniriany hiresaka tamin’ny hafa momba an’i Jehovah. (Lioka 2:46, 47). Nampiseho ny faniriana hanazava ny finoany amin’ny hafa mitovy amin’izany ny tanora amin’izao andro izao. — wMG 1/10/90 p. 29-30; wMG 1/3/88 p. 21.
3 Inona no azonareo atao izao ry tanora, indrindra mandritra ireo volana fialan-tsasatra ho avy, mba ‘hankalazana an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidinareo’? (Ohab. 3:9, NW). Nahoana raha ampitomboina ny fotoana mahazatra atokanareo ho an’ny asa fitoriana sy ny fampianarana ny vaovao tsara, angamba aza amin’ny fahatongavana ho mpisava lalana mpanampy? Mety ho gaga ianareo amin’ny fifaliana mitombo sy ireo fitahiana hafa izay azo avy amin’ny fandraisana anjara bebe kokoa amin’ny fanompoana. Hanome fahafahana ho anareo koa izany hiara-miasa eny amin’ny asa fanompoana amin’ny mpitory maro samy hafa. Mety ho afaka hanomboka dieny izao ianareo amin’ny fanasana mpitory za-draharaha iray na roa hiara-miasa aminareo amin’ity faran’ny herinandro ity.
4 Ireo ray aman-dreny dia afaka manome fampirisihana sy fanampiana be dia be ho an’ireo zanany, amin’ny fanaovana fanazaran-tena ankoatra ny fiarahana amin’izy ireo eny amin’ny fanompoana. Afaka manombo-javatra ireo Kristiana hafa matotra ao anatin’ny kongregasiona, amin’ny fanasana ireo tanora hiaraka aminy eny amin’ny fitoriana isan-trano sy any amin’ny fiverenana mitsidika ary amin’ny asa fampianarana Baiboly. Ny fiarahana akaiky amin’ireo mpitory matanjaka ara-panahy toy ireny dia hampiorina ireo tanora sy hanampy azy ireo “handroso hatrany ho amin’ny fahamatorana.” — Heb. 6:1, NW.
5 Mila ny hihatsara ny Kristiana tsirairay amin’ny fahaizany mampianatra. Ao anatin’izany ny tanora. Ry tanora, miomana amin’ny fomba feno amin’ireo anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, izay angamba hanananareo tombontsoa ny hampiseho azy ve ianareo? Manana fandaharam-pamakian-teny sy fianarana manokana tsy tapaka ve ianareo ary koa ho an’ny fisaintsainana? Mampihatra avy hatrany amin’ny tenanareo ny zavatra nodinihinareo ve ianareo? Manao fanomanana tsara ho amin’ny fivoriana ve ianareo mba hahatakarana tsara ny zavatra dinihina sy mba ho vonona hanome fanazavana? Mandray an-tsoratra ireo hevitra mahasoa lazaina mandritra ireo fivoriana ve ianareo ary miezaka mampiasa ny fanoloran-kevitra aseho ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana?
6 Aza avela handalo fotsiny ny fahafahana handray anjara amin’ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana sy ny fanampiana ireo rahalahy sy anabavy be taona na kilemaina amin’ny raharahany na amin’ny fomba hafa mahasoa. Aza hadinoina ny manome ny fandraisanareo anjara manokana mba hanampiana hikarakarana izay lany ho an’ny Efitrano Fanjakana sy ho an’ny asan’ny Fikambanana maneran-tany.
7 Raha ‘mitandrina hatrany araka ny tenin’i Jehovah’ isika, ka mamela azy hitarika ny diantsika, dia hitondra antsika ho amin’ny fahasambarana izy ary hanome antsika tombontsoam-panompoana mitombo. — Sal. 119:9, NW.