Ireo Fivoriana Momba Ny Asa Amin’ny May
Herinandron’ny 3 May
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
20 min: “Fandraisana Anjara Mahomby Amin’ny Fanompoantsika Mamonjy Aina.” Lahateny sy fampisehoana. Rehefa avy nanao fampidiran-dresaka fohy dia manaova fampisehoana telo miorina amin’ny fehintsoratra faha-2–5. Aorian’ny fampisehoana tsirairay dia anontanio ny mpanatrika ny fomba azo ampifanarahana ny fampisehoana amin’ny toe-javatra samihafa misy ao amin’ny faritany eo an-toerana. Farano amin’ny fampirisihana mba handray anjara feno amin’ny fanompoana amin’ity faran’ny herinandro ity.
15 min: Ny Maha-zava-dehibe ny Fiainana Ara-panahin’ny Fianakaviana. Lahateny ataon’ny loholona iray. Diniho ny ilan’ny fianakaviana handinika ny teny natao hovakina isan’andro, amin’ny fanasongadinana ny fomba azo anaovana izany ao anatin’ny toe-javatra samihafa sy araka ny fandaharam-potoanan’ny fianakaviana. Hamafiso koa ny ilana hanaovan’ny fianakaviana vavaka miaraka fara fahakeliny indray mandeha isan’andro. Azo atao alohan’ny hatoriana izany. Mihatra amin’ny tokantrano voazarazara sy ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ny iray amin’ny ray aman-dreny ary ireo fianakaviana tsy misy ankizy ireo fotopoto-pitsipika ireo. Mandray anjara amin’ny fahazoana tombontsoa faran’izay betsaka amin’ireo fivorian’ny kongregasiona isan-kerinandro koa ny fiomanana ataon’ny fianakaviana sady afaka manatanjaka ny finoan’ny hafa koa. — Heb. 10:23-25.
Herinandron’ny 10 May
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Zavatra hita teny am-pitoriana vao haingana tamin’ny fampisehoana ireo gazety sy bokikely. Nahapetraka famandrihana ve ny mpitory maro? (Tokony halamina mialoha miaraka amin’ilay rahalahy mikarakara ny famandrihana ao anatin’ny kongregasiona izany.)
15 min: “Fiatrehana ny Zava-tsarotra ny Amin’ny Fitoriana Isan-trano”. Fanontaniana sy valiny. Vakio ary manaova fampiharana ireo andinin-teny voalaza.
20 min: “Mandraisa Soa Feno avy Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika 1993 ‘Fampianaran’Andriamanitra’ ” — Fizarana Voalohany. Fiaraha-mandinika amin’ny mpanatrika ny fehintsoratra 1–16. Tokony hiresaka momba ny hevitra mifanentana amin’ireo olona miara-mianatra Baiboly aminy izay hanatrika ny fivoriambe, ireo mpitory.
Herinandron’ny 17 May
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana, anisan’izany ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ny fanomezana natao. Derao ny kongregasiona noho ny fanohanany ara-bola ny kongregasiona eo an-toerana ary koa ny asan’ny Fikambanana maneran-tany.
20 min: “Miverena Amim-pifaliana Indray mba Hanampy Ireo Olona Liana”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika sy fampisehoana. Hamafiso ny ilana hitanana an-tsoratra tsara ny fahalianana hita. Avy amin’ny fanazavana eo amin’ny fehintsoratra faha-3–6, dia manaova fampisehoana roa. Tokony hahitana taratry ny toe-javatra misy eo an-toerana izany sy hampifanarahina amin’izay ilaina.
15 min: “Mandraisa Soa Feno avy Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika 1993 ‘Fampianaran’Andriamanitra’ ” — Fizarana Faha-2. Fiaraha-mandinika amin’ny mpanatrika ny fehintsoratra faha-17–19, ka diniho amim-pitandremana indray “Ireo Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriamben’ny Distrika”. Ampidiro ireo fampahatsiahivana mifanentana miorina amin’ny fanazavana ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1989, pejy faha-10–20, na ampirisiho handinika ireo hevitra ao amin’ireo lahatsoratra ireo indray ny antokom-pianakaviana, alohan’ny hanatrehana ny fivoriambe.
Herinandron’ny 24 May
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika.
20 min: “Ry Tanora — Tariho Amim-pahakingana ny Dianareo”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-3, dia manaova fampisehoana fohy ahitana mpitory tanora iray mangataka amin’ny mpitory zokiny kokoa mba hiara-miasa aminy eny amin’ny asa fanompoana. Manaiky amim-pifaliana ilay mpitory zokiny kokoa ary manoro hevitra mba hiarahan’izy ireo mandinika indray ny fampisehoana hataony alohan’ny hiarahan’izy ireo miasa.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na lahateny ataon’ny loholona miorina amin’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Desambra 1992, pejy faha-21–23 mitondra ny lohateny hoe “Nahoana no Mora Erỳ ny Mandainga?”.
Herinandron’ny 31 May
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fanolorana hevitra azo resahina avy ao amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka ho azo ampiasaina amin’ny Jona. Ampirisiho ireo mpitory handinika indray ireo fanoloran-kevitra amin’ny asa fanompoana ao amin’ny pejy faha-6 sy faha-8 amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Desambra 1992.
10 min: “Valin’ireo Fanontanianareo”. Hazavao ny fomba izarana Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana eo an-toerana.
10 min: Ho Mpisava Lalana Mpanampy ve Ianao Amin’Ity Fotoam-pialan-tsasatra Ity? Manadinadìna mpitory sasantsasany izay mpisava lalana mpanampy nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra tamin’ireo taona lasa. Ampirisiho ny tanora sy ny hafa, izay angamba mamela azy hanao izany ny tarehin-javatra misy azy, mba hieritreritra ny hampiasa amin’ny fomba tsara indrindra ny fotoam-pialan-tsasatra. Angamba ho afaka hanampy amin’ny famitana faritany izay tsy voasa firy na mitokana ny sasany mandritra ireo volana fialan-tsasatra. Ampirisiho ireo izay eo am-pamitana ny fianarany mba ho mpisava lalana maharitra na hiezaka mba hanatratra izany zava-kendrena izany. — 2 Kor. 9:6b.
15 min: Mamela ny Fahotantsika ve Andriamanitra? Miomana ho amin’ny fitsidihan’ny mpiandry ny loholona roa. Izy ireo dia miara-mandinika ny fomba hanampiana rahalahy iray izay mbola sahiran-tsaina noho ireo fahotany tamin’ny lasa ary manontany tena raha namela azy Andriamanitra. Mandinika indray ny fanazavana eo amin’ny pejy faha-225–228 amin’ny boky Fanjohian-kevitra izy ireo, ary koa ny pejy faha-1135 amin’ny boky Auxiliaire. Dinihin’izy ireo fa ny tenany dia mila ny mitondra ilay rahalahy amin-katsaram-panahy sy manasongadina ny famindram-po sy ny fetezan’i Jehovah hamela heloka. Mihevitra ny hanamafy ny ilan’ilay rahalahy hanao fiezahana manokana koa izy ireo; tsy ampy ny fiekena heloka fotsiny. Ireo loholona dia hanolo-kevitra ny hijery indraindray an’ilay rahalahy, amin’ny fanohizana ny fanampiana azy ara-panahy.