Fikarakarana Ireo Zavatra Ara-panahy Ilain’ireo Vaovao
1 I Jehovah dia mitahy ny fandaminany amin’ny fahatongavan’ireo vaovao izay mirohotra mankany amin’ny kongregasiona. Faly isika mahita izany fanangonana lehibe izany. Tamin’ny taom-piasana 1993 lasa teo isika dia nisy vao vita batisa maro kokoa noho ny teo aloha tao anatin’ny herintaona; tamin’ny fitambarany dia nisy vao vita batisa 667! Tsapantsika tsara anefa, fa ireny olona tahaka ny ondry ireny dia mila fanohanana sy fitarihan-dalana mitohy amin’ny fianarany manompo an’i Jehovah.
2 Mila fanampiana ireo vaovao mba hahatongavana amin’ny fahalalana marina ny fahamarinana. (Kol. 1:9, 10). Manana ny tombontsoa isika hanampy azy ireny hahazo fahatakarana tsara ny amin’ireo foto-pampianarana ao amin’ny Baiboly sy ny amin’izay ampianarin’ny Baiboly mikasika ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena sy ny fomba fiaina kristiana ary ireo raharaha mifandray amin’izany. Izany dia hanampy azy ireny hiorina mafy amin’ny fahamarinana mba handresena izay fisedrana rehetra mety hipoitra.
3 Mila ny hampiana koa ireo mpianatra mba ho tonga olon-dehibe amin’ny fahaizany mahataka-javatra. (1 Kor. 14:20, NW). Ny fanandraman-javatra dia mampiseho fa mba hahatongavana ho olon-dehibe ara-panahy dia mahasoa ny fianarana Baiboly manokana miaraka amin’ny mpampianatra iray. Araka izany, na dia efa vita batisa aza ny olona iray alohan’ny fahavitan’ny fianarany boky roa, ny fahendrena dia mandidy ny hitohizan’ny fianarany Baiboly ao an-tokantrano mandra-pahavitany ny fianarana ireo boky roa.
4 Aorian’ny batisa: Nilaza i Jesosy fa tokony hanao mpianatra isika — manao batisa sy mampianatra azy ireny. (Matio 28:19, 20). Ny ankabeazan’ny fampianarana ireo mpianatra dia atao aorian’ny batisa. Ny fahalalana izay mety ho azon’ny olona iray avy amin’ny boky iray monja dia matetika tsy ampy mba hamitana ny fiofanany teokratika. Ilaina ny torolalana fanampiny mba hanomanana azy ho amin’ny asa fanompoana sy hamatsiana azy fitaovana mba hanoherana ireo fanerena mianjady amin’ireo manompo an’i Jehovah amin’izao andro farany izao. Ny tsy fanomezana fampiofanana ampy dia mety hahatonga ilay mpianatra tsy ho vonona hijoro tsara amin’ny lafiny ara-panahy. Rehefa vita batisa ny olona vaovao iray, dia mbola manampy azy ihany isika hanao fandrosoana fanampiny na nahavita boky roa izy na tsia. Ny zavatra vita an-tsoratra ianarana voalohany dia manome fahatakarana momba ireo fampianarana fototra. Ny zavatra vita an-tsoratra faharoa dia mahafaoka ireo toetra kristiana. Ireo zavatra vita an-tsoratra ireo dia mety ho ny boky Hiaina Mandrakizay ary avy eo dia ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana. Hatramin’ny volana May 1993 isika dia manana indray ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana ao amin’ny tahiry. Natonta fanindroany izy io mba hazava kokoa ary tsy isalasalana fa tsapantsika ny tokony hananan’ireo olona ampianarintsika Baiboly an’io boky io. Ataovy arỳ aza fady ny fanafaranao amin’ny alalan’ny kongregasiona ho atỳ amin’ny Fikambanana.
5 Ny fanohizana ny fianarana Baiboly mandra-pahavitan’ny boky faharoa dia manome fampianarana mahasoa ny amin’ireo fikasan’i Jehovah ary koa ny amin’ireo fari-pitsipiny kristiana sy fepetra takiny ambony. Izany dia hanampy ireo vaovao mba hahatakatra ny hevitry ny fotopoto-pitsipika kristiana sy mba hamaka tsara amin’ny finoana. — Kol. 2:7.
6 Mazava ho azy fa tokony hantenaina hanao fandrosoana ara-panahy ireo vaovao aorian’ny batisany. (Heb. 6:1-3). Amin’ny ankapobeny dia tsy mila fotoana ela ny famitana ny boky faharoa. Amin’izay dia mahazo fanorenana mafy ilay vaovao.