Fanampiana ny Hafa Hahatakatra ny Maha-sarobidy Ireo Zavatra Vita An-tsoratra Avoakantsika
1 “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”. (Heb. 4:12). Koa satria ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly avoakantsika manampy ny olona handray soa avy amin’ny herin’ny Tenin’Andriamanitra, dia mampiasa azy ireny isika mba hanairana ny fahalianana ho amin’ny Baiboly rehefa manao fanambarana tsy ara-potoana na rehefa mitsidika isan-trano.
2 Ny zavatra vita an-tsoratra atolotra amin’ny Janoary dia ny boky roa mitambatra Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra sy “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao” na izay boky tranainy hafa 192 pejy navoaka talohan’ny 1980 na natao pirinty tamin’ny taratasy vasobasoka. Omano ny fampisehoanao ny hafatra momba ilay Fanjakana mba hitarika ho amin’ny hevitra iray voafaritra tsara ao amin’ny boky ampiasainao. Ahoana no azonao anaovana izany?
3 Fomba hiomanana: Ho fanombohana, dia mifidiana ao amin’ilay boky ampiasainao filazana iray, izay azo inoana fa hanintona ny olona tso-po ao amin’ny faritaninao. Manaraka izany, dia eritrereto ny amin’ny zava-nitranga iray vao haingana na foto-kevitra iray mahaliana ny rehetra, izay ho azonao resahina fohy amin’ilay tompon-trano, alohan’ny hitarihana ny sainy ho amin’ilay filazana voasoratra nofidinao. Angamba misy andinin-teny iray voasoratra na voalaza azonao vakina avy ao amin’ny Baiboly na avy ao amin’ilay boky mivantana, mba hanohanana ireo filazana ataonao. Raha mampiseho fahalianana amim-pahatsorana ilay olona amin’izay dia atolory ny boky roa mitambatra. Alohan’ny handaozana azy, dia miezaha milaza fanontaniana iray na hevitra iray izay azonao ampiasaina ho toy ny fototra ho amin’ny fiverenana mitsidika.
4 Kongregasiona maro no manana eo am-pelatanana vitsivitsy amin’ny boky Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany. Raha misy azo raisina amin’ireny boky ireny, nahoana no tsy miomana mba hiresaka amin’ireo tanora mifanena aminao ao amin’ny faritaninao? Ampirisiho izy ireo hamaky io zavatra vita an-tsoratra tsara dia tsara io. Raha manolotra ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ianao dia afaka mampiasa ny fomba fanaovan-javatra nohamafisina tetsy ambony sady miomana mba hiresaka izay mety ho foto-pampianarana maromaro ao amin’ny Baiboly dinihina ao amin’io boky fianarana ny Baiboly tsara dia tsara io.
5 Manolòra ny Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra: Mety ho tianao kokoa ny hampiasa izao fanombohan-dresaka izao:
◼ “Olona maro no maniry ny hiverenana ho amin’ny fari-pitondran-tena nentim-paharazana ao amin’ny fiainam-pianakaviana. Heverinao ve fa miankina amin’ny tsirairay ny hamantatra izay fari-pitondran-tena tokony harahiny, sa kosa tokony hisy fari-pitsipika iray ihany ho an’ny rehetra? [Avelao izy hamaly.] Maro no manaiky fa raha arahina ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly, dia hisy fihatsarana miavaka eo amin’ny fiainam-pianakaviana.” Ho azonao atao eto ny mampiditra ny andininin-teny ao amin’ny Kolosiana 3:12-14 sy manazava azy io aorian’izay. Aorian’izany dia tariho ny sainy ho amin’ny toko faha-18 amin’ny boky Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra.
6 Indraindray angamba dia hety kokoa ny hanolorona ireo gazety na taratasy mivalona iray. Manana ny antony rehetra tokony haha-be hafanam-po sy ho be zotom-po isika amin’ny fampirisihana ny hafa hamaky ireny zavatra vita an-tsoratra ireny, mba hahafahany ho ampy fitaovana ka hahatsapany ny herin’ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany amin’ny fanarahana ny fitarihany.