FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ssb hira 197
  • Mihirà ho An’i Jehovah!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mihirà ho An’i Jehovah!
  • Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Hira Vaovao
    Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • Aoka isika hidera an’i Jehovah amin’ny hira
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Ilay Hira Vaovao
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
  • Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
Ssb hira 197

Hira 197

Mihirà ho An’i Jehovah!

(Salamo 47:6)

1. Mihira ho an’i Jehovah

Ny olony rehetra.

Ny Zanany no hitondra

Ny tany misy antsika.

Deraintsika i Jehovah,

Maro ny soa nataony.

Faly ’sika manandra-peo

Sy mankalaza azy.

Efa manjaka izao Kristy,

Manao ny rariny.

Koa aoka hotorintsika

Ilay Fanjakany.

2. Ny fiainana dia sarotra

Sy feno fahoriana.

Mijaly ny olombelona,

Mahantra mahonena.

Hifaly anefa isika

Amin’ny Arivo Taona.

Ny tany ho Paradisa,

Ny ratsy dia ho foana.

Hataon’i Jehovah vaovao

Ny zava-drehetra.

Koa aok’ isika hiezaka

Hanao ny marina.

3. Mahatalanjona tokoa

Ny asan’i Jehovah.

Ireo Vavolombelony

Omeny fitahiana.

Mpanjakantsika Jehovah,

Izy no Avo Indrindra.

Koa mihirà amin’ny fo,

Ho an’ilay Raintsika.

Aok’ isika, ry rahalahy,

Hihira ho an’i Jah,

Ka omeo voninahitra

’Lay Mpanjakantsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara