FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/94 p. 3
  • Hiverina any Am-pianarana Indray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hiverina any Am-pianarana Indray
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Vonona ho amin’ny fidiran’ny mpianatra ve ireo zanakao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Ny sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah: Mampiasa azy io ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ireo zavatra fanao ivelan’ny fianarana
    Ny Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ny fiarahanay miasa amin’ny sekoly
    Ny Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 9/94 p. 3

Hiverina any Am-pianarana Indray

1 Amin’ny volana Septambra, ireo tanorantsika dia efa manomboka miditra ao amin’ny taom-pianarana vaovao. Misy zavatra mahafinaritra andrasana amim-panantenana, nefa misy raharaha sasany koa izay mety hiteraka fanahiana. Tanora maro no hahazo mpampianatra samy hafa sy hosoratana anarana hanaraka taranja vaovao, ary hampifaneraserana amina mpianatra tsy fantany. Tian’ireo tanorantsika ny hiara-miasa amin’ireo manam-pahefana any am-pianarana sy ny hifankahazo amin’ireo mpiara-mianatra aminy. Tokony hotadidin’izy ireo ao an-tsaina anefa fa tsy maintsy mitandrina izy ireo amin’izay rehetra mety hanimba azy ara-panahy. — 1 Kor. 15:33.

2 Ny zavatra lehibe iray ahin’ny ankizy sy ny tanora Vavolombelona dia ny tsy ho voaloton’ny fitaoman’izao tontolo izao, izay manenika ireo rafi-pampianarana any amin’ny tany maro amin’izao andro izao. Ny Kristiana tanora sy antitra dia tsy maintsy manana herim-po handa ireo fari-pitsipika sy fomba fisainan’izao tontolo izao izay ampirisihana ankehitriny momba ireo raharaha ara-pitondran-tena. Tsy maintsy ‘mitandrina’ koa izy ireo, amin’ny fakana hevitra ao amin’ny Tenin’i Jehovah sy amin’ny fanekena hotarihin’izy io. (Sal. 119:9). Ireo ray aman-dreny feno fiahiana dia mila ny mahafantatra izay tafiditra ao amin’ny zavatra ianarana any am-pianarana mba hanomezana fitarihana mety an’ireo zanany. Raha mifanipaka amin’ny fahamasinana sy ny fahadiovana takina amin’ny mpanompon’i Jehovah ny zavatra ampianarina any am-pianarana na any an-toeran-kafa, dia tsy maintsy halavirina. — 1 Pet. 1:15, 16.

3 Fahita aoka izany koa ireo raharaha momba ny fankalazana mifandray amin’ny fanindrahindram-pirenena, ny fankalazana fety, ny fanatanjahan-tena na ny fifaneraserana ara-tsosialy. Ny bokikely Ny Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah dia manampy ireo tanora kristiana amin’ireo raharaha ireo. Tarehin-javatra tena mety ho sarotra no azo resena na azo ahena ho faran’izay kely ny fahasarotany, rehefa manao ny dingana voalohany ny ray aman-drenin’ireo ankizy mbola kely mba hanatona ireo mpampianatra miaraka amin’ny iray amin’io bokikely io. Afaka manazava izy ireo fa izy io dia hanampy ilay mpampianatra hahatakatra ny antony ifidianan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy handray anjara amin’ny fanaovan-javatra sasany. Ny fanaovana io fanazavana io ho azo raisin’ilay mpampianatra dia afaka manampy be dia be mba hisian’ny toe-tsain’ny fiaraha-miasa.

4 Ambonin’izany, dia ho tsara ny hitahirizan’ireo mpianatra kristiana iray amin’ny bokikely Sekoly miaraka amin’ny fitaovany any am-pianarana. Misy fahafahana mipoitra matetika hanaovana fanambarana amin’ny mpianatra hafa izay manao fanontaniana rehefa misy firesahana momba ireo zavatra inoantsika. Afa-tsy izany koa, ireo ankizy Vavolombelona dia tokony hitondra eny aminy amin’ny fotoana rehetra ny karany hoe Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra na ny Karatra Famantarana, izay tsy lany andro sy nomarihin’ny vavolombelona araka ny tokony ho izy ary nasiana sonia. Ireo izay mampihatra izany fananarana izany dia azo antoka fa ho tahaka ilay “mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery”. — Ohab. 22:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara