FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/94 p. 2
  • Karazana Toe-tsaina Manao Ahoana no Asehonao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Karazana Toe-tsaina Manao Ahoana no Asehonao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Mampisy Toe-tsaina Tsara eo Anivon’ny Fiangonana ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Manao Ahoana ny Toe-tsainao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • “Aoka Ianareo Harehitry ny Fanahy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • ‘Manaraka ny lalan’ny fitiavana mampiantrano vahiny ve ianao?’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 11/94 p. 2

Karazana Toe-tsaina Manao Ahoana no Asehonao?

1 Namarana ny taratasiny ho an’ny kongregasionan’i Filipy tamin’izao fampirisihana izao i Paoly: “Ho amin’ny toe-tsaina asehonareo anie ny hatsaram-panahin’i Jesosy Kristy Tompo amin’izay tsy mendrika akory.” (Fil. 4:23, NW). Nidera azy ireo izy noho ny fahalianany feno fahatsorana tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara ary koa noho ny fifampiahiany mafana sy feno fitiavana ny amin’ny fahasalamany avy. — Fil. 1:3-5, NW; 4:15, 16.

2 Tokony ho ny faniriantsika ny hanome taratr’izany toe-tsaina izany koa ao amin’ny kongregasionantsika. Rehefa samy mampiseho zotom-po sy hatsaram-panahy ary fahaiza-mampiantrano vahiny ny rehetra, izany dia miteraka toe-tsaina izay hiharihary amin’ny mpitazana. Mitondra firaisan-tsaina sy fandrosoana ara-panahy ny toe-tsaina manorina sy feno fitiavana. (1 Kor. 1:10). Ny toe-tsaina tsy manorina kosa dia miteraka fahakiviana sy tsy faharisihana. — Apok. 3:15, 16.

3 Mitari-dalana ireo loholona: Ireo loholona dia manana andraikitra hitana toe-tsaina tsara dia tsara sy manorina eo amin’izy samy izy sy eo anivon’ny kongregasiona. Nahoana? Satria afaka misy heriny eo amin’ny kongregasiona ny fihetsik’izy ireo sy ny fitondran-tenan’izy ireo. Ankasitrahantsika ny fananana loholona izay be zotom-po eo amin’ny asa fanompoana, izay miarahaba antsika amin’ny tsiky mafana sy amin’ny teny feno hatsaram-panahy, izay manorina sy mampahery rehefa manome torohevitra, na manokana izany na avy eny amin’ny lampihazo. — Heb. 13:7.

4 Mazava ho azy fa isika rehetra dia manana anjara mba hahatongavan’ilay kongregasiona ho sariaka, ho mahay mampiantrano vahiny, ho be zotom-po ary hihevitra ny ara-panahy. Isika tsirairay dia afaka mampiseho hafanana sy fitiavana eo amin’ny fifaneraserantsika amin’ny hafa. (1 Kor. 16:14). Tsy tokony hisy fanavakavahana eo amin’ny taona, ny firazanana, ny fari-pianarana na ny toerana ara-bola, eo anivontsika. (Ampitahao amin’ny Efesiana 2:21.) Noho ny fanantenantsika, dia afaka manome taratry ny toe-tsaina maneho fifaliana sy fahaiza-mampiantrano vahiny amim-pahalalahan-tanana ary zotom-po eo amin’ny fanompoana, isika. — Rom. 12:13; Kol. 3:22, 23.

5 Tokony hataontsika izay hahatsapan’izay rehetra mifanerasera amintsika, anisan’izany ireo vaovao, fa raisina an-tanan-droa izy ireo, sy izay hahatsapany ny fitiavana sy ny fandavan-tenan’ilay fianakavian’ny mpirahalahy. Amin’ny fanompoantsika sy amin’ny fanehoantsika toetra kristiana tsara dia tsara, dia manome porofo isika fa ny kongregasiona dia “andry sy fiorenan’ny fahamarinana”. (1 Tim. 3:15). Mahita tsy fananana ahiahy ara-panahy koa isika noho “ny fiadanan’Andriamanitra” izay miaro ny fontsika sy ny hevitsika. (Fil. 4:6, 7). Enga anie isika rehetra ka hiezaka mafy amim-pitandremana hampiseho ilay karazana toe-tsaina izay hanome antoka antsika ny amin’ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo. — 2 Tim. 4:22, NW.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara