Modely Iray Tokony Harahina Akaiky
1 Tsy azo iadian-kevitra fa i Jesosy no ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Namela ohatra lavorary ho an’ireo mpianany izy. Na dia tsy haharaka ny fari-pitsipiny ny amin’ny fahatanterahana aza isika, dia ampirisihina mafy mba ‘hanaraka akaiky ny diany’. (1 Pet. 2:21, NW). Tokony haniry hitovy amin’i Jesosy be dia be araka izay azo atao isika, amin’ny fizarana ny fahamarinana amin’ny hafa amin-jotom-po.
2 Nihoatra noho ny mpitory fotsiny i Jesosy; mpampianatra faran’izay nahay izy. “Talanjona ny vahoaka noho ny [fomba, NW] fampianarany”. (Matio 7:28). Nahoana izy no nahita vokatra tsara toy izany? Aoka isika hijery akaiky ny “fomba fampianarany”.
3 Ny fomba ahafahantsika manara-dia an’i Jesosy: Nampianarin’ny Rainy i Jesosy. (Jaona 8:28). Ny antony nanosika azy dia ny hanome voninahitra an’i Jehovah sy hankalaza ny Anarany. (Jaona 17:4, 26). Eo amin’ny fitoriana sy ny fampianarana ataontsika, ny antony manosika antsika dia tokony ho ny hanome voninahitra an’i Jehovah koa, fa tsy ny hisarika ny sain’ny olona ho amin’ny tenantsika akory.
4 Ny zavatra rehetra nampianarin’i Jesosy dia niorina tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanisy firesahana tsy an-kijanona momba izay voasoratra ao amin’ny Soratra ara-tsindrimandry izy. (Matio 4:4, 7; 19:4; 22:31). Maniry ny hitarika ireo mpihaino antsika ho amin’ny Baiboly isika; amin’izay isika dia mamela azy ireo hahita fa izay torintsika sy ampianarintsika dia miorina amin’ilay fahefana ambony indrindra.
5 I Jesosy dia nampiasa fitenenana fohy, azo nampiharina, tsy sarotra. Ohatra, mba hanazavana ny fomba ahafahantsika mahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, dia nampirisika antsika izy mba hamela ny heloky ny hafa koa ny tenantsika. (Matio 6:14, 15). Tokony hiezaka isika hanazava ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny alalan’ny teny tsotra, fampiasa andavanandro.
6 I Jesosy dia nampiasa fanoharana sy fanontaniana tamim-pahakingana mba handrisihana ny hafa hieritreritra. (Matio 13:34, 35; 22:20-22). Ny fanoharana momba ny raharaha mahazatra dia afaka manampy ny olona hahatakatra ireo foto-pampianarana sarotry ny Baiboly. Tokony hanao fanontaniana izay hampirisika ny mpihaino antsika hieritreritra momba izay reny, isika. Ny fanontaniana fitarihana ny saina dia afaka manampy azy ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra marina.
7 I Jesosy dia naka fotoana mba hanazavana ireo raharaha sarotra tamin’ireo izay nangataka fanazavana misimisy kokoa. Ireo izay liana marina, toy ireo mpianany, dia afaka nahazo ny hevitr’izay nampianarin’i Jesosy. (Matio 13:36). Tokony hahay hanampy toy izany isika, rehefa misy manao fanontaniana amim-pahatsorana. Raha tsy haintsika ny valiny, dia afaka manao fikarohana momba ilay foto-kevitra isika ary hiverina any aoriana, mitondra ilay fanazavana.
8 I Jesosy dia nampiasa fisehoan-javatra mba hanomezana lesona. Ny ohatra iray ny amin’izany dia ny nanasany ny tongotr’ireo mpianany, na dia Tompon’izy ireo aza izy. (Jaona 13:2-16). Raha mampiseho toe-tsaina manetry tena isika, ireo izay ampianarintsika dia ho voatosika hampihatra izay ianarany.
9 I Jesosy dia niezaka hanohina ny fon’ny olona sy ny fitiavan’izy ireo ny rariny. Maniry hahatratra ny fon’ny olona koa isika. Miezaka hanohina ny faniriana voajanaharin’ny olombelona rehetra hivavaka amin’ny persona ambony kokoa sy hiara-miaina amin’ny hafa amim-piadanana sy fahasambarana, isika.
10 Mandritra ny volana Desambra isika dia afaka mizara amin’ny hafa ireo zavatra izay nianarantsika momba an’i Jesosy, amin’ny fanolorana ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Ny fanahafantsika ny fahaiza-mampianatr’i Jesosy dia mety hanosika olona tso-po hihaino rehefa manazava izay nampianarin’i Jesosy isika. — Matio 10:40.