Fanatsorana ny Fivoriamben’ny Distrika 1995
1 Mampientana toy inona moa ny maha-ao amin’ireo fety ara-panahy antsika, na any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona izany, na any amin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany, na any amin’ireo andro fivoriambe manokana, na any amin’ireo fivoriamben’ny distrika! Fa nahoana? Mamelombelona ny fiarahana amin’ny olona matahotra an’Andriamanitra, ary ireo zavatra ara-panahy atolotra antsika amin’ireo fotoana ireo dia mampahatsiahy antsika an’ireo zavatra lehibe kokoa.
2 Olona an’arivony maro mihamitombo isa no voasinton’ireny fiarahana ara-panahy ireny tato anatin’ireo taona farany. Teo anelanelan’ny taona 1985 sy ny taona 1994, ny isan’ireo kongregasiona 49 716 naneran-tany dia nitombo maherin’ny 50 isan-jato, ka nahatratra 75 573. Arakaraka ny anafainganan’i Jehovah ny asa fanangonana, no itomboan’ny isan’ny fivoriamben’ny distrika sy ny fizaran-tany koa. (Isaia 60:22). Na dia teto Madagasikara aza, taona vitsivitsy lasa izay, dia tsy nanana afa-tsy fivoriamben’ny distrika iray monja isika ho an’ny tanintsika iray manontolo. Tamin’ny herintaona anefa, dia nanana fivoriamben’ny distrika enina isika, ary amin’itỳ taona itỳ isika dia manao fandaharana mba hisian’ny fivoriamben’ny distrika valo. Nihanitombo be ny asa vokatr’izany, mifandray amin’ny fandaminana sy ny fikarakarana ireny fivoriamben’ny distrika ireny. Koa satria miara-mivory isika mba handray soa avy amin’ny fandaharana ara-panahy omanina ho an’ireny fety ireny, dia fahendrena ny manatsotra araka izay hetezan’izany, ny fisahanana ireo fandaharana momba ny ara-tsakafo.
3 Dingana vaovao: Mitodika any amin’i Jehovah isika mba hitahiany antsika eo am-pandrosoantsika miandalana. Faly isika mahita fa nanome ny toe-tsain’ny fahendrena sy ny fahazoana hevi-javatra, ho an’ny vahoakany izy. Tsy maintsy manaiky isika fa, tamin’ny alalan’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky, dia nitarika ireo raharaha tamim-pahombiazana i Jesosy Kristy mba hanatanterahana ny fikasan’i Jehovah tamin’ny fomba mahatalanjona. (Matio 24:45-47; Kol. 1:9, 10). Hoy ny fanambarana iray tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana anglisy tamin’ny Desambra 1994: “Manomboka amin’ireo fivoriamben’ny distrika 1995 sy ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy andro fivoriambe manokana amin’ny Septambra 1995, dia tsy hisy sakafo haroso intsony. Ny tsirairay no hitondra ny sakafony sy ny zavatra hosotroiny.” Tsara ny fihetsika hita teo anoloan’iny fanambarana iny.
4 Noho ny fahitana ny soa raisina avy amin’izany fandaharana izany, dia nanapa-kevitra izahay fa, manomboka amin’ny Fivoriamben’ny distrika voalohany amin’itỳ taona itỳ, dia hanaraka izany toro lalana izany koa isika eto Madagasikara. Izany dia midika fa tsy hisy sakafo haroso intsony any amin’ireo fivoriamben’ny distrikantsika. Ny tsirairay no hitondra ny sakafony. Kanefa mbola hisy zava-pisotro mafana sy mangatsiaka haroso.
5 Fiovana antenaina: Araka ny efa fantatrareo, dia asa be dia be no tafiditra tamin’ny fieritreretana ny ho sakafo haroso sy ny fividianana ary ny fitahirizana ilay sakafo. Avy eo koa, dia mpiasa an-tsitrapo maro be no nilaina mba handaminana sy hanohanana ireo fandaharana. Tsy hay tombanana ny hasarobidin’ny fanompoana nataon’ireo mpiasa an-tsitrapo tamim-pahavononana tamin’ireo lafiny ireo, ary nankasitrahana be dia be. Ireny mpiasa an-tsitrapo ireny, izay nanompo tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Sakafo dia ho afaka hanampy any amin’ny sampan-draharaha hafa, toy ny an’ny Fikarakarana ny Mpanatrika na ny Fanadiovana. Izany dia hanamaivana ny entan’ny rehetra ary tsy hitaky ny hiasan’ny maro hatramin’ny alina be, na vao maraina koa, na mandritra ireo fotoam-pivoriana, toy ny nataon’ny maromaro tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Sakafo.
6 Fanohanana ireo fandaharana natao: Ankasitrahan’ny Fikambanana be dia be ny fanohanana tsara dia tsara nomenareo rahalahy sy anabavy ‘tamin’ny fonareo rehetra’ nandritra ireo taona lasa, ho an’ireo fandaharana amin’ny fivoriambe, anisan’izany ny ara-tsakafo. (1 Tant. 29:9). Nanampy tamin’ny fomba maro izany. Izany dia nahafahana nisahana ireo fandaniana tamin’ireo fivoriamben’ny distrika. Ary tsy isalasalana fa hitohy ny fahalalahan-tanana sy ny fanohanana nasehon’ireo rahalahy sy anabavy tamin’ny fandraisana anjara tamin’ireo fandaharana ireo. Fanehoan’izy ireo ny fankasitrahany tamin’ny fomba azo notsapain-tanana izany. — Ohab. 11:25; Lioka 16:9.
7 Fikarakarana ny sakafo hilainareo: Noho ireo fanitsiana fanampiny ireo, anefa, dia hilain’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ny mikarakara izay hilain’ny tenany ihany, raha ny amin’ny fanohanana ny tenany ara-tsakafo mandritra ny fiatoantsika amin’ny antoandro. Mihevitra ho sarobidy aoka izany ireo soa tsara dia tsara raisintsika avy amin’ny fandaharana ara-panahy isika. Tsy ho fahendrena ny hamelana ny sakafo ho tonga zava-dehibe loatra. Tena zava-dehibe ny ‘hamantaran’ny tsirairay ireo zavatra lehibe kokoa’ amin’io lafiny io. (Fil. 1:9, 10, NW). Ireo fivoriamben’ny distrika nataon’ny vahoakan’i Jehovah tany Polonina sy Rosia ary Ukraine, ary koa tany amin’ny toerana hafa, dia vita tamim-pahombiazana tsara tsy nisy fandaharana ara-tsakafo. Tany amin’ny tsirairay tamin’ireo toerana ireo, ireo solontena dia samy nitondra ny sakafony antoandro. Ho hitantsika fa raha tsy mitondra afa-tsy sakafo kely maivana isika, izany dia ho anisan’ny hanampy antsika hihazona ny saintsika hahiratra, ka hahatonga antsika handray soa feno avy amin’ny fandaharana amin’ny tolakandro. Mifanaraka amin’izany, ny rehetra dia tokony hitondra sakafo izay tsotra nefa mahavelona. Ohatra, rehefa namahana ireo vahoaka i Jesosy, dia tsy nanome afa-tsy zavatra roa monja, dia mofo sy hazandrano. (Matio 14:16-20; jereo koa ny Lioka 10:42a.) Ho amin’izany, dia faly izahay manolotra fanipazan-kevitra sasany momba izay mety hifanentana sy ho azo ampiharina, rehefa jerena ny fiatoana amin’ny antoandro izay hohafohezina sy ny karazana toerana hampiasaintsika.
8 Koa satria tsy hisy fandaharana ara-tsakafo intsony any amin’ny fivoriamben’ny distrika, amin’ny fanaovana fandaharana tsara mialoha, ireo mpanatrika dia ho afaka hisakafo maraina miaraka amin’ny fianakaviany, na any an-trano izany na any amin’ny toeram-pisakafoana iray eo an-toerana. Rehefa ampy ny fialan-tsasatrareo amin’ny alina, dia tokony ho afaka hifoha maraina ianareo mba hahazoanareo izay ilainareo raha ny amin’ny sakafo maraina, ka ho tonga any amin’ny fivoriambe ara-potoana tsara mba hankafizana ny fiarahana amin’ireo solontena hafa.
9 Ny fiatoana amin’ny antoandro dia ho somary fohy kokoa noho ny tamin’ireo fivoriamben’ny distrika teo aloha. Kanefa, izy io dia mbola hanome fahafahana hihinana sakafo maivana, ary koa fotoana hifaneraserana amin’ny hafa. Ireo rahalahintsika sy anabavintsika mipetraka ao amin’ilay tanàna hanaovana ny fivoriambe na eo akaiky, ka mody isan-kariva, dia ho afaka mora foana ny hanomana sakafo kely hoentin’ny mpianakavy tsirairay ho an’ny fiatoana amin’ny antoandro. Izany dia hitovy be dia be amin’ny sakafo antoandro entin’ny ankizy any am-pianarana, izany hoe angamba sandwich iray sy voankazo iray ary zavatra hosotroina. Olona maro no mitondra sakafo antoandro mitovy amin’izany any am-piasana.
10 Tsy isalasalana fa ho zava-tsarotra kokoa izao fandaharana izao ho an’ireo izay avy any amin’ny toerana hafa ivelan’ilay tanàna hanaovana ny fivoriambe, satria hilaina ny hanaovany fandaharana mialoha raha ny amin’ireo zavatra hilainy amin’ny sakafo antoandro. Mety ho hitan’ny sasany fa mofo sy voankazo na legioma manta dia ho ampy ho an’ny tenany, sady ho azo entina avy any an-tranony koa izany. Voamarikay fa, teo aloha, dia maro no nahandro ny sakafony tany an-tranony ary nitondra izany tany amin’ny fivoriambe. Afaka manohy manao toy izany koa izy ireo, raha tiany izany.
11 Koa satria manjary Efitrano Fanjakana lehibe iray ny toerana anaovana ny fivoriamben’ny distrika raha ny tena izy, dia fahendrena koa ny hanalavirana ny hisian’ny rivo-piainana fahita amin’ny pique-nique, na fitsangantsanganana, mandritra ny fiatoana amin’ny antoandro. Ary tsy misy hafa amin’ny tsy ihinanantsika mandritra ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana, dia tsy hihinana na hisotro zavatra koa isika mandritra ireo fotoam-pivoriana amin’ny fivoriambe.
12 Soa fanampiny horaisina: Tena afaka mahita marina ny maha-fahendrena ireo fandaharana nahitsy ireo isika. Ho afaka hitandrina amin’ny fomba feno ny mba handraisantsika soa ara-panahy isika rehetra — ny tena zava-kendren’ny fiarahantsika mivory. Izany soa izany dia azo avy amin’ny fifaneraserana amin’ny hafa ary koa avy amin’ilay fandaharana mihitsy. Koa tsy hiala amin’ilay toerana mba hitady sakafo mandritra ny fiatoana amin’ny antoandro àry isika, fa ho soa toy inona kosa moa ny hitondrantsika sakafo avy any an-trano. Izany dia hahatonga antsika ho afaka hiaraka amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika ary hisakana antsika tsy hamoy na inona na inona amin’ny fandaharana amin’ny tolakandro.
13 Tena mankafy ilay fanasana ara-panahy marina isika amin’ireny fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny distrika ireny, izay ahazoantsika zavatra vita an-tsoratra vaovao sy fampianarana tsara dia tsara ary torohevitra azo ampiharina. Ireo fitahiana ireo no tadidin’ny rehetra, ary koa ny fifaliana miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra miara-mivory. Hoy ny Ohabolana 10:22: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” Izany no izy satria, amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah antsika, dia tsy manatrika fivoriamben’ny distrika mba hitadiavana zavatra ara-nofo mampiadana isika. Miara-mivory isika noho ny faniriana tsara ny hahazo ny soa be indrindra araka izay azo atao eo amin’ny lafiny ara-panahy, ary mamaly soa tondraka noho ny toe-tsaina asehontsika i Jehovah. — 1 Tim. 6:6-8; Heb. 11:6.
14 Ireny fotoana ahazoana fampaherezana ireny dia mampahatsiahy antsika koa ny fandrosoan’ny fijinjana ara-panahy. (Jaona 4:35, 36). Ireo teny fanokafana ny Isaia toko faha-54 dia mangataka ny fandaminan’i Jehovah, oharina amin’ny vadiny, mba hiomana ho amin’ireo fitomboana mahafaly. Efa amin’ny hoavy tsy ho ela ny fitomboana sy ny fitarana ary ny hery nohavaozina fanampiny, araka ny naminanian’i Isaia hoe: “Halalaho ny itoeran’ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao; fa hitatra any amin’ny ankavanana sy any amin’ny ankavia hianao”. Ny fahatanterahan’io faminaniana mampientana io dia niteraka ilay fitaran’ny fanompoam-pivavahana marina faran’izay miavaka hitantsika ankehitriny. — Isaia 54:1-4.
15 Tena lalan’ny fahaiza-mitsara zavatra marina ny fampiharana io fandaharam-panatsorana ny fivoriamben’ny distrika fanampiny io. Izany dia mba hahafahan’ny rehetra hankafy ny fandaharana ara-panahy nomanina, satria hihena ny fanelingelenana. Matoky izahay fa hahazo ny fitahian’i Jehovah koa izy io, satria hahafahana hikarakara ny fitomboana fanampiny amin’ny fomba mandaitra kokoa. Amin’ny fifantohana amin’izay ilaina, dia ho afaka hifaly amin’ireo andro nokasaintsika hisian’ny fiarahana falifaly sy zava-tsoa ara-panahy, isika. Ny vavaka feno fahatsorana ataonay dia ny hitahian’i Jehovah ny ezaka rehetra hataontsika, eo am-panohizantsika mivory sy ho voafahana eo amin’ny latabany. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 16:14, 15.
[Efajoro, pejy 4]
Soa avy Amin’ny Fanafoanana ny Fandaharana Ara-tsakafo
◼ Mihena ny asa atao aloha sy mandritra ary aorian’ny fandaharana, ka mamela ny hisian’ny fiarahana bebe kokoa
◼ Tsy misy fitaovana momba ny sakafo ilaina hokojakojaina
◼ Olona betsaka kokoa no afaka manaraka amim-pitandremana sy amin’ny fomba feno ny fandaharana ara-panahy
◼ Misy mpiasa an-tsitrapo betsaka kokoa afaka manampy any amin’ny sampan-draharaha hafa
◼ Misy fotoana bebe kokoa azo ampiasaina hikatsahana zavatra teokratika hafa
Fanipazan-kevitra Momba ny Zavatra Hoentina ho An’ny Fiatoana Amin’ny Antoandro
◼ Sakafo antoandro maivana sy tsotra ary mahavelona
◼ Voankazo nohamainina, voankazo tsotra, voanjo, mofo mamy
◼ Vata fampangatsiahana kely raha ilaina
◼ Rano mamy, ranom-boankazo, na rano ao anaty fitoerany tsy mora vaky
AZA Entina eny Amin’ny Toerana Anaovana ny Fivoriambe
◼ Zava-pisotro misy alkaola
◼ Fitoeran-javatra vita amin’ny tavoahangy
◼ Vata fampangatsiahana lehibe fitondra amin’ny pique-nique